Manova Ireo Lalàny Momba ny Fivavahana i Meksika
TAMIN’NY 16 JOLAY 1992, NY LALÀNA VAOVAO MOMBA IREO FIKAMBANANA ARA-PIVAVAHANA SY NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA AMPAHIBEMASO DIA NANOMBOKA NANAN-KERY TANY MEKSIKA. NAHOANA NO TENA NILAINA IZANY, ARY INONA NO HEVITRA AMPITAIN’IO LALÀNA VAOVAO IO? AOKA ISIKA HANDINIKA IO RAHARAHA IO IZAY NAMPIPOITRA FANANTENANA BE DIA BE.
TAMIN’NY fandresen’i Espaina an’izay antsoina hoe Meksika ankehitriny, dia noterena hanaraka ny fivavahana katolika ny vahoaka. Rehefa tonga ny fotoana hanaovana lalàna momba ny raharaha ara-pivavahana, dia nampiharina tamin’ny ampahany sasany ny lalàna iray tany Espaina, dia ny Constitución de Cádiz (1812); nilaza toy izao ny Andininy Faha-12: “Ny fivavahan’ny Firenena Espaniola dia Katolika, Apostolika, Romana, ilay hany fivavahana tokana sady marina, ary ho toy izany mandrakizay.” Tatỳ aoriana, tamin’ny 1824, dia naorina ny Lalàm-panorenana iray ho an’i Meksika, ary izao no nolazain’izy io: “Ny fivavahan’ny Firenena Meksikana dia Katolika, Apostolika, Romana, ary ho toy izany mandrakizay. Miaro azy io amin’ny alalan’ny lalàna mampiseho fahendrena sy rariny ny Firenena, ary mandrara ny fanarahana izay mety ho fivavahana hafa.” Na dia nisy aza ireo fanitsiana vitsivitsy an’ilay lalàna teo amin’ilay tany, dia nambara ny votoatin-kevitra nitovy tamin’izany ihany na dia mandra-pahatongan’ny taona 1843 aza, ka nanome ny toerana voalohany ho an’ny fivavahana katolika, ary nisakana ny fidiran’izay mety ho fivavahana hafa, raha ny tena izy.
Tamin’ny 1857 i Benito Juárez, mpitondra fanjakana meksikana iray, no nanomboka ny fanitsiana ireo lalàn’ilay tany tamin’ny fampidirana izay nantsoina hoe Lalàn’ny Fanavaozana. Izany dia mba “hifehezan’ny fanjakana ny fananan’ny eglizy” sy “mba hampitomboana ny fahefana ara-politika sy ara-toe-karen’ny Fanjakana ary mba hampihenana ny an’ny Eglizy [Katolika]”. (Historia de México, Boky Faha-10, pejy faha-2182). Tao amin’io fitambaran-dalàna tamin’ny 1859 io, dia natao nanan-kery ny Lalàn’ny Fifehezan’ny Fanjakana Ireo Fananan’ny Eglizy, ary koa ny lalàna iray izay mitaky ny hanaovan’ny Fanjakana ireo fombafomba amin’ny fampakaram-bady mba haha-ara-dalàna azy ireny. Tamin’ny 1860, dia natao nanan-kery ny Lalàna ho An’ny Fahafahana Ara-pivavahana.
Nanome fahafahana ara-pivavahana sasany ho an’ny vahoaka ireo lalàn’ny fanavaozana, ka nanome antoka fa tsy ny fivavahana katolika intsony no ho ny hany fivavahana izay ho afaka ny hisy ao amin’ilay tany. Kanefa, tena voafetra sy nisy fepetra io fahafahana vaovao io. Nanaiky ireo lalàna fa nisy ireo fivavahana tao Meksika saingy tsy nanome azy ireny fanekena na zo ara-dalàna. Nokendrena indrindra mba hamerana ny fivavahana katolika ireo lalàn’ny fanavaozana saingy ho vokatr’izany, dia nametra koa ireo fivavahana rehetra tao amin’ilay tany. Na dia izany aza, ireo fivavahana ankoatra ny an’ny Katolika dia afaka niasa tamin’ny fomba nalalaka kokoa, ary nanomboka fitohitohizam-pitoriana ny filazantsara tao amin’ilay tany ireo fivavahana protestanta avy tany Etazonia.
Nohamafisina ireo lalàn’ny fanavaozana tamin’ny 1917, niaraka tamin’ilay toe-tsaina nanohitra ny fahefan’ny klerjy, izay niteraka fanenjehana ireo pretra sy ireo olona katolika. Nitarika ho amin’ny adin’ireo Cristeros tamin’ny 1926 izany, ady katolika nanoherana ny fitondram-panjakana, ady izay nanandramana ny hanafoana ireo lalàna namepetra nifehy ny fivavahana. Nifarana tamin’ny 1929 io ady io niaraka tamin’ny faneken’ny fitondram-panjakana hilefitra, kanefa dia nitohy tsy nisy fanovana ireo lalàna.
Tao amin’ny fanazavana momba ireo lalàna ireo, dia manonona izao manaraka izao ilay boky hoe Una Ley Para la Libertad Religiosa (Lalàna Iray ho An’ny Fahafahana Ara-pivavahana): “Tsapantsika fa tany am-boalohany, ny Andininy Faha-24 ao amin’ny Lalàm-panorenantsika, eo amin’ny fehintsoratra faharoa, sy ireo andininy nohavaozina hafa ao amin’ny lalàm-panorenana, dia mazava fa fandikana ny fahafahana ara-pivavahana, satria nametra ny fanarahana ivelany ny fivavahan’ny isam-batan’olona izy ireny ary nametraka ny fanarahana izany ho eo ambanin’ny lalàna nandidian’ny manam-pahefana.
“Ankoatra izany, ireny fandaharana araka ny lalàm-panorenana ireny dia mazava fa nifanipaka tamin’izay naorina ao amin’ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana Hatraiza Hatraiza ny Zon’olombelona (Andininy Faha-19) ary nifanipaka tamin’ny Fifanarahana Amerikana Momba ny Zon’olombelona (Andininy Faha-12), izay fitaovana iraisam-pirenena neken’ny Fanjakana Meksikana.”
Tamin’ny 1988, rehefa nanomboka ny fitondrany naharitra enin-taona ny prezidà vaovaon’i Meksika, dia nasaina tamin’ny fitokanana ny fandraisany fahefana ireo eveka katolika. Tao amin’ny kabary nataony, ny Prezidà Carlos Salinas de Gortari dia nanambara ny ilana ny hanovana ho maoderina ny fifandraisan’ny Eglizy sy ny Fanjakana. Io fanaovana dingana voalohany io dia nitarika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe tsy maintsy natao ny fanitsiana ireo lalàna mahakasika ny fivavahana. Fanampin’izany, ilay tany dia nihanandroso ho lasa fitambaran’olona demokratika kokoa, ary natomboka ireo fifampiraharahana ho amin’ny fifanekena ara-barotra malalaka amin’i Etazonia sy i Kanada. Koa tena nilaina ny hanitsiana ilay lalàna mba hampifanarahana azy io tamin’ny fahafahana ara-pivavahana.
Ilay lalàna vaovao
Ilay lalàna vaovao, araka ny voalaza ao amin’ny andininy voalohany, dia “miorina eo amin’ny fotopoto-pitsipika ara-tantara momba ny fisarahan’ny Eglizy sy ny Fanjakana, ary koa miorina eo amin’ny fahafahana hanana zavatra inoana ara-pivavahana (...)”. Ny andininy faharoa dia miantoka fahafahana ho an’ny isam-batan’olona “mba hanana na hifidy ireo zavatra inoana ara-pivavahana izay tiany sy harahiny, mitambatra amin’ny hafa na manokana, ireo fanao eo amin’ny fanompoam-pivavahana na ireo fombafomba izay tiany (...), mba hilaza fa tsy manana zavatra inoana ara-pivavahana (...), mba tsy hiharan’ny fanavakavahana, ny fanerena, na ny famelezana noho ireo zavatra inoan’ny tena ara-pivavahana (...), mba hifanerasera sy hiara-mivory amim-pilaminana noho ny zava-kendrena ara-pivavahana”. Tamin’ny alalan’io lalàna io, “ireo fiangonana sy antokom-pivavahana dia hanana toerana ara-dalàna amin’ny maha-fikambanana ara-pivavahana raha vantany vao mahazo ilay fisoratana anarana takina mifanitsy amin’izany eo anatrehan’ny Ministeran’ny Fitondram-panjakana izy ireo”. Afa-tsy izany koa, “ireo fikambanana ara-pivavahana noforonina nifanaraka tamin’itỳ lalàna eto itỳ dia mety hanana ny fidiram-bolany manokana avy amin’ny fanomezana izay mamela azy ireo hanatontosa ny zava-kendreny”.
Voasoratra ara-dalàna ireo Vavolombelon’i Jehovah
Mifanaraka amin’io lalàna vaovao io, ireo Vavolombelon’i Jehovah any Meksika dia nampiditra fangatahana tany amin’ny Biraon’ny Raharaha Ara-pivavahana tamin’ny 13 Aprily 1993, mba hosoratana amin’ny maha-fivavahana. Talohan’io fotoana io, ireo Vavolombelon’i Jehovah, toy izay mety ho fivavahana hafa tao amin’ilay tany, dia tena nisy tokoa saingy tsy nanana ny naha-izy azy ara-dalàna. Efa tao amin’ilay tany hatreo am-piandohan’ny taonjato faha-20 ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia tsy nisy aza ny fanekena ara-dalàna, ny fitondram-panjakana any Meksika dia nanome lalana ny Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 2 Jona 1930. Tamin’ny 20 Desambra 1932, dia novana hoe La Torre del Vigia (Ny Tilikambo Fiambenana) io anarana io. Kanefa tamin’ny 1943, noho ireo lalàna izay nametra ireo asa ara-pivavahana tao amin’ilay tany, dia nosoratana ny fisiana vaovao iray tamin’ny naha-fikambanana sivily. Nitahy ny asa izay notanterahin’ireo Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro i Jehovah tamin’izany fomba izany. Ankehitriny, mifanaraka amin’ny taratasy ofisialy tamin’ny 7 May 1993, izay nalefa tany amin’izy ireo tamin’ny 31 May 1993, ny Vavolombelon’i Jehovah dia voasoratra hoe La Torre del Vigía, A. R., sy hoe Los Testigos de Jehová en México, A. R., ka samy fikambanana ara-pivavahana izy roa ireo.
Eo ambanin’ireo fandaharana vaovao ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika, toy ny any amin’ny tany 230 hafa eo amin’izao tontolo izao, dia manohy miezaka mafy amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy fandaharam-panitarana lehibe any Meksika, izay mahafaoka ny fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao sy Efitrano Fanaovana Fivoriambe vaovao. Amin’ny fisian’ny mpitory maherin’ny 380 000 sy ireo vaovao atao batisa 30 000 eo ho eo isan-taona, dia misy asa be dia be hatao, araka ny asehon’ny fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano miisa 530 000 izay tarihina amin’izao fotoana izao.
Tsy midika izany fa voalamina ireo zava-manahirana rehetra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika. Mbola tsy maintsy miatrika fanerena any an-tsekoly ireo zanany noho ny raharahan’ny fialanalanana. Ireo manam-pahefana anefa dia mitady ny hampihatra ilay lalàna vaovao amin’ny fomba tsy miangatra eo amin’ny fifampiraharahana amin’ireo fivavahana samy hafa ao amin’ilay tany. Tena nanao dingana lehibe ho fiarovana ny zon’olombelona sy ny fahafahana ara-pivavahana tokoa i Meksika amin’ilay lalàna vaovao mahakasika ny fivavahana.
[Sary, pejy 13]
Ireo taratasy ofisialy manome fanekena ho ara-dalàna “Ny Tilikambo Fiambenana” sy ny “Mifohaza!”
[Sary, pejy 14]
Foibe vaovao ho an’ny fampianarana ny Baiboly natsangan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika