FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/2 p. 3-4
  • Ny fetran’ny fahafahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fetran’ny fahafahana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manisy fetra ho an’ny olona ireo lalàna araka ny fizika
  • Lalàna mifehy ny ataontsika
  • Ny Safidy Malalaka—Fanomezana Mahatalanjona
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
  • Aza Diso ny Zava-kendren’ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Aiza moa no mety hahitana fahafahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1976
  • Omen’i Jehovah Tena Fahafahana Isika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/2 p. 3-4

Ny fetran’ny fahafahana

“Tsy misy andevozina kokoa noho izay mihevi-tena ho afaka nefa tsy toy izany.” — Goethe.

FAHAFAHANA! Teny feno feo mikarantsana re izany! Fa milaza inona ho anao izany? Moa ve ny hoe afaka milaza fa manana zo tsy azo afoy hanao izay tianao ianao, amin’ny fotoana sy toerana tianao hanaovana izany, tsy misy fiheverana ny hafa? Azo antoka fa tsy izany! Nanome fetra ho an’ny ataonao ireo mpanao lalàna noho ny fikendrena ny hiaro ny zo sy ny tombontsoan’ny hafa. Moa ve tsy zava-dehibe tokoa izany rehefa misy olona miara-miaina?

Ohatra, manana fahafahana handeha angamba ianao, kanefa tsy afaka mampiasa ny fiarakodianao afa-tsy ao anatin’ny fetra nomen’ny lalàna. Natsangana ireny fetra ireny, na lalàna, mba hiantoka, tsy ny fiarovana ny hafa ihany, fa ny anao koa. Noho izany, ny tena fahafahana dia tsy mahafaoka fahafahana amin’ny adidy rehetra, ny fifehezana rehetra sy ny fahafoizan-tena rehetra; tsy ailiny koa ireo lalàna ara-drariny sy mahasoa. Mahaliana fa manome izao filazalazana ny amin’ny fahafahana izao ny Diksionera ara-pitsarana nataon’i Black (anglisy):

“Toeran’izay afaka (...) tsy misy fatorana, vato misakana na fandrarana afa-tsy izay andidian’ireo lalàna ara-drariny sy ilaina mbamin’ny adidy eo amin’ny fiainana ara-tsosialy.”

Mba hananana fahafahana, dia tokony hivoatra ao anatin’ny fefy roa isika: ireo lalàna araka ny natiora sy ireo lalàna ara-pitondrantena.

Manisy fetra ho an’ny olona ireo lalàna araka ny fizika

Tsy misy mihitsy olona afaka mahita fahafahana tanteraka, na dia handeha hitoka-monina eny amin’ny nosy bitika iray very ao anatin’ny ranomasina midadasika aza izy. Manisy fetra amin’ny fahafahany ny fiankinany amin’ny toerana manodidina azy sy ireo fepetra araka ny natiora takin’ny tenany. Jehovah Andriamanitra Mpamorona no nanorina ireny fefy araka ny natiora ireny; afa-tsy izany koa, dia namorona fefy hafa izy tamin’ny alalan’ireo lalàny sy ireo fotopoto-pitsipiny. — Asan’ny apostoly 17:26-28.

Nataon’Andriamanitra izay hiasan’ny lalàna araka ny fizika mitana izao rehetra izao ao anatin’ny fifandrindrana mahatalanjona. Natao hahasoa antsika ireny lalàna ireny. Ohatra, hitanao ho manery ve ny lalàna momba ny “pesanteur” (hery misintona ny zavatra ho amin’ny afovoan’ny tany), dia lalàna araka ny natiora nomanin’Andriamanitra? Azo antoka fa tsia. Ny “pesanteur” dia hery tena ilaina izay miaro ny fikambanan’izao rehetra izao sy misakana anao tsy hisidina avy amin’ny tany.

Inona anefa no hitranga raha minia mandika ny lalàn’ny “pesanteur” ianao ka mianjera avy eny amin’ny hantsambato dimampolo metatra? Na ho faty noho ny fianjerana ianao na haratra mafy. Ny hany ho azonao dia fetra amboniny, fa tsy fahafahana mihitsy. Tsy afaka mandika ireo lalàna araka ny fizika isika ka tsy handoa ny vokany. Rehefa mijanona ao anatin’ny fetrany kosa isika, dia mandray soa avy amin’izany.

Lalàna mifehy ny ataontsika

Efa ho telonjato taona teo ho eo izay, ilay filozofa anglisy atao hoe John Locke dia namintina tamin’ny andalan-tsoratra vitsivitsy izay tsy isalasalana fa efa tsapanao ny amin’ny fahafahana sy ny lalàn’olombelona. Izao no nosoratany: “Ao amin’izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fahafahana. Ny fahafahana tokoa dia ny fandosirana ny faneriterena sy ny herisetran’ny hafa, dia zavatra tsy mety ho hita rehefa tsy misy lalàna; nefa kosa, na dia ao aza izay rehetra lazaina ny amin’izany, dia tsy ‘fahafahana ho an’ny tsirairay avy ny manao izay mahafinaritra azy’. Raha ny marina, iza no afaka hanana fahafahana rehefa mety hisy heriny eo aminy ny fahasosoran’ny hafa?”

Tena mety ireo teny ireo rehefa ampiharina amin’ny lalàn’olombelona nokendrena hisakanana ny asa ratsy. Raha mahatsapa fa mila ny hanana lalàna mifehy ny atao eo amin’ny fitambaran’olona ny olombelona, moa ve tsy ho hitan’ny Mpamorona azy koa ny ilàna izany? Ho nanome lalàna araka ny fizika ve Andriamanitra sady hamela ny olombelona tsy hanan-dalàna manondro aminy ny lalana tokony harahina? Tsy azo saintsainina izany. — Matio 6:8.

Ireo lalàn’ny Mpamorona natao ho an’ny olombelona dia notanana an-tsoratra sy notehirizina mba hahafahantsika mahalala ny fomba tsara indrindra tokony hitondrana ny fiainantsika (II Timoty 3:16, 17). Lazalazain’ny Baiboly toy izao ny hatsaran’ireny lalàna ireny: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.” — Salamo 19:7, 8.

Izay maniry ho velona amin’ny tsy firaharahana izay rehetra mety ho fetra amin’ny lafiny ara-pitondrantena dia sahala amin’ny olona iray mandeha ao amin’ny sambo tsy manana kompà na familiana intsony. Samy mivily lalana izy ireo ka tokony ho hitany indray ny lalana tsara raha tsy tiany ny hiharan’ny vokany mampidi-doza. Mametraka fanontaniana lehibe iray àry izany: afaka ho tody soa aman-tsara amin’ny fitondrana ny fiainantsika tsy miankina amin’Andriamanitra ve isika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara