Ny Fiheveran’ny Baiboly
Natao ho An’ny Kristiana ve ny Filokana?
FAHAZARANA LAFO VIDY NY FILOKANA. MATETIKA IZY IO NO MANDANY NY ANTSASAKY NY VOLA MIDITRA AMIN’NY TENA, ARY AFAKA MITARIKA HO AMIN’NY TROSA BE. IO FAHAZARANA IO DIA AFAKA MANDRAVA FANAMBADIANA SY ASA NOFIDINA HATAO EO AMIN’NY FIAINANA, ARY METY HAHATONGA OLONA SASANY HO TAFIDITRA AMIN’NY HELOKA BEVAVA MIHITSY AZA. IREO AZON’IZY IO DIA ZA-DRATSY ARY METY HIJALY NOHO IREO VOKATRY NY FIALANA AMINY, TOY IZAY HITA EO AMIN’IREO ZA-DRATSY AMIN-JAVATRA HAFA.
HITA ombieny ombieny aoka izany ny filokana, hany ka misy tany sasany mihevitra azy io ho “lalao fandaniana andron’ilay firenena”. Fa inona marina anefa no atao hoe filokana? Ny filokana dia “fanaovana fanamby momba ny ho fiafaran’ny fisehoan-javatra iray amin’ny hoavy”, hoy ny filazan’ny The World Book Encyclopedia. “Mazàna ireo mpiloka dia mifanamby vola na zavatra hafa sarobidy ho toy ny antoka ho an’ilay fiafarana nolazainy mialoha. Rehefa hita mazava tsara ilay fiafarana, dia raofin’ilay mpandresy ny antoka napetrak’ireo resy.”
Tsy zava-mitranga vaovao akory ny filokana. Ny Maya fahiny tany Amerika Afovoany, taloha dia nanao lalao baolina be mpitia iray nantsoina hoe poktatok — fantatry ny Aztèques hoe tlachtli — “ka tamin’izany, ny sasany izay namoy ny harenany [tamin’ny filokana tamin’ilay lalao] dia nanao ny fiainany mihitsy ho antoka”, hoy ilay gazetiboky hoe Américas. Voan’ny tazon’ny fanamby ireny olona fahiny ireny ka indraindray izy ireo dia “nisetra loza, dia ny hiaina ho toy ny andevo, arakaraka ny fiantsambotsambotra miovaovan’ny baolina fingotra iray”.
Nahoana no misy olona maro voan’ny tazon’ny filokana? Araka ny voalazan’i Duane Burke, prezidàn’ny Public Gaming Research Institute any Etazonia, dia “olona mihamaro kokoa hatrany no mihevitra ny filokana ho endri-pialam-boly azo ekena”. Na dia ny fandaminana ara-pivavahana sasany aza dia mankasitraka ny filokana ho toy ny fomba iray fampitomboana renivola.
Na dia be mpitia sy manan-tantara lava aza ny filokana, moa ve izy io mety ho fanalana andro tsy misy tsininy fotsiny ho an’ny Kristiana? Sa, misy zavatra bebe kokoa noho izany ny amin’izy io?
Nahoana no miloka ny olona?
Raha lazaina fohy, dia hoe: mba handresena. Ho an’ireo mpiloka, ny filokana dia toa fomba iray haingana sy manaitaitra mba hahazoam-bola tsy misy ilay ezaka sy fifehezana tafiditra amin’ny fiasana eo amin’ny asa fivelomana iray. Betsaka ny fotoana lany hanonofinofisana ny amin’ilay “loka be” sy ny amin’izay mety hoentin’izany loka izany eo amin’ny laza sy ny fananana.
Tsy hita pesipesenina anefa ny mety haharesy ilay mpiloka. Nilaza, ohatra, ilay mpanao statistika atao hoe Ralf Lisch, fa any Alemaina “dia azo inoana kokoa ny hilatsahan’ny varatra aminao inefatra mandritra ny taona noho ny [hahazoanao] ireo volan-doka [amin’ny loteria alemanina]”. Raha toa tsy mandresy lahatra izany, dia nanampy izao fanoharana manaraka izao izy: “Raha lehilahy ianao, ny mety ho fahafahanao hiaina hatramin’ny 100 [taona] dia avo 7 000 heny noho ny [fahafahanao handresy amin’ny loteria].” Mahatsikaiky anefa fa mety hahafantatra izany ilay mpiloka. Koa inona àry no mahatonga azy hanohy hiloka?
Araka ny voalazan’ny Dr. Robert Custer, ao amin’ny bokiny hoe When Luck Runs Out, ho an’ny sasany izay miloka, “dia tsy ny fahazoam-bola ihany no hany lafiny amin’ny fandresena. (...) Ho azy ireo, ny zava-dehibe dia ilay fitsiriritana sy fanajana sy fiderana ary fandokadokafana izay azon’ny fahazoam-bola baikoina”. Nanampy teny izy fa ho azy ireny, izany dia “ilay fientanam-po noho ny fahafahana mampideradera vola be, na ny fahafahana milaza fotsiny hoe: ‘Nahavoa be aho’ ary dia maka fahafinaretana amin’ilay voninahitra”.
Etsy an-danin’izany, ny fandresena — sy ny fientanam-po miaraka amin’izany — dia mbola tsy ampy ho an’ny mpiloka maro. Ny fandrisihana mafy hiloka dia mety hitombo mafy aoka izany ka hahatonga azy ho mpiloka za-dratsy. Tao amin’ny fandinihana iray nataon’ny Dr. Custer niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Mpiloka Tsy Mitonona Anarana (fikambanana manampy ireo mpiloka handresy ny fahazaran-dratsiny), dia 75 isan-jaton’ireo nodinihina no nilaza fa fahazaran’izy ireo ny nandoka tena ho nandresy na dia rehefa resy aza izy ireo! Eny, ny filokana dia mety hanjary fahazaran-dratsy mafy sy manimba toy ny fahazaran-dratsy amin’ny alkaola na amin’izay mety ho zava-mahadomelina hafa. Firifiry moa ireo mpiloka niampita tsy nahy ilay tsipika manasaraka ny fialam-boly sy ny fahazaran-dratsy? Firifiry moa no efa nanao izany ary tsy mahafantatra izany akory?
Fiheveran’Andriamanitra
Tsy miresaka ny filokana amin’ny an-tsipiriany ny Baiboly. Na dia izany aza, dia manome antsika fotopoto-pitsipika izay manampy antsika hamaritra ny fiheveran’Andriamanitra ny filokana izy io.
Nasehon’ny fanandraman-javatra fa manome taratry ny faniriana mihoa-pampana ny filokana. Melohin’ny Baiboly mafy ny faniriana mihoa-pampana, amin’ny fampitandremana fa ‘tsy hanana anjara lova ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona manana faniriana mihoa-pampana’. (Efesiana 5:5, NW ). Hita ny faniriana mihoa-pampana na dia rehefa resy aza ireo mpiloka. Araka ny manam-pahefana iray, ilay mpiloka “dia miezaka hahazo indray izay efa nafoiny — manantena ilay ‘loka be’. Raha tena mahavoa be izy, dia manao fanamby lehibe kokoa, ary amin’ny farany dia afoiny ilay ‘loka be’ azony”. Eny, azo antoka fa anisan’ny filokana ny faniriana mihoa-pampana.
Ny filokana dia ampiasain’ny sasany ho fomba hanomezana fahafaham-po ny fireharehany. Ny fandinihana iray natao tamina mpiloka za-dratsy dia nampiseho fa ny 94 isan-jato dia nihevitra ny filokana ho “asa fampitomboana ny hajan’ny tena”, ary ny 92 isan-jato dia nilaza fa nahatsiaro tena ho toy ny “olona ambony” izy rehefa niloka. Izao anefa no lazain’Andriamanitra: “Ny fiavonavonana sy ny fireharehana (...) dia samy halako avokoa.” Araka izany, ny Kristiana dia ampirisihina mafy mba hamboly fanekena ny fetran’ny tena sy fanetren-tena. — Ohabolana 8:13; 22:4; Mika 6:8.
Mety hitaona ho amin’ny hakamoana koa ny filokana, satria izy io dia toa fomba mora iray hahazoam-bola tsy misy ilay ezaka tafiditra amin’ny fiasana. Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia mandrisika mazava ny Kristiana ho amin’ny asa mafy amim-pitandremana. — Efesiana 4:28.
Ambonin’izany, dia zava-dehibe aoka izany ho an’ny mpiloka sasany ilay antsoin’izy ireo hoe vintana, hany ka manjary matimaty amin’izany izy ireo, manao azy io ho andriamaniny. Izany dia mitovy amin’ilay fitantaran’ny Baiboly momba ireo olona izay “mamelatra latabatra ho an’i Gada [“ilay andriamanitry ny Vintana Tsara”, NW ]”. Noho ny asany feno fanompoan-tsampy, dia voatokana “ho voan’ny sabatra” izy ireo. — Isaia 65:11, 12.
Ahoana raha tolorana karatra amin’ny loteria maimaim-poana, na tolorana vola ho fanomezana mba hampiasaina amin’ny filokana ny olona iray? Amin’ireo toe-javatra roa ireo, ny fanekena fanolorana toy izany dia mbola ho fanohanana ihany ny fanaovana filokana — fanaovan-javatra izay tsy mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra.
Tsia, tsy natao ho an’ny Kristiana ny filokana. Araka ny nilazan’ny mpampanonta gazetiboky iray azy, dia ‘tsy vitan’ny hoe ratsy ny filokana, fa fanaovan-javatra tsy mampiseho fahendrena koa’.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]
Valentin/The Cheaters, Giraudon/Art Resource