FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/9 p. 4-8
  • Nahoana no Ratsy ny Miloka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Ratsy ny Miloka?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mihabetsaka ny mpiloka
  • Mifindra ilay aretina
  • Natao ho An’ny Kristiana ve ny Filokana?
    Mifohaza!—1995
  • Halaviro ny Fandriky ny Filokana
    Mifohaza!—2002
  • Raran’ny Baiboly ve ny Filokana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Loka
    Mifohaza!—2015
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/9 p. 4-8

Nahoana no Ratsy ny Miloka?

“Aostralianina 290 000 eo ho eo no tena mpiloka, ary mitentina 3 000 tapitrisa dolara mahery ny fatiantoka aterak’izany isan-taona. Tsy ny fiainan’izy ireo ihany no potika amin’izany. Misy fiantraikany mivantana eo amin’ny olon-kafa 1,5 tapitrisa eo ho eo koa izany, rehefa tapi-pananana, misara-panambadiana, mamono tena, ary lany andro fotsiny any am-piasana ireo mpiloka.”—J. Howard, praiminisitra aostralianina, 1999.

LASA mpiloka mihitsy i John, noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.a Nifindra tany Aostralia izy, ary nanambady an’i Linda, izay mpiloka koa. Vao mainka lasa mpiloka be i John. Hoy izy: “Nividy karatra loteria fotsiny aho tamin’ny voalohany. Tatỳ aoriana aho, dia lasa niloka tamin’ny hazakaza-tsoavaly sy nilalao tany amin’ny trano filokana. Niloka nila ho isan’andro mihitsy aho tamin’ny farany. Laniko nilokana ny karamako rehetra indraindray, ka tsy nisy hanefana ny vola tokony haloanay na hataonay sakafo. Nanohy nilalao foana aho, na efa nahazo vola be aza. Ny fitaintainana mandritra ilay lalao no tiako, ka nanandevo ahy.”

Betsaka ny olona mitovy amin’i John. Toa lasa adalan’ny filokana ny firenena rehetra. Nilaza ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy) fa teo anelanelan’ny taona 1976 sy 1997, dia nitombo 3 200 isan-jato be izao ny vola lany tamin’ny filokana tany Etazonia.

Hoy ny gazety Gilaoby sy Taratasy (anglisy) hoe: “Taloha ny filokana dia noheverina ho manimba ny fitondran-tena sy ny fiaraha-monina. Lasa fanarian-dia ekena eo amin’ny fiaraha-monina anefa izy io ankehitriny.” Toy izao ny filazan’io gazety io ny antony iray nampiova ny toe-tsain’ny olona ho toy izany: “Izany no vokatry ny dokam-barotra ampirisihana ny olona handray anjara amin’ny loteria tohanan’ny fanjakana; ireny angamba no dokam-barotra nandaniam-bola sy naharitra ela indrindra teto Kanada.” Inona no fiantraikan’ny fampiroboroboana ny filokana tany amin’ny firenena sasany?

Mihabetsaka ny mpiloka

Manadihady momba ny fahazaran-dratsy ny sampana iray ao amin’ny Sekoly Ara-pitsaboan’i Harvard. Araka ny tombana nataon’io sampana io, dia ‘lasa toy ny aretina ny filokana ho an’ny olon-dehibe amerikanina 7,5 tapitrisa sy ny tanora 7,9 tapitrisa’, tamin’ny 1996. Nampidirina tao amin’ny tatitra nataon’ny Vaomiera Amerikanina Manadihady ny Vokatry ny Filokana (NGISC) ireo isa ireo, ary nomena ny Antenimieram-pirenena Amerikanina. Nilaza ilay tatitra fa efa betsaka noho ireo voalaza ireo angamba izao ny mpiloka any Amerika.

Araka ny tombantombana, dia lany vola an’arivo tapitrisa dolara ho an’ny mpiloka ny firenena amerikanina, isan-taona. Tsy maintsy omena vola fanampiana mantsy izy ireo rehefa tsy an’asa, ary handaniam-bola koa ny fandaharam-pitsaboana azy ireo. Mbola tsy mampiseho tsara ny fiantraikan’ny filokana anefa ireo zavatra voatanisa ireo. Mbola eo ny fiantraikan’izany eo amin’ny fianakaviany sy ny namany ary ny mpiara-miasa aminy, noho izy mangalatra, manodinkodim-bola, mamono tena, mamono vady, mampijaly ny ankizy. Asehon’ny fanadihadiana natao tany Aostralia, fa mety hisy fiantraikany mivantana eo amin’ny olona folo ny zavatra ataon’ny mpiloka iray. Ary milaza ny Filan-kevitra Amerikanina Mpanao Fikarohana, fa “ny antsasaky ny olona manambady sy ny folo isan-jaton’ny ankizy dia miaritra ny fampijaliana ataon’ireo olona tena mpiloka be.”

Mifindra ilay aretina

Mety hanaranaka toy ny aretina sasany ny filokana. Hoy ny tatitra nataon’ny NGISC: “Hatahorana kokoa haditra ny zanaky ny mpiloka be. Mety hifoka sy hisotro ary hampiasa zava-mahadomelina ireny ankizy ireny ary tena ho lasa mpiloka be koa.” Milaza koa ilay tatitra fa “ny tanora no tena atahorana ho lasa mpiloka be, na samy miloka aza ny tanora sy ny olon-dehibe.”

Hoy i Dr. Howard Shaffer, talen’ilay sampana ao amin’ny Sekoly Ara-pitsaboan’i Harvard, manadihady momba ny fahazaran-dratsy: “Betsaka ny porofo ilazana fa mitombo be ny filokana tsy araka ny lalàna ataon’ny tanora, ka efa mihoatra na, fara faharatsiny, mitovy amin’ny filokana eken’ny fanjakana izany.” Hoy kosa izy momba ireo mpiloka mety hanararaotra ny Internet: “Heveriko fa toy ny vokatry ny fifohana zava-mahadomelina mahery amin’ireo mpifoka, ny ho vokatry ny fitaovana elektronika amin’ireo mpiloka.”

Lazaina matetika fa fialam-boly mahasoa ny miloka. Ho an’ny tanora anefa matetika dia mety ho lasa fahazaran-dratsy toy ny fifohana zava-mahadomelina izy io, ary mety hahatonga azy hanao asan-jiolahy. Nasehon’ny fanadihadiana natao tany amin’ny Royaume-Uni, fa “46 isan-jato” tamin’ny tanora niloka no “nangalatra tany an-tranony” mba hahafahany hiloka.

Mbola manala tsiny ny fampiroboroboana ny filokana ihany anefa ny fikambanana matanjaka iray mpanao filokana, ka milaza hoe: “Tsy mahita olana mihitsy ny ankamaroan’ny Amerikanina miloka.” Angamba ianao mahatsapa fa tsy tena misy fiantraikany eo amin’ny toe-bolanao sy ny fahasalamanao ny filokana. Inona anefa no fiantraikan’izy io eo amin’ny fahasalamanao ara-panahy? Misy antony mitombina hanalaviranao ny filokana ve? Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay faritra voafefy hoe “Tena Mpiloka ve Aho?”, ao amin’ny pejy faha-4 sy faha-5.

[Efajoro/Sary, pejy 4, 5]

Tena Mpiloka ve Aho?

Milaza ny Fikambanana Amerikanina Mitsabo Aretin-tsaina, fa ahafantarana ny olona efa mpiloka be ireo famantarana voalaza eo amin’ny pejy faha-5. Manaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana, fa efa tena mpiloka ianao raha ahitana maromaro amin’ireo famantarana ireo. Efa atahorana hiafara amin’izany kosa ianao raha ahitana iray amin’ireo famantarana.

Zavatra maharevo Revo amin’ny filokana ianao, ka tianao hiainana indray ny lalao nataonao taloha. Efa mieritreritra izay hatao manaraka indray ianao na mitady fomba hahazoana vola hilokana.

Vola ilalaovana Mila ampitomboina foana ny vola ilalaovanao, mba hahatsapanao ilay fitaintainana tadiavinao.

Fialana Tsy mahatombina ianao na mora tezitra rehefa manandrana mampihena ny filokana ataonao na mijanona tsy miloka.

Fandosirana Miloka ianao mba handosirana ny zava-manahirana na mba hanamaivanana ny fahatsapanao ho tsy afa-manoatra, meloka, mitebiteby, na ketraka.

Manavotra Raha banky ianao, dia matetika no milalao indray mba hanavotana ny vola laninao tamin’izay. Izany no antsoina hoe manavotra.

Mandainga Andainganao ny havanao sy ny olon-kafa mba tsy hahafantarana hoe tena mpiloka ianao.

Tsy mahafehy tena Efa imbetsaka ianao no niezaka hijanona tsy hiloka sy hifehy ny filokana ataonao na hampihena izany, nefa tsy nahavita.

Fandikan-dalàna Nandika lalàna ianao. Nanao hosoka, ohatra, na nangalatra na nanodinkodim-bola, mba hahazoam-bola hilokana.

Nanimba fifandraisana sarobidy Nosimbanao na nafoinao ny fifandraisana sarobidy, ny fahafahanao hianatra na hiasa, na voaroaka tamin’ny asa ianao noho ny filokana.

Nila vonjy Nitady vola tany amin’olona ianao, satria lany vola tamin’ny filokana.

[Sary nahazoan-dalana]

Avy tamin’ny: Sampan-draharaha Mpanao Fitsapan-kevitra ao amin’ny Oniversiten’i Chicago, ny Fikambanana Mpanao Fikarohana Gemini, sy ny Tarik’i Lewin.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Ny Hevitra Ampitain’ny Dokam-barotra Momba ny Loteria

Nandefa tatitra tany amin’ny Vaomiera Amerikanina Manadihady ny Vokatry ny Filokana, ny mpikaroka tao amin’ny Oniversiten’i Duke, any Etazonia. Hoy izy ireo: “Ny fampirisihana hanao loteria . . . dia mety hoheverina ho toy ny fanabeazana tena ilaina, sy hampianarana ny olona fa tsy manimba na hoe tsara mihitsy ny miloka.” Inona tokoa no fiantraikan’ny dokam-barotra momba ny loteria eo amin’ny fiaraha-monina? Hoy ilay tatitra: “Angamba tsy fanitarana ny filazana fa fitaka ny dokam-barotra momba ny loteria, izay milaza hoe mifidy ny isa marina fotsiny dia mahazo. Mety handiso fanantenana ny vokatr’izany fomba ‘fanabeazana’ manimba, asongadin’ny fikambanana mpanao loteria izany. Hampihena ny vola miditra amin’ny fanjakana mantsy izany amin’ny farany, satria hitotongana ny toe-karena. Tsy maintsy hihena ny zava-bita, raha lasa malai-miasa, tsy manangom-bola, ary tsy manokana vola ho amin’ny fianarana sy ny fiofanana ny olona, vokatry ny fampirisihana hanao loteria. Tsy hampianatra ny zanatsika isika hoe antenaina hahatafita ny fahagagana.”

[Efajoro/Sary, pejy 8]

Lasa Filokana ny Tokantrano

Kely dia kely noho ny vola lany hananganana trano filokana vaovao, no ilain’ny fikambanana mpanao filokana mba hahazoana toerana ao amin’ny Internet. Mety ho lasa trano filokana mihitsy ny tokantrano rehetra manana ordinatera mifandray amin’ny Internet. Teo antenatenan’ireo taona 1990, dia 25 teo ho eo ny isan’ny toerana filokana tao amin’ny Internet. Efa 1 200 mahery anefa izany, tamin’ny 2001 ary mitombo avo roa heny isan-taona ny vola azo amin’ny filokana amin’ny alalan’ny Internet. Nampidi-bola 300 tapitrisa dolara ireo toerana filokana ao amin’ny Internet, tamin’ny 1997. Tafakatra ho 650 tapitrisa dolara izany tamin’ny 1998, ary 2 200 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2000. Nilaza ny fampahalalam-baovaon’ny Reuters fa “antenaina ho tafakatra 6 400 tapitrisa dolara” izany, amin’ny taona 2003.

[Sary, pejy 6]

Sady tsy manam-bola no tsy manan-kohanina ny fianakavian’ny mpiloka

[Sary, pejy 7]

Mampanahy fa mitombo be ny filokana ataon’ny tanora

[Sary, pejy 8]

Atahorana kokoa ho lasa mpiloka ny zanaky ny mpiloka be

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara