Afaka Miantoka ny Fahasambarana ve ny Fanambinana Ara-nofo?
“TAMIN’NY mpianatra sahabo ho 50 tao an-tsekolinay, dia 1 na 2 monja no nikiraro”, hoy ny tsaroan’i Poching, 45 taona, izay nihalehibe tany amin’ny tapany atsimon’i Taïwan nandritra ireo taona 1950. “Tsy afaka nividy an’ireny izahay. Kanefa, tsy nihevitra mihitsy ny tenanay ho nahantra izahay. Nanana izay rehetra nilainay izahay.”
Tokony ho 40 taona lasa izany. Hatramin’izay, ny fiainana dia niova tamin’ny fomba manaitra ho an’i Poching sy ireo mponina 20 tapitrisa hafa ao amin’io nosy io. Araka ny fanazavan’ilay boky hoe Facts and Figures — The Republic of China on Taiwan (Ireo Zava-misy sy Ireo Tarehimarika — Ny Repoblikan’i Sina any Taïwan), “i Taïwan [dia] niova avy tamin’ny fiaraha-monina niompana tamin’ny fambolena ka lasa fiaraha-monina matanjaka miompana amin’ny indostria”. Tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, i Taïwan dia noheverina ho “fiaraha-monina tsy mihilangilana, mahita fanambinana”.
Eny tokoa, hita hatraiza hatraiza any Taïwan ny porofon’ny fanambinana. Tsiriritin’ireo firenena eo an-dalam-pandrosoana hafa ny fanambinana ara-nofon’i Taïwan, manomboka amin’ireo fitambaran-trano birao misy rihana maro faran’izay maoderina naorina haingana nanerana ilay nosy, ka hatramin’ireo lalam-be hipoky ny aotomobilina lafo vidy nohafarana avy any ivelany. Mirehareha ny China Post, gazety lehibe amin’ny teny anglisy any Taïwan, fa amin’izao andro izao, “ny mponin’i Taïwan dia manana ny fari-piainana ambony indrindra eo amin’ny tantara sinoa”.
‘Zava-manahirana tsy toko tsy forohana’
Nitondra ho an’ny mponina ny tena fahasambarana sy fahafaham-po ve izany fanambinana ara-nofo rehetra izany? Na dia tsy isalasalana aza fa zavatra maro no ireharehan’ny mponin’i Taïwan, dia misy lafy ratsiny izany tantaram-pahombiazana izany. Manohy miresaka ny amin’izany indrindra ny China Post: “Niara-tonga tamin’izany fahatondrahan-karena be izany ireo zava-manahirana sarotra alamina tsy toko tsy forohana.” Tsy hoe tsy nisy takalony ny fanambinana ara-nofon’i Taïwan.
Mikasika “ireo zava-manahirana sarotra alamina” izay mamely io nosy tsy dia nisy heloka bevava firy taloha io, dia hoy ny fanamarihan’ny China Post: “Tao anatin’ireo taona faramparany, dia nitombo tamin’ny fomba mahatahotra ny heloka bevava sy ny fikorontanana teo amin’ny fiaraha-monina manankarena misy antsika, ka mihamitombo ny fandrahonana ny aina sy ny fananan’ireo olom-pirenena manara-dalàna rehetra.” Ao amin’ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Mahatonga an’i Taïwan ho Tanin’ny Filan-dratsy ny Harena”, ny Post dia manameloka ireo zava-manahirana amin’ny fihamaroan’ireo “hotely fisakafoana sy trano fisotroan-toaka falehan’ireo mpivaro-tena” ary ireo trano fivarotan-tena tsy ara-dalàna, aseho ivelany ho trano fihetezana. Nanjary zava-manahirana hafa koa ny fisolokiana sy ny fakana olona an-keriny mba hitakiana vidin’avotra. Resahin’ny tatitra iray ho “indostria vaovao mandroso be any Taïwan” ny fakana ankizy an-keriny. Maro no mampiasa heloka bevava toy ireny ho fomba handoavana ireo trosa amin’ny filokana na ireo fatiantoka ara-bola hafa.
Tsy hoe iharam-pahavoazana tsy manan-tsiny amin’ny heloka bevava fotsiny ireo ankizy. Mihavoarohirohy hatrany amin’ny fanaovana heloka bevava izy ireo. Asehon’ireo tatitra fa tamin’ny 1989 fotsiny, ny isan’ireo heloka bevava nataon’ireo tanora dia tafakatra ho 30 isan-jato. Tsikaritry ny sasany fa avy amin’ny faharavan’ny fianakaviana no mahatonga izany fitomboana izany, ary toa manohana izany ireo antontan’isa. Ohatra, nanomboka tamin’ny 1977 ka hatramin’ny 1987, ny isan’ireo olon-droa taïwanais nivady dia nihena, kanefa nitombo nihoatra noho ny avo roa heny ny taham-pisaraham-panambadiana. Koa satria, araka ny fomban-drazana, dia manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana eo amin’ny fiaraha-monina tsy mihilangilana iray ny kolontsaina sinoa, dia tsy mahagaga raha maro no tena manahy ny amin’ireo toe-piainana miharatsy.
Ny fototry ny zava-manahirana
Fanazavana maro samihafa no naroso tamin’ny fiezahana hamaritra ny anton’ny fihasimban’ny rafitra ara-tsosialy eo anivon’ny fiaraha-monina mahita fanambinana iray. Lazain’ny olona sasany, izay somary tsy mihontsina, fa takalon’ny fahombiazana fotsiny izany. Kanefa ny fanomezan-tsiny ny fahombiazana na ny fanambinana dia tahaka ny fanomezan-tsiny ny sakafo amin’ny fahatendana an-kanina. Tsy izay rehetra misakafo no tenda an-kanina, no sady tsy izay rehetra mahita fanambinana no tia fatratra ny zavatra ara-nofo na mpanao heloka bevava. Tsia, tsy mahatonga ny heloka bevava sy ny fikorontanana ara-tsosialy amin’ny maha-izy azy ny fanambinana ara-nofo.
Nanondro ny anton-javatra lehibe iray ny lahatsoratry ny mpampanonta iray ao amin’ny China Post. Nilaza toy izao izy io: “Nanantitrantitra be loatra ny amin’ny fandrosoana ara-nofo isika nandritra ny am-polony taona maro. Izany no antony mampisy ny fihenan’ireo zava-tsarobidy ara-pitondran-tena sy ara-panahy eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika amin’izao andro izao.” (Izahay no manao sora-mandry.) Eny, ny fanantitranterana be loatra ny amin’ny fikatsahana zavatra ara-nofo dia mitarika ho amin’ny toe-tsain’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny faniriana mihoa-pampana. Mampandroso ny tsy fiheverana afa-tsy ny tena ihany izany. Toe-tsaina toy izany indrindra no mitarika ho amin’ny faharavan’ny fianakaviana sy ny fitomboana haingan’ireo zavatra manimba ny fiaraha-monina. Mbola marina foana izay nolazain’ny Baiboly, 2 000 taona lasa izay, nanao hoe: “Ny fitiavam-bola [fa tsy ny vola akory] no fototry ny ratsy rehetra”. — 1 Timoty 6:10.
Zava-manahirana maneran-tany
Amin’ny fikarohana fiadanana sy filaminana — ary tsy fananana ahiahy — dia olona an’arivony maro no nifindra monina niala tany Taïwan nankany an-tany hafa. Kanefa, tsy hoe mampiavaka an’i Taïwan irery ireo zava-manahirana mahazo azy. Mihanaka maneran-tany izy ireny.
Taona maromaro lasa izay, dia nasehon’ny famotopotorana iray fa ny fizaram-paritra manankarena indrindra any Kalifornia, any Etazonia, dia nanana ny taham-pisaraham-panambadiana ambony indrindra tao Etazonia. Sahabo ho ny 90 isan-jaton’ireo fandraharahana rehetra momba ny fananana tany sy trano tao amin’ny faritra sasany amin’ilay fizaram-paritra no vokatry ny fanambadiana rava. Nanaovana tatitra ny famonoan-tena indroa heny noho ny antsalany teo amin’ilay firenena. Anisan’ny ambony indrindra tany Etazonia ny tahan’ny alkaolisma tao, ary voalaza fa nisy mpitsabo aretin-tsaina sy mpanarina aretin-tsaina hafa maro kokoa ho an’ny olona iray tao amin’ilay fizaram-paritra noho ny tany an-toeran-kafa any Etazonia.
Nampiseho mazava fahamarinana fototra iray i Jesosy Kristy rehefa nilaza hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”. (Matio 4:4). Ireo fananana ara-nofo, na manao ahoana na manao ahoana fahatondrahany, dia tsy afaka manome fahafaham-po izay rehetra ilain’ny olona iray, no sady tsy afaka miantoka ny fahasambarana. Mifanohitra amin’izany, fa matetika dia araka izay ilazan’ny fitenenana sinoa iray azy toy izao no mitranga: “Rehefa voky sady mafana tsara ny olona iray, dia mitodika any amin’ireo fanaranam-po tafahoatra sy fanirian’ny nofo ny sainy.” Asehon’izay mitranga any Taïwan sy any an-toeran-kafa izany — matetika dia hita ho mialoha ny fikororosiana ara-pitondran-tena sy ara-tsosialy ary ireo zava-manahirana tsy misaraka amin’izany ny fanambinana ara-nofo irery.
Inona àry no ilaina mba hahafahan’ny fanambinana ara-nofo ho tapany amin’ny tena fahasambarana maharitra? Mba hahazoana ny valiny, dia vakio, raha sitrakao, ny lahatsoratra manaraka.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Rehefa voky sady mafana tsara ny olona iray, dia mitodika any amin’ireo fanaranam-po tafahoatra sy fanirian’ny nofo ny sainy.” — Fitenenana sinoa
[Sary, pejy 5]
Nanova ireo tanàna kely ho tanàn-dehibe feno olona mihahohaho, hazavain’ireo jiro “néon”, ny fahatondrahan-karena ara-nofo