Mpihaino Mahay Mipetraka eo Amin’ny Toeran’ny Hafa ve Ianao?
ALAO sary an-tsaina hoe manam-bola hanolorana fanomezana lafo vidy iray ho an’ny olona tsirairay miara-belona aminao ianao. Ho sambatra sy velom-pankasitrahana toy inona moa izy ireo! Raha ny marina, dia afaka manolotra ho an’ny hafa fanomezana iray manokana izay tena ilain’izy ireo tokoa, ianao. Tsy hisy vola haloanao amin’izany na iraimbilanja aza. Fa inona moa izany? Ny fanehoanao fiheverana. Maniry hanehoana fiheverana ny ankamaroan’ny olona ary velom-pankasitrahana izy ireo rehefa mahazo izany. Mba hampisehoana fiheverana misy vidiny anefa, dia tsy maintsy ho mpihaino mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ianao.
Raha ray na reny ianao na mpampiasa na mitana toerana izay mahatonga ny olona hanatona anao mba hahazoana torohevitra sy fitarihana, dia mila mihaino amim-pahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, ianao. Raha tsy manao izany ianao, dia ho tsikaritry ny olona ny tsy fahaizanao mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, ka hihena ny maha-azo itokiana anao.
Na dia tsy itadiavan’ny olona torohevitra matetika aza ianao, dia mbola mila ny mihaino ny olona amim-pahaiza-mipetraka eo amin’ny toerany ihany, toy ny rehefa tonga mitady fampiononana aminao ny namana iray. Araka ny ambaran’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly, ny tsy fihainoana alohan’ny hitenenana dia mety hiteraka henatra. (Ohabolana 18:13). Inona àry ny sasany amin’ireo fomba ahafahanao mampiseho fa mpihaino mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ny tenanao?
Mahaiza mifantoka
Ahoana izany hoe mpihaino mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa izany? Ny rakibolana iray dia mamaritra ny “fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa” ho ny “fahaizana miombona ny fihetseham-po na ny hevitry ny hafa”. Io rakibolana io ihany dia mamaritra ny hoe “mihaino” ho “mandre amin’ny fanehoana fiheverana”. Koa ny mpihaino mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa àry, dia tsy vitan’ny hoe mandre izay lazain’ny olona iray fotsiny. Maneho fiheverana izy ary miombona ny hevitra sy ny fihetseham-pon’ilay olona.
Izany dia mitaky ny hifantohanao amin’izay renao, fa tsy mamela ny sainao hiriorio. Na dia ny fieritreretana izay havalinao aza dia manelingelina ny fihainoanao. Fehezo ny tenanao mba hifantoka hatrany amin’izay lazain’ilay olona.
Jereo ilay olona miresaka aminao. Raha miriorio amin-javatra hafa ny masonao, dia hiseho ho tsy liana ianao. Diniho ny fihetsiny sy ny fomba firesany. Mitsiky ve izy sa miketrona? Manome taratra vazivazy, alahelo, na tahotra ve ny masony? Misy lanjany ve izay avelany tsy voalaza? Aza manahy ny amin’izay ho valin-teninao; ho tonga ho azy izany noho ianao nifantoka tamin’ny fihainoana.
Eo am-pihainoana, dia azo inoana fa hampihatokatoka ny lohanao ianao ary hampiasa teny fanamafisana toy ny hoe ‘Azoko’ sy ‘Takatro’. Afaka mampiseho izany fa manaraka ny fanazavany ianao. Kanefa, aza mihevitra fa ny fampihatokatohana ny lohanao sy ny teny fanamafisana dia hahatonga ny olona hihevitra fa mihaino ianao kanefa raha ny tena izy dia tsy izany. Raha ny marina, ny fampihatokatohana ny lohanao haingana sy mitohy dia mety hitory tsy faharetana. Toy ny milaza ianao amin’izany hoe: ‘Ataovy haingana e! Lazao fotsiny izay tianao holazaina. Farano amin’izay.’
Na ahoana na ahoana, dia tsy mila ny miahy be loatra ny amin’ny fomba fihaino ianao. Ataovy amim-pahatsorana fotsiny ny fihainoanao, dia hanome taratry ny fahatsoram-ponao ny fihetsikao.
Ny fanontaniana tsara koa dia mampiseho fa mifantoka sy manaraka ny fanazavany ianao. Asehon’izy ireny fa liana ianao. Mangataha fanazavana fanampiny ny amin’izay zavatra tsy voalaza na tsy mazava. Asio fanontaniana izay hanasa ilay olona hamelabelatra sy haneho ny heviny bebe kokoa. Aza manahy hoe mety hanapaka tsindraindray ny teniny ianao, nefa aza atao matetika izany. Ny fanaovana izay hahatakarana mazava ilay raharaha dia anisan’ny fihainoana. Raha tsy matetika izany fanapahana ny teniny izany, ilay olona dia hankasitraka ny fanirianao hahatakatra amin’ny fomba feno izay rehetra lazainy.
Manehoa fahatakarana ny heviny
Mety ho ny tapany sarotra indrindra izany, na dia mitsetra marina an’ilay olona miresaka aminao aza ianao. Rehefa manatona anao ny olona ory iray, moa ve ianao avy hatrany dia manome fanipazan-kevitra sy vahaolana izay tsy ijerena afa-tsy ny lafy tsaran-javatra? Moa ve ianao mailaka erỳ ny hilaza fa tsy dia tena ratsy akory ilay tarehin-javatra rehefa ampitahaina amin’ny fahorian’ny hafa? Mety ho toa manampy izany, kanefa mety hisy vokany ratsy.
Misy antony maromaro mahatonga anao hety hirona tsy hihaino intsony fa hanomboka hamaha olana. Mety hihevitra ianao fa ny fanipazan-kevitrao amin-kafanam-po fotsiny no hany ilaina mba hampaherezana ilay olona ory. Na mety hahatsapa ianao fa adidinao ny “manitsy” na inona na inona “tsy mety” ka raha tsy manao izany ianao, dia tsy mba manampy na “manao ny adidinao”.
Ny vahaolana vary raraka aloha be anefa mazàna dia mandefa hafatra manakivy, toy ny hoe: ‘Hitako ho tsotra lavitra tsy araka izay filazanao ilay zava-manahirana anao.’ Na: ‘Liana kokoa amin’ny lazako amin’ny maha-mpamaha olana ahy aho, toy izay amin’izay mahasoa anao.’ Na, angamba: ‘Tsy azoko tsotra izao izany — ary tsy iriko ho azo rahateo.’ Ny fampitahana ny zava-manahirana ny olona iray amin’ny an’ny hafa mazàna dia toy ny milaza hoe: ‘Tokony ho menatra ny tenanao ianao noho ny fahatsapanao fanahiana nefa ny hafa aza mijaly kokoa noho ianao.’
Raha mandefa tsy nahy hafatra manakivy toy izany ianao, dia ho tsapan’ilay namanao fa hay tsy tena nihaino azy ianao, fa tsy takatrao izay mahazo azy. Mety hanatsoaka hevitra mihitsy aza izy fa mihevitra ny tenanao ho ambony noho izy ianao. Amin’ny manaraka, dia hitodika any amin’ny olon-kafa izy mba hahazoana fampiononana. — Filipiana 2:3, 4.
Ahoana raha sahiran-tsaina tsy amin’ny antony ilay namanao? Ohatra, mety hahatsiaro ho meloka izy, kanefa tsy misy antony marim-pototra. Tokony ho mailaka ny hilaza izany aminy ve ianao mba hahafahany hanomboka hahatsiaro ho metimety? Tsia, satria raha tsy nihaino azy aloha ianao, ny fanomezanao toky azy dia tsy hitondra fampiononana firy. Tsy hahatsiaro ho maivamaivana izy, fa hahatsapa kosa fa mbola tsy namboraka izay manavesatra ny fony ihany, fa mbola mahatsiaro ho meloka. Araka ny nanehoan’ilay filozofa tamin’ny taon-jato faha-19 atao hoe Henry David Thoreau azy dia “mitaky zavatra roa ny filazana ny marina: ny milaza izany etsy an-daniny ary ny mandre izany etsy an-kilany”.
Mifanentana toy inona moa ny fitarihan’ny Baiboly hoe: “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny”. (Jakoba 1:19). Ary tena zava-dehibe koa ny mihaino amim-pahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa! Miombòna fihetseham-po amin’ilay olona mitoky aminao. Ekeo ny maha-sarotra ilay zava-manahirana azy, ny halalin’ny fahoriany. Aza hamaivanina ilay zava-manahirana azy, amin’ny teny toy ny hoe: ‘Zavatra mandalo ihany re io e!’ na hoe: ‘Tsy dia tena zava-manahirana manao ahoana akory ange izany e!’ Tsy araka ny nanampoizana azy fa mety hanamafy ny fahasahiranan-tsainy aza ny fanamaivanana toy izany izay mahazo azy. Ho diso fanantenana izy satria tsy mihevitra ho zava-dehibe izay lazainy ianao. Koa aoka àry ny fihetsikao hampiseho fa mandre izay lazaina ianao ary manaiky fa izany aloha no tsapany momba ilay raharaha amin’izao fotoana izao.
Ny fihainoana amim-pahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa dia tsy mitaky ny hitovianao hevitra amin’ilay olona mitoky aminao. Mety hino ianao fa tsy mitombina ny fihiakan’ny olona iray manao hoe: “Halako ny asako!” Kanefa raha mampiseho tsy fankasitrahana (‘Tsy tokony hieritreritra an’izany ianao’) na fandavana (‘Tsy tena izany no tianao holazaina’) ianao, dia hanatsoaka hevitra izy fa tsy takatrao ny toerana misy azy. Tokony hanome taratry ny fahatakaranao ny toerana misy azy ny teninao. Amin’ny olona iray izay mankahala ny asany, dia ho azonao atao ny hilaza hoe: ‘Tsy maintsy mitondra fihenjanana aloha ilay izy e.’ Avy eo dia mangataha fanazavana fanampiny. Araka izany dia tsy voatery hitovy hevitra aminy ianao hoe tokony hankahala ny asany izy fa manaiky fotsiny kosa ianao fa izany aloha no tsapany amin’izao fotoana izao. Manome fahafaham-po azy ianao amin’izany noho izy nohenoina, noho izy nilaza tamin’ny fomba feno izay tsapany. Matetika, ny famborahana ilay zava-manahirana dia mety hampihena azy.
Tahaka izany koa, ny olona iray izay milaza hoe: “Hanao fizahana momba ny toe-tenany ramatoa vadiko anio” dia mety te-hilaza hoe: “Manahy aho.” Aoka ny fihetsikao hanaiky izany satria ny fanaovana izany dia mampiseho fa nihaino ilay hevitra nofonosin’ny teniny ianao. Izany koa dia mampionona kokoa noho ny fodiana tsy hahalala ny tiany holazaina, na ny fandavana izany, na ny fanandramana manitsy azy amin’ny filazana aminy fa tsy tokony hanahy izy. — Romana 12:15.
Miresaka koa ny olona mahay mihaino!
Ilay boky hoe The Art of Conversation dia miresaka ny amin’ireo izay mihaino kanefa tsy miresaka firy, “amin’ny fiheverana fa manome azy ireo fisehoana ho mitan-tena amim-pahamendrehana izany”. Izany dia manery an’ilay anankiray hanao ilay resaka manontolo, izay mitory tsy fahalalam-pomba. Etsy andanin’izany, dia tsy fahalalam-pomba koa sady mamizana raha manohy miteny tsy an-kijanona ilay olona miresaka aminao ka tsy mamela anao haneho ny hevitrao. Koa na dia ilainao aza ny ho olona mahay mihaino, dia mety hirinao koa ny hamela ilay iray hafa hahafantatra fa manan-javatra holazaina izay manampy azy, ianao.
Inona no ho azonao lazaina? Rehefa avy nihaino tamim-panajana ilay namanao ianao, dia tokony hanome torohevitra amin’izay ve izao? Angamba, raha tsara toerana hanome izany ianao. Raha manana vahaolana amin’ny zava-manahirana an’ilay namanao ianao, dia tena lazao aminy tokoa izany. Hisy heriny ny teninao satria ianao efa naka fotoana nihainoana aloha. Raha tsy manana ny fahefana ilaina mba hanomezana an’ilay namanao ny karazana fitarihana na fanampiana ilainy ianao, dia iezaho ampifandraisina amin’ny olona ho afaka hanome izany izy.
Amin’ny toe-javatra sasany anefa, ny torohevitra dia sady tsy ilaina no tsy angatahina. Koa mitandrema àry mba tsy hampihena ny vokatra tsaran’ny fihainoanao, amin’ny fanampiana teny betsaka. Mety ho tsy maintsy miaritra tarehin-javatra tsy voafehiny na mamela ny fotoana hanampy azy handresy ireo fihetseham-pony tsy manorina fotsiny ilay namanao. Tonga teo aminao izy mba hilaza ny fanahiany. Nihaino ianao. Niombona fihetseham-po taminy ianao, nanome toky azy fa miahy ny aminy ary hahatsiaro azy sy hivavaka ho azy. Ampahafantaro azy fa tsy tokony hisalasala izy hanatona anao indray ary koa fa hanaja ny maha-tsiambaratelo an’ilay zava-manahirana azy ianao. Tena mety hila fampaherezana toy izany mihoatra noho ny fanandramanao mandamina ilay zava-manahirana azy, izy. — Ohabolana 10:19; 17:17; 1 Tesaloniana 5:14.
Na arahana torohevitra na tsia ny fihainoana, dia samy mandray soa avy amin’izany ny andaniny roa. Ilay miresaka dia mahazo fahafaham-po noho ny fihainoana azy sy ny fahatakarana izay mahazo azy. Mahazo fampiononana izy amin’ny fahafantarana fa misy olona ampy fiheverana azy mba hihainoana izay tiany holazaina. Valian-tsoa koa ilay mihaino. Mankasitraka ny fiahiany ny hafa. Raha manome torohevitra izy, dia vao mainka azo itokiana satria tsy miteny izy raha tsy efa takany tamin’ny fomba feno ilay tarehin-javatra nanintonana ny sainy. Marina aloha fa mitaky fotoana ny fihainoana amim-pahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. Kanefa fanaovan-javatra mendrika ny hanaovana fiezahana re izany! Eny tokoa, amin’ny fanehoanao fiheverana ny olona, dia manolotra ho azy ireo fanomezana iray manokana ianao.