FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/4 p. 31
  • Mihainoa ary Mianara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mihainoa ary Mianara
  • Mifohaza!—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahaiza Mihaino Sady Maneho Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Aoka Ianao ho Mpihaino Tsara
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Mpihaino Mahay Mipetraka eo Amin’ny Toeran’ny Hafa ve Ianao?
    Mifohaza!—1995
  • Tahafo Ilay Modely Amin’ny Fanaovana Mpianatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/4 p. 31

Mihainoa ary Mianara

“NY ZAVATRA henontsika no nahazoantsika ny 85 isan-jaton’ny fahaizantsika”, hoy ny tatitra tao amin’ny gazety Ny Kintan’i Toronto (anglisy). Mandany ny ankamaroan’ny fotoanantsika hihainoana isika, nefa miriorio saina, na variana tanteraka amin’ny zavatra hafa, na manadino ny 75 isan-jaton’izay rentsika. Asongadin’ireo antontan’isa manaitra ireo fa mila manatsara ny fahaizantsika mihaino isika.

Hoy ilay tatitra: “Mahatonga ny maro amin’ireo olana eo amin’ny fiaraha-monina ny tsy fahaizana mihaino tsara.” Heverin’i Rebecca Shafir, manam-pahaizana momba ny fitenenana sy ny fampitan-kevitra, fa ny tsy fihainoana tsara matetika no anisan’ny mahatonga ny famonoan-tena, herisetra any an-tsekoly, faharavan’ny fianakaviana, ary fidorohana zava-mahadomelina.

Hitan’ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina fa samy manana ny fomba fihainoany ny olona. Ny momba ny olona no mahaliana ny sasany, ka te hahafantatra ny tsipiriany rehetra tamin’ny zava-nitranga iray izy. Ilay zava-nitranga kosa no mahaliana ny hafa, ka ny votoatiny avy hatrany no tiany ho re. “Mety tsy hahay hifampiresaka tsara, noho izany, ny olona te hahafantatra momba ny olona sy ireo te hahafantatra izay nitranga”, hoy ny gazety Ny Kintan’i Toronto.

Misy antony tsara matoa i Jesosy nanamafy ny ilana ‘hitandremana ny [fomba] fihainoana.’ (Lioka 8:18) Fahalalam-pomba ny fihainoana tsara. Zava-dehibe izy io mba hampety tsara ny resaka. Anisan’ny fanoloran-kevitra mahasoa, rehefa mihaino olona miresaka, ny hoe: Tsy mampiriorio ny saina, aroso kely ny loha, aseho hoe mifantoka amin’izay lazain’ilay olona ka mijery azy tsara sady mihatokatoka. Tsy maintsy miezaka ny hihaino tsara hatrany isika rehetra, satria avy amin’izany no ahaizantsika ny ankamaroan’ny zavatra ianarantsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara