Ny Fomba Ahafahan’ny Sakafo Mahasalama Manatsara ny Fahasalamanao
MAHAFALY toy inona moa ny mahita zaza iray ampy sakafo tsara! Kanefa, tsy hoe salama noho ny kisendrasendra ny zaza iray. “Nomena ny laharam-pahamehana ambony mandrakariva tao amin’ny fianakavianay ny sakafo tsotra nefa mahavelona, tsy teo amin’ny lafin’ny teti-bolanay ihany, fa teo amin’ny fotoana nampiasaina tamin’ny fikarakarana sy ny fiarahana nankafy azy io koa”, hoy ny fitadidian’i Kate, Kanadianina iray mipetraka eto Brezila. “Noho ny reniko tsy niasa tany ivelan’ny tokantrano, dia tonga avy tany an-tsekoly izahay isan’andro notsenain’ny fofona manitry ny sakafo nomanina sy angamba fofon’ny tarte na ny mofomamy iray nandrahoiny tao anaty lafaoro.”
Tsy mahazo fanohanana amin’ny sakafo mahasalama anefa “ny olona tokony ho 780 [tapitrisa] any amin’ireo tany mahantra, olona iray amin’ny dimy amin’ireo mponina any, fa tsy ampy hanin-kohanina kosa”, araka ny voalazan’ny The Economist. “Hatramin’ny olona 2 arivo tapitrisa no manana ny ampy mba hahavoky azy, saingy tsy ampy ny otrikaina sy ny mineraly ilainy.” Tsy vitan’ny hoe mihamalemy fotsiny ilay misakafo ambany foitra, fa tsy afaka firy mitondra soa ho an’ny hafa koa izy. Noho izany, mikasika ireo ankizy misakafo ambany foitra, dia voalaza fa niteny toy izao ilay manam-pahaizana momba ny toe-karena atao hoe Eduardo Giannetti da Fonseca ao amin’ny Oniversiten’i São Paulo, eto Brezila: “Izany [fahaveriverezam-poanan’ny loharanon-karena olombelona izany] dia ratsy kokoa noho ny zavatra hafa rehetra. (...) Mino aho fa eo amin’ireo ankizy ireo dia misy talenta sy fahaizana izay mitoetra ho voafina noho ny fahantrana. Eo amin’izy ireo, ao anatin’ny toe-javatra hafa, dia mety hisy Albert Einstein hipoitra.” Hoy ny gazetiboky Veja: “Mamoy hery enti-miasa izay verivery foana noho ny tsy fahampian-tsakafo i Brezila ary manarinary foana ny mety ho tahirina hakingan-tsaina sy fahaiza-mamoron-javatra ary angôvo.” Noho izany, na dia eo aza ny vidim-piainana ambony, ny ray aman-dreny hendry dia manome fototra mafy orina ho an’ny zanany amin’ny fampiasam-bola amin’ny sakafo mahavelona.
Fampiasam-bola mampiseho fahendrena
Ny “fampiasam-bola” dia atao “mba hahazoana tombom-barotra na tombony amin’ny hoavy”. Ahoana no azonao ampiasam-bola amin’ny sakafo? Raha ilaina izany, hafoinao ve ny haitraitra na ny kanonkanona mariky ny laza ka hampiasainao ny teti-bolanao voafetra mba hividianana sakafo mahavelona?
“Ireo vavahadin-tsaina dia tsy mitoetra ho matoritory mandra-panairana azy tampoka eo am-pahaterahana; toa tondroin’ny porofo fa miasa tsara ireo rafitry ny vavahadin-tsaina alohan’ny fahaterahana”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica. Noho izany, ny fomba mety indrindra anombohana mamahana ny zaza iray dia ny fanaovana izay hahampy sakafo tsara ny reniny. Ny dingana manaraka — aorian’ny fahaterahana — ho an’ilay zazakely dia ny fampinonoana, satria manome sakafo ampy dia ampy ny rononon-dreny ary manome fanefitra mihitsy aza amin’ny aretina mahazatra. Hoy ny Facts for Life, boky navoakan’ny Firenena Mikambana: “Mandritra ireo volana vitsivitsy voalohany eo amin’ny fiainan’ny zazakely iray, dia ny rononon-dreny ihany no sakafo sy fisotro tsara indrindra azo omena. Mila sakafo hafa ho fanampin’ny rononon-dreny ny zazakely, rehefa efatra ka hatramin’ny enim-bolana.”
Na dia mora tafarina amin’ny fahavoazany amin’ny fomba miavaka aza ny vatan’olombelona, dia tsy tokony hoheverina ho tsy dia zava-dehibe. Tena zava-dehibe ny hanatanjahana azy io amin’ny sakafo mahasalama, aloha be eo amin’ny fiainana. Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Eo amin’ny faha-6 taonan’ny olona iray, ny atidoha dia mahatratra ny lanjany farany, izay tokony ho 1,4 kilaograma. Efa ao ny ankamaroan’ny selan’ny atidoha eo am-pahaterahana, koa ny fitomboan’ny lanjany dia avy amin’ny fihalehibiazan’ireo sela, voalohany indrindra. Mandritra io fe-potoana enin-taona io, ny olona iray dia mianatra sy mahazo modelin-toetra vaovao amin’ny fomba haingana indrindra eo amin’ny fiainana.” Noho izany, na dia mahazo sakafo tsara aza ny zaza aorian’ny fahenin-taonany, dia fanampiny saika vitsy ihany amin’ny selan’ny atidoha no hamboarina. Hoy ny fanamarihan’i Kate: “Ny sakafo mahasalama sy mahavelona no iray amin’ny fanomezana lehibe indrindra azon’ny ray aman-dreny omena ny zanany. Na dia tsy ananana fahafahana aza ny fanomezana ny maro amin’ireo zavatra lazaina fa tena ilaina eo amin’ny fiainana, izay matetika dia haitraitra fotsiny, ny ray aman-dreny izay mampiasa vola ho amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batan’ny zanany dia manome ho azy ireo fiaingana eo amin’ny fiainana, manomboka eo amin’ny fahazazana, fiaingana izay tsy azo soloana na oviana na oviana.”
Nahoana no mihinana sakafo isan-karazany?
Mila sakafo be proteina ny zaza iray mba hitomboana ara-batana sy ara-tsaina. Mampiadana ny fitomboana ara-tsain’ny zaza iray any an-tsekoly ny tsy fahampian-tsakafo, ary mety hanjary tsy ho liana sy ho sasatra ilay zaza noho izy tsy afaka mampifantoka tsara ny sainy na mitadidy izay nampianarina. Fara fahakeliny, dia misy 25 samy hafa ny aretina vokatry ny tsy fahampian’ny iray amin’ireo foto-javatra mahavelona — proteina, otrikaina, tavy tena ilaina, na foto-javatra hafa.
Diniho ny amin’i Joaquim. “Nahantra ny fianakavianay”, hoy izy. “Kanefa nanana tany izahay ary namboly saika ny zava-drehetra nohaninay. Isaky ny nisakafo izahay, dia nihinana katsaka sy mofo natao tamin’ny seigle complet, ary nandray anjara tamin’ny fahampian-tsakafo izany. Saika isan’andro ny reniko dia nanao lasopy izay nisy legioma isan-karazany, anisan’izany ny tsaramaso, ary izany dia nanome fahafaham-po tamin’ny ankamaroan’izay nilainay ara-tsakafo. Tsy nihinana hena be izahay, saingy nihinana trondro tokoa, ny ankamaroany dia sardinina sy lamôria ary hareng.” Hoy ny teny nanampiny: “Nanan-janaka dimy ny reniko, ary tsy tsaroako hoe nisy taminay nararin’ny zavatra hafa ankoatra ny sery sy ny gripy. Heveriko fa nandray anjara tamin’izany ny sakafonay voalanjalanja tsara.” Manazava toy izao ny renin’ankizy fito: “Nilainay ny nanolotra sakafo mahavelona tamin’ny vidiny ambany. Koa namboly legioma tao amin’ny zaridaina izahay, zaridaina izay na dia kely aza, dia namokatra ampy ho an’izay nilainay.” Hoy ny teny nanampiny: “Tsy azon’aretina mafy na oviana na oviana ny zanakay ary tena nahomby tsara foana tany am-pianarana.”
Mila foto-javatra mahavelona 22 amin’ireo foto-javatra simika 103 fantatra amin’ny fomba ofisialy ny vatanao. Na dia tsy azo atao aza ny mamaritra ny habetsahana marin’ny otrikaina sy ny mineraly ary ny proteina ilainao manokana, dia hanome fahafaham-po amin’izay ilainao ny sakafo voalanjalanja tsara. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Ny fanalahidin’ny fahampian-tsakafo dia ny sakafo isan-karazany izay mahatafiditra ny karazana foto-javatra mahavelona rehetra.”
Ahoana raha tsy tia sakafo sasany, toy ny legioma mangidy, ny zanakao? Araka ny voalazan’ny mpahandro za-draharaha iray, ny ray aman-dreny dia tokony hanome “ny karazana legioma rehetra misy eo an-toerana. Olon-dehibe maro no tsy mihinana legioma satria tsy nomena an’ireny fony izy mbola kely. Koa satria ny legioma manome ny tsiratsiraka ( fibre) sy ny ankamaroan’ny otrikaina ilaintsika, sady tsy lafo, ny ray aman-dreny dia tokony hanome azy ireny foana ho an’ny zanany”. Koa nahoana no tsy mianatra fomba fandrahoan-tsakafo vaovao izay mampiasa tsara ny legioma sy ny voankazo vao, angamba atao ao amin’ny soufflé na ny rony matsiro? Mikasika ny kaloria lazaina fa poaka aty, dia izao no fanoloran-keviny: “Ny ray aman-dreny dia tsy tokony hanana zava-mamy ao an-trano ankoatra ny amin’ny fotoana manokana. Raha tsy manana an’ireny [ny ankizy], dia tsy hihinana an’ireny izy.”
Na dia mampihena ho faran’izay kely ny loza entin’ny tsy fahampian-tsakafo aza ny fihinanana amin’ny antonona sakafo sahaza, ny olona sasany dia mamorona olana ho an’ny tenany amin’ny fihinanana tafahoatra. Mety hitarika ho amin’ny hatavezana, izay mifandray amin’ny diabeta sy ny aretim-po, ny fihinanana kaloria tafahoatra izay mihoatra noho ny ilain’ny vatana.a Koa satria tsy mahasolo ny fahazarana misakafo tsara ny fanafody na ny asa ara-batana, dia fanoloran-kevitra tsara ny fampihenana ny fihinanana tavy sy zava-mamy sy sira ary alkaola. Afa-tsy izany koa, hoy ny firaketana iray, “dia tokony hatao ireo dingana mba hampihenana ho faran’izay kely ny hanoanana, ny fahatsiarovan-tena ho manirery, ny fahaketrahana, ny sorisory, ny fahatezerana, sy ny havizanana, izay afaka miteraka fihinanana tafahoatra ny tsirairay avy amin’ireo”.
Fomba fijery voalanjalanja momba ny sakafo sy ny fahasalamana
Tsy boky momba ny sakafo akory ny Baiboly; kanefa, manampy antsika hahay handanjalanja eo amin’ny raharaha momba ny sakafo izy io. Ny apostoly Paoly dia nampitandrina ny amin’ireo izay mampifady “hanina, izay nataon’Andriamanitra ho an’izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ny fisaorana”. (1 Timoty 4:3). Irin’Andriamanitra isika ho afa-po sy hampiasa tsara izay misy. “Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’i Jehovah toy izay harena be misy ahiahy.” — Ohabolana 15:16.
Tsy misy olona manana fahasalamana tonga lafatra amin’izao andro izao. Koa nahoana no tsy mahalala ny antonona, sady tsy manao an-tsirambina no tsy manahy be loatra? Ny fanahiana tafahoatra na amim-pirehetana fatratra eo amin’ny raharaha momba ny sakafo na ny fahasalamana dia afaka mampamoy antsika ny fahaizantsika mandanjalanja.
Na dia eo aza ny fiezahana mba hikarakarana ny fahasalamantsika, araka ny zava-misy ankehitriny, dia mihantitra sy maty isika amin’ny farany. Soa ihany anefa, fa manome toky antsika ny Baiboly fa hamarana ny tsy fahampian-tsakafo sy ny aretina ny Fanjakan’Andriamanitra. Na dia tsy nahomby aza ny planin’ny olombelona mba hanafoanana ny mosary, dia afaka manantena tontolo iray hisy sakafo mahavelona tondraka ho an’ny rehetra isika. — Salamo 72:16; 85:12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Mihevitra ny manam-pahaizana sasany fa matavy ianao raha mihoatra maherin’ny 20 isan-jato noho ny lanja ‘faniry’ (...) ho amin’ny halavanao sy ny bikanao ary ny taonanao, ianao.” — The American Medical Association Family Medical Guide, pejy faha-501. Jereo koa ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 May 1994, “Les jeunes s’interrogent . . . Comment maigrir?” sy tamin’ny 22 May 1989, “Maigrir: une bataille perdue d’avance?”
[Efajoro, pejy 7]
FANOLORAN-KEVITRA MBA HANAMPIANA NY ZANAKAO HANANA FAHAZARANA MISAKAFO TSARA
◻ Manomeza ohatra tsara.
◻ Aza avela tsy hihinana afa-tsy izay tiany ny ankizy.
◻ Halaviro ny fananana sakafo tsizarizary na zava-mamy ao an-trano.
◻ Zaro hankasitraka ny karazan-tsakafo samy hafa ny ankizy.
◻ Manàna ora raikitra ho amin’ny sakafo, anisan’izany ny sakafo maraina.
◻ Aza avela hanana fitaomana eo amin’izay hohaninao ny dokam-barotra ao amin’ny televiziona.
◻ Aza avela haka sakafo irery avy ao amin’ny vata fampangatsiahana ny ankizy.
◻ Zaro hanampy amin’ny fikarakarana sakafo ny ankizy.
◻ Mambole fankasitrahana noho ny sakafo isan’andro.