FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/7 p. 3-4
  • Mahavelona ve ny Sakafonao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahavelona ve ny Sakafonao?
  • Mifohaza!—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy ampy ny vola
  • Ny Fomba Ahafahan’ny Sakafo Mahasalama Manatsara ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—1995
  • Olana Goavana sy ny Vokany Maharitra
    Mifohaza!—2003
  • Fanampiana ny ankizy tsy ho faty!
    Mifohaza!—1990
  • Tarehin-javatra Faran’izay Mafy Misy ny Ankizy
    Mifohaza!—1993
Hijery Hafa
Mifohaza!—1995
g95 8/7 p. 3-4

Mahavelona ve ny Sakafonao?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY BREZILA

Ahoana no ifidiananao ny sakafonao? Rehefa mividy sakafo ianao, anton-javatra inona avy no mitaona anao? Ny fonosany tsara tarehy ve? Ny vidiny ve? Noho izy mora karakaraina ve? Ireo fanantitranterana mahay mandresy lahatra ao amin’ny dokam-barotra ve? Sa fotsiny ny fisehoana ivelany sy ny tsiron’ilay sakafo? Ny fanaovana ny safidy tsara dia mety hamaritra raha mihinana sakafo mahavelona na sakafo tsizarizary ianao, raha mihatsara na miharatsy ny fahasalamanao noho izay haninao.

ANTONY lehibe mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo ny fahantrana. Na dia olona maro aza no mihevitra ny sakafo ho mandeha ho azy, dia olona an-tapitrisany maro hafa no mahalana vao mahita sakafo mahavelona. “Ato an-trano izahay dia mihinana na inona na inona azonay”, hoy ny mpandatsa-biriky brezilianina iray, rain’ankizy enina. Izany mazàna dia midika hoe mofo nialina andro sy kafe matsatso na vary sy tsaramaso. Raha ny marina, araka ny tatitra iray nataon’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Sakafo sy ny Fambolena, ny 20 isan-jaton’ny mponina manerana izao tontolo izao dia mijaly noho ny hanoanana. Raha mbola miely ny mosary any amin’ny tany sasany atsy Afrika, dia misy olona mosarena maro kokoa any Azia. Na dia any Etazonia aza, ny 12 isan-jaton’ny mponina, na olona 30 tapitrisa, dia voalaza fa tsy ampy hanin-kohanina.

Tsy vitan’ny hoe manimba ny tsy fahampian-tsakafo fa mety hahafaty koa. “Ny tsy fahampian-tsakafo ateraky ny fahazarana mamahana sakafo tsizarizary ny ankizy dia mijinja ain’ankizy maherin’ny avo folo heny noho izay matin’ny mosary ara-bakiteny”, hoy ny fanamarihan’ilay mpanao fikarohana atao hoe William Chandler. “Miaraka amin’ny fahaverezan-drano noho ny aretim-pivalanana, dia ny tsy fahampian-tsakafo no antony mahafaty voalohany indrindra eo amin’izao tontolo izao.” Manao tatitra toy izao ny UNICEF (Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana ho An’ny Ankizy): “Tsy nisy valanaretina, tsy nisy safo-drano, na horohoron-tany na ady, efa nijinja ain’ankizy 250 000 tao anatin’ny herinandro monja.” Kanefa izany no isan’ny ankizy maty manerana izao tontolo izao noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ny aretina aterak’izany, araka ny voalazan’io masoivohon’ny ONU io. Raha ny marina, ny fahavoazana ateraky ny tsy fahampian-tsakafo dia tsy tambo isaina: Mihena ny fahaizana mianatra, mihakely ny hery enti-miasa, midina ny famokarana sy ny hatsaran’ny asa.

Kanefa, ny fihinanana amin’ny antonona sakafo sahaza dia afaka mandresy ny tsy fahampian-tsakafo sy ny voka-dratsiny toy ny tsy fahampian-dra sy ny aretina hafa. Mety hanamaivana ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny faritra sasany ny fanampian’ny fitondram-panjakana, toy ny sakafo maivana any an-tsekoly sy ny trano fizarana sakafo maimaim-poana, kanefa, araka ny voalazan’ireo manam-pahefana ao amin’ny UNICEF, dia 25 000 tapitrisa dolara no ilaina isan-taona mba hampihenana ny fahafatesan’ankizy ateraky ny aretim-pivalanana sy ny pnemonia ary ny kitrotro. ‘Vola be izany’, hoy ny mety holazain’ny sasany. Kanefa izany no voalaza fa lanin’ny Amerikanina amin’ny kiraro fanaovana spaoro sy lanin’ny Eoropeanina amin’ny divay isan-taona. Zava-tsarotra hafa ny fampihenana ny fahaveriverezam-poanan’ny vokatra. Na dia Brezilianina 32 tapitrisa aza no tombanana fa mosarena, dia manao tatitra ny Ministeran’ny Fambolena any Brezila fa “ny vokatra verivery foana [mitentina 1,5 arivo tapitrisa dolara] amin’ny fitaterana na ny fitahirizana dia mahatonga ny fahaverezan’ny 18 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ny vokatra miakatra avy amin’ny fambolena eo amin’ilay firenena”. Misy olana lehibe amin’ny fambolena sy ny fitarihan-drano sy ny fitahirizana sakafo ary ny fitaterana any amin’ny firenena maro; na dia izany aza, ny tany dia mbola afaka mamokatra tondraka ho an’ny rehetra. Koa ahoana no ahafahanao miatrika amim-pahombiazana ny zava-tsarotra entin’ny famelomana ny fianakavianao?

Tsy ampy ny vola

Any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana, matetika ny olona dia manao izay hamelomana ny fianakaviany amin’ny fananana asa roa na telo. Any Brezila, dia olona 1,5 tapitrisa isan-taona no mandao ny fianakaviana na ny namana mba hifindra monina any amin’ireo tanàn-dehibe mba hitady asa sy sakafo. Na dia miankina amin’ny fetra sasany amin’izay hanin’ny olona aza ny fahasalamana, dia lany amin’ny fitafiana sy ny fialofana ary ny fitaterana ny ampahany lehibe amin’ny volany.

Soa ihany fa ny sakafo mahazatra, toy ny vary, ny tsaramaso, ny katsaka, ny ovy, ny mangahazo, sy ny akondro, ampian’ny hena sy ny trondro, no foto-tsakafon’ny fianakaviana maro manerana ny tany manontolo. Nilaza toy izao ilay manam-pahaizana momba ny sakafo any Brezila atao hoe José Eduardo de Oliveira Dutra: “Ny tsaramaso sy ny vary dia sakafo faran’izay mahavelona rehefa ampiarahina. Amin’ny sakafo tsotra sy mora vidy toy izany, dia azo atao ny mamarana ny mosary eto [Brezila].” Eny, angamba misy ny sakafo tsy lafo sy mahavelona any amin’izay ipetrahanao. Na angamba mamboly mihitsy aza ny sakafonao sasany ianao.

Na dia mety hanana vola ampy aza ianao, laninao amin’ny sakafo mahavelona ho an’ny fianakavianao ve izany? Sa ianao voataonan’ny fanaovana dokam-barotra mahay miteny sy tsy misy fiatoana ka aleonao zava-mamy na sakafo tsizarizary ary noho izany, dia ataonao tsirambina ny ilana proteina sy mineraly ary otrikaina? Moa ve ny tsirony no manintona kokoa noho ny hoe izy mahasalama? Hoy ny fanamarihan’ny The World Book Encyclopedia: “Mba hahazoana sy hihazonana fahasalamana tsara, dia tsy maintsy manana fahalalana fototra momba ny vatan’olombelona sy ny fomba fiasany ny olona. Amin’izay ihany izy ireo vao afaka mamantatra izay hanampy na tsy hanampy na hanimba ny fahasalamany. Ny fianarana momba ny fahasalamana dia tokony ho tapany amin’ny fanabeazana ny olona tsirairay avy.”

Marina fa tsy velona fotsiny mba hihinana isika, kanefa tapany tena lehibe amin’ny fiainantsika ny sakafo. Lazain’ny Baiboly ho valisoan’ny asa atao amim-pahazotoana ny fihinanana tsara, ka hoy izy: “Raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 3:13). Heverinao ho sarobidy sy tena ilaina ve ny sakafo mahasalama? Raha izany no izy, dia diniho, raha sitrakao, ny lahatsoratra manaraka momba ny fomba ahafahan’ny fahampian-tsakafo mitondra soa ho anao sy ny fianakavianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara