FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/10 p. 17-19
  • Halatra — Koa Nahoana Moa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Halatra — Koa Nahoana Moa?
  • Mifohaza!—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony angalaran’izy ireo
  • Fanafenana fahoriana ara-pihetseham-po ve?
  • Ireo mitovy taona amin’ny tena sy ny fanereny
  • Fahazoana ny fomba fihevitr’Andriamanitra
  • Fiadiana amin’ilay fakam-panahy
  • Halatra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Moa ve ny Fahantrana Manamarina ny Fangalarana?
    Mifohaza!—1997
  • Nahoana no Mitombo ny Halatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitandrema sao Lasa Mpangalatra!
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Mifohaza!—1995
g95 8/10 p. 17-19

Manontany ny Tanora Hoe...

Halatra — Koa Nahoana Moa?

“Enina ambin’ny folo taona aho ary manana olana goavam-be iray. Vao haingana izay dia nangalatra zavatra be dia be aho. Nankany amin’ny foibem-pivarotana iray fotsiny aho, dia nangalatra kavina miaraka tsiroaroa fito. Matahotra aho ny hiresaka na amin’iza na amin’iza momba ny olana mahazo ahy. Ampio re aho e!”

TOY izany no nosoratan’ny zatovovavy sahiran-tsaina iray tamin’ny lahatsoratra mitohy manome torohevitra ao amin’ny gazetiboky iray. Nanao tatitra toy izao ny mpanoratra iray: “Tombanana ho iray alina tapitrisa dolara no tokom-bidin’ny entam-barotra (...) misy mangalatra, mipaoka, mandroba, na mangalatra amin’ny fomba hafa any amin’ireo fivarotana antsinjarany, isan-taona [any Etazonia]. Ny zatovo no voalohany mahaforona saika ny antsasak’izay rehetra voasambotra satria nangalatra entam-barotra.”

Araka ny fitsapan-kevitra vao haingana iray, dia maherin’ny ampahatelon’ny mpianatra any amin’ny lise no miaiky fa mangalatra entam-barotra. Ary araka ny fitsapan-kevitra hafa iray, notarihin’ireo mpanao fikarohana atao hoe Jane Norman sy Myron Harris, dia “saika ny [tanora] rehetra no miaiky fa efa naka zavatra tsy nandoavany vola, tamin’ny fotoana iray na hafa”.

Ny antony angalaran’izy ireo

Ny atao hoe mpangalatra dia olona iray maka an-kitsirano zavatra an’olon-kafa tsy nahazoan-dalana. Indraindray dia mety ho toa hamarinin’ny zavatra ilain’ny tena ny halatra. “Tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra aho”, hoy ny tsaroan’ny tanora mahantra iray. “Nankao ambadiky ny [hotely fisakafoana haingana] iray aho ka nodakako hisokatra ny varavarana ary naka silak’akoho aho. Kanefa izay ihany. Nanao izany fotsiny aho satria noana.”

Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny olona tsy manome tsiny ny mpangalatra, raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy satria noana”. Na dia izany aza, dia ratsy eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena ny halatra. Asehon’ny andininy manaraka ao amin’ny Baiboly, araka izany, fa na dia ny mpangalatra noana iray aza dia tsy maintsy ‘manonitra’ amin’ny fandoavana onitra be. — Ohabolana 6:30, 31, fanamarihana ambany pejy.

Sarotra inoana anefa fa vitsy kely monja amin’ireo mpangalatra mbola zatovo no mangalatra noho ny zavatra ilaina ara-dalàna. Ohatra ny amin’izany i Mary Jane tanora izay niaiky hoe: “Eny, nangalatra entam-barotra aho ary tena hafahafa tokoa izany satria tsy fantatro ny antony nanaovako izany. Manome ahy vola ho an’ny zava-drehetra ny ray aman-dreniko. Tsy nila na inona na inona aho.”a Nanao tatitra mitovy amin’izany ny gazetiboky Seventeen hoe: “Tao amin’ny fanadihadiana iray notarihin’ny National Crime Prevention Council [Filan-kevi-pirenena Misahana ny Fisorohana ny Heloka Bevava], ny antony niverimberina indrindra nolazain’ireo nanao ratsy dia hoe naniry hahazo zavatra maimaim-poana izy ireo.” Nisy tanora sasany nanamarina ny halatra nataony mihitsy aza tamin’ny filazana fa ‘nametra ny vidin-javatra ho ambony loatra’ ireo fivarotana!

Ho an’ny tanora maro, dia fomba fanalana sorisory fotsiny ny halatra. “Zavatra tokony hatao taorian’ny lakilasy fotsiny izany”, hoy ny fanazavan’ny mpangalatra taloha iray atao hoe Jeremy. Toa atao ho karazana spaoro fankaharan-doza koa ny halatra; ny sasany toa tia ilay fisondrotry ny adirenalinina rehefa iny izy ireo manesika akanjo ambony nangalarina iray ao anaty kitapo na manisika disque compact iray ao anaty kitapo fibaby iny.

Fanafenana fahoriana ara-pihetseham-po ve?

Mazava ho azy fa misy fomba tsy mampidi-doza lavitra hiadiana amin’ny sorisory, toy izay hisetra fanasaziana ho any an-tranomaizina. Moa àry ve mety ho zavatra mihoatra noho ny faniriana hahita fahafinaretana kely no ao ambadiky ny fitadiavana fientanentanana toy izany? Inoan’ny manam-pahaizana maro fa izany no izy. Nomarihin’ny Ladies’ Home Journal fa ny tanora sasany dia “mahita fa sarotra ny miatrika amim-pahombiazana ny faneren’ny fitomboana ho olon-dehibe. Ady tamin’ny ray aman-dreniny, ny faharavan’ny fisakaizana iray, naoty ambany tamin’ny fitsapam-pahaizana iray, dia afaka mahatonga azy ireo hahatsiaro tena ho tsy mahafehy ny fiainany; mamerina amin’izy ireo ny fahatsapana ho manan-kery ny fandikana ireo fitsipika”.

Eny, ao ambadiky ilay fihamboana ho sahy asehon’ny mpangalatra iray, dia mety hisy alahelom-po sy fahoriana ara-pihetseham-po be dia be. Araka ny ilazan’ny Baiboly azy hoe: “Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo”. (Ohabolana 14:13). Asehon’ny porofo fa mety ho mariky ny fahaketrahana ny fangalarana entam-barotra miverimberina. Ny mpangalatra tanora sasany dia hita mihitsy aza ho niharan’ny fampijaliana ankizy tamin’ny lasa. Na inona na inona antony mahatonga ilay fahoriana ara-pihetseham-po, dia mety ho toa mandroaka izany ilay fientanentanana amin’ny halatra — mandritra ny fotoana kelikely, fara faharatsiny.b Diniho ohatra, ny tanora amerikana iray izay mahita ny fahafinaretany amin’ny fangalarana fiarakodia sy amin’ny fitondrana izany hirioriovana amin’ny fomba tsy voafehy. “Mahafinaritra ilay izy”, hoy izy. “Mahazo io fahatsapana io ianao toy ny hoe raiki-tahotra ianao, toy ny hoe mamon-drongony ianao.”

Ireo mitovy taona amin’ny tena sy ny fanereny

Hoy ny Baiboly: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:33). Ekena hatraiza hatraiza io fahamarinana io. Hoy ny fanamarihan’ilay mpanoratra atao hoe Denise V. Lang: “Mahalana ny tanora iray vao miditra irery amin’ny fahasahiranana.” Matetika dia mifampihantsy ireo mitovy taona mba hangalatra zavatra. Mampalahelo fa tanora maro no manaiky ho resin’ilay fanerena.

“Tafaraka tamin’ny andian-jazavavy iray tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa aho”, hoy i Kathy tanora. Ny vidin’ny fidirana ho mpikambana amin’ilay klioban’izy ireo irery ve? Fangalarana akanjo ba lafo vidy iray. “Te hiditra tao amin’io klioba io aho, koa nankany amin’ny fivarotana iray aho dia naka ny akanjoko ba”, hoy izy nitsotra.

Fahazoana ny fomba fihevitr’Andriamanitra

Mety hahatonga ny halatra ho toa manintona ny fahatsinjovana ny hahazo zavatra tsy voavidinao sy hahatsapa fientanentanana amin’ny fankaharan-doza, na ny fahatsinjovana ny heken’ny mitovy taona aminao. Na dia izany aza, dia toy izao ny iray amin’ny Didy Folo ao amin’ny Baiboly: “Aza mangalatra.” (Eksodosy 20:15). Nosoratan’ny apostoly Paoly fa “ny mpangalatra (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”. (1 Korintiana 6:10). Tokony haneho fiheverana manokana ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny tanora izay notezaina tamin’ny naha-Kristiana. Fihatsarambelatsihy toy inona moa ny mody miseho ivelany ho marina kanefa any an-takontakona dia manao ny asan’ny mpangalatra! Toy izao no nilazan’ny apostoly Paoly izany: “Ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao?” — Romana 2:21.

Ny fahatsinjovana mampietry hoe ho voasambotra dia antony ampy mba hanalavirana ilay faharatsiam-pitondran-tena, dia ny halatra. Rehefa voasambotra ny mpangalatra tanora iray dia nilaza hoe: “Te ho faty aho.” Ny fahafantarana fa ‘mankahala ny halatra’ i Jehovah no antony mahery indrindra hanalavirana ny hanekena ho resin’ilay faniriana tampoka — na fanerena — hangalatra. (Isaia 61:8, fanamarihana ambany pejy). Na dia afaka manafina ny halatra tsy ho hitan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fivarotana sy ny polisy ary ny ray aman-dreny aza ny olona iray, dia tsy afaka manafina izany tsy ho hitan’i Jehovah izy. Tsy azo ialana ny fampiharihariana ny nafenina. — Isaia 29:15.

Tadidio koa fa manamafy ny fon’ny olona iray ny fahotana. (Hebreo 3:13). Ny halatra madinidinika dia mihamitombo ka lasa fanaovan-javatra ampisehoana fahasahisahian-dratsy sy tsy fitandremana. I Roger tanora, ohatra, dia nanomboka ny fanaovany heloka bevava tamin’ny fangalarana vola tao amin’ny poketran-dreniny. Tamin’ny farany, dia nandona vehivavy zokiolona hianjera tamin’ny tany izy ka nangalatra ny poketrany!

Fiadiana amin’ilay fakam-panahy

Ekena fa raha nanomboka nangalatra tao amin’ny miafina ny olona iray, dia mety ho tsy mora ny fialana. “Somary fahazarana manandevo izany”, hoy ny fieken’ny tanora iray. Inona no afaka manampy ny tanora iray hanova ny lalany?

Tsory amin’Andriamanitra ny fahotanao. “Hamela heloka dia hamela heloka tokoa” an’ireo izay mibebaka amin’ny asa ratsiny sy mitsotra amim-pahatsorana aminy, izy. — Isaia 55:7.

Mitadiava fanampiana. Mpamaky maro an’itỳ gazety itỳ no mahafantatra tsara ny kongregasiona kristian’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy azy. Afaka manatona ny mpiandraikitra kristiana eo an-toerana ka mangataka fanampiana sy fanitsiana ara-panahy ny olona toy izany. (Jakoba 5:14, 15). Afaka ny ho loharanom-panampiana sy fanohanana koa ny ray aman-dreny izay manana fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena tsara. Raha alahelom-po, fahoriana ara-pihetseham-po, na sorisory tsotra no ao ambadik’ilay fitondran-tena tsy mety, dia mety ho hita ho tena manampy ny firesahana ny zava-drehetra, amin’ny mpihaino mangoraka iray. — Ohabolana 12:25.

Manonera. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia notakina hamerina ireo zavatra nangalarina niampy ny zana-bola ireo mpangalatra. (Levitikosy 5:23, 24). Tsy vitan’ny hoe manampy hanadiovana ny feon’ny fieritreretan’ny olona iray ny fanaovana toy izany, fa mandentika lalina ao an-tsainy koa ny zava-tsarotra ateraky ny halatra eo amin’ny hafa. Mampanantena ny Baiboly fa rehefa “mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona” ny olona iray, “dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty”. — Ezekiela 33:15.

Vonoy ny fahatsapana fitsiriritana sy fierenana. Toy izao ny farany amin’ny Didy Folo: “Aza mitsiriritra (...) izay mety ho an’ny namanao akory aza.” (Eksodosy 20:17). Raha misy zavatra tena ilainao — na irinao — tokoa, kanefa tsy voavidinao, dia angamba afaka mahita fomba iray hahazoana vola hividianana azy io ianao. Nanoro hevitra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany”. — Efesiana 4:28.

Tandremo ny olona ifaneraseranao. “Raha miaraka amin’ny namana iray na antokona mpinamana iray izay manao zava-dratsy na manao heloka bevava ianao”, hoy ny fampahatsiahivan’ilay mpanoratra atao hoe Denise Lang, “dia hoheverina ho meloka koa ianao, satria fotsiny niaraka tamin’izy ireo teo amin’ilay toerana.” Manàna tanjaka hilaza hoe tsia raha manolo-kevitra hanao zavatra tsy ara-dalàna ireo mitovy taona aminao. — Ohabolana 1:10-19.

Diniho ny fahavoazana entin’ny halatra eo amin’ny hafa. Tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ny mpangalatra iray. Kanefa manome torohevitra antsika toy izao i Jesosy: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. (Matio 7:12). Rehefa mianatra ny miahy ny olon-kafa ny olona iray, dia tsy mirona firy hanao zavatra mety hitondra fahavoazana ho azy ireny izy.

Hevero ny ho vokany eo aminao. (Galatiana 6:7). Aza mieritreritra hoe hahafinaritra toy inona moa ny hahazo an’io firavaka mamirapiratra na gadget tsy voavidinao io, fa eritrereto kosa hoe hahasanganehana toy inona moa ny ho tratra sy hotorina eny amin’ny fitsarana; hevero ny fahafaham-baraka hoentinao eo amin’ny ray aman-dreninao sy eo amin’Andriamanitra mihitsy! Azo antoka fa hanatsoaka hevitra ianao fa tsy hevitra tsara ny mangalatra, rehefa dinihina tokoa.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany.

b Tsy miresaka ny amin’ny kleptomanie — aretin-tsaina miseho amin’ny alalan’ny hery manosika hangalatra — izahay. Lazain’ny dokotera fa tsy fahita firy ny kleptomanie eo amin’ireo mpangalatra entam-barotra fantatra, fa mahazo ny latsaka ny 5 isan-jaton’izy ireny. Matetika ilay aretina dia tsaboina amin’ny fanafody.

[Sary, pejy 18]

Matetika ireo mpangalatra entam-barotra dia mahita fampietrena satria tratra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara