Nahoana no Mitombo ny Halatra?
RIO DE JANEIRO — Alahady 18 Oktobra 1992. Feno olona ireo torapasika malazan’i Copacabana sy Ipanema. Tampoka teo, dia nisy andian-jiolahy tanora nanao be fiavy teo amin’ny torapasika, niady izy samy izy ary nangalatra izay rehetra sarobidy teny amin’ireo olona teo amin’ny torapasika. Niandry teo akaiky teo ny polisy izay resy an’isa — tsy afa-nanoatra. Ho an’ireo teratany sy mponina tao Rio de Janeiro, sy ho an’ireo mpizaha tany, izany dia nofy ratsy antoandro be nanahary.
Marina tokoa fa nanjary nahazatra ny heloka bevava nahatafiditra fananan’olona. Any amin’ireo tanàna lehibe, dia misy mpangalatra manendaka tanora — ary namono azy ireny mihitsy aza indraindray — mba hakana ny kiraro adidasiny. Mitsofoka an-trano ny mpangalatra, na misy olona ao na tsia. Ireo mpiasa an-trano tsy marina, rehefa avy namantatra ireo toeran-javatra ao an-trano, dia mangalatra ireo firavaka sy vola, ary avy eo dia manjavona tsy hita popoka. Misy vahoaka mandroba fivarotana. Mangalatra olona mihitsy aza ireo antokon’olon-dratsy voalamina tsara, araka ny hita eo amin’ny fitomboan’ny fakana olona an-keriny any Brezila. Ary azo inoana fa afaka manome ohatra hafa avy amin’ny fanandraman-javatra hitanao manokana ianao na avy amin’izay nitranga teo amin’ny fitambaran’olona misy anao. Nahoana anefa no misy halatra be dia be toy izao?
Nahoana ny olona no mangalatra?
Na dia antony roa lehibe aza ny fitomboan’ny fahantrana sy ny fampiasana zava-mahadomelina, dia tsy dia miharihary loatra ny valiny. Nanao izao fanamarihana izao ny The New Encyclopædia Britannica: “Tamin’ny ankapobeny, dia navela ho toy ny tsy nahitam-bokatra ilay fikarohana antony tokana nahatonga ny heloka bevava.” Nanipy hevitra anefa io boky io ihany fa ny zava-manahirana toy ny halatra “dia azo lazaina fa avy amin’ny fiheveran’ny tanora mivantana ny tenany ho tsy misy ilana azy, sy ny fahasosorany noho izy ireo tsy tafiditra amin’ireo fahavitan-javatra sy valisoa ara-nofo eo amin’ny fiainana mahazatra”. Eny, noho ny fanerena lehibe atao amin’ny olona mba hividy ireo entana vokarina, dia maro no tsy mahita fomba hahazoana izay iriny afa-tsy amin’ny fangalarana.
Mahaliana anefa fa nanao izao fanazavana izao ny The World Book Encyclopedia: “Mitoetra ho tsy mihetsika firy ny tahan’ny heloka bevava any amin’ireo fitambaran’olona mitana fomban-drazana izay isian’ny olona mino fa hitohy ny fomba fiainany. Mirona hitombo ny tahan’ny heloka bevava any amin’ireo fitambaran’olona izay misy fiovana haingana mitranga eo amin’izay onenan’ny olona, sy eo amin’izay ataony mba hahitana fivelomana — ary eo amin’ny fanantenan’izy ireo izay hahasoa azy amin’ny hoavy.” Nanampy teny toy izao ilay firaketana: “Kely kokoa ny fahafahan’ny tanora hahita asa. Ireo asa tsy mitaky fahaizana izay azo raisina dia toa tsy mahaliana rehefa ampitahaina amin’ireo tombony azo haingana sy mampientanentana avy amin’ny halatra. Ny tanora koa dia vonona kokoa ny hisetra fisamborana noho izy ireo tsy manan-javatra firy hafoy.”
Misy anefa olona maro izay tsy an’asa na kely karama, tsy mangalatra, kanefa dia misy maro be amin’ireo mpiasa birao sy mpiasa madinika manao halatra madinidinika any am-piasana toy ny hoe anisan’ny karaman’izy ireo izany. Raha ny marina, ny fanaovana hosoka sasany dia mitaky toerana ara-tsosialy ambonimbony ihany. Tsy efa renao ve ny amin’ireo raharaha mahafa-baraka nahatafiditra vola tsy toko tsy forohana, izay nahavoarohirohy mpanao politika sy mpiasam-panjakana ary mpandraharaha? Tsy isalasalana fa ny halatra dia tsy voafetra ho an’ny mahantra ihany.
Tsarovy koa fa mazàna ireo fandaharana ao amin’ny sinema sy ny televiziona dia manao ny halatra ho hatsikana (mety ho mpangalatra mihitsy aza ilay olona fototr’ilay tantara), ka izany dia mahatonga hanao ny halatra ho azo ekena kokoa. Ekena aloha fa ny fijerena izany dia mety ho azo lazaina hoe fialam-boly, kanefa amin’izay fotoana izay ihany dia aseho amin’ny mpijery ny fomba fangalarana. Moa ve ny hevitra ampitaina an-kolaka tsy hoe: angamba mendrika hatao ihany ny heloka bevava? Tsy isalasalana fa ny faniriana mihoa-pampana sy ny hakamoana ary ny fieritreretana fa manao izany ny olon-kafa rehetra sady afa-maina, dia samy mandray anjara amin’ny fitomboan’ny halatra avokoa. Tsy azo lavina fa isika dia miaina ao amin’izay voalaza mialoha fa “fotoana sarotra” anjakan’ny fitiavan-tena sy ny fimatimatesana amin’ny vola. — 2 Timoty 3:1-5, DIEM.
Aza mangalatra
Na dia eo aza ireo zavatra heverina fa sarobidy efa mivaona eo amin’izao tontolo izao, dia tena zava-dehibe ny hankatoavana ilay fandidiana hoe: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony”. (Efesiana 4:28). Ny olona iray izay mihevitra ny fananana na ny fahafinaretana ho sarobidy tafahoatra dia mety hamita-tena amin’ny finoana fa mendrika ny hisetrana loza ny halatra. Lehibe anefa ny halatra eo imason’Andriamanitra ary izany dia mampiseho tsy fisiam-pitiavana ny mpiara-belona. Ankoatra izany, na dia ny halatra madinika aza dia mety hitarika ho amin’ny fanamafisana ny fon’ny tena. Ary ahoana ny amin’ny fandraisan’ny olona ny tena ho tsy marina? Iza no hatoky mpangalatra? Milaza amim-pahendrena toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy”. — 1 Petera 4:15.
Azo antoka fa mampalahelo anao ny fitomboan’ny halatra, ahoana anefa no ataon’ny olona any amin’ny faritra anjakan’ny heloka bevava? Ahoana no nanovan’ny mpangalatra taloha sasany ny fomba fiainany? Mba hifarana ihany ve ny halatra indray andro any maneran-tany? Manasa anao izahay hamaky ny lahatsoratra manaraka hoe “Tontolo Iray Tsy Hisy Mpangalatra”.