FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/10 p. 22-25
  • Ilay Fianakaviana Tia Ahy Marina Tokoa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Fianakaviana Tia Ahy Marina Tokoa
  • Mifohaza!—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanary ahy ny fianakaviako
  • Noroahina fanindroany
  • Fanolorana nahasodoka
  • Fahitana fianakaviana hafa
  • Fanampiana ilay fianakaviana nanary ahy
  • Toa An’ilay Zanaka Adala Aho Taloha
    Mifohaza!—2006
  • Ny Safidiko Nanoloana Ray Anankiroa
    Mifohaza!—1998
  • Feno Fankasitrahana ny Fanohanana Azo Antoka Omen’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Afaka Manampy Olona Aho na dia Jamba Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Mifohaza!—1995
g95 8/10 p. 22-25

Ilay Fianakaviana Tia Ahy Marina Tokoa

HO AN’NY ankizy iray, ho an’ny ankizy rehetra, dia zava-dehibe aoka izany ny fianakaviana. Manampy hanome izay ilain’ny ankizy iray ara-batana sy ara-pihetseham-po ny fianakaviana mafana, be fitiavana iray. Mitana anjara asa tena lehibe eo amin’ny fitaizana sy ny fampianarana ary ny fitomboana izy io. Mahatonga ny ankizy iray hahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy izy io. Loza toy inona moa izany hoe arian’ny fianakavianao izany, toy ny nanjo ahy!

Teraka tao amin’ny fianakaviana iray maro anaka tany amin’ny faritra atsinanan’i Nizeria aho. Filohan’ny foko iray ny raiko ary nanana vady fito. Niteraka 30 izy, ary izaho no faha-29.

Indray andro tamin’ny 1965, fony aho folo taona, dia nody avy tany an-tsekoly aho ary nahita ny dadako nipetraka teo an-davarangana. Nisy lehilahy roa niditra teo an-tokotany nivimbina kitapo, ary taorian’ny fiarahabana mafana, dia nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nihaino azy ireo tamim-pitandremana ny raiko. Rehefa nanolotra gazety roa taminy izy ireo, dia nijery ahy ny dadako ary nanontany raha tiako ny hahazo azy ireo. Nahatoko ny lohako, koa novidiny ho ahy izy ireo.

Nampanantena ny hiverina hitsidika ireo Vavolombelona, ary nataony izany. Nandritra ny roa taona nanaraka, dia tonga niara-nidinika Baiboly tamiko izy ireo. Kanefa, tapatapaka ny fitsidihan’izy ireo, satria dia an-tongotra folo kilaometatra avy eo amin’ny tanànanay ny toerana nipetrahany.

Nanary ahy ny fianakaviako

Roa ambin’ny folo taona aho fony nanjary narary ka maty ny raiko. Valo andro taorian’ny fandevenana, dia nampiantso ny fianakaviana hanao fivoriana ny zokiko lahimatoa. Olona tokony ho 20 no teo. Nihevitra izahay rehetra fa handeha hiresaka momba ny fandaniana tamin’ny fandevenana izy. Gaga anefa aho fa nilaza izy fa nampanao ilay fivoriana mba hiaraha-midinika momba ny zandriny lahy — dia izaho! Nilaza tamin’izy ireo izy fa liana ny handeha ‘hangataka’ vola kely (fandraisana anjara amin’ny gazetintsika) aho, toy ny hoe tsy nanam-bola hamelomana ahy ny fianakaviana. Nanampy teny izy fa ny fanaovana varo-mandeha hizarana gazety ho takalon’ny vola kely dia fanosoram-potaka ny lazan’ny fianakaviana. Nilaza izy fa tsy maintsy mifidy izay tiako hiarahana aho — na ny Vavolombelona na ny fianakaviako.

Efa maty ny reniko, kanefa nitomany sy niangavy ho ahy ny iray tamin’ireo renikeliko. Nitalahoany ny mba tsy hampiasan’izy ireo izany ho fialan-tsiny hanesorana amiko ny anjarako amin’ny lova. Kanefa ho azy ireo, dia maivan-danja ny fiheveran’ny vehivavy iray. Nomba ny rahalahiko ny fianakaviana ary nitaky ny fanapahan-kevitro.

Nangataka fotoana hieritreretana momba ilay raharaha aho. Neken’izy ireo ny hanome fotoana ahy hatramin’ny takariva nanaraka. Rehefa irery tao amin’ny efitranoko aho, dia nanomboka nitomany. Nahatsiaro tena ho nalemy sy nariana ary natahotra aho. Nanontany tena aho hoe inona no hanjo ahy.

Hatramin’io fotoana io, dia mbola tsy nankany amin’ny Efitrano Fanjakana mihitsy aho ary mbola tsy nandray anjara tamin’ny fitoriana niaraka tamin’ny Vavolombelona mihitsy. Tsy nanana afa-tsy fahalalana marivo ny fampianaran’ny Baiboly aho, ary tsy nisy Vavolombelona tao an-tanànanay mba hiresahako.

Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ka sambany aho teo amin’ny fiainako no niantso azy tamin’ny anarany. Nilaza taminy aho hoe nianarako fa izy no Andriamanitra marina. Nitalahoako ny hanohanany ahy sy hanampiany ahy hanao ny fanapahan-kevitra mety, dia izay tsy hampalahelo azy.

Ny takariva nanaraka dia nivory indray ny fianakaviana ary nanontany ny fanapahan-kevitro. Nohazavaiko fa ny raiko, izay nanome aina ahy, no ilay nampanomboka ny fianarako niaraka tamin’ny Vavolombelona. Naloany vola ny gazetiko sy ny Baiboliko. Koa satria izy tsy tezitra tamin’ny nianarako niaraka tamin’ny Vavolombelona, dia tsy azoko ny antony tokony hampiasan’ny zokiko lahy izany mba hiadiana tamiko. Avy eo aho dia nilaza fa tsy noraharahaiko izay hataon’izy ireo tamiko, fa tsy maintsy nanompo an’i Jehovah aho.

Tsy faly tamin’izany teny izany izy ireo. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Iza koa io kankana kely io no hiteny toy izany amintsika?” Avy hatrany ny rahalahiko dia ningodongodona nankao amin’ny efitranoko, naka ny akanjoko sy ny bokiko ary ny valizikeliko vita tamin’ny baoritra ka nanipy azy ireny tany alatrano.

Nahita fialofana tany amin’ny mpiara-mianatra iray izay nipetraka tao an-tanàna aho, ary nipetraka niaraka tamin’ny fianakaviany nandritra ny dimy volana teo ho eo. Nandritra izany fotoana izany, dia nanoratra tamin’ny dadatoako tany Lagos izay nanasa ahy ho tonga hiara-mipetraka taminy aho.

Nandritra ny volana maromaro dia nanangona vola tamin’ny fanangonana sy ny fivarotana voan’ny palmie aho. Nanome ahy vola koa ilay renikeliko izay naneho malalaka ny heviny ho ahy. Rehefa nanana vola ampy aho, dia nanainga nankany Lagos. Teny amin’ny antsasa-dalana, dia nitaingina tao aoriana tamin’ny kamiao nitatitra fasika aho.

Noroahina fanindroany

Rehefa tonga tany Lagos aho, dia faly nahafantatra fa niara-nianatra tamin’ny Vavolombelona ny dadatoako. Avy hatrany dia nanomboka nanatrika ny fivorian’ny kongregasiona tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho. Kanefa, nanjavona haingana ny fahalianan’ny dadatoako tamin’ny fanompoana an’i Jehovah, rehefa tonga nitsidika ny zokiko lahy. Nilazany ny dadatoako fa fanapahan-kevitry ny fianakaviana ny hoe tsy tokony hotohanana na havela handeha ho any an-tsekoly aho, satria nanohy nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandrahona ny dadatoako izy ary avy eo dia niverina nody.

Herinandro taorian’ny nandehanan’ny rahalahiko, dia namoha ahy tamin’ny misasakalina ny dadatoako ary nanisika taratasy nisy soratra teo amiko. Nametraka penina teo an-tanako izy ary nangataka ny hanaovako sonia tamin’ny anarako. Rehefa nijery ny ketrona teo amin’ny tavany noho ny fahasosorany aho, dia fantatro fa zava-dehibe ilay izy. Hoy aho: “Dadatoa a, nahoana moa no tsy avelanao hanao sonia azy io amin’ny maraina aho?”

Nilaza izy fa tsy tokony hiantso azy hoe “dadatoa, dadatoa” aho fa tokony hanao sonia an’ilay taratasy avy hatrany. Novaliako fa na dia ny mpamono olona iray aza dia nanana zo hahafantatra ny fiampangana azy. Azo antoka fa nanana zo hamaky ilay taratasy alohan’ny hanaovana sonia azy io aho.

Nanaiky izy tamin’izay, sady sosotra, ny hamela ahy hamaky azy io. Nanomboka tamin’ny teny toy izao ilay izy: “Izaho, U. U. Udoh, dia nanao voady fa tsy ho Vavolombelon’i Jehovah. Nekeko ny handoro ny kitapoko fitondrako boky sy ny bokiko ary mampanantena aho fa tsy hifandray intsony amin’ny Vavolombelon’i Jehovah (...).” Rehefa avy namaky ny andalana vitsy voalohany aho, dia nanomboka nihomehy. Nohazavaiko haingana fa tsy hoe tsy nanaja azy akory aho, fa tsy nisy fomba nahafahako nanao sonia taratasy toy izany kosa.

Tezitra mafy ny dadatoako, ary nandidy ahy hiala ny tranony. Nampirina nilamina ny akanjoko sy ny bokiko tao anatin’ny valiziko aho, nankeo amin’ny lalantsara teo ivelan’ny efitranony, ary nitsotra teo amin’ny gorodona mba hatory. Rehefa nahita ahy teo ny dadatoako, dia nilaza fa satria nahatafiditra ny lalantsara koa ny hofan-trano naloany, dia tsy maintsy nandao ilay trano manontolo aho.

Fanolorana nahasodoka

Vao tapa-bolana monja no naha-tao Lagos ahy ary tsy fantatro izay haleha. Tsy fantatro hoe taiza no nipetraka ilay rahalahy tonga naka ahy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Koa rehefa nangiran-dratsy, dia nanomboka nandehandeha sy nirenireny aho, nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampy ahy.

Tamin’ny faran’ilay andro, dia tonga teo amin’ny fivarotan-dasantsy iray aho. Nanatona ny tompony aho ary nanontany raha ho azony natao ny nanidy ny valiziko tao amin’ny birao nandritra ny alina manontolo mba tsy hangalaran’ny mpangalatra azy io tamiko. Nahatonga azy ho liana ta hahafantatra izany fangatahana izany ka nanontaniany ny antony tsy nandehanako nody. Nolazaiko azy ny tantarako.

Nangoraka ilay lehilahy ka nanolotra ny hampiasa ahy ho mpiasa an-tranony. Nilaza tamiko mihitsy aza izy fa handefa ahy ho any an-tsekoly raha nanampy azy tao an-tranony aho. Fanolorana nahasodoka izany, kanefa fantatro fa ny naha-mpiasa an-trano dia nitaky ny hiasana isan’andro manomboka vao maraina be ka hatramin’ny alina be. Afa-tsy izany koa, dia nosakanana tsy hiaraka tamin’ny olona tany ivelan’ny tokantrano ny mpiasa an-trano, satria natahorana sao nety hiray tetika tamin’ny mpangalatra mba handroba ny trano. Fara fahatsarany, dia azo inoana fa hahazo alahady iray monja isam-bolana aho mba tsy hiasana. Koa nisaotra azy tamim-pahatsorana aho noho ny fiheverany saingy nolaviko ny fanolorany. Nolazaiko fa raha niasa tamin’ny naha-mpiasa an-trano ho azy aho, dia ho sarotra amiko ny hanatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana.

Hoy ilay lehilahy: “Ahoana no ahafahanao miresaka momba ny fivoriana kanefa ianao aza tsy manana toerana hipetrahana akory?” Novaliako fa raha tsy naniry hanatrika fivoriana aho, dia ho afaka nipetraka tany an-tranon’ny raiko. Noho ny fivavahako no nandroahana ahy. Ny hany zavatra nilaiko avy taminy dia ny hahazoana toerana ho an’ny valiziko. Tamin’izay, dia nanaiky ny hitahiry azy io ho ahy izy.

Fahitana fianakaviana hafa

Natory teo ivelan’ilay fivarotan-dasantsy aho nandritra ny telo andro. Tsy nanam-bola hividianana sakafo aho, koa tsy nihinana na inona na inona mihitsy nandritra izany fotoana izany. Ny andro fahefatra, raha mbola nirenireny teny aho, dia nahita tovolahy iray nanolotra ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tamin’ny olona teny amin’ny arabe. Nihazakazaka nanatona azy tamim-pifaliana aho ary nanontany azy raha fantany ny Rahalahy Godwin Ideh. Tiany ho fantatra ny anton’ny fanontaniako, koa nohazavaiko taminy ny zava-drehetra nanjo ahy.

Rehefa tapitra ny teniko, dia nametraka avy hatrany ny gazetiny tao anaty kitapony izy ary nanontany hoe: “Nahoana ianao no tokony hijaly toy izany kanefa misy Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro eto Lagos?” Nanakana taksia iray izy ary nitondra ahy nankany amin’ilay fivarotan-dasantsy mba hakana ny valiziko. Nanaraka izany izy dia nitondra ahy nankany an-tranony ary nanamboatra sakafo ho ahy. Avy eo izy dia nampiantso ny Rahalahy Ideh, izay nipetraka teny akaiky.

Rehefa tonga ny Rahalahy Ideh, dia niady hevitra izy ireo ny amin’ny hoe iza tamin’izy ireo no tokony hipetrahako. Samy naniry ny hanana ahy izy ireo! Tamin’ny farany dia nanaiky izy ireo ny hifampizara ahy — amin’ny fotoana sasany aho hipetraka niaraka tamin’ny iray ary amin’ny fotoana hafa, hipetraka niaraka tamin’ilay faharoa.

Fotoana fohy taorian’izay dia nahazo asa tamin’ny naha-ankizy fanirakiraka aho. Rehefa nahazo ny karamako voalohany aho, dia niresaka tamin’izy mirahalahy ka nanontany azy ireo hoe ohatrinona no tian’izy ireo handraisako anjara tamin’ny sakafo sy ny hofan-trano. Nihomehy izy ireo ka nilaza fa tsy nila nandoa na inona na inona aho.

Tsy ela aho dia nisoratra anarana nanaraka fianarana tamin’ny takariva, ary koa fianarana manokana, ary tamin’ny farany dia vitako ny fianarako fototra. Nihatsara ny zava-drehetra ho ahy teo amin’ny lafiny ara-bola. Nahazo asa tsaratsara kokoa aho tamin’ny naha-sekretera, ary rehefa nandeha ny fotoana dia nahazo trano hipetrahako aho.

Natao batisa aho tamin’ny Aprily 1972. Fito ambin’ny folo taona aho tamin’izay. Niriko ny hiditra tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana mba hampisehoako ny fankasitrahako an’i Jehovah noho izay rehetra nataony ho ahy, indrindra fa nandritra izany fe-potoan-tsarotra izany. Nirotsaka ho mpisava lalana vonjimaika aho rehefa afaka nanao izany, kanefa nitaky taona maromaro vao nanjary raikitra. Farany, tamin’ny 1983, dia nirotsaka ho mpisava lalana maharitra aho.

Tamin’izay aho dia nankasitraka tamin’ny fomba feno ny fianakaviako ara-panahy. Azo antoka fa voaporofo ho marina tamiko ireto tenin’i Jesosy ireto: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’Andriamanitra, izay tsy handray be lavitra amin’izao andro ankehitriny izao, ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.” — Lioka 18:29, 30.

Tena nampiseho fitiavana tamiko sy nikarakara ahy tokoa ny Vavolombelona. Nampiantrano ahy izy ireo fony aho tsy nanam-bola. Noho ny fanampian’izy ireo sy ny fanampian’ny Raiko any an-danitra, dia niroborobo tamin’ny lafiny ara-panahy aho. Tsy vitan’ny hoe nahazo fampianarana tsy ara-pivavahana aho fa nianatra koa ny lalan’i Jehovah.

Izy ireo no olona naneren’ny fianakaviako ara-nofo ahy mba hailika. Rehefa tsy nety aho, dia nanary ahy ny fianakaviako. Moa ve ny rahalahiko sy ny anabaviko ara-panahy nampirisika ahy izao hanary ny fianakaviako ara-nofo? Tsy izany velively. Hoy ny fampianaran’ny Baiboly: “Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.” — Lioka 6:31.

Fanampiana ilay fianakaviana nanary ahy

Tsy ela taorian’ny nandaozako ny tany aminay, dia nipoaka ny ady an-trano teto Nizeria. Rava ny tanànanay. Maro tamin’ireo namako sy havako no namoy ny ainy, anisan’izany ilay renikeliko izay niangavy ho ahy. Nitambotsotra ny toe-karena.

Rehefa vita ny ady, dia nanao dia nankany aminay aho ary nitsidika ny iray tamin’ireo rahalahiko izay nandray anjara tamin’ny fandroahana ahy fony aho mbola kely. Narary sy nampidirina hopitaly ny vadiny sy ny zanany vavy roa. Koa niara-niory taminy aho ary nanontany izay azoko natao mba hanampiana.

Angamba noho ny feon’ny fieritreretany nanameloka azy, dia nilaza tamiko izy fa tsy nisy zavatra nilainy. Nohazavaiko fa tsy tokony hihevitra izy hoe nety hitady hamaly faty noho izay nataon’ny fianakaviana tamiko aho. Nilazako izy fa fantatro fa nanao zavatra tamin’ny tsy fahalalana izy ireo ary tena niriko tokoa ny hanampy azy.

Nanomboka nitomany izy tamin’izay ary niaiky fa tsy nanam-bola izy sady nijaly ny zanany. Nomeko ny nifanandrify tamin’ny 300 dolara (na 1 320 000 FMG teo ho eo) izy ary nanontaniako raha ho tiany ny hiasa tany Lagos. Rehefa niverina tany Lagos aho, dia nahita asa ho azy, ary nanasa azy ho tonga sy hiara-mipetraka tamiko. Niara-nipetraka tamiko roa taona izy, nandray karama nalefany tany aminy tany amin’ny vady aman-janany. Nandritra izany fotoana izany, dia nandoa tamim-pifaliana ny hofan-tranony sy ny sakafony aho.

Nolazainy fa fantany fa ny Vavolombelon’i Jehovah no nanaraka ny fivavahana marina. Nolazainy koa fa raha tsy efa lasa lavitra aoka izany teo amin’izao tontolo izao izy, dia ho lasa Vavolombelona koa. Kanefa nampanantena izy fa hanao fandaharana mba hahazoan’ny vadiny aman-janany fampianarana Baiboly.

Tamin’ny 1987, dia nasaina hanao ny asan’ny fizaran-tany aho. Tamin’ny Aprily 1991, dia nanambady an’i Sarah Ukpong aho. Tamin’ny 1993, dia nasaina handao ny asan’ny fizaran-tany izahay ka hanompo tao amin’ny sampan’i Nizeria. Nanaiky io fanasana io izahay ary nanompo tao mandra-pahatongan’ny vadiko ho bevohoka.

Na dia nandroaka ahy aza ny fianakaviako tamin’ny fahatanorako, dia nandray ahy an-tanan-droa ny fianakaviana — ray aman-dreny, rahalahy, anabavy, sy zanaka — ara-panahy iray. Fifaliana toy inona moa ny maha-anisan’io fianakaviana maneran-tany tsy manam-paharoa io, dia ilay tiako marina tokoa sy tia ahy marina tokoa! — Notantarain’i Udom Udoh.

[Sary, pejy 24]

Udom sy Sarah Udoh

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara