Feno Fankasitrahana ny Fanohanana Azo Antoka Omen’i Jehovah
NOTANTARAIN’I SHARON GASKINS
PARADISA eto an-tany! Nahita ny tenako miriaria eo amin’ny ahi-maitso aho, misambotra lolo, milalao amin’ny zana-diona. Toa tsara erỳ izy izany! Nisy zavatra nampisalasala anefa. Impiry impiry moa ny fanantenako no niafara tamin’ny famoizam-po!
Hatramin’izay nahatsiarovako saina, dia ny seza mikorisa no namako tsy niova. Hatramin’ny nahaterahana, dia nanaisotra tamiko ireo fifaliana eo amin’ny fahazazana ny kilema lehibe eo amin’ny fiasan’ny hozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha. Ny ankizy hafa niriaria tamin’ny patins à roulettes sy ny bisikilety, fa izaho kosa nipetraka irery, tsy afaka na dia ny nandeha aza. Koa rehefa nitondra ahy nitety mpanasitrana ara-pinoana ny reniko, dia nanantena fatratra fahagagana izahay. Isaky ny nihetsika anefa, dia nandeha nody tsy nahita fahasitranana izahay. Nandiso fanantenana ahy tokoa izany, fa toy inona moa ny alahelo mafy nahazo an-dreniko!
Naniry mafy fanantenana marina ny reniko ka nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany am-piandohan’ny 1964. Enin-taona sy tapany teo ho eo aho tamin’izany.
Nahatalanjona ny nianatra fa nisy paradisa kanto iray teto an-tany taloha. Nampalahelo fa nanary izany i Adama, lehilahy voalohany. Naniry ilay fifandraisana akaiky tamin’Andriamanitra nananany taloha anefa aho. Mba toy inona re izany hoe nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra izany e? Na hoe niaina tamin’ny fotoana naha-teto an-tany ny Zanany mihitsy? Nitondra ahy tany amin’ny Paradisa hoavy koa ny nofy antoandroko. Na dia taloha be toy izany aza, dia nazava tamiko fa nahita ny fahamarinana izahay.
Nanomboka nitondra ny fianakaviana tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny. Niavaka aoka izany tamin’izay hitanay tany amin’ireo fiangonana ny fivorian’izy ireo! Nanohina ahy lalina ireo olona sy ny manodidina.
Tamin’ny voalohany, ny fitondrana anay tany amin’ny Efitrano Fanjakana dia fisedrana nahamay ho an-dreniko. Ankoatra ny tenako, dia nisy ankizy kely telo, ary tsy nanana fiarakodia izahay. Nandeha taksia izahay rehefa nanam-bola ho amin’izany izy. Mbola tsaroako ny ady mafy nataony indray alahady izay. Tsy nisy taksia tazana. Avy eo, tampoka teo, dia nisy lehilahy namily kamiao nandalo ary dia nitondra anay. Diso aoriana izahay tany amin’ny fivoriana, kanefa dia tonga tany ihany. Toy inona moa ny fisaoranay an’i Jehovah!
Tsy ela dia nifandimby nitondra anay tamim-pitiavana ireo anadahy sy rahavavy ara-panahy malala izay nanana fiara. Ny fampirisihan’i Neny tsy hanapaka mihitsy amin’ny fivoriana raha tsy hoe tena narary angaha izahay, dia nandentika tao amin’ny saiko tanora ny maha-zava-dehibe ny ‘fiaraha-miangona’. (Hebreo 10:24, 25). Natosik’izay efa nianarany ny reniko ka nanokana ny fiainany ho an’i Jehovah ary natao batisa tamin’ny 1965.
Tamin’izay aho dia efa ampy fahalehibeazana mba hahatakarana feno kokoa ireo fivoriana. Tao amin’ny Kongregasiona Cypress Hills ao Brooklyn, any New York, dia nisy Eoropeana, mainty hoditra, olona miteny espaniola, sy hafa niara-nanolotra fanompoam-pivavahana. Toa ara-dalàna aoka izany raha miaina ao anatin’ny firahalahiana marina toy izany ny olona matahotra an’Andriamanitra. — Salamo 133:1.
Nampianatra ahy ny fomba fanomanana ny reniko. Tsy zava-nanahirana ara-tsaina izany, saingy ara-batana ilay izy. Ny kilema lehibe eo amin’ny hozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha dia manova ny asa tsotra ho lamin’asa tena lehibe. Tsy vitako tamin’izay, ary hatramin’izao, ny manao tsipika mahitsy mba hanamarihana ireo valin-teny ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Arakaraka ny nanaovana izany anefa, dia nihatsara ny fomba fanipihako.
Feno zavatra holazaina ny saiko. Kanefa rehefa hivoaka ny vavako izany, dia nanjary nikorontana ireo teny. Tena nilaina ny fanalefahan-tena mba tsy hahatonga ny hozatro hihenjana. Tsy maintsy nifantoka tamin’ny fanononana mazava tsara araka izay azo atao ny teny tsirairay aho. Nahita fahakiviana aho raha tsy voalaza araka ny tokony ho izy ilay valin-teny, na rehefa fantatro fa tsy azon’ny olona ny teniko. Rehefa nahafantatra ahy anefa ireo anadahy sy rahavavy tao amin’ny kongregasiona, dia afaka nahazo kokoa ny fiteniko izy ireo. Mbola eo ihany anefa ny andro tsara sy ny andro sarotra mikasika io zava-manahirana io.
Enim-bolana nampikorontan-tsaina
Teo amin’ny fahavalo taonako, dia nisy fanandraman-javatra naharitra enim-bolana izay nisy fiantraikany tamiko hatramin’izao. Na dia teo aza ireo fitsaboana manokana ara-batana sy teo amin’ny asa atao ary teo amin’ny fitenenana efa natao tamiko, dia nandefa ahy tany amin’ny hopitaly fanarenana iray tany West Haverstraw, any New York, ireo dokotera. Nalahelo mafy izaho sy ny reniko. Taona maro talohan’izay, rehefa nisy dokotera nilaza tamim-pahadisoana fa sembana ara-tsaina aho, dia niteny tamin’izy ireo ny reniko fa tsy hamela ahy halefa any amin’ny hopitalin’ny marary saina mihitsy izy. Koa na dia fisarahana vonjy maika aza, dia mafy taminy. Hitany anefa fa ny fitarihana ahy hanana fiainana ahitam-bokatra tsy miankina aminy sy ny raiko dia nidika ho fahazakan-tena ara-batana araka izay farany azo natao.
Tsara ilay toeram-pitsaboana, saingy nahatsiaro tena ho nafoy aho. Nanazava tsara ny fihetseham-poko tamin’ilay toerana ny ranomaso havozona, sy ny fipoahan’ny fahasosorana. Mahalana ireo ray aman-dreniko vao afaka nanao ilay dia adiny telo tamin’ny fiarabe mba hitsidihana ahy, indrindra fa hatramin’ny naha-bevohoka ny reniko tamin’ny zanany fahadimy. Rehefa tsy maintsy niainga izy ireo, dia nikorontan-tsaina aoka izany aho, hany ka nilaza ilay dokotera fa tsy azo atao matetika ireo fitsidihana. Navela handeha hody indroa monja aho. Ireo manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana dia nampianatra ahy hamindra tamin’ny alalan’ny beritelo sy tehina novesarina tamin’ny firaka. Toa nilanja iray taonina izy ireo. Ilay lanjany anefa dia nanampy ahy mba tsy hihilangilana sy nitana ahy tsy hitsingidina. Izay no dingana voalohany ho amin’ny fandehanana irery tsy nisy beritelo.
Ny fandidiana sakafo, ny fanidiana bokotra — izay mety ho asa nitaky fampiasana rantsantanana — dia sarotra tamiko na tsy vitako mihitsy aza. Tamin’ny fetrany sasany anefa, dia nianatra namahan-tena sy niakanjo irery aho. Izany dia nanampy teo amin’ny fanompoako an’Andriamanitra tatỳ aoriana.
Rehefa tapitra ilay fiofanako, dia niverina indray izy io tany an-trano. Nasain’i Neny nampiasa ireo fahaizako vaovao aho. Ady ara-pihetseham-po ny fanaovana izany, satria na dia naniry hanao zavatra samy irery aza aho, ny fanatanterahana izany dia nahakivy sy nandany fotoana ary nandreraka. Ny fiakanjoako samy irery ho amin’ireo fivoriana dia lamin’asa naharitra adiny roa!
Rehefa niampita avy hatrany ny arabe avy teo amin’ny Efitrano Fanjakana aho, dia tena nanao ilay dia samy irery. Fandresena lehibe izany!
Ilay andro nahasambatra ahy indrindra teo amin’ny fiainako
Nataon-dreniko izay hahazoan’ny fianakaviana sakafo ara-panahy voalanjalanja. Niara-nianatra tamiko izy ary nanantena ny hamakiako ny nomerao rehetra tamin’ireo gazetintsika Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Teo ireo fivoriana izay tokony homanina sy hatrehina. Na dia nandray tamim-pahadodonana io fahalalana io aza ny saiko sy ny foko, dia mbola lavitra be ny tena eritreritra mikasika ny fanolorana ny fiainako ho an’i Jehovah sy ny fanamarihana izany amin’ny batisa amin’ny rano. Nanampy ahy i Neny mba hahatakatra fa, na dia eo aza ny kilemako, dia nitana ahy ho tompon’andraikitra amin’ny tenako teo amin’ny ara-panahy Andriamanitra. Tsy afaka nanantena ny hiditra ao amin’ilay tontolo vaovao aho noho ny fahamendrehan’ny reniko, na hiankina tanteraka aminy mba ho tafita velona.
Tia an’Andriamanitra aho, saingy ny toe-piainako dia nametraka ahy nitokana tsy nitovy tamin’ny hafa. Fahatakaran-javatra nampanaintaina ho an’ny zatovo iray izany. Mafy tamiko ny nanaiky ny fetran’ny tenako. Nandresy ahy matetika ny fahatezerana, ary izany dia tsy maintsy nofehezina talohan’ny batisa. (Galatiana 5:19, 20). Ary ahoana raha tsy afaka manatanteraka ny fanolorako tena ho an’i Jehovah aho?
Noho ny fangatahan-dreniko, dia niresaka tamiko ny loholon’ny kongregasiona iray. Notononiny ny fanontanian’i Elia tamin’ireo Isiraelita hoe: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo?” (1 Mpanjaka 18:21). Mazava fa tsy faly tamin’ny tsy fanapahako hevitra i Jehovah.
Nifoha ara-panahy aho ary nivavaka tamim-pahatsorana nangataka fanampiana tamin’i Jehovah sy fahatapahan-kevitra mba hanolotra ny fiainako ho azy. Nisy rahavavy iray tao amin’ny kongregasiona niara-nianatra tamiko. Tanora kokoa noho ny tenako izy, ary vao kely izy dia namoy ny reniny. Na dia izany aza, dia nanao fanoloran-tena ho an’Andriamanitra izy fony mbola kely ihany.
Teo amin’ny faha-17 taonako, dia tapaka ny hevitro. Naniry hanompo an’i Jehovah araka ny faran’izay tratran’ny fahaizako aho. Ny 9 Aogositra 1974 — rehefa natao batisa aho — no andro nahasambatra ahy indrindra teo amin’ny fiainako.
Fifaliana teo amin’ny fanompoana
Ny fandraisana anjara teo amin’ny fanompoana dia nisy vato nisakana toy ny tendrombohitra. Ny zava-tsarotra lehibe indrindra tsy maintsy noresena, dia ny fanaovana izay hahazoan’ny hafa izay lazaiko. Niteny mazava araka izay farany azoko natao aho. Avy eo, rehefa nilaina izany, dia namerina ny fanamarihana nataoko tamin’ilay tompon-trano ny namako teo amin’ny asa fanompoana. Nisy tsy nandray tsara izany, nihevitra ahy ho niharam-pahavoazana tamin’ny fanararaotan’ny Vavolombelona. Kanefa dia zoko sy faniriako lalina ny fitoriana.
Ny fandehanana isan-trano, na dia ho an’ny fitambaran-trano iray monja aza, dia mety handreraka tanteraka. Trano maro ao amin’ny faritaninay no misy tohatra, ka izany dia mahatonga azy ireo tsy ho tratrako. Amin’ny ririnina, dia saiky tsy azoko atao tanteraka ny asa fandehanana isan-trano noho ireo arabe feno ranomandry. (Asan’ny Apostoly 20:20). Nanampy betsaka anefa ireo anadahy ara-panahy, ary izao i Jehovah dia nitahy ahy tamin’ny alalan’ny seza mikorisa misy maotera, izay manamora kokoa ny fanompoana.
Nanomboka nanao fanambarana an-taratasy aho. Tsy mety ny fanoratana taratasy amin’ny tanana satria tsy hain’ny ankamaroan’ny olona vakina ny sora-tanako. Koa dia tonga mpanoratra ho ahy ny milina fanoratana elektrika. Miadana be ny fitendriko milina satria ratsy ny fifandrindran’ny tanana. Mandany efa ho antsasa-potoana aho mikendry litera iray, ary litera hafa no voatsindriko. Mety haka ora iray na mahery ny fanoratana pejy iray monja amin’ny milina.
Na dia eo aza ny tsy fananana hery hiasana ela, indraindray aho dia manompo amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy, manokana 60 ora na mahery amin’ny fanompoana ao anatin’ny iray volana. Izany dia mitaky fandaharam-potoana tsara, fiezahana fanampiny, ary ny fanohanan’ireo mpiray finoana. Mampahery ahy ny toe-tsain’ny mpisava lalana asehon’izy ireo. Namela ohatra tsara koa i Neny tamin’ny fanompoana tamin’ny naha-mpisava lalana maharitra na mpisava lalana mpanampy na dia niatrika adim-piainana sy faharatsian’ny fahasalamana ary zava-tsarotra eo amin’ny fitaizana zanaka fito ao anatin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana aza.
Nandeha irery aho
Teo amin’ny faha-24 taonako, dia nanapa-kevitra ny hitokan-trano irery aho. Hita fa fitahiana ny fifindrako tany Bensonhurst, faritr’i Brooklyn. Ny Kongregasiona Marlboro dia sahala amin’ny fianakaviana iray tafaray tsara. Nampahatanjaka finoana toy inona moa ny fiarahana tamin’izy ireo! Na dia tsy nisy afa-tsy fiara roa na telo monja aza azo nampiasaina tao amin’ilay kongregasiona, dia nitondra ahy tany amin’ny fivoriana rehetra ireo anadahy ara-panahy. Na dia izany aza, dia tsy nipetraka ela tany aho.
Noho ny fahatsapako tsy fahombiazana tanteraka, dia nody tany amin’ny fianakaviako aho ary nilentika tao anatin’ny fahaketrahana lalina naharitra telo taona. Nitranga indray ireo fipoahan’ny fahatezerana. Tonga avy eo ny eritreritra ny hamono tena sy ny fanandramana maromaro hanatanteraka izany. Nihelohelo toy ny rahona mainty nitatao foana ny fahafatesana. Niantehitra tamin’Andriamanitra anefa aho, ary nampanantena fa hampiseho fankasitrahana ny fanomezany fiainana. Nisy fampiononana sy torohevitra avy tamin’ireo loholona. Nanitsy ny eritreritro izany, niaraka tamin’ny vavaka, sy ny fianarana manokana, mbamin’ny faharetana nasehon’ny fianakaviako, ary ny fanampiana sasany avy tamin’ny manam-pahaizana manokana.
Tamin’ny alalan’ny Ny Tilikambo Fiambenana, i Jehovah dia nanome tamim-panehoam-pitiavana, fahatakarana lalina momba ny fahaketrahana lehibe. Eny, miahy ny olony izy ary mahatakatra ny fihetseham-pontsika. (1 Petera 5:6, 7). Rehefa afaka kelikely dia nisinda ilay fahaketrahana lalina. Folo taona atỳ aoriana, dia mbola manampy ahy ihany i Jehovah mba hisetra ny fahakiviana sy ny fahaketrahana. Indraindray dia misy fahatsapana tsy fahamendrehana maharesy ahy. Kanefa na dia izany aza, dia fanampiana fitanana aina mahatalanjona akaiky ho ahy ny vavaka sy ny fianarana ny Baiboly ary ny fianakaviako ara-panahy.
Rehefa sasa-poana nitady trano hafa aho, dia nanapa-kevitra tsy satry ny hiaina miaraka amin’ny fianakaviako amin’ireo andro sisa hiainako. Avy eo, dia namaly ny vavaka nataoko i Jehovah. Nisy trano nalalaka tao amin’ny Bedford-Stuyvesant, faritr’i Brooklyn. Tamin’ny faran’ny lohataonan’ny 1984, dia nifindra tany aho, ary hatramin’izao aho dia mbola ao.
Ny mpikambana ao amin’ny Kongregasiona Lafayette be fitiavana, dia nitondra ahy tamin-katsaram-panahy tany amin’ireo fivoriana. Mbola velombelona ato an-tsaiko ilay Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona voalohany natrehiko. Natao tany amin’ny rihana fahatelo izy io — ary tsy nisy ascenseur! Noho ny fanampian’i Jehovah ihany no nahavitako niakatra sy nidina ireo tohatra ireo. Tatỳ aoriana, dia nisy toerana mora aleha kokoa. Ary izao i Jehovah dia nitahy ahy tamin’ny tombontsoa hanana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona ato an-tranoko.
Misy toe-tsain’ny mpisava lalana mahafinaritra miely ao amin’io kongregasiona io. Rehefa tonga tao aho, dia nisy mpisava lalana 30 teo ho eo, ary nanome ahy fikarakarana sy fiahiana manokana ny sasany. Ilay rivo-piainana feno zotom-po dia nanosika ahy ho tonga mpisava lalana mpanampy matetika kokoa.
Tamin’ny Aprily 1989, ny Kongregasiona Lafayette sy Pratt dia nanorina Efitrano Fanjakana vaovao izay iray arabe amin’ny trano misy ahy. Nitranga tamin’ny fotoana nilana azy izany satria noho ny fahasimbana ara-batana fanampiny, dia manjary zava-manahirana ahy indray ny fandehanana. Noho ny kalesiko misy maotera sy ireo anadahy sy rahavavy manampy sy manohana ahy anefa, dia mahafinaritra ireo dia mandroso sy miverina mankany amin’ireo fivoriana. Toy inona moa ny fankasitrahako lalina izany fanampiana feno fitiavana izany!
Feno fisaorana noho ny fanohanan’Andriamanitra
Na dia mangozohozo aza ny tongotro, ny foko dia miorina tsara. Ny fahazoana fianarana tsara dia mahatonga ny fiainana ho mora kokoa, kanefa Andriamanitra dia manohana ahy. Indraindray dia tsy fantatro hoe ahoana no ahazoako ny sakafoko indray andro, kanefa dia nanohana ahy i Jehovah ary niseho ho Mpanome mahatoky izy. Mamiko tokoa ireo tenin’i Davida hoe: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” — Salamo 37:23-25.
Imbetsaka i Jehovah no namela ahy ho afaka hitana fijoroana araka ny Soratra Masina tamin’ny fanampiana ahy handa tsy handray ra nandritra ny fandidiana. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Tsy ela izay, dia maty ny raiko. Tena nampahory mafy tokoa ny famoizana olona akaiky toy izany. Ny hery avy amin’i Jehovah ihany no nisintona ahy avy tamin’izany sy avy tamin’ireo fisedrana hafa.
Mety hitohy hiharatsy ihany ny fahasalamako, kanefa ny finoako an’Andriamanitra sy ny fifandraisako aminy no fitanana sy fiarovana aina ho ahy. Toy inona moa ny hafaliako eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah sy manana ny fanohanany azo antoka!