FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/1 p. 5-6
  • Ny Fikatsahana Fampianarana Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fikatsahana Fampianarana Tsara
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitadiavana vahaolana
  • Vokany samy hafa
  • Tena zava-dehibe ny fampianarana tsara
  • Inona No Mitranga Any An-tsekoly Amin’izao Andro Izao?
    Mifohaza!—1996
  • Ireo Fanalahidin’ny Fampianarana Tsara
    Mifohaza!—1996
  • Ry Ray Aman-dreny, Hoavy Manao Ahoana no Irinareo ho An’ny Zanakareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Tokony Hianatra any An-tsekoly ve ny Zanako?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/1 p. 5-6

Ny Fikatsahana Fampianarana Tsara

MANOMANA ny ankizy hiatrika amim-pahombiazana ny fiainana eo amin’ny fitambaran’olona amin’izao andro izao ny fampianarana tsara. Manome azy ireo fitaovana, dia fahaizana ara-pianarana, anisan’izany ny fahaizana mamaky teny sy manoratra tsara ary manao asa marika, izy io. Ambonin’izany, dia misy akony eo amin’ny fifampitaomany amin’ny hafa sy manamafy ny fari-pitsipi-pitondran-tena mahasoa, izy io.

Koa satria fotoan-tsarotra anefa izao, dia tena sarotra ny manome fampianarana toy izany. Naneho ny alahelony toy izao ny mpampianatra mainty molaly aostralianina iray: “Ireo kilasy dia voaforon’ny ankizy mirona ho amin’ny herisetra, ankizy izay mampiasa teny ratsy, ompa; ankizy sasatry ny tsy fahampian-torimaso vokatry ny fijerena televiziona; ankizy tsy ampy sakafo na noana; sy ankizy tezaina tsy misy fifehezana.” Ary hilaza aminao toy izao ireo mpampianatra: “Faran’izay sarotra ny mampianatra ankizy maditra.”

Nilazalaza toy izao ny olana saro-bahana atrehin’ny mpampianatra i Albert Shanker, prezidàn’ny American Federation of Teachers (Federasionan’ny Mpampianatra Amerikana): “Voatery manome fampianarana momba ny zava-mahadomelina sy ny alkaola, fampianarana momba ny lahy sy ny vavy, (...) fanazaran-tena momba ny fahatsiarovan’ny mpianatra ho mendrika, famantarana izay anisan’ny andian-jiolahy, (...) sy zavatra hafa maro be, izy ireo. Ny zava-drehetra, afa-tsy ny tena fampianarana. (...) Izay angatahina amin’izy ireo mba hataony, raha ny marina, dia mba ho mpanao asa sosialy, reny, ray, mpanarina ara-pitsaboana, polisy, manam-pahaizana momba ny sakafo, mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka, teknisiana ara-pitsaboana.”

Nahoana izany no takina amin’ireo mpampianatra? Manondro ny antony ny famintinana iray momba izay mahaforona ny lakilasy any amin’ny tanàn-dehibe iray any avaratra atsinanana amin’i Etazonia. Nanao tatitra ny filazana nataon’ny manam-pahaizana iray mikasika ny kilasy mahazatra iray misy mpianatra 23 ny The New York Times. Nilaza izy fa “8 ka hatramin’ny 15 no azo inoana fa miaina ao anatin’ny fahantrana; 3 no nateraky ny reny mampiasa zava-mahadomelina; 15 no miaina miaraka amin’ny reny na ray irery”.

Mazava fa eo an-dalam-paharavana ny fianakaviana. Any Etazonia, dia efa ho ny 1 amin’ny zaza teraka 3 no zaza sary, ary 1 amin’ny fanambadiana 2 no miafara amin’ny fisaraham-panambadiana. Kanefa, vao mainka ambony noho izany aza ny isan-jaton’ny fiterahana ivelan’ny fanambadiana any Danemark, Frantsa, Grande-Bretagne, sy Soeda. Inona avy no ezaka atao mba hiatrehana ny krizy aterak’izany tarehin-javatra izany any amin’ireo sekoly?

Fitadiavana vahaolana

Misy sekoly fanandramana na tsy araka ny mahazatra maro samihafa naorina. Izy ireny mazàna dia kely kokoa — mampety ny fanaraha-maso akaiky kokoa — ary maro no mamolavola ny taranjam-pianarana azy manokana amin’ny fiezahana hanome fahafaham-po izay ilain’ny ankizy amin’ny fomba tsara kokoa. Any New York, dia sekoly kely kokoa 48 toy izany no nisokatra nanomboka tamin’ny 1993, ary 50 fanampiny no eo an-dalam-pamolavolana. “Ny herisetra [any an-tsekoly] no nampanomboka ilay fanandramana”, hoy ny fanamarihan’ny The New York Times. Tamin’ny 1992 dia sekoly tsy araka ny mahazatra maherin’ny 500, misy mpianatra maherin’ny 333 000, no natomboka tany Rosia.

Etsy an-danin’izany, dia hoy ny tatitra nataon’ny The Toronto Star: “Olona an’arivony maro no mandefa ny zanany mankany amin’ny sekoly tsy miankina sarotra idirana.” Any Ontario, provansy kanadianina, fotsiny dia ankizy efa ho 75 000 no mankany amin’ny sekoly tsy miankina. Hita koa manerana an’i Rosia manontolo ireny sekoly ireny ankehitriny, ary milaza ny gazety China Today fa “naniry ohatra ny ahitra” izy ireny tany Sina. Ny The Handbook of Private Schools dia manome fisoratana amin’ny lisitra maimaim-poana ho an’ny sekoly efa ho 1 700 toy ireny any Etazonia, izay mety ho $20 000 na mihoatra ny saram-pianarana herintaona.

Mbola misy koa ray aman-dreny hafa izay nifidy ny fampianarana ny zanany ao an-tokantrano. Any Etazonia fotsiny, dia tombanana fa ny olona manaraka fianarana ao an-tokantrano dia nitombo avy tamin’ny 15 000 teo ho eo tamin’ny 1970 ka nahatratra hatramin’ny iray tapitrisa tamin’ny 1995.

Vokany samy hafa

Tsy mahazo vokatra mitovy ny vondron-tsekoly isam-paritra rehetra manerana ny tany manontolo. Tamin’ny Jolay 1993, dia nilaza toy izao tamin’ny antokona mpampianatra amerikana i Shanker: “Mitantana sekoly ireo tany hafa ary mahazo vokatra tsara kokoa noho ny antsika izy ireo amin’ny ankapobeny.” Mba hanazavana izany, dia nolazainy ny fihaonany tamin’ny mpivady iray avy any Rosia izay nifindra nankany Etazonia. Izao no notantarainy: “Nilaza izy ireo fa na dia nalefany tany amin’ny sekoly tsy miankina iray tena tsara aza ny zanany, dia nianatra izay efa nianarany tamin’ny taona fahatelo tany [Rosia] ilay zanany ao amin’ny taona fahavalo.”

Namolavola vondron-tsekoly isam-paritra izay nampianatra saika ny vahoakany manontolo hamaky teny sy hanoratra, ny Firaisana Sovietika teo aloha. Etsy an-danin’izany, araka ny fanombanan’ny U.S. Department of Education (Minisiteran’ny Fampianarana Amerikana), dia Amerikana 27 tapitrisa no tsy mahay mamaky ny famantarana eny amin’ny arabe na ny nomerao eo amin’ny aotobisy. Ary nanao tatitra ny Canberra Times any Aostralia fa “hatramin’ny 25 isan-jaton’ny ankizy mpianatra tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra no nankany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra kanefa tsy nahay namaky teny sy nanoratra”.

Misy hatramin’ny fetra sasany saika hatraiza hatraiza ny krizy any amin’ireo sekoly ankehitriny. Milaza ny boky Education and Society in the New Russia tamin’ny 1994 fa “72,6 isan-jaton’ny mpampianatra sovietika nadinadinina no nanaiky fa tao anatin’ny krizy mafy ny vondron-tsekoly isam-paritra”. Araka ny voalazan’i Tanya, mpampianatra mainty molaly ao Moscou, dia anton-javatra lehibe iray mahatonga ilay krizy ny hoe “ny ray aman-dreny sy ny mpianatra mihitsy dia tsy mihevitra intsony ny fampianarana ho sarobidy”. Nomarihiny, ohatra, fa “mandray karama antsasaky ny an’ny mpamily aotobisy ny mpampianatra iray — na latsaka izany mihitsy aza”.

Tena zava-dehibe ny fampianarana tsara

Arakaraka ny maha-be kojakojany kokoa ny fitambaran’olona no maha-zava-dehibe kokoa ny fampianarana tsara. Any amin’ny toerana maro dia manjary ambony kokoa ny fari-pianarana ilaina mba hahafahan’ny olon-dehibe tanora iray hahazo asa izay hamelomana azy sy izay ho ankohonany amin’ny hoavy. Noho izany, ireo izay nahay tsara tamin’ny fianarana fototra dia hanana fahafahana tsara lavitra hahita asa. Ireo mpampiasa dia manahy indrindra ny amin’ny zavatra heverina voalohany indrindra — manao ahoana ny fahafahan’ilay mitady asa manao tsara ilay asa.

Izao no nomarihin’ny mpitantan-draharaha amin’ny biraon’ny fitadiavana asa mikasika ireo olona maro nahazo diplaoma avy tamin’ny lise: “Tsy nampianarina hiasa izy ireo.” Hoy ny teny nanampiny: “Amin’ny fifampiraharahana amin’ny tanora, ny zava-manahirana resahin’ireo mpampiasa amiko tsy an-kijanona dia ny hoe tsy mahay mamaky teny sy manoratra tena tsara izy ireo. Tsy mahay mameno taratasy fangatahana asa izy ireo.”

Azo antoka fa irin’ny ray aman-dreny ny hahazoan’ny zanany fampianarana tsara, ary irin’ny tanora amim-pahendrena ny hahazoan’ny tenany izany. Zava-dehibe anefa ny hampiasany ireo fanalahidy ilaina. Inona ireo fanalahidy ireo, ary ahoana no azo ampiasana azy ireo?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]

Any Rosia, dia “mandray karama antsasaky ny an’ny mpamily aotobisy ny mpampianatra iray”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara