Inona No Mitranga Any An-tsekoly Amin’izao Andro Izao?
“AO ANATIN’NY Krizy Ireo Sekolintsika: Mampiditra Polisy Ankehitriny”. Izany no matoam-baovao iray teo amin’ny fonon’ny gazety iray vao haingana any New York. Ny Fitantanan-draharahan’ny Fampianarana any New York dia manana mpiambina mpitandro ny filaminana any an-tsekoly azy manokana — andiany misy 3 200 — izay misafo sekoly maherin’ny 1 000 ao an-tanàna. Ankehitriny dia olona maro no maniry ny hampidirana ny polisin’ny tanàna mahazatra ho any an-tsekoly mba hanampy amin’ny fitandrovana ny filaminana. Tena ilaina tokoa ve izy ireo?
Hoy ny matoam-baovao iray tao amin’ny New York Times: “Asehon’ny Tatitra fa Mitondra Fiadiana ny 20%-n’ny Mpianatra eto New York”. Niaiky toy izao i Joseph Fernandez, lehiben’ireo sekoly any New York nanomboka tamin’ny 1990 ka hatramin’ny 1992: “Mbola tsy nahita zavatra tahaka ny herisetra hitantsika ankehitriny any amin’ireo sekolintsika an-tanàn-dehibe mihitsy aho. (...) Tsy azoko nalaina sary an-tsaina, fony aho nanaiky ilay toeran’ny lehiben’ny sekoly teto New York tamin’ny 1990, hoe ho ratsy aoka izany ilay izy. Tsy fihetsehany iray izany, fa efa aretina mahafaty.”
Manao ahoana ny haratsin’izany?
Nanao tatitra toy izao i Fernandez: “Nandritra ireo folo volana voalohany naha-lehiben’ny sekoly ahy, ny salanisa azonay dia ankizy mpianatra iray no maty nisy namono isaky ny andro hafa iray — voatsatoka antsy tany amin’ny métro, voatifitra teo amin’ny tokotanin-tsekoly na teny an-joron-dalana. (...) Manana [mpiambina mpitandro ny filaminana] dimy ambin’ny folo na enina ambin’ny folo misafo ireo lalantsara sy tokotany ny lise sasany.” Hoy ny teny nanampiny: “Mihanaka ny herisetra any amin’ireo sekolintsika, ary tsy maintsy nisy fepetra tsy toy ny mahazatra noraisina. Samy mampiseho taratra saika habibiana mahatsiravina mitovy ankehitriny ireo sekoly any Chicago, Los Angeles, Detroit — ireo tanàn-dehibe renivohi-paritany rehetra.
“Miharihary amin’ny fomba manaitra ny henatra amin’izany. Nandritra ireo roapolo taona lasa dia nanjary nekentsika izay tsy azo ekena: lasa sahan’ady ireo sekoly amerikana. Lasa tranon’ny tahotra sy ny fampitahorana fa tsy akany fampianarana.”
Misy polisy mpitandro ny filaminana any amin’ireo vondron-tsekoly isam-paritra 245 any Etazonia, ary any amin’ny 102 amin’izy ireo, dia mitam-piadiana ireo polisy. Tsy izy ireo ihany anefa no mitam-piadiana. Araka ny fandinihana nataon’ny Oniversiten’i Michigan, dia tombanana fa mitondra basy 270 000 eo ho eo, tsy isaina intsony ny fiadiana hafa, any an-tsekoly ireo mpianatra any Etazonia isan’andro!
Tsy nihatsara ny tarehin-javatra fa vao mainka niharatsy. Tsy nahasakana ny fidiran’ny fitaovam-piadiana ireo fitaovana fitiliana metaly ampiasaina any amin’ny sekoly maro. Nandritra ny fararanon’ny taona 1994 (tany amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra), dia tafakatra ho 28 isan-jato ireo herisetra nanaovana tatitra, nitranga tany amin’ireo sekoly any New York, raha nampitahaina tamin’ny fe-potoana nitovy tamin’izany, herintaona talohan’izay! “Sambany mihitsy izao ny sokajy ‘fiadiana sy herisetra ary andian-jiolahy’ ”, hoy ny fanazavan’ny Phi Delta Kappan momba ny fitsapan-kevitra iray natao tany Etazonia, “vao mitana ny laharana voalohany miaraka amin’ny ‘tsy fisian’ny fifehezana’, amin’ny maha-zava-manahirana lehibe indrindra atrehin’ireo sekolim-panjakana eto an-toerana azy.”
Niteraka krizy ho an’ireo sekoly any amin’ny tany maro ny herisetra any an-tsekoly. Any Kanada, dia nitondra izao matoam-baovao izao ny Globe and Mail any Toronto: “Miova ho Faritra Mampidi-doza Ireo Sekoly”. Ary nahariharin’ny fanadihadiana iray natao tany Melbourne, Aostralia, fa efa ho ny 60 isan-jaton’ny ankizy mpianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra no aterin’ny ray aman-dreniny sy alainy any an-tsekoliny amin’ny fiarakodia noho ny tahotra famelezana na fakana an-keriny.
Tapany amin’ilay zava-manahirana fotsiny anefa ny herisetra. Misy zavatra hafa mitranga any amin’ireo sekolintsika izay miteraka fanahiana lehibe.
Ny raharaha momba ny fitsipi-pitondran-tena
Na dia milaza aza ny Baiboly fa ny fijangajangana — fanaovana firaisana ivelan’ny fanambadiana — dia ratsy, dia tsy manohana fampianarana ara-pitondran-tena tsara toy izany ireo sekoly amin’izao andro izao. (Efesiana 5:5; 1 Tesaloniana 4:3-5; Apokalypsy 22:15). Azo antoka fa nandray anjara tamin’ilay tarehin-javatra nolazalazain’i Fernandez izany, fony nilaza izy hoe: “Hatramin’ny 80 isan-jaton’ireo zatovontsika no manao firaisana.” Tany amin’ny lise iray any Chicago, dia ny ampahatelon’ny mpianatra vavy no bevohoka!
Manana akanin-jaza mba hikarakarana ny zazakelin’ireo mpianatra ny sekoly sasany. Fanampin’izany, dia zaraina maimaim-poana amim-pahazarana ireo kapaoty anglisy, amin’ny fanaovana ezaka very maina mba hisakanana ny fihanahan’ny SIDA sy ny firongatry ny fiterahana zaza sary. Raha tsy tena mampirisika an’ireo mpianatra hijangajanga ny fizarana kapaoty anglisy, dia manala tsiny ny fanaovan’izy ireo izany izy io. Raha ny amin’ny fitsipi-pitondran-tena, inona no heverin’ireo mpianatra?
Nilaza ny mpampianatra iray efa hatramin’ny ela tao amin’ny oniversite hoe “mahagaga ny hamaroan’ny tanora izay mihevitra fa tsy misy ny tsara na ny ratsy, fa miankina amin’izay heverinao ny safidy ara-pitondran-tena”. Nahoana ireo tanora no mihevitra toy izany? Hoy ny fanamarihan’ilay mpampianatra: “Angamba ny fanandraman-javatr’izy ireo tany amin’ny lise no nitarika azy ireo ho tonga feno fisalasalana raha ny amin’ny fitondran-tena.” Inona no vokatry ny fisalasalana ara-pitondran-tena toy izany?
Naneho ny alahelony toy izao ny lahatsoratra an-gazety iray vao haingana: “Tsy misy olona, toa izany indraindray, manaiky homen-tsiny noho ny zavatra inona na zavatra inona. Sanatria.” Eny, ilay hafatra dia hoe azo atao ny zava-drehetra! Diniho ny ohatra iray ny amin’ny vokatra lalina entin’izy io eo amin’ireo mpianatra. Tamin’ny fianarana iray tao amin’ny oniversite momba ny foto-kevitra ny amin’ny Ady Lehibe Faharoa sy ny fiakatry ny Nazisma, dia hitan’ny profesora iray fa tsy nino ny ankamaroan’ny mpianany hoe nisy olona tokony homen-tsiny noho ny Fandripahana Tambabe (Holocauste)! “Ao an-tsain’ireo mpianatra”, hoy ilay mpampianatra, “dia tahaka ny loza araka ny natiora ny Fandripahana Tambabe: Tsy azo nihodivirana sy tsy azo nialana izy io.”
Fahadisoan’iza no nahatonga an’ireo mpianatra ho tsy afaka hanavaka ny tsara amin’ny ratsy?
Eo anivon’ny fotoan-tsarotra
Niaro ny sekoly ny mpampianatra taloha iray, ka hoy izy: “Miandoha ao amin’ny fiaraha-monina ilay zava-manahirana, ary manome taratr’ireo zava-manahirana efa misy eo [amin’ny fiaraha-monina] fotsiny ireo sekoly.” Eny tokoa, sarotra ny mampianatra amim-pahombiazana ny amin’ny zavatra tsy ampiharin’ireo mpitarika eo amin’ny fitambaran’olona.
Mba hanazavana izany, nandritra ny fotoana iray naha-matoam-baovao tao amin’ny gazety ny faharatsiam-pitondran-tenan’ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana amerikana, dia nanoratra toy izao ny mpanoratra an-gazety fanta-daza iray: “Tsy manan-kevitra aho raha ny amin’ny fomba hahafahan’ireo mpampianatra amin’izao vanim-potoan’ny tsy fitokiana amin’ny olona izao, hiezaka hampianatra ny amin’ny fari-pitondran-tena. (...) ‘Jereo i Washington!’, hoy ny ho fihiakan’ireo ankizy. Fantatr’izy ireo (...) fa ny fanambakana naloto indrindra teo amin’ny tantara dia nitranga tao amin’io trano fotsy lehibe io.”
Nanambara mialoha ny Baiboly fa “amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina”. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Azo antoka fa fotoan-tsarotra izao! Rehefa heverina izany, inona no atao mba hiatrehana ny krizy any an-tsekoly amin’izao andro izao sy mba hanampiana an’ireo mpianatra hahazo fampianarana tsara? Inona no azonareo atao amin’ny maha-ray aman-dreny sy mpianatra anareo? Handinika izany ireo lahatsoratra manaraka.