Tsy Nanana Tanjona Aho Kanefa Nahita Zava-kendrena teo Amin’ny Fiainana
ALAO sary an-tsaina ny fahakiviako sy ny fahasorisorenako tamin’ny indray maraina be izay, rehefa namoha ahy tamin’ny fomba tsy nampoizina ny lehilahy vaventy roa izay nanao sava hao ny efitra fatoriana. Nijoro teo akaiky teo ny reniko, hatsatra sy tsy nahahetsika, niharihary fa tao anatin’ny fahatairana mafy. Mpitsongo dia izy mirahalahy ireo.
Avy hatrany dia fantatro hoe inona no notadiavin’izy ireo. Na dia nody hoe tsy nanan-tahotra sy nihantsy aza aho, dia natahotra aho tao anatiko lalina tao. Takatro fa nadiva hahatratra anay andian-jiolahy tanora mpangalatra tany New Jersey, Etazonia, ny vela-pandriky ny polisy hisamborana anay. Nilaza tamiko tamin’ny fomba nitrerona mba hiakanjo ireo mpitsongo dia ary avy eo dia nanositosika ahy nankany amin’ny foiben’ny polisy mba hanaovana famotorana.
Ahoana no nahatonga ahy ho tao anatin’io tarehin-javatra nampahonena io? Nanomboka izany fony fahakeliko. Raha mbola vao herotrerony aho dia efa nihevi-tena ho ankizy maditra mafy loha. Nandritra ireo taona 1960, dia tanora maro no nihevitra fa ny mikomy tsy misy antony “indray izao no malaza”, ary nanaiky izany tamin’ny fo manontolo aho. Araka izany, teo amin’ny faha-16 taonako, dia nanjary nandany andro tao amin’ny toerana filalaovana billard teny akaikinay aho, satria voaroaka avy tao amin’ny lise. Tao aho dia nanjary niray tamin’andian-jiolahy tanora izay namaky trano. Rehefa avy niaraka tamin’izy ireo tamin’ny famakian-trano somary madinika aho, dia nanomboka nankafy ny fahataitairana sy ny fiandrasana amim-pahalianana izay hitranga ary, raha ny marina, dia nahita ny famakian-trano tsirairay ho tena nampientanentana.
Tamin’izany no nanombohan’ny fanaranam-po tamin’ny famakian-trano nandritra ny sivy volana. Tamin’ny naha-andian-jiolahy anay, izahay dia nifantoka indrindra tamin’ny birao fiasana izay nitanana lelavola be dia be matetika. Arakaraka ny naha-maro ny vaky trano nataonay ka tsy nahatratrarana anay no nahasahy kokoa anay. Tamin’ny farany, dia nanapa-kevitra ny handroba sampan’ny bankim-paritany iray izahay.
Sambany tamin’izay vao nanomboka tsy nety ny toe-draharaha. Na dia afaka niditra tao amin’ilay banky tsy nisy fahasarotana aza izahay, dia nandany alina iray nahaketraka tao anatiny tao satria tsy nahavita afa-tsy ny nanapitsoka ny vata sarihan’ireo mpandray vola izahay. Ny zava-nanahirana lehibe kokoa dia izao: nitarika ny fidiran’ny Federal Bureau of Investigation (FBI) tamin’ilay raharaha ny fidiranay an-keriny tao amin’ilay banky. Noho ny namotopotoran’ny FBI ny raharaha momba anay, dia tsy ela dia voasambotra avokoa izahay.
Ireo vokatra nampalahelon’ilay fanaovan-dratsy
Nampangaina ho namaky trano 78 ny tenako manokana ka niaritra ny henatra noho ny nampamakiana mafy tamin’ny fitsarana ny tsipiriany tamin’ny vaky trano tsirairay. Izany, nampian’ny fampahafantarana ampahibemaso rehetra tao amin’ny gazety teo an-toerana ny heloka bevava vitanay, dia nisy vokany nampivalaketraka teo amin’ny ray aman-dreniko. Tsy nampanahy ahy loatra anefa tamin’izany fotoana izany ny fampietrena sy ny henatra nentiko teo amin’izy ireo. Nomelohina ho any amin’ny akanim-panjakana iray fanarenana zaza maditra mandritra ny fotoana tsy voafetra aho, ka nety hidika ho fitanana ahy mandra-pahatongako teo amin’ny faha-21 taonako izany. Kanefa, vokatry ny fiezahan’ny mpisolovava mahay iray indrindra indrindra, dia nafindra nankany amin’ny sekoly fanarenana manokana iray aho.
Na dia afa-niala fe-potoana hidirana an-tranomaizina aza aho, dia napetraka ny fepetra hoe tsy maintsy nesorina tamin’ny fiaraha-monina sy tamin’ny namako taloha rehetra aho. Mba hanaovana izany, dia nosoratana anarana tao amin’ny sekoly tsy miankina iray tany Newark izay nifantoka tamin’ireo ankizy maditra tahaka ahy, aho. Fanampin’izany, dia notakina tamiko ny hihaonako isan-kerinandro tamin’ny psykology iray mba hahazoako ny fanampian’io manam-pahaizana io. Nofenoin’ny ray aman-dreniko ireo fepetra rehetra ireo — tamin’ny alalan’ny sorona ara-bola navesatra ho azy ireo.
Fiezahana hiarina
Tsy isalasalana fa ho vokatry ny fitsarana anay natao fanta-bahoaka tsara, dia niseho tao amin’ny gazety iray tao an-tanànanay ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe: “Amin’ny Fitsitsiana ny Tsora-kazo”. Nanakiana ilay fanasaziana toa maivana azon’ilay andian-jiolahy io lahatsoratra io. Ireo fanamarihan’io lahatsoratra io no nanohina voalohany ny feon’ny fieritreretako. Koa nesoriko avy tao amin’ilay gazety io lahatsoratra nohetezako io, ary nivoady tamin’ny tenako aho fa indray andro any, amin’ny fomba sasany, dia hanonitra ny fampahoriana sy ny henatra ary ny fandaniana rehetra nampitondraiko ny ray aman-dreniko aho.
Ny fomba iray, araka ny eritreritro, mba hanaporofoana tamin’ny ray aman-dreniko fa afaka niova aho dia ny hahazoana diplaoma avy tamin’ny lise niaraka tamin’ny kilasy nisy ahy teo aloha. Nanomboka nianatra mbola tsy nisy toy izany mihitsy teo amin’ny fiainako aho. Ny vokany, tamin’ny faran’ny taom-pianarana, rehefa niseho indray teo anatrehan’ilay mpitsara nanameloka ahy aho, niaraka tamin’ny mpanara-maso ahy, dia niova ho feno tsiky ny endriny montotra, rehefa nomarihiny fa nahazo naoty tsara aho tamin’ny antsalany isaky ny fizaran’ny taom-pianarana. Koa izao dia nisokatra ho ahy ny lalana hiverenana tany amin’ny lise nisy ahy taloha, ary nahazo diplaoma aho ny taona nanaraka.
Nitohy ny tsy fananako tanjona
Tamin’ny 1966 tamin’izay, ary raha nandeha niady tany Vietnam ny maro tamin’ireo niray kilasy tamiko, dia nankany amin’ny Concord College tany Virginie Andrefana kosa aho. Tany amin’ilay sekoly ambony dia nampahafantarina voalohany ny amin’ny zava-mahadomelina sy ny fihaonambe ho an’ny fandriampahalemana ary ny kolontsaina vaovao tanteraka izay nahatonga ahy hisalasala momba ny fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena araka ny mahazatra, aho. Nitady zavatra aho, kanefa tsy fantatro hoe inona. Rehefa tonga ny fetin’ny Thanksgivings (Andro Fisaorana), dia tsy nandeha nody aho, fa nanao auto-stop kosa, nianatsimo namakivaky ny Tendrombohitra Blue Ridge nankany Floride.
Mbola tsy nanao dia lavitra be mihitsy aho teo aloha, ary nanana fotoana nahatalanjona aho nahitana toerana vaovao sy maro samy hafa aoka izany — izany hoe: mandra-pahatongan’ny Thanksgiving Day, izay niafarako tao am-ponjan’i Daytona Beach satria hoe nirenireny fotsiny. Menatra loatra aho hifandray tamin’ny ray aman-dreniko, kanefa nanao izany ny manam-pahefana tao amin’ilay tranomaizina. Tamin’izay indray dia nanao fandaharana ny raiko mba handoavana onitra be toy izay hamela ahy hanefa sazy an-tranomaizina.
Tsy nijanona tao amin’ny sekoly ambony aho taorian’izany. Nivimbina valizy tokana monja niaraka tamin’ny faniriana mafy hanao dia lavitra, faniriana izay nifoha vao haingana, kosa aho ka nanomboka nihazo ny lalana indray, nanao auto-stop tsy nisy tanjona, nivezivezy tetsy sy terỳ nanaraka ny moron-tsiraka atsinanana amin’i Etazonia ary niasa an-tselika mba hamelomako tena. Mahalana vao fantatry ny ray aman-dreniko hoe taiza aho, na dia nitsidika azy ireo aza aho indraindray. Gaga aho fa toa faly foana izy ireo nahita ahy, kanefa tsy nahatombin-tsiraka aho.
Izao izaho tsy nankany amin’ny sekoly ambony intsony izao, dia tsy voakilasy ho mpianatra intsony aho, kanefa ilay fanakilasiana no nanome lalana ho amin’ny fanemorana ny raharaha miaramila. Nanjary azo nantsoina hanao raharaha miaramila aho izao, ary niandry fotoana fotsiny ny hiantsoana ahy hiditra tao amin’ny tafika. Tsy tiako mihitsy ny hoe hiditra tao amin’ny tafika ka hamoy ny fahafahana azoko vao haingana. Koa nanapa-kevitra ny handao ilay tany tamin’ny alalan’ny sambo àry aho. Teo am-panaovana izany dia nisokatra ho ahy ny fahafahana hanana anton’asa vaovao. Ho izy io ve ny tena zava-kendrena teo amin’ny fiainako rehefa ela ny ela?
Fiainana teny an-dranomasina tamin’ny naha-mpikarama an’ady
Kapiteny tao amin’ny sambom-pirenen’i Etazonia nampiasaina tamin’ny varotra, ny naman’ny fianakavianay iray efa hatramin’ny ela. Nolazainy tamiko ny momba ny fandaharana fampiofanana naorina vao haingana ho an’ireo injenieran’ny fitondran-tsambo. Nekena mora foana hiditra tao amin’ny fandaharana voafintina iray naharitra roa taona aho, fandaharana izay nitondra tombontsoa roa sosona, dia ny fanemorana ny raharaha miaramila sy ny fahatsinjovana hahazo diplaomana injeniera amin’ny fitondran-tsambo. Nahazo diplaoma aho tamin’ny 1969 ary nirotsaka niasa tamin’ny naha-injeniera manamboninahitra kilasy fahatelo tao amin’ny sambo voalohany nandehanako tany San Francisco. Avy hatrany izahay dia nandeha nankany Vietnam nitondra entana bala. Tsy nisy zavatra nahaliana tamin’ilay dia, koa niala tamin’io sambo io aho rehefa tonga tany Singapour izahay.
Tany Singapour aho dia nirotsaka niasa tamin’ny sambo mpiady iray tsy voafehy, izay nantsoina toy izany satria nanakarama ireo mpiasa rehetra tsy anisan’ny sendikan’ny mpiasa teo an-tseranana. Nampiasaina hanaraka ny moron-tsiraka tany Vietnam io sambo io, nanomboka tany Cam Ranh Bay tany atsimo ka hatrany Da Nang tany avaratra, akaikin’ny faritra tsy azo asiana miaramila. Teo ny akon’ny fidoboky ny fidarohana baomba tsy nisy fihenany dia tsy nitsahatra mihitsy. Kanefa, nahazoana tombony io lalana io teo amin’ny lafiny ara-bola, ary noho ny vola fanampiny ho onitry ny loza mety hitranga tamin’ny ady sy ny fanafihana manokana, na oviana na oviana no tao anatin’ny fitifirana nivantana, dia nanjary nahazo maherin’ny $35 000 aho isan-taona tamin’ny naha-mpikarama an’ady. Na dia teo aza io fananam-be vaovao io, dia mbola nahatsiaro tena ho tsy nanana tanjona ihany aho ka nanontany tena ny amin’izay hevitry ny fiainana — nankaiza aho?
Nisy mangirana kely ny amin’ny hevitry ny fiainana
Taorian’ny fanafihana iray nampahatahotra tamin’ny fomba niavaka noho ny fitifiran’ny fahavalo, dia nanomboka nilaza tamiko i Albert, mpanampy ahy tamin’ny fikarakarana ny masinina fitanehana, fa hitondra fiadanana eto an-tany Andriamanitra amin’ny andro iray tsy ho ela. Nanongilan-tsofina tamin’io fanazavana tsy nahazatra io aho. Rehefa nandeha sambo niverina nankany Singapour izahay taorian’izany, dia nampahafantatra ahy i Albert fa iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy taloha saingy tsy narisika intsony. Koa niara-niezaka hitady izay misy ny Vavolombelona teo an-toerana tao Singapour izahay. Toa tsy nisy olona afaka nanampy anay, kanefa ny alina talohan’ny nandehananay indrindra, dia nahita gazety Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ny efitra fiandrasana tao amin’ny hotely iray i Albert. Nisy adiresy nipetaka teo amin’ilay izy. Tsy nanam-potoana nijerena ilay izy anefa izahay, satria ny ampitso maraina izahay dia nandeha nankany Sasebo, Japon, izay nandaharana ny hidiran’ilay sambo tao amin’ny toerana fanamboarana sambo mandritra ny tapa-bolana.
Tao izahay dia nandoa ny karaman’ny matiloa rehetra, ary niala tamin’ilay sambo i Albert. Herinandro monja taorian’izay anefa, dia gaga aho naharay telegrama avy taminy nilaza tamiko fa hisy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah hatao tao Sasebo ny faran’ny herinandro ho avy. Nanapa-kevitra aho ny handeha hijery ny momba io fivoriambe io.
Io andro io — 8 Aogositra 1970 — dia hiraikitra foana ao an-tsaiko. Tonga tany amin’ilay toerana fanaovana fivoriambe tamin’ny taksia aho, nivoaka avy tao mba hiditra teo afovoan’ny Japoney an-jatony maro, samy niakanjo madio avokoa. Na dia tsy nahay niteny anglisy aza ny ankamaroan’izy ireo, dia toa naniry hifandray tanana tamiko izy rehetra. Mbola tsy nahita zavatra tahaka izany mihitsy aho teo aloha, ary na dia tsy nisy teny iray aza azoko tamin’ilay fandaharana tamin’ny teny japoney, dia nanapa-kevitra aho fa ho avy indray ny ampitson’iny — mba hijerena fotsiny raha hahita indray ilay fiarahabana tahaka iny aho. Ary nahita tokoa aho!
Nampiditra matiloa vaovao izahay ary afaka herinandro tatỳ aoriana dia niverina teny an-dranomasina indray, ka nandeha nankany Singapour. Ny zavatra voalohany nataoko tamin’ny fahatongavako dia ny naka taksia nankany amin’ilay adiresy nipetaka teo amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Nisy vehivavy sariaka nivoaka ilay trano ka nanontany raha misy azony anampiana. Nasehoko azy ilay adiresy teo amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ary nanasa ahy hiditra avy hatrany izy. Tamin’izay aho dia nihaona tamin’ny vadiny, ary nanjary fantatro fa misionera avy tany Aostralia izy ireo, dia i Norman sy i Gladys Bellotti. Nohazavaiko ny fomba nahazoako ny adiresin’izy ireo. Nanao izay handraisana ahy tamin’ny fomba faran’izay tsara izy ireo ka namaly ny maro tamin’ireo fanontaniako, ary nandao azy ireo aho niaraka tamin’ny harona fiantsenana iray feno zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Nandritra ireo volana vitsy nanaraka, tamin’ny fandehanana an-tsambo nanaraka ny moron-tsiraka tany Vietnam, dia namaky ny maro tamin’ireo boky ireo aho, anisan’izany ny Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.
Izao, dia sambany teo amin’ny fiainako vao nahatsapa tena zava-kendrena sy fitarihana aho. Tamin’ny dia nanaraka niverenana tany Singapour, dia niala tamin’ilay sambo aho.
Fodiana nandiso fanantenana
Sambany koa vao tena nahatsapa tokoa ho toy ny handeha hody aho. Ary noho izany, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niverina nody aho sady taitaitra be, naniry hilaza tamin’ny ray aman-dreniko ny amin’ny zava-drehetra momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy niombona hafanam-po tamiko izy ireo. Takatra ny nahatonga izany, satria tsy nanampy ny fitondran-tenako. Vao herinandro vitsivitsy monja aho no tao an-trano raha nandrava boîte de nuit iray teo an-toerana, noho ny fipoahan’ny fahatezerana. Nahatsiaro tena tao amin’ny efitry ny fonja iray aho.
Tamin’izay aho dia nanomboka nino fa tsy nisy fanantenana marina hoe ho tafarina aho ka hahafehy ny fironako hahery setra. Angamba aho ho mpikomy tsy amin’ny antony foana. Nihevitra aho fa tsy ho afaka hijanona tao an-trano intsony. Tsy maintsy nandeha aho. Koa tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia namandrika toerana tao amin’ny sambo mpitondra entana norvezianina iray nankany Angletera aho.
Angletera sy ny sekoly fianarana manao teatira
Tiako ny naha-tany Angletera ahy, kanefa zava-nanahirana ny fahitana asa. Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fitsapana hidirana tamin’ny sekoly fianarana manao teatira samihafa, ary gaga aho fa nekena tao amin’ny The London School of Dramatic Art. Nolaniko nisotroana be sy nifaneraserana ary, mazava ho azy, nidorohana zava-mahadomelina tamin’ny karazany rehetra ny roa taona naha-tany Londres ahy.
Nanapa-kevitra tampoka aho fa ho tiako ny hanao fitsidihana hafa mba hijerena ny fianakaviako tany Etazonia. Azonao alaina sary an-tsaina anefa ve fa tsy maintsy ho nanaitra azy ireo tamin’io fotoana io ny fisehoako ivelany nanintona ny maso? Nanao cape mainty niaraka tamin’ny lohan-diona volamena nampifandraisina tamin’ny rojo volamena teo amin’ny tenda aho, sy zile volory mena ary pataloa volory mainty nisy haingony hoditra naketrona hiditra tamin’ny baoty hatreo an-dohalika. Koa nisy nahagaga ve raha niharihary fa tsy taitra ny ray aman-dreniko ary nahatsiaro tena ho tsy mendrika tanteraka aho tao amin’ilay tontolon’izy ireo fatra-panara-pomba! Koa niverina tany Angletera aho, ary tany, tamin’ny 1972, dia nahazo diplaoma tamin’ny fanaovana teatira. Izao aho dia nahatratra tanjona hafa iray. Mbola teo foana anefa ilay fanontaniana nanorisory, niverina indray, nanao hoe: Ho aiza aho avy eto? Mbola nahatsapa ho nila tena zava-kendrena teo amin’ny fiainana aho.
Nifarana tamin’ny farany ilay tsy fananana tanjona
Tsy ela taorian’izay, dia nanomboka nahatsapa tsy fiovaovana tamin’ny fetra sasany tonga teo amin’ny fiainako aho, rehefa ela ny ela. Nanomboka tamin’ny fisakaizana tamin’i Caroline, mpifanila trano tamiko, izany. Mpampianatra avy tany Aostralia izy, ary olona nanara-pomba, tsy niovaova — ny nifanohitra indrindra tamin’ny naha-izy ahy. Mpinamana izahay nandritra ny roa taona kanefa tsy nisy firaiketam-po toy ny an’ny mpifankatia. Avy eo i Caroline dia nanainga ho any Amerika nandritra ny telo volana, ary noho ny fisakaizanay tsara, dia nandamina ny hipetrahany tany amin’ny ray aman-dreniko nandritra ny herinandro maromaro aho. Nanontany tena angamba izy ireo hoe inona no antony nananany fifandraisana tamin’ny olona hafahafa tahaka ahy.
Tsy ela taorian’ny niaingan’i Caroline, dia nilaza tamin’ireo namako aho fa handeha hody koa, ary nanao fiaraha-mikorana lehibe firarian-tsoa ho ahy izy ireo. Tsy nandeha niverina nankany Amerika anefa aho, fa nankany South Kensington, any Londres, fotsiny, ka tany dia nanofa trano tao amin’ny lakaly iray aho ary niantso an-telefaonina ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Londres. Nanjary nahatakatra aho hoe lalana inona no tokony harahin’ny fiainako. Tao anatin’ny herinandro dia nitsidika ahy ny mpivady nahafinaritra iray ary nandamina avy hatrany ny hanaovana fampianarana Baiboly tsy tapaka tamiko. Noho ireo zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelona efa novakiko, dia dodona tokoa aho tamin’izay ka nangataka fampianarana roa isan-kerinandro. Noho ny fahitany ny hafanam-poko, dia tsy ela i Bob dia nanasa ahy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana, ary vetivety foana dia nanatrika ny fivoriana rehetra isan-kerinandro aho.
Rehefa hitako fa tsy mifoka sigara ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanapa-kevitra ny hiala tamin’io fahazarana io avy hatrany aho. Ahoana anefa ny amin’ny fisehoako ivelany? Tsy niriko intsony ny hahatsiaro tena ho tsy mendrika, koa nividy lobaka mihaja iray sy karavato iray ary complet iray aho. Tsy ela dia nahafeno fepetra handray anjara tamin’ny asa fitoriana isan-trano aho — ary na dia somary natahotahotra aza aho tamin’ny voalohany, dia nanjary nankafy azy io.
Ho gaga be mihitsy izao i Caroline rehefa hiverina, hoy ny eritreritro. Nihoatra lavitra noho izany ny zava-nitranga! Tsy afaka nino ny fiovana teo amiko tao anatin’ny fotoana fohy toy izany izy — teo amin’ny fisehoako ankapobe sy ivelany ary teo amin’ny lafiny maro be hafa. Nohazavaiko ny fomba nanampian’ny fianarako Baiboly ahy ary nasaiko hianatra Baiboly koa izy. Natahotahotra izy tamin’ny voalohany, kanefa nanaiky tamin’ny farany, ka nametraka ho fepetra fa tsy hanao izy raha tsy hiara-mianatra amiko. Faly dia faly aho nahita ny hafaingan’ny fomba nandraisany tsara, ary tsy ela dia nanomboka nahatakatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy.
Taorian’ny volana vitsivitsy, dia nanapa-kevitra ny hiverina tany Aostralia i Caroline, ary nanohy indray ny fianarany Baiboly tany Sydney izy. Nijanona tany Londres aho mandra-pahatongako ho azo natao batisa, fito volana tatỳ aoriana. Izao aho dia naniry handeha hody indray tany Etazonia ka hahita ny fianakaviako rehetra. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ anefa dia tapa-kevitra ny hahatratra ny tanjoko aho!
Fodiana tsy nitovy tamin’ny teo aloha
Naniry hahafantatra izay nitranga tamin’io fotoana io ny ray aman-dreniko very hevitra — niseho ho mendri-kaja loatra aho! Faly anefa aho izao nahatsiaro tena ho tena tao an-trano tokoa. Na dia ara-dalàna aza ny nanontanian’ny ray aman-dreniko tena momba ny fiovana lehibe teo amiko, dia nahay nandanjalanja izy ireo sady nampiseho ny fihetsiny nahazatra feno hatsaram-panahy sy fandeferana. Nandritra ireo volana nanaraka izany, dia nanana tombontsoa niara-nianatra Baiboly tamin’izy ireo aho. Nanomboka fampianarana niaraka tamin’ireo zokiko vavy roa, izay tsy isalasalana fa voataonan’ny fomba fiainako niova koa, aho. Eny, tena fodiana izany!
Tamin’ny Aogositra 1973, dia nanaraka an’i Caroline tany Aostralia aho, ary tany dia faly aho nahita azy natao batisa niaraka tamin’ny olon-kafa 1 200, tamin’ny fivoriambe niraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taona 1973. Nivady izahay ny faran’ny herinandro nanaraka izany tany Canberra, renivohi-pirenen’i Aostralia. Tao aho dia nanompo tamin’ny asa fitoriana manontolo andro nandritra ny 20 taona lasa ary tamin’ny naha-loholona tao amin’ny kongregasiona teo an-toerana nandritra ny 14 taona.
Noho ny fiaraha-miasan’ny vadiko, dia nitaiza ankizy telo — i Toby sy i Amber ary i Jonathan — izahay. Na dia miatrika zava-manahirana mahazatra fahitan’ny fianakaviana aza izahay, dia mbola miezaka handray anjara amin’ny asa fitoriana manontolo andro amin’ny maha-mpisava lalana aho no sady mikarakara izay ilain’ny fianakavianay amin’ny lafiny ara-nofo koa.
Amin’izao andro izao, any Etazonia, dia mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena ny ray aman-dreniko, ary na dia samy eo amin’ny faha-80 taonany aza izy roa izao, dia mbola mandray anjara amin’ny fitoriana ampahibemaso momba ilay Fanjakana. Manompo amin’ny maha-mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana ny raiko. Be zotom-po koa amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny zokiko vavy roa.
Toy inona moa ny halalin’ny fisaorako an’i Jehovah Andriamanitra fa navalon’ny lasa efa ela be ireo taona maro nolaniko nirenirenena tsy nanana tanjona! Tsy vitan’ny hoe nanampy ahy hianatra ny fomba tsara indrindra hampiasana ny fiainako izy fa nitahy ahy koa tamin’ny fianakaviana tafaray sy miahy. — Notantarain’i David Zug Partrick.
[Sary, pejy 24]
David sy Caroline vadiny