FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/2 p. 25-29
  • Nahita Fahafaham-po Aho Nanompo An’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahita Fahafaham-po Aho Nanompo An’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fiainako ara-pivavahana teo aloha
  • Fiolahana iray
  • Nanaiky ny fianakaviako sy ny hafa
  • Asa vaovao iray
  • Fanompoana tao Lesotho sy Botswana
  • Fampianarana sy fandikan-teny
  • “Diso Nomerao Ianao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Niara-nihalehibe Tamin’ny Fandaminan’i Jehovah Teto Afrika Atsimo Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Tsy Nanana Tanjona Aho Kanefa Nahita Zava-kendrena teo Amin’ny Fiainana
    Mifohaza!—1996
  • Manohiza mamafy voa — I Jehovah hampitombo izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/2 p. 25-29

Nahita Fahafaham-po Aho Nanompo An’Andriamanitra

NOTANTARAIN’I JOSHUA THONGOANA

Tany amin’ny taona 1942, dia tena very hevitra aho. Nandinika zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito sy zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana Watch Tower aho. Sahala amin’ireo Isiraelita fahiny, dia ‘niroa saina’ aho. — 1 Mpanjaka 18:21.

IREO Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia nandefa ho ahy toriteny vita pirinty nantsoina hoe “Feon’ny Faminaniana”. Faly aho namaly ny fanontanian’izy ireo, ary nampanantena ahy izy ireo fa hanome ahy sertifika tsara tarehy raha afaka amin’ny fitsapam-pahaizana rehetra nataoko aho. Tsikaritro anefa fa samy nalefa paositra avy any Le Cap, tanàn-dehibe eto Afrika Atsimo ny “Feon’ny Faminaniana” sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Nanontany tena aho hoe: ‘Mifankahalala ve ireo fandaminana ireo? Mifanaraka ve ny fampianaran’izy ireo? Raha tsia, ny an’iza no marina?’

Mba handaminana ilay raharaha, dia nandefa taratasy nitovy tany amin’ireo fandaminana ireo aho. Ohatra, nanoratra tany amin’ny Fikambanana Watch Tower aho hoe: “Fantatrareo ve ireo mpikambana ao amin’ny ‘Feon’ny Faminaniana’, ary raha izany no izy, ahoana no hevitrareo momba ny fampianarany?” Tamin’ny farany aho dia naharay valiny avy amin’ireo antoko roa ireo. Nilaza ny taratasy avy amin’ny Fikambanana Watch Tower fa nahafantatra momba ny “Feon’ny Faminaniana” izy ireo, nefa nanazava izy fa ny fampianaran’izy io, toy ny Trinite sy ny fiverenan’i Kristy etỳ an-tany amin’ny nofo, dia tsy araka ny Soratra Masina. Nirakitra andinin-teny maro nanaporofo ny tsy maha-marina izany fampianarana izany ny taratasin’izy ireo. — Jaona 14:19, 28.

Ny valin-teny avy amin’ny “Feon’ny Faminaniana” dia nilaza tsotra fotsiny fa nahafantatra ny “olon’ny Watch Tower” izy ireo, saingy tsy niombon-kevitra taminy tamin’ireo fampianarany. Tsy nanome ny antony izy ireo. Nanapa-kevitra àry aho ny homba ny Fikambanana Watch Tower, izay masoivoho ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankehitriny, taorian’ireo 50 taona niarahana tamin’ny Vavolombelona, toy inona moa ny fahasambarako tamin’ny nanaovako izany fanapahan-kevitra nety izany!

Ny fiainako ara-pivavahana teo aloha

Teraka tamin’ny 1912 aho, tao amin’ny faritra ambanivohitra iray antsoina hoe Makanye, any atsinanan’i Pietersburg, tanàna iray eto Afrika Atsimo. Teo ambany fifehezan’ny Eglizy Anglikana i Makanye tamin’izany, koa dia tonga mpikambana tao amin’izany fiangonana izany aho. Rehefa feno folo taona aho, dia nifindra tany amin’ny toerana iray nofehezin’ny Fiangonan’ny Misiona Loteranin’i Berlin ny fianakavianay, ary niditra ho anisan’izany fiangonana izany ny ray aman-dreniko. Tsy ela aho dia nahafeno fepetra hanatrika ny fotoam-pivavahana fandraisana ny Fanasan’ny Tompo sy handray sombi-mofo sy divay indray mitelina, nefa tsy nanome fahafaham-po ahy tamin’ny zavatra ilaiko ara-panahy izany.

Rehefa nahatapitra ireo valo taona nianarana aho, dia nalefan’ny raiko ho any amin’ny Kilnerton Training Institution, ary tamin’ny 1935 dia nahazo ny mari-pahaizana ahafahana mampianatra aorian’ny telo taona niofanana. Ny iray tamin’ireo mpampianatra niara-niasa tamiko dia tovovavy iray atao hoe Caroline. Nivady izahay, ary tatỳ aoriana i Caroline dia niteraka vavikely, izay nomenay anarana hoe Damaris. Rehefa afaka taona vitsivitsy, dia tonga lehiben’ny mpampianatra tao amin’ny Sehlale School, any amin’ny tanàna ambanivohitr’i Mamatsha aho. Koa satria notarihin’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey ilay sekoly, dia niditra ho anisan’izany fiangonana izany izahay ary nanatrika tsy tapaka ireo fotoam-pivavahany. Nanao izany izahay satria izany no zavatra fanaon’ny olona, nefa tsy nitondra fahafaham-po ho ahy izany.

Fiolahana iray

Indray alahadin’ny 1942, raha teo am-panaovana hiram-pivavahana tao am-piangonana izahay dia nisy tovolahy fotsy hoditra nitranga teo am-baravarana, nitondra boky telo navoakan’ny Fikambanana Watch Tower — Création, Justification, ary Préparation. Nieritreritra aho fa hahafinaritra ny hahita ireo boky ireo eo amin’ny talantalam-bokiko, koa dia nanaiky hividy azy ireo shillings telo aho. Tatỳ aoriana aho dia nahare fa ilay lehilahy, i Tienie Bezuidenhout, dia Vavolombelon’i Jehovah, ny hany Vavolombelona tao amin’ilay faritra. Tamin’ny fitsidihan’i Tienie nanaraka, dia nitondra grafofaonina iray izy ary nandefa lahateny vitsivitsy nataon’i Rutheford Mpitsara. Tena nahafinaritra ahy tokoa ilay iray fantatra tamin’ny hoe “Fandrika sy Fanambakana”, nefa tsy mba toy izany i Caroline sy i Priscilla zandriko vavy niara-nipetraka taminay. Tamin’ny fitsidihan’i Tienie fahatelo, dia nomeny ahy ilay grafofaonina mba hahafahako handefa ireo feo noraisina hohenoin’ireo sakaiza.

Indray andro aho dia namadibadika ireo pejin’ilay boky Création ary sendra nahita ilay toko hoe “Aiza moa Ireo Maty?” Nanomboka namaky aho tamin’ny fanantenana fa hahafantatra momba ireo fifaliana hitan’ireo fanahy lasa any an-danitra. Nifanohitra tamin’ny fanantenako anefa fa nanambara ilay boky fa any amin’ny fasany ireo maty ary tsy mahalala na inona na inona. Nisy andinin-teny maro avy ao amin’ny Baiboly, toy ny Mpitoriteny 9:5, 10, voatonona tao ho fanohanana izany. Nisy toko hafa iray nitondra ny lohateny hoe “Famohazana Ireo Maty”, ary voatonona tao ny Jaona 5:28, 29 ho porofo fa tsy mahatsiaro tena ireo maty ary miandry fananganana. Nazava tsara ilay izy ary nahafa-po.

Tamin’izay fotoana izay, tamin’ny 1942, no nanapaka ny fifandraisako tamin’ny “Feon’ny Faminaniana” aho ary nanomboka niresaka tamin’ny hafa momba ireo zavatra fantatro avy amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Ny voalohany indrindra nanaiky izany dia namana iray, i Judah Letsoalo, izay anisan’ireo iray kilasy tamiko tao amin’ny Kilnerton Training Institution.

Nandeha lalana 51 kilaometatra am-bisikilety izaho sy i Judah mba hanatrika fivoriambe iray an’ny Vavolombelona afrikana tany Pietersburg. Taorian’izay, dia tonga matetika tany Mamatsha ireo sakaiza avy any Pietersburg mba hanampy ahy hampita ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ireo mpiara-monina tamiko. Tamin’ny farany, tao amin’ny fivoriambe iray tao Pietersburg, tamin’ny Desambra 1944, dia natao batisa aho ho mariky ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah.

Nanaiky ny fianakaviako sy ny hafa

Nanohy nandeha tany amin’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey i Caroline sy i Priscilla ary i Damaris zanako vavy. Tamin’izay dia nihatra ny voina. Niteraka ny zanakay faharoa i Caroline, lahikely izay toa salama tsara, nomenay anarana hoe Samuel. Kinanjo tampoka teo, dia nanjary narary izy io ary maty. Ireo mpiray fiangonana tamin’i Caroline dia tsy nitondra fampiononana tamin’ny filazana fa tian’Andriamanitra hiaraka aminy any an-danitra ilay zanakay lahy. Nozoim-pahoriana i Caroline, ary tsy nitsahatra nanontany hoe: “Nahoana no nalain’Andriamanitra ny zanatsika?”

Rehefa nahare ny amin’ilay voina ireo Vavolombelona tany Pietersburg, dia tonga ary nanome anay fampiononana marina niorina tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Nilaza toy izao i Caroline tatỳ aoriana: “Izay nolazain’ny Baiboly momba ny nahatonga ny fahafatesana, momba ny toetran’ny maty, ary momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty dia nazava tokoa, ary nahazo fampiononana lehibe aho. Niriko ny ho ao amin’ny tontolo vaovao ka hitsena ny zanako avy ao am-pasana.”

Nitsahatra tsy nankany am-piangonana i Caroline, ary tamin’ny 1946, dia natao batisa izy sy i Priscilla ary i Judah. Tsy ela taorian’ny batisany, dia nandao anay i Judah mba hanokatra ny asa fitoriana tany amin’ny faritra ambanivohitra iray atao hoe Mamahlola, ary hatramin’izao izy dia manompo amin’ny maha-minisitra mpisava lalana manontolo andro.

Rehefa lasa i Judah dia izaho sisa no hany lehilahy mba hikarakara ny kongregasionanay, izay nomena anarana hoe Boyne. Tamin’izay dia nifindra nankao amin’ny faritaninay i Gracely Mahlatji, ary tatỳ aoriana izy dia nanambady an’i Priscilla. Isan-kerinandro, izaho sy i Gracely dia nifandimby nanao lahateny ampahibemaso tamin’ny fiteny sepedi, ny fiteny afrikana teo an-toerana. Mba hahatonga ireo zavatra vita an-tsoratra ho azon’ny olona rehetra ampiasaina, dia nangataka ahy ny Fikambanana mba handika ireo zavatra vita an-tsoratra ho amin’ny fiteny sepedi. Nitondra fahafaham-po lehibe ho ahy ny nahita ireo olona nandray soa avy tamin’izany zavatra vita an-tsoratra izany.

Mba hampandrosoana ny fampahafantarana ny lahateny ampahibemaso nataonay, dia nividy grafofaonina iray niaraka tamin’ny fanamafisam-peo lehibe iray izahay mba handefasana ireo lahateny ara-baiboly nanerana ilay faritaninay. Nindrana sarety iray tarihin’ampondra izahay mba hitondrana an’io fitaovana navesatra io nifindrafindra toerana. Vokatr’izany, dia nanome anaram-bosotra anay hoe “Olon’ny Fiangonana Ampondra” ireo mpiara-monina taminay.

Nandritra izany dia nitombo hatrany ilay kongregasiona kelinay. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga Vavolombelona ny zokiko vavy roa sy ny vadin’izy ireo avy, ary nitoetra ho nahatoky mandra-pahafatiny izy ireo. Maro be avy tao amin’ny kongregasionan’i Boyne (antsoina hoe Mphogodiba ankehitriny) koa no nanomboka nanao ny asa fitoriana manontolo andro, ary mbola ao amin’izany fanompoana izany izao ny sasantsasany aminy. Amin’izao andro izao, dia misy kongregasiona roa any amin’io faritra midadasika ahitana vohitra mitsitokotoko io. Ary marisika eo amin’ny asa fitoriana ireo mpitory maherin’ny 70 amin’ny fitambarany.

Asa vaovao iray

Tamin’ny 1949, dia nitsahatra tsy nampianatra tany an-tsekoly aho ary tonga minisitra mpisava lalana maharitra. Ny asa nanendrena ahy voalohany dia ny fitsidihana ireo mpiasa mainty hoditra nonina tany amin’ireo toeram-piompiana sy fambolena an’ny fotsy hoditra nanodidina an’i Vaalwater, any Transvaal. Nisy tompon’ny toeram-piompiana sy fambolena nanohana ilay volavolan-kevitra momba ny fanavakavaham-bolon-koditra nolanina vao haingana, ary tapa-kevitra fa ny mainty hoditra dia tokony hiaiky ny amin’ny fiheverana azy ho ambany noho ny fotsy hoditra ka tokony hanompo ireo fotsy hoditra tompony. Koa rehefa nitory tamin’ireo mpiasa mainty hoditra aho, dia nisy fotsy hoditra nihevitra ahy tamin’ny fomba diso ho mpitory ny tsy fanekena ny fahefan’ny ambony. Nisy aza niampanga ahy ho Kominista ary nandrahona ny hitifitra ahy.

Nanao tatitra momba ilay toe-javatra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower aho, ary tsy ela aho dia nafindra tany amin’ny toeram-panendrena hafa iray any amin’ny faritra ambanivohitra antsoina hoe Duiwelskloof. Tokony ho tamin’izay fotoana izay dia niala tamin’ny asa fampianarana nataony koa ny vadiko, ary niaraka tamiko tao amin’ny asan’ny mpisava lalana. Indray tolakandron’ny 1950, dia niverina avy any amin’ny asa fanompoana izahay ary nahita valopy lehibe iray avy any amin’ny Fikambanana. Gaga izahay fa fanasana ahy handray fiofanana amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany no tao anatin’ilay izy. Nandritra ny telo taona izahay dia nitsidika ireo kongregasiona teto Afrika Atsimo, ary avy eo, tamin’ny 1953 izahay dia voatendry ho any Lesotho, tany iray latsaka anivo ao afovoan’i Afrika Atsimo.

Fanompoana tao Lesotho sy Botswana

Rehefa nanomboka niasa tao Lesotho izahay, dia nisy tsaho niely fa matetika ny vahiny no lasibatry ny vonoana olona ara-pomba. Samy velom-panahiana izahay mivady, nefa nanampy anay hanadino ny tahotra toy izany ny fitiavanay ireo rahalahintsika sotho sy ny fandraisana tsara nataon’izy ireo.

Mba hikarakarana ireo kongregasiona any amin’ireo Tendrombohitra Maluti any Lesotho, dia fanaoko ny nandeha fiaramanidina, ka namela ny vadiko tany amin’ireo tany lemaka izay nanohizany nanao ny asan’ny mpisava lalana mandra-piveriko. Nanaraka ahy nitety kongregasiona ireo sakaiza tany mba hanampy ahy tsy ho very tany an-tendrombohitra.

Indray mandeha aho dia nilazana fa mba hanatratrarana ny kongregasiona manaraka, dia tsy maintsy mita ny Renirano Orange amin’ny soavaly izahay. Nomena toky aho fa malemy paika ilay soavaly hitondra ahy, nefa nampitandremana koa aho fa rehefa mahery loatra ny rano, dia matetika ireny soavaly ireny no manandrana mamotsotra izay entiny. Velom-panahiana aho satria sady tsy mpitaingin-tsoavaly mahay aho no tsy mpilomano kinga koa. Tsy ela dia tonga teo amin’ilay renirano izahay, ary tonga hatreo amin’ny lasely ny haavon’ny rano. Raiki-tahotra aoka izany aho, hany ka navelako ny lamboridy ary namikitra tamin’ny vombon’ilay soavaly aho. Toy inona moa ny fahamaivamaivanana rehefa tonga soa aman-tsara teny ampitan-drano izahay!

Ny alin’iny aho dia tsy nahita tory mihitsy satria nanetsetra aoka izany ny tenako tamin’ny fitaingenana ilay soavaly. Mendrika ny niaretana faharariana anefa izany satria naneho fankasitrahana lehibe ilay fitsidihana ireo sakaiza tany. Fony aho nanomboka ny asan’ny fizaran-tany tao Lesotho, dia nisy tampon’isan’ny mpitory 113 tany. Amin’izao andro izao, dia tafakatra ho 1 649 io tarehimarika io.

Tamin’ny 1956, dia niova ho any amin’ny Fanjakan’i Bechuanaland, antsoina hoe Botswana ankehitriny, ny toerana nanendrena anay. Tany malalaka kokoa i Botswana, ary elanelana lavitra kokoa no nilaina hodiavina mba hanatratrarana ny mpitory rehetra. Fiarandalamby na kamiao tsy mitafo no nandehananay. Tsy nisy seza, hany ka voatery nipetraka ambany izahay niaraka tamin’ny entanay. Matetika izahay no tonga tany amin’ny fitodianay, nihosim-bovoka sady vizana. Nandray tsara anay mandrakariva ireo rahalahintsika kristiana, ary namelombelona anay ny fahitana ny endrik’izy ireo falifaly.

Tamin’izany fotoana izany, dia teo ambany fandrarana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana tany Botswana, hany ka natao tamim-pahamalinana, tsy nisy fampiasana zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana, ny fitorianay isan-trano. Indray mandeha izahay dia tratra am-perinasa tany akaikin’ny tanànan’i Maphashalala ary nosamborina. Ho fiarovan-tenanay, dia namaky andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly miresaka ny amin’ny asa nanirahana anay, araka izay voalaza ao amin’ny Matio 28:19, 20, izahay. Na dia tohina aza ny sasany tamin’ireo mpanolo-tsaina, dia nandidy ilay lehibe fa tsy maintsy kapohina ireo Vavolombelona teo an-toerana. Tamin’izay, dia gaga izahay fa niangavy an’ilay lehibe mba hilefitra ka hamindra fo aminay ilay anisan’ny klerjy. Nanaiky izany ilay lehibe ary nafahana izahay.

Na dia teo aza ny fanenjehana sy ny fandrarana ireo zavatra vita an-tsoratra, dia nandroso hatrany ny asan’ilay Fanjakana. Fony aho tonga tany Botswana, dia nisy tampon’isan’ny mpitory 154 tany. Rehefa afaka telo taona, rehefa foana ny fandrarana, dia tafakatra ho 192 izany tarehimarika izany. Amin’izao andro izao, dia misy Vavolombelon’i Jehovah 777 mitory any amin’io tany io.

Fampianarana sy fandikan-teny

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nampiasaina tamin’ny naha-mpampianatra tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana ho an’ireo loholona kristiana aho. Tatỳ aoriana aho dia faly nanana ny tombontsoa ho mpampianatra tao amin’ny Sekolin’ny Mpisava Lalana. Nanao fanompoana ara-potoana tao amin’ny sampan’i Afrika Atsimo koa izahay mivady. Tamin’ny fotoana toy izany dia nanampy tamin’ny fandikan-teny aho ary niasa tany amin’ny lakozia kosa i Caroline.

Indray andro, tamin’ny 1969, dia nanatona ahy ny mpiandraikitra ny sampana, i Frans Muller, ary nilaza hoe: “Maniry ny hihaona aminareo mivady ao amin’ny biraoko aho, ry rahalahy Thongoana.” Tao izy dia nanazava fa anisan’ireo voafidy ho solontena any amin’ny Fivoriambe 1969 “Paix sur la Terre” any Londres izahay. Nifaly tamin’ny fandraisana feno fitiavana nataon’ireo rahalahintsika tany Angletera sy Ecosse izahay, ary izany dia nampitombo aoka izany ny fankamamianay ny firahalahiana maneran-tany.

Nandritra ireo efapolo taona lasa, dia namana nahatoky i Caroline teo amin’ny asanay tamin’ny naha-mpitory manontolo andro. Niara-nahita fifaliana maro be sy alahelo sasantsasany izahay. Na dia nindaosin’ny fahafatesana aza ny zanakay roa, i Damaris zanakay vavy kosa dia nihalehibe ka tonga Vavolombelona tsara dia tsara, ary nandray anjara tamin’ny asa fandikan-teny tao amin’ny sampan’i Afrika Atsimo koa izy.

Tsy mamela anay handray anjara amin’ny asa fitetezam-paritany intsony ny fahasalamanay, hany ka nandritra ireo taona vitsivitsy farany izahay dia mpisava lalana manokana ao amin’ny kongregasiona iray eto Seshego, tanàna afrikana iray akaikin’i Pietersburg. Manompo amin’ny maha-mpiandraikitra prezidà aho. Milaza ny Baiboly fa “fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao [Jehovah]”, ary tena nahita fifaliana sy fahafaham-po tokoa aho nanompo an’i Jehovah teto amin’ny faritra atsimon’i Afrika. — Salamo 16:11.

[Sary, pejy 26]

Fitoriana any amin’ny tanànan’i Seshego, Afrika Atsimo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara