Mitandrema Amin’ny ‘Mason’ny Ony’!
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA
NIVOY milamina ny lakany nanaraka ny sakelidrano iray amin’ny Ony East Alligator any amin’ny heniheny mahavarianan’ny Faritra Avaratra eto Aostralia, any amin’ny Valam-pirenena Kakadu, ny mpanao vakansy sahisahy iray. Tampoka teo, izay noheveriny ho hazo iray tsy misy atahorana nentin’ny rano dia nanomboka nikapoka ny lakany. Voain-dranomasira nahatahotra iray izy io, ary tafiditra tao anatin’ny faritra voasoritra nisy azy ilay mpizaha tany, tamin’ny fotoana nampidi-doza indrindra tamin’ny taona.
Tamim-pikoropahana, dia nivoy namonjy vondron-kazo izy. Rehefa iny izy nametraka ny tongony teo amin’ireo sampan-kazo voalohany iny, dia nivoaka ny rano ilay voay, nisarika azy hiverina hidina, ary nanakodiadia azy intelo tamin’ny fitambarany. Isaky ny nanova ny fangiazany ilay voay, dia nikikitra nananika an’ilay moron-drano feno fotaka ilay vehivavy. Tamin’ny fanandramana fahatelo, dia nahavita niakatra teo amin’ilay morona izy, ka nitaritarika ny tenany hatramin’ny roa kilaometatra mandra-pandren’ny mpiambina ala iray ny antsoantsony feno famoizam-po nitady vonjy. Na dia teo aza ny ratra mafy, dia velona ihany ilay ramatoa.
Nitranga tamin’ny 1985 io zavatra saika nampidi-doza io. Roa taona tatỳ aoriana, dia tsy nambinina kokoa ny mpizaha tany amerikana iray. Tsy niraharaha ny fampitandreman’ireo namany izy ka nanapa-kevitra ny hilomano tao amin’ny Ony Prince Regent feno voay, any Aostralia andrefana. Notafihin’ny voain-dranomasira iray izy ka novonoiny. Ny filazan’ny tatitra hoe nisy voaikely tao amin’ilay rano dia toa manondro fa voaivavy niaro ny zanany kely angamba ilay izy.
‘Mason’ny ony’ mahafaty
Ny hany zavatra hitan’ilay mpanjono amin’ny vavarano amin’ny tara-bolana dia alon-drano kely vokatry ny fipetrahan’ny bibikely iray eo amin’ilay rano tony. Na dia izany aza, ny mpanjono any amin’ny farany avaratra amin’i Aostralia dia mahatsapa foana an’ilay tsy hitan’ny maso — ilay ‘mason’ny ony’. Raha nampirehitra ny jirony fanao am-paosy izy, dia ho namirapiratra menamena manjelatra ireo masom-boay nipoitra mangina avy teo amin’ny fanambonin’ny rano. Ilay mpanjono dia mpitsofotsofo-poana ao amin’ny faritra misy ny mpiremby tranainy iray.
Ny voain-dranomasira eto Aostralia, izay hita any an-toeran-kafa koa, dia iray amin’ireo voay lehibe indrindra sy mampidi-doza indrindra amin’ireo karazam-boay 12 eo amin’izao tontolo izao. Afaka mitombo hatramin’ny fito metatra izy io, raha ny amin’ny halavany. Tara loatra vao mahita an’ireo maso mitselatra vetivety ny remby tsy manampo, hany ka tsy afa-mandositra ny fanafihan’ilay voay miantsambotra sy ilay teknikany malaza ratsy mahafaty an-drano amin’ny alalan’ny fanakodiadiavana mahafaty, izy. Nisy remby lehibe toy ny buffalo (karazana omby dia), omby aman’ondry, sy soavaly, voatafika raha mbola nanala hetaheta teo amoron-drano.
Mandrahona ny fisiany ny haitraitra
Ilay angano fahiny hoe mandrotsaka ranomason’alahelo feno fihatsarambelatsihy amin’ireo izay matiny ny voay dia tafiditra tao anatin’ny kolontsaina maoderina ao amin’ilay fitenenana hoe “ranomasom-boay”. Kely anefa ny ranomason’olombelona nirotsaka raha ny amin’ny voay. Nohazaina tamin’ny fomba tsy nifaditra ovana kosa io biby mandady tia rano io noho ny hodiny sarobidy.
Voay maro no naderadera tao amin’ny fampisehoana lamody tamin’ny endrika akanjo vita amin’ny hodi-boay tsiriritina erỳ, satria heverin’ny sasany ho ny hodi-biby tsara indrindra eo amin’izao tontolo izao ny hoditry ny voain-dranomasira — ny hoditra malefaka indrindra sy mateza indrindra amin’izay misy. Vao haingana, ny poketram-behivavy iray natao varo-boba tany Londres dia notombanana ho $15 000. Mbola mariky ny saranga ambony ny hodi-boay any amin’ny tapany maro amin’izao tontolo izao.
Ny fanintonan’ny fahazoan-tombony goavana dia nandrahona ny fisian’ny voain-dranomasira eto Aostralia. Teo anelanelan’ireo taona 1945 sy 1971, dia tokony ho 113 000 tamin’ireo biby mandady ireo no nisy namono tao amin’ny Faritra Avaratra fotsiny. Noferana ny fihazana voay teo am-piandohan’ireo taona 1970 mba hisakanana azy ireo tsy ho ripaka, ary ny vokany, tamin’ny 1986, dia tafaverina tamin’ny laoniny ny isan’ireo voay dia. Noho izany, dia tsy tandindomin’ny hoe ho lany tamingana intsony ny voay eto Aostralia, na dia porofoin’ny sasany aza fa tandindomin-doza ny fonenan’izy io.
Fitsimbinana an’ilay mpihaza
Nandritra ny taonjato maro, ny mponina aborizenina eto Aostralia, tamim-pahalalana izany na tsia, dia nitsimbina ny isan’ny voay. Mpihaza voay za-draharaha ny foko sasany, fa ny foko hafa kosa, noho ny antony ara-pivavahana, dia nandrara ny fihazana azy.
Tato anatin’ireo taona faramparany, ny fiompiana voay nampiarahina tamin’ny fanantitranterana momba ny fampianarana dia nandray anjara tamin’ny fitsimbinana ny voay. Ankehitriny ireo mpizaha tany dia mirohotra mankany amin’ireo toeram-piompiana voay, ka miantoka amin’izany ny fahaveloman’izy ireny amin’ny lafiny ara-bola, raha mbola manome lalana ny fanodinana hodi-boay sy henam-boay tsy misy fiantraikany eo amin’ny isan’ny voay dia, ireo fandaharana fampiterahana.
Mino ny mpiompy voay aostralianina fanta-daza iray fa tsy miaro afa-tsy izay zavatra tiany sy takatry ny sainy ary anomezany ny sasany amin’ny toerany sy ny fotoanany, ny olona. Hoy ny fanazavany: “Koa tsy mahita fahombiazana firy ny voay amin’izany. Ny hasarobidiny ekolojika anefa dia tsy ambaka noho izay rehetra mety ho akanjo tsara tarehy.”
Mahafalifaly ny fitsidihana toeram-piompiana voay rehefa mijery akaiky an’ireo biby mandady mivolon-konahona, ny tena — kanefa avy ao ambadiky ny fiarovan’ny fefy vy iray. Misy mpiasa ao amin’ny toeram-piompiana mankahatra tahotra ka miditra ao anatin’ilay fefy miaraka amin’ireo voay, manasa azy ireo hilalao ary mamaly soa azy ireo amin’ny akoho mbola vao sy hena hafa. Ny mpiasa iray anefa dia nianatra tamin’ny fomba nangidy, vao haingana, fa tsy tokony hatokitoky foana ny voay mihitsy. Tamin’ny fomba tsy nampoizina, dia niantsambotra tampoka taminy ilay biby mandady ka nampitsoaka tanteraka ny sandriny havia!
Etsy an-danin’izany, ny fitanana voay 12 volana dia tena fanandraman-javatra hafa kely sady ianaran-javatra. Ny hoditra eo ambanin’ny kibony dia malefaka izaitsizy, fa ireo taolana miendrika kirany eo amin’ny lamosiny izay antsoina hoe ostéodermes kosa dia mahaforona firakotra fiarovan-tena mifanentana amin’ny fihetsehana ao anaty rano. Izao dia takatra ny antony iheverana ho sarobidy aoka izany ny hodiny. Mitandrema anefa amin’io “zaza miana-mandeha” io. Na dia ny voay iray 12 volana aza, izay voafatotra amin’ny fomba azo antoka ny valanoranony, dia matanjaka raha jerena amin’ny habeny.
Mahafinaritra ny mpijery ireo voaikely efa ho foy rehefa minainaina avy ao anatin’ny akorany izy ka miboroaka tampoka noho ny fanampian’ny nify vonjimaika iray eo amin’ny tendron’ny vava keliny. Manaiky ny ankamaroan’izy ireo fa azo inoana fa io no hany fotoana isehoan’ny voay ho tena mahafatifaty tokoa!
Misinda ny angano sasany ninoana hatramin’ny ela
Nanampy hampisinda angano sasany efa naharitra ela ny fandinihana akaiky ny fihetsik’ireo biby mandady mahatahotra ireo, arakaraka ny itomboany rehefa ompiana any amin’ireo toeram-piompiana voay. Nandritra ny taona maro, dia noheverina fa ny voay iray dia mijoko amim-paharetana ny rembiny mandritra ny andro maro, na herinandro maro mihitsy aza, alohan’ny hamelezany amin’ny fomba tsy ampoizina amin’ny hafainganam-pandehan’ny tselatra. Nahariharin’ny fandinihana vao haingana anefa fa mila ady mba hiarovana ny faritra misy azy fotsiny ireo voay mandritra ny fotoana ivadiany, dia amin’ny fotoan’ny varatraza. Raha miditra ao anatin’ny faritra misy azy mandritra io fotoana io ny remby, dia mety hanenjika azy io amim-pilana ady ilay voay, fa amin’ny fotoana hafa amin’ny taona kosa, ilay voay dia mety hitazana fotsiny an’io biby io ihany amin’ny fomba tsy rototra avy eny lavidavitra.
Rehefa tazana eny amin’ny faritra fitsangantsanganana amin’izao andro izao ireo voay, dia esorin’ireo mpihaza voay matihanina ka afindrany toerana. Anisan’ny teknikan’izy ireo ny famatorana amin’ny tadivavarana ny valanorano ambany misy tonony sy ny fampiakarana azy io ary ny famehezana haingana ny valanorano ambony sy ambany hitambatra. Izany dia mahatonga ny valanoranon’ilay voay hila tsy hanan-kery, satria faran’izay matanjaka ireo hozatra manakombon’ny valanorano ambany, fa malemy kosa ireo hozatra mampisokatra. Raha tsy mitandrina anefa ny mpihaza iray, dia mety hakarapoky ny rambo matanjak’ilay voay mora foana amin’ny tany izy.
Tsy hoe feno habibiana sy herisetra fotsiny
Ireo valanorano ireo ihany izay mety handratra mafy dia afaka manao fihetsehana feno hakingana koa. Raha mitavozavoza ny voay an-karanany mivoaka avy ao amin’ny akorany, dia hanakodiadia moramora aoka izany an’ireo atodiny ilay reny voay, ka hanentana an’ireo voay vao foy mba hihetsika.
Natao hamikitra fa tsy handidy ny nifim-boay. Raha antonona ny hakelin’ilay remby dia atelina manontolo izy io. Raha tsy izany dia samatsamahina ilay izy ka hohanina mandeha singantsingany. Nampiharihary vato tao anatin’ny vavoniny ny fizahana natao tamin’ny voay maty. Na iniana hohanina na tsia ireny vato ireny, dia inoana fa miasa toy ny ballast (zavatra mavesatra manamora ny fisitrihana) izy ireny.
Matetika ireo mpitsidika dia mahita voay eny amoron-drano, mampitanatana ny valanoranony makadiry. Azo inoana fa ny ankamaroan’izy ireo dia hihevitra fa milaza filana ady io fihetsika io. Mifanohitra amin’izany, ilay fihetsika mampitanatana valanorano dia mamela azy hanao fanitsiana hifanaraka amin’ny maripana etỳ ivelany. Tahaka ny biby mandady rehetra, ny voay dia manitsy tsy an-kijanona ny maripanan’ny vatany.
Tena mahagaga fa na dia biby mandady aza ny voay, dia manana fo misy paosiny efatra, tahaka ny an’ny biby mampinono, izy. Kanefa, rehefa misitrika ny voay, dia misy fiovana mitranga, ary miasa tahaka ny hoe fo iray misy paosiny telo ilay fo.
Ny voain-dranomasira dia miavaka amin’ny alligator (karazana mamba) amin’ny vavany kely kokoa sy amin’ny nifiny eo amin’ny valanorano ambany izay hita rehefa mikombona ny valanoranony. Azo atao ny mahita tena voay, manomboka any Afrika, izay misy ny voay fohy kely, ka hatrany India, ary manerana an’i Azia manontolo ka hatrany Papouasie-Nouvelle-Guinée. Ny farany atsimo ipetrahany dia eto Aostralia ary tiany kokoa ny faritra lavalava kely amoron-tsiraka anirian’ny konko sy ny faritra henihenin’ny tany mafana, satria manorina ny fonenany eny akaikin’ny moron-drano izy. Ny fahavoazana voajanahary aterak’izany dia ny hoe matetika no mahafaty an-drano fanjary tsaikana voay maro be ny tondra-drano. Noho ireo mpiremby toy ny voay lehibe, ny trondro barramundi, sy ny vano, dia 50 isan-jato monja amin’ireo voay vao foy no tafita velona amin’ny taonany voalohany.
Mahazendana fa teraka miaraka amin’ny vatsin-tsakafony manokana ny voay. Mivelona amin’ny kitapon-tsakafo iray ao anatin’ny vatany izy mandritra ireo herinandro vitsy voalohany amin’ny fiainany. Na dia izany aza, saika raha vantany vao maka azy ireo moramora amin’ny vavany ilay reniny ka mamindra azy ireo ho eny amoron-drano, dia manomboka mampiasa ny vavany izy ireo, ka miketoka ny zavatra na inona na inona tratrany.
Nahoana no mifanentana aoka izany ilay fitenenana hoe ‘mason’ny ony’? Satria na dia amin’ireo vao foy aza, dia mamirapiratra menamena ny maso keliny rehefa tarafin’ny jiro tsy voajanahary amin’ny alina. Ny soson-javatra toy ny kristaly ao ambadiky ny temimaso (rétine) dia manatsara ny fahitana amin’ny alina sy miteraka an’ilay mamirapiratra menamena.
Eny, ny voay dia biby mandady mahavariana marina tokoa — kanefa mijanòna lavidavitra foana. Ary mahafantatra tsara ny mpanjono, na iza izy na iza, fa very maina ny fanandramana hamolaka ny leviatana.
Milazalaza amin’ny fomba mifanentana ny voay ho “leviatana” ny poezia ao amin’ny Joba: “Mahasarika ny [leviatana, fanamarihana ambany pejy] amin’ny farango va hianao, na mahafatotra ny lelany amin’ny mahazaka? Mahisy tady zozoro amin’ny orony va hianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ny fintana? Hifon-jato amin-arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao? Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy? Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va hianao? Ary hamatotra azy ho an’ny zazavavy ao aminao va hianao? Hataon’ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ny mpandranto? Mahafeno lefompohy ny hodiny va hianao, na firombaka amin’ny lohany? Atehefo aminy ange ny tànanao; raha tsar[oa]nao ny ady, dia tsy hanindroa intsony hianao.” — Joba 40:25-32.
Indro misy teny fampitandremana maneho fahendrena, fiangaviana amin’izay tsy mailo sy ta hahafanta-javatra: Mitandrema amin’ny ‘mason’ny ony’ — ilay voay mahery, mahatahotra!
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
By courtesy of Australian International Public Relations
[Sary, pejy 25]
Rehefa tarafin’ny jiro ny rano amin’ny alina, dia mamirapiratra menamena ireo mason’ny voay, ‘mason’ny ony’
[Sary nahazoan-dalana]
By courtesy of Koorana Crocodile Farm, Rockhampton, Queensland, Australia
[Sary, pejy 26]
Havia: Zana-boay kely iray mivoaka tampoka avy ao anatin’ny atody
[Sary nahazoan-dalana]
By courtesy of Koorana Crocodile Farm, Rokhampton, Queensland, Australia
Sary kely anatiny: Voay lehibe iray mitanina andro eo amoron-drano feno fotaky ny Ony Mary
[Sary nahazoan-dalana]
By courtesy of Australian International Public Relations