FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/6 p. 25-27
  • Voain-dranomasira — Mpanjakan’ny Biby Mandady

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voain-dranomasira — Mpanjakan’ny Biby Mandady
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valanoranon’izay biby re izany!
  • Natao tamin’ny fomba faran’izay mampiseho fahaizana
  • Refy goavana
  • Fiovana lehibe
  • “Ady amin’ilay karazam-biby mihitsy”
  • Mitandrema Amin’ny ‘Mason’ny Ony’!
    Mifohaza!—1996
  • Azo Sangina ve ny Voay?
    Mifohaza!—2005
  • Ny Valanoranon’ny Voay
    Mifohaza!—2015
  • Voaibe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/6 p. 25-27

Voain-dranomasira — Mpanjakan’ny Biby Mandady

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY PALAU

MATETIKA no nifandroritana ny fanapahana ny vondronosy Palau, atỳ amin’ny Oseana Pasifika. I Espaina no hery mpanjanaka voalohany nanapaka ireto nosy tropikaly, any amin’ny 890 kilaometatra, atsinanan’i Philippines, ireto. Tatỳ aoriana, dia nisolo an’i Espaina i Alemaina, ary nisolo an’i Alemaina i Japon. Taorian’i Japon, dia i Etazonia no nifehy sy nanapaka ity faritra ity, mandra-pahatongan’ny 1994, taona nahatongavan’ny Repoblikan’i Palau ho fanjakana mahaleo tena tanteraka.

Nandritra ireny fifandroritam-panapahana rehetra ireny anefa, dia nisy karazam-panapahana iray hafa izay tsy nifandroritana mihitsy tatỳ amin’ireo nosy. Inona izany? Ny fanapahan’ny voain-dranomasira: ilay tsy iadian-kevitra fa mpanjakan’ny biby mandady atỳ Palau. Amin’izao andro izao anefa, dia mihozongozona ny fiandrianan’ireo voay. Raha ny marina, dia milaza ireo mpikaroka fa “ho lany tamingana tsy ho ela ny voain-dranomasira any Palau, raha tsy hoe misy fepetra hentitra horaisina haingana angaha mba hiarovana ilay karazana”.

Nahoana no mahita olana ny voain’i Palau? Ary nahoana no azo atao ny manome azy ireo voalohany indrindra ny anaram-boninahitra hoe mpanjakan’ny biby mandady?

Valanoranon’izay biby re izany!

Ilay anarana siantifika hoe Crocodylus porosus, izay midika hoe “voay feno kitro”, no ahafantarana ilay voain-dranomasira.a Manondro ireo mivohitra misy kirany eo ambonin’ny vavany io anarana io. Milahatra mizara roa avy eo amin’ny masony mankeo amin’ny vavorony ireo mivohitra ireo. Miendrika telozoro ny vavany ary mahaforona ny ampahafiton’ny halavan’ny vatany manontolo. Ny sakan’ny loha goavan’ny voay iray aranty ao anaty trano fitaratry ny Tranombakok’i Palau, dia mirefy 40 santimetatra, eo amin’ny faritra mivelatra indrindra amin’ilay lohany!

Rehefa milatsaka ny valanoranony ambany mba hanokatra ny vavany, dia mahita nify maranitra toy ny hety izay mitsatoka mafy amin’ny valanorano afaka mihidy amin-kery mandrava, ianao. Ny hozatra mampisokatra ireo valanorano no hany faritra malemy amin’ireo valanorano. Misy boky iray milaza fa mazàna no lasitika dia ampy hihazonana hikombona ny vavan’ny voay iray roa metatra.

Natao tamin’ny fomba faran’izay mampiseho fahaizana

Tsy vitan’ny hoe goavana ny lohan’ny voay fa natao tamin’ny fomba faran’izay mampiseho fahaizana koa mba hahafahany hivelona ao anaty rano. Jereo akaiky kokoa ange (ny voay voasesika, raha ny marina) e! Ho voamarikao fa ny sofiny sy ny masony ary ny vavorony no zavatra mivohitra indrindra eo amin’ny lohany. Mipoitra eo amin’ny rano izy ireo rehefa mitsinkafona ilay voay. Mahazendana anefa fa, na dia akombon’ilay biby aza ny vavany, dia tsy afaka misakana ny rano tsy hiditra izany, satria tsy mana-molotra handrakotra ny valanoranony izy. Tsy afaka mikoriana mankao amin’ny tendany anefa ny rano izay miditra ao am-bavany, satria misy takela-nofo manampina ny lalana ho ao amin’ny tendany. Koa satria avy ao andamosin’io takela-nofo io no ampidirina ao amin’ny vatana amin’ny alalan’ny vavorona ny rivotra, dia afaka miaina ilay voay na dia feno rano aza ny vavany.

Ary ahoana ny amin’ny fahafaha-mahita ao anaty rano? Tsy misy olana mihitsy ny amin’izany. Rehefa ao anaty rano ny voay, dia mamoaka hoditra manify tantera-pahazavana, na hodi-maso fahatelo, manerana ny masony. Miaro ny maso, nefa tsy misakana ny fahitana, io hoditra io.

Refy goavana

Ny voain-dranomasira no biby mandady lehibe indrindra eto an-tany. Rehefa mahatratra telo metatra mahery ny voay lahy, dia efa matotra, nefa mbola mitombo mandritra ny taona maro fanampiny ihany. Milaza i Mark Carwardine, mpanoratra ilay boky hoe The Guinness Book of Animal Records, fa misy voain-dranomasira lahy izay mirefy fito metatra ny halavany, ao amin’ny faritra misy bibidia arovana, any Inde!

Goavana koa ny refin’ny faritra fonenan’ny voay. Io boky io ihany no milaza fa midadasika kokoa noho ny faritra fonenan’ny karazam-boay hafa rehetra ny faritra fonenan’ny voain-dranomasira. Monina manerana ny faritra tropikalin’i Azia sy manerana an’i Pasifika, faritra miitatra manomboka any Inde ka hatrany Aostralia sy hatraty amin’ny vondronosin’i Palau, ny voain-dranomasira.

Fiovana lehibe

Manome alokaloka sy fiarovana ary sakafo tondraka ho an’ireo voay ny heniheny anirian’ny honko atỳ amin’ireo nosin’i Palau. Tsy mahagaga àry raha toa ka ny vondronosin’i Palau no nofidin’ireo biby mandady ireo ho iray amin’ireo toerana fanatodizany sy tiany hialana sasatra indrindra. Raha ny marina, dia notombanana ho eo anelanelan’ny 1 500 sy 5 000 ny isan’ny voay nonina teo amin’ireto nosy ireto, nandritra ireo taona 1960.

Nanamarika fiovana lehibe ho an’ireo voay tatỳ Palau anefa ny volana Desambra 1965. Tamin’izay, dia nisy voain-dranomasira iray nanafika ka nahafaty lehilahy iray mpanjono, nonina teto Palau. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia voasambotra ilay biby ary naranty ho hitan’ny besinimaro. Nanjary romotra mafy tamin’ilay biby ny olona, ka novonoina izy io.

“Ady amin’ilay karazam-biby mihitsy”

Fotoana fohy taorian’izay, hoy ny fanazavan’i Harry Messel sy i F. Wayne King, samy manam-pahaizana manokana momba ny voay, ny manam-pahefana dia nanomboka “ezaka manokana hamongorana ny voay rehetra teto Palau, na taiza na taiza nisy azy ireo. Ady amin’ilay karazam-biby mihitsy ilay izy, raha ny marina”. Nomena valisoa izay nahafaty voay, napetraka ny fandrika, ary nampiasaina ny sambo mpihaza mba hanenjehana ireo biby. Nanomboka tamin’ny 1979 ka hatramin’ny 1981, dia voay teo anelanelan’ny 500 sy 1 000 no voatifitr’ireo mpihaza. Nalain’izy ireo ny hoditr’ireo biby ary namidiny.

Koa satria ngeza ny hoditry ny voay lehibe, dia izy ireny no lasa lasibatra manokana. Isaky ny nahafaty voay vavy lehibe anefa ireo mpihaza, dia nisakana koa tsy ho foy atodim-boay 1 000 teo ho eo, izay mety ho nomen’ilay voay vavy nandritra ny androm-piainany. Ho vokany, dia nihena be ny isan’ny voay. Teo am-piandohan’ireo taona 1990, dia hitan’i Messel sy i King fa “latsaka ny 150 sisa ny voay teto Palau”.

Marina aloha fa rariny ny an’ny olombelona raha mitandrina amin’ny voain-dranomasira izy, satria mety hahafaty mihitsy ireo voay ireo, rehefa manafika. Na izany aza anefa, dia marihin’i Carwardine fa “kely dia kely ny fahavoazana entiny amintsika, raha oharina amin’ny fandringanana ataontsika aminy”.

Natsangana tamin’ny 1997 ny Tahirin-javaboary Ngardok. Na dia tsy natao voalohany indrindra hiarovana ny voain-dranomasira aza io tahirin-javaboary io, dia mandray soa avy aminy izy ireo. Toerana azon’izy ireo iafenana sy anatodizana ny honahona manodidina ny Farihy Ngardok.

Mety tsy hifidy ny voain-dranomasira ho namanao akaiky ianao, nefa tsy ekenao ve fa mpanjaka mahatahotra izy io?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny hoe porosus dia avy amin’ilay teny grika hoe porosis, izay midika hoe “kitro”, sy ilay tovana latina hoe -osus, izay midika hoe “feno”.

[Efajoro, pejy 27]

RANOMASOM-BOAY

Ny filazana hoe manao ranomasom-boay ny olona iray dia midika hoe maneho alahelo na miombom-pihetseham-po amin’ny hafa izy, nefa tsy tena amin’ny fony. Fa nahoana anefa ny voay no aseho ho mpihatsaravelatsihy? Araka ny voalazan’ny The International Wildlife Encyclopedia, ny mety ho niavian’io fitenenana io dia ny hoe manao izay hahamando foana ny masony ny voay. Araka izany, dia “mety hisy ranomaso, na rano voahazona tao anaty hodi-masony, hikoriana avy eo amin’ny sisin’ny masony. Izany, sy ny valanoranony toa mitsiky foana dia mety ho nitarika ho amin’izany lazany ho mpihatsaravelatsihy izany”.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

VOAY SA ALLIGATOR?

Inona no maha samihafa ny voay sy ny alligator (karazana mamba)? Ny fahasamihafana miharihary indrindra dia eo amin’ny nifiny. Raha lazaina tsotsotra, rehefa manidy ny valanoranony ny voay, dia azonao atao ny mahita ny nify lehibe fahefatra eo amin’ny valanorano ambany. Ny an’ny alligator anefa, dia manarona an’io nify io ny valanorano ambony.

[Sary]

Voay

“Alligator”

[Sary nahazoan-dalana]

F. W. King photo

[Sary, pejy 26]

Jereo ange ireto nifiny e!

[Sary nahazoan-dalana]

By courtesy of Koorana Crocodile Farm, Rockhampton, Queensland, Australia

© Adam Britton, http://crocodilian.com

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

By courtesy of Australian International Public Relations

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara