Avy Amin’ny Mpamaky
Indostrian-tsigara Ireo fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Famonoana An-tapitrisany Maro mba Hahazoana An-tapitrisany Maro” (Oktobra-Desambra 1995), dia nampahafanta-javatra sady nampiseho fahakingan-tsaina. Nampahatahotra ilay hosodoko teo amin’ny fonony (“Karandoha Miaraka Amin’ny Sigara”) nataon’i Vincent van Gogh! Angamba io sary io fotsiny dia ho ampy mba hampitsaharana ny olona sasany tsy hifoka na, fara faharatsiny, hanakiviana ny sasany tsy hanomboka.
M. B., Etazonia
Koa satria aho miasa ho an’ny Fikambanana Amerikana Momba ny Kansera, dia dodona indrindra aho hamaky ireo lahatsoratra ireo. Nandefasako gazety iray ilay vehivavy izay mitari-draharaha ao amin’ny masoivohom-pikambanana iray eo an-toerana miady ho amin’ny fanafahana amin’ny sigara. Nanaitra azy ny hatsaran’ny fandaharan-teny sy ny fikarohana ka nanafatra gazety 35 ho an’ireo mpiara-miasa taminy izy.
J. O., Etazonia
Nitsahatra tsy nifoka sigara izahay mivady efa ho telo volana izao, kanefa mbola mahatsapa faniriana mafy hifoka sigara ihany aho. Avy eo aho dia namaky io lahatsoratra io, ary nahatonga ahy hahatakatra izy io fa ny sasany amin’ireo taharo ao anatin’ny sigara iray dia feno poizina aoka izany, hany ka raran’ny lalàna ny manary azy ireny eny amin’ny fandevenam-pako! Nanatanjaka ahy hankahala izay ratsy izany.
L. T., Afrika Atsimo
Mararin’ny Lupus Misaotra indrindra noho ilay fanazavana momba ny lupus ao amin’ilay lahatsoratra hoe “An’i Mia sy i Jehovah Irery Sisa Izao”. (Jolay-Septambra 1995). Valo ambin’ny folo taona aho, ary azon’io aretina io efa hatramin’ny roa taona eo ho eo izao. Mampahery ny mahafantatra ny fomba iaretan’ireo anadahy sy rahavavy hafa any amin’ny faritra samy hafa eo amin’izao tontolo izao fijaliana sy ny mahita ny fomba anohanan’ny Mpamorona antsika antsika foana amim-pitiavana.
J. A. Y., Italia
Ray Aman-dreny Manahirana Nivavaka mba hisian’ny lahatsoratra iray tahaka ilay hoe “Les Jeunes s’interrogent... Que faire si mon père se conduit mal?” (22 May 1995, frantsay), aho. Toy inona moa ny alaheloko sy ny ratram-poko rehefa voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana ny reniko! Saika hiala tsy hanao ny asan’ny mpisava lalana, fitoriana ny filazantsara manontolo andro, aho. Ilay lahatsoratra dia nanatanjaka ahy ‘hiasa amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena ahy’, toy izay hanahy tafahoatra momba ny fifandraisan’i Neny amin’i Jehovah. (Filipiana 2:12). Misaotra indrindra.
J. P., Philippines
Kristiana vita batisa aho, kanefa hitako ho tena sarotra ny manaja ny raiko izay mamo rehefa mody isan’andro. Teo am-pamakiana an’io lahatsoratra io, dia tsy tanako ny ranomasoko. Izao izaho efa nahavaky azy io izao, dia nihena be dia be ny fihetseham-poko sy ny eritreritro tsy nanorina tamin-draiko, ary mahatsiaro ho tony anaty kokoa aho.
N. M., Japon
Science chrétienne Ilay lahatsoratra hoe “Des séminaires pour l’amélioration des rapports médecins-Témoins de Jéhovah” (22 Martsa 1995, frantsay), dia mampiseho fanamarihana iray momba ny fihetsiky ny Science chrétienne eo anoloan’ny aretina. Noho ny fiahiana ny amin’ny hanorenana fifankahazoan-kevitra eo amin’ny finoantsika avy, dia tiako ny hanome toky ny mpamaky anareo fa amin’ny fianteherana amin’ny fanasitranana ara-panahy, ireo mpiangona ao amin’ny Eglise de Christ scientiste dia manisy vidiny sy miaro ny ain’olombelona araka izay inoanay fa nasehon’i Jesosy Kristy antsika mba hatao. Ny firaketana an-tsoratra iray momba ireo fanasitranana azo hamarinina, navoaka tao amin’ireo gazetinay nandritra ny taonjato iray mahery, dia mampiseho mazava fa ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra, fa tsy ny fahafatesana ho maritiora, no antony manosika anay. Fahasoavana ara-panahy sy ara-pitondran-tena ary ara-batana no vokatr’izany amin’ny fomba tsy miovaova.
M. V. W., Mpitantan-draharaha, Komity Amin’ny Fanontana, Eglise de Christ, scientiste, Etazonia
Misaotra anao noho ireo fanazavana ireo. Ny zava-nokendrenay tamin’ny fanononana ny tenin’ny dokotera iray dia ny hanasongadinana ilay zava-misy hoe tena manaiky fitsaboana ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia manaja ny zon’ny hafa hino izay tiany aza izahay, i Jesosy Kristy, raha ny marina, dia nilaza fa “tsy ny finaritra no mila [dokotera, NW ], fa ny marary”. (Matio 9:12). Ary rehefa niresaka momba ny ‘fahosaosan’i Timoty matetika’ i Paoly, dia tsy nanoro hevitra ny amin’ny fanasitranana ara-panahy izy fa nanolo-kevitra ny amin’ny fitsaboana iray nahazatra kosa. (1 Timoty 5:23). Araka izany, ny fiheveran’ny Baiboly ny fitsaboana dia mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Science chrétienne. — MPAMPANONTA.