FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/4 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/4 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Vehivavy any India Nankasitrahako ilay lahatsoratra hoe “Indiennes: à l’aube du XXIe siècle”. (22 Jolay 1995, frantsay). Hitako ho mahasondriana foana i India, satria manana kolontsaina tena hafa noho ny ahy. Nasehon’ilay lahatsoratra nosoratanareo fa tsy ho avy ny tena fahafahana ho an’ny vehivavy karàna raha tsy eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy andriko ilay fotoana izay hisian’ny hoe ho tia sy hankamamy marina tokoa ny vehivavy rehetra ny vadin’izy ireo izay hajainy.

W. S., Kolombia Britanika

Narian’ny Fianakaviana Efatra ambin’ny folo taona aho, ary manoratra mba hisaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Ilay Fianakaviana Tia Ahy Marina Tokoa”. (Oktobra-Desambra 1995). Tena nanatanjaka ny finoako tokoa izy io. Ohatra tsara ho an’ny tanora hatraiza hatraiza i Udom Udoh. Tena nasehony tokoa fa afaka miaro ny fahamarinana ianao na dieny mbola tena kely aza.

A. M., Etazonia

Tahaka an’i Udom, taorian’ny nanombohako nianatra ny Tenin’Andriamanitra, dia niatrika fanoherana aho. Nilazana koa aho mba hiala tao an-trano. Taorian’ny fanenjehana am-bava sy ara-batana be dia be, dia niala aho. Nikarakara ahy tamin-katsaram-panahy ny loholona iray sy ny vadiny. Tena nanatanjaka ahy tokoa ilay lahatsoratra nosoratanareo. Fifaliana toy inona moa ny hoe anisan’io fianakaviana iraisam-pirenena tsy manam-paharoa io!

L. J., Etazonia

Fahatongavana ho Sakaizan’Andriamanitra Misaotra indrindra noho ilay lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent... Puis-je vraiment être l’ami de Dieu?” (22 Jolay 1995, frantsay). Nampihetsi-po ahy aoka izany ilay izy ka latsa-dranomaso aho. Telo ambin’ny folo taona aho ary nanao zavatra tena ratsy. Niezaka hampahery ahy ny hafa, kanefa mbola hitako ho sarotra ihany ny nivavaka tamin’i Jehovah. Nieritreritra aho fa tsy tia ahy intsony izy noho ireo fahadisoana maro vitako. Nasehon’io lahatsoratra io tamiko fa mamela heloka Andriamanitra ary koa fa afaka mivavaka aminy aho.

J. D., Alemaina

Tahaka an’i Danièle, izay notononina tao amin’ilay lahatsoratra, dia nahatsiaro ho tsy mendrika ny ho sakaizan’Andriamanitra aho. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny nanomezany ahy io fanampiana io. Nanampy ahy hahatakatra izy io fa raha mibebaka amin’ny asa ratsiko aho, dia vonona hamela ny heloko izy ka ho Sakaizako. Antenaiko fa tsy hitsahatra na oviana na oviana hamoaka ireny lahatsoratra ho an’ny tanora ireny ianareo.

B. M. A., Espaina

Fitsaharam-potoana Mitantana kompania iray mpanao fanafody izay mifantoka manokana amin’ireo fanafody amin’ny aretim-behivavy izahay. Hitanay ho mahaliana indrindra ilay lahatsoratra momba ny fitsaharam-potoana mitondra ny lohateny hoe “Mieux comprendre la ménopause” (22 Febroary 1995, frantsay), ary faly izahay fa namelabelatra an’ilay loha hevitra ianareo. Kanefa, manambara ilay faritra voafefy hoe “Que dire de l’œstrogénothérapie?” fa “ny fanampiana prozesteronina amin’ny fitsaboana fanoloana hormonina (...) dia manafoana ny vokatra tsara entin’ny estirozenina eo amin’ny aretim-po”. Tsy marina foana izany, indrindra raha ny amin’ny prozesteronina voajanahary.

Dr. T. W. sy J. K., Alemaina

Misaotra noho ny fanaovana izay haharahanay ny zava-misy. Na dia nanondro aza ny loharanom-panazavana ela kokoa fa mety hampidina ny harihitry ny H.D.L., na “cholestérol” “tsara”, ny prozesteronina, ka, noho izany, dia mampitombo ny mety hahavoan’ny aretim-po, ny fikarohana vao haingana kokoa dia manondro ny mifanohitra amin’izany. Milaza ny fandinihana iray vao haingana nanaovana tatitra tao amin’ny “JAMA” tamin’ny 18 Janoary 1995 fa “ny estirozenina fotsiny na mitambatra amin’ny prozesteronina dia mampitombo [ny harihitry ny “cholestérol” “tsara” ]”. Tsy isalasalana fa tsy maintsy misy fikarohana fanampiny hatao alohan’ny hahatakarana amin’ny fomba feno ny vokatra maharitra rehetra entin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny hormonina. — MPAMPANONTA.

Evolisiona Vao nahavita ny famakiana an’ireo fitohitohizan-dahatsoratra hoe “La théorie qui ébranla le monde: ses retombées” (8 Aogositra 1995, frantsay), aho. Ny fihetsiko? Mihoatra noho ny hoe zendana. Resy aho! Nosoratana tamin’ny fomba feno zava-mahaliana aoka izany, tamin’ny fomba feno tsipiriany aoka izany, ilay lahatsoratra. Nampiharihary fikarohana lasa lavitra ny fakan-teny tsirairay. Ambonin’ny zava-drehetra, dia nampahafanta-javatra ilay izy raha ny amin’ny tena vokatry ny fampianaran’ny evolisiona eo amin’ny sain’ny olombelona. Tsy nahafantatra izany aho! Misy mosary eo amin’izao tontolo izao raha ny amin’ny zavatra hovakina tsara dia tsara, kanefa nanome fahafaham-po tamin’izany zavatra ilaina izany ianareo.

R. H., Etazonia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara