Manontany ny Tanora Hoe...
Fanatanjahan-tena ao Amin’ny Ekipa — Tsara ho Ahy ve Izy Ireny?
“Tiako ny fanatanjahan-tena. Tsapako ho tena finaritra aho. Ary ankafiziko ny fiarahana amin’ireo namako.” — Sandy, 14 taona.
“FAHAFINARETANA!” “Fahataitairana!” “Fandresena!” Ireo no sasany amin’ireo antony nomen’ny tanora amerikana sy kanadianina rehefa nanaovana fanadihadiana izy ireo ny amin’ny antony nandraisany anjara tamin’ny fanatanjahan-tena voalamina. Miharihary fa tanora maro no miombon-kafanam-po amin’izy ireo.
Raiso ho ohatra i Etazonia. Araka ilay boky hoe Your Child in Sports, nataon’i Lawrence Galton, “isan-taona dia ankizy amerikana 20 tapitrisa, enin-taona no ho miakatra, no milalao, na miezaka hilalao, ao amin’ny ekipa mpanao fanatanjahan-tena voalamina”. Ary, vao taona vitsivitsy monja lasa izay, na dia saika ankizilahy fotsiny aza no nahaforona an’ireo ekipa mpanao fanatanjahan-tena voalamina, dia ankizivavy maro an’isa ankehitriny no manipy baolina amin’ny base-ball, mampiditra baolina ao anatin’ny harato amin’ny baskety, sy mifaninana amin’izy samy izy mihitsy aza eo amin’ny kianja filalaovana fotibaolina amerikana.
Angamba ianao ilay karazan’olona atleta ka mihevitra fa hahafinaritra ny fidirana ao amin’ny ekipa iray. Na angamba ianao mahazo fampirisihana be dia be — angamba fanerena mihitsy aza — avy amin’ny ray aman-dreny, mpampianatra, na mpanazatra mba hanaovana izany. Na inona na inona toe-javatra, ny fandraisana anjara amin’ny fanatanjahan-tena ao amin’ny ekipa dia mitaky fanokanana fotoana sy hery be dia be. Mety tsotra izao àry ny hahafantarana ny sasany amin’ireo lafy tsarany sy lafy ratsiny. Voalohany, dia aoka hojerentsika ny sasany amin’ireo tombony.
Fanatanjahan-tena — Ireo soa azo
“Mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena”, hoy ny Baiboly. (1 Timoty 4:8). Ary azo antoka fa afaka mandray soa avy amin’ny fihetsiketsehan’ny vatana ireo tanora. Any Etazonia, dia mahatahotra ny isan’ireo tanora voan’ny hatavezana sy ny tosi-dra ambony ary ny cholestérol ambony. Afaka mahavita zavatra betsaka mba hifehezana ireny olana ireny ny fampiasan-tena tsy tapaka. Araka ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazety American Health, ireo tanora izay manao fampiasan-tena tsy tapaka “dia manatsara kokoa ny fiasan’ny fisefoana sy ny fikorianan-dra noho ireo ankizy mipetrapetra-dava [tsy mihetsiketsika]. Ireo mpanao fampiasan-tena matetika koa dia mahavita zavatra tsara kokoa eo amin’ny fanatanjahan-tena ary mahafehy tsara kokoa ny lanjany”. Milaza koa ireo mpanao fikarohana fa afaka manamaivana ny fihenjanana, mampihena ny havizanana, sy manatsara ny torimasonao mihitsy aza ny fampiasan-tena.
Mahaliana fa manao fanamarihana toy izao ilay boky hoe Your Child in Sports: “Nanjary niharihary fa manam-piandohana eo amin’ny fahatanorana ireo olana ara-pahasalamana maro mahazo ny olon-dehibe.” Araka izany, dia dokotera maro no mihevitra fa mety hiitatra hatrany amin’ny fotoana maha-olon-dehibe ireo soa azo amin’ny fampiasan-tena tsy tapaka. Manao tatitra toy izao i Mary C. Hickey, mpanoratra: “Hitan’ny fikarohana fa ireo ankizy izay manao fanatanjahan-tena dia azo inoana fa ho olon-dehibe harisidrisika bebe kokoa ara-batana.”
Maro no mihevitra fa misy soa lehibe hafa azo avy amin’ny fanatanjahan-tena ao amin’ny ekipa. Nilaza toy izao ny ray iray mikasika ny filalaovan’ny zanany lahy fotibaolina amerikana: ‘Misakana azy tsy hidonana-poana eny amin’ny arabe izany. Mampianatra azy lalàm-pifehezana izany.’ Mihevitra ny hafa fa mampianatra ny tanora iray hahay hiara-miasa amin’ny hafa — fahaizana izay mety hitondra soa maharitra — ny filalaovana ao amin’ny ekipa iray. Mampianatra ny tanora koa mba hanaraka fitsipika sy hahafehy tena sy hanao ny fitarihana ary hahay handray tsara ny fahombiazana sy ny tsy fahombiazana ireo fanatanjahan-tena ao amin’ny ekipa. “Laboratoara lehibe iray ho an’ny tanora ireo fanatanjahan-tena”, hoy ny Dr. George Sheehan. “Izy ireny dia manome fanandraman-javatra mivantana ho an’ireo mpianatra ny amin’ny zavatra reny matetika avy amin’ny mpampianatra: herim-po, fahaizana, fanokanan-tena.” — Current Health, Septambra 1985.
Fara faharatsiny, ny maha-ao anatin’ny ekipa mandresy dia mety hampitombo ny fahatsiarovan-tena ho mendrika. “Raha mahafaty baolina aho na manandrana mamono”, hoy i Eddie tanora, “dia mahatsiaro ho somary mirehareha ny amin’ny tenako aho.”
Laza, vola be, sy fahamamian-koditra
Ho an’ny tanora hafa anefa, ny tena manintona amin’ny fanatanjahan-tena ao amin’ny ekipa dia ny fahazoana ny fankasitrahana sy ny faneken’ireo mitovy taona aminy. “Isaky ny manao zavatra tsara ianao”, hoy ny fanazavan’i Gordon, 13 taona, “dia mitehatehaka ny lamosinao foana ny rehetra.”
Miaiky toy izao ilay boky hoe Teenage Stress, nataon’i Susan sy i Daniel Cohen: “Raha toa misy izay mety ho lalana azo antoka ho amin’ny fahamamian-koditra, indrindra ho an’ny ankizilahy, dia ny atletisma izany. (...) Mahalana ianao vao hahita hoe tsy ampy ny fanekena an’ilay kalazalahy ao amin’ny ekipa mpanao fotibaolina amerikana na baskety.” Nahariharin’ny fanadihadiana iray fa mahazo fiheverana ambony be ireo atleta. Nanontaniana ireo mpianatra raha tiany kokoa ny hotsaroana amin’ny maha-atleta kalazalahy, amin’ny maha-mpianatra mahay be, na amin’ny maha-olona mamy hoditra indrindra. Teo amin’ireo ankizilahy, dia ny ho “atleta kalazalahy” no safidy voalohany.
Tsy dia tena mahagaga ny hoe mahazo fanajana bebe kokoa noho ny manam-pahaizana iray ny mpilalao fotibaolina amerikana na baskety iray rehefa dinihinao ny fiheverana mova tsy fanolorana fanompoam-pivavahana atototry ny fampitam-baovao eo amin’ireo atleta matihanina. Mifantoka amin’ireo karamany tsy hita pesipesenina sy ny fomba fiainany miliba ny ankamaroan’ny fampahafantarana anintonana ny saim-bahoaka. Tsy mahagaga firy raha tanora maro, indrindra fa ireo any amin’ny faritanàna sahirankirana, no mety hihevitra ny fanatanjahan-tena any an-tsekoly ho dingana iray ho amin’ny fanambinana — lalana iray hivoahana amin’ny fahantrana!
Mampalahelo fa tsy mifanaraka amin’ny fomba mampahonena amin’izany zavatra antenaina izany ny zava-misy. Nanome antontan’isa mampieritreritra sasany ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazety Current Health, mitondra ny lohateny hoe “Atleta Firy no ho Tonga Matihanina?” Izao no tatitra nataony: “Ankizilahy maherin’ny 1 tapitrisa [any Etazonia] no manao fotibaolina amerikana any amin’ny lise; efa ho 500 000 no manao baskety; ary tokony ho 400 000 no mandray anjara amin’ny base-ball. Manomboka any amin’ny lise ka hatrany amin’ny sekoly ambony, dia midina be ny isan’ireo mpandray anjara. Atleta tokony ho 11 000 monja, amin’ny fitambarany, no mandray anjara amin’ny fotibaolina amerikana sy ny baskety ary ny base-ball any amin’ny sekoly ambony.” Avy any amin’ny sekoly ambony, dia vao mainka mihamanjombona kokoa ireo antontan’isa. “Tokony ho 8 isan-jato monja [amin’ireo atleta ao amin’ny sekoly ambony] no fantenan’ireo ekipa matihanina, ary tokony ho 2 isan-jato monja no manao sonia fifanekena ho matihanina.” Avy eo ilay lahatsoratra dia manome izao fampahatsiahivana izao: “Na dia ny fanaovana sonia fifanekena aza dia tsy midika fa hahazo toerana ao amin’ilay ekipa ny atleta iray.”
Amin’ny fitambarany àry, dia “iray monja amin’ny atleta 12 000 any amin’ny lise no ho tonga matihanina”. Izany dia mety ho tsy tsara lavitra noho ny mety hahazoana loka voalohany amin’ny loteria iray! Fara fahakeliny anefa, hoy angamba ianao manontany tena, moa ve tsy afaka mahazo fianarana maimaim-poana any amin’ny sekoly ambony ny atleta iray noho ny fiezahana rehetra ataony? Eto indray koa, dia tsy dia maha-be fanantenana ny mety hahazoana izany. Araka ilay boky hoe On the Mark, nataon’i Richard E. Lapchick sy i Robert Malekoff, “amin’ireo atleta an-tapitrisany maro any amin’ny lise, (...) dia iray monja amin’ny 50 no hahazo vatsim-pianarana mba hanaovana [fanatanjahan-tena] any amin’ny sekoly ambony”. Indro antontan’isa mahaketraka hafa: “Amin’ireo mpilalao sangany izay mahazo vatsim-pianarana amin’ny fanatanjahan-tena hahazoam-bola be toy ny fotibaolina amerikana sy ny baskety, dia latsaka ny 30 isan-jato no hahazo diplaoma avy any amin’ny sekoly ambony aorian’ny efa-taona.”
Ho an’ny ankamaroan’ireo mpilalao, dia hevi-poana — nofy antoandro — fotsiny ilay nofinofy hoe ho tonga atleta manankarena sy malaza.
Fitsoahana an-daharana
Rehefa dinihinao ireo fahatsinjovana fahasalamana mihatsara, fanatsarana lafin-toetra maha-izy ny tena, sy fahamamian-koditra mitombo, dia mety ho toa mbola zavatra mampiseho fahiratan-tsaina tokony hatao ihany ny fidirana ao amin’ny ekipa mpanao fanatanjahan-tena voalamina. Alohan’ny hihazakazahanao hanao fitsapam-pahaizana anefa, dia diniho izay nolazaina tao amin’ny Ladies’ Home Journal, manao hoe: “Ankizy maro kokoa noho ny tamin’ny taranaka teo aloha rehetra no mirotsaka amin’ny fanatanjahan-tena voalamina amin’izao andro izao. Ny vaovao ratsy: Maro an’isa izy ireo no mitsoaka an-daharana amin’ireny fandaharam-panatanjahan-tena ireny.” Voalaza fa niteny toy izao ny Dr. Vern Seefeldt, manam-pahaizana iray momba io foto-kevitra io: “Amin’ny fotoana maha-dimy ambin’ny folo taona azy, dia dimy amby fitopolo isan-jaton’ireo ankizy efa nanao fanatanjahan-tena no nitsoaka an-daharana tamin’izy io.”
Diniho i Kanada, izay maha-be mpitia ny fanatanjahan-tena hockey ambony ranomandry. Ao amin’ny ligin’ny amateurs-na hockey iray, dia 53 isan-jaton’ireo mpilalaony maherin’ny 600 000 no latsaka ny 12 taona. Kanefa, 11 isan-jato monja no maherin’ny 15 taona. Ny antony? Niala ny ankamaroan’ireo tanora rehefa eo amin’io taona io. Nahoana no maro aoka izany no miala?
Milaza ireo mpanao fikarohana fa ireny fitsoahana an-daharana ireny mazàna dia manome antony nialany izay mahagaga fa tsotra: Tsy mahafinaritra intsony ireo lalao. Eny tokoa, mety ho fanaovan-javatra mahatorovana sy mandany fotoana ny filalaovana ao amin’ny ekipa iray. Nilaza tamin’ireo mpamaky azy ny gazety Seventeen fa ny fifaninanana fotsiny mba hahazoan-toerana ao amin’ny ekipa iray dia mety hitaky fiasana “adiny telo isan’andro, dimy andro isan-kerinandro, (...) mandritra ny iray na roa herinandro eo ho eo”. Raha tafita amin’izany fitsapana mahamay izany ianao ka tafiditra ao amin’ilay ekipa, dia ora maro fanampiny hanaovana fampiasan-tena sy fanazarana fanatsaram-pahaizana no miandry anao. Fahita ny hoe mandany maherin’ny adiny telo isan’andro ireo anisan’ny ekipa mpanao baskety zazavavy, manaza-tena ho amin’ny lalaony. Azo nolanina nanaovana zavatra mendrika kokoa izany fotoana izany.
Mazava ho azy fa tanora maro no tsy miraharaha ilay fahazarana mandreraka. Mankafy ny fahafinaretana sy ilay zava-tsarotra amin’ny fanatsarana ny fahaizany atletisma izy ireo. Misy anefa antony hafa mahatonga tanora maro be hitsoaka an-daharana amin’ny atletisma voalamina. Mila mahafantatra ireny antony ireny ianao mba hanapahan-kevitra raha hiditra ao amin’ny ekipa iray na tsia. Araka ny lazain’ny Ohabolana 13:16, ‘ny mahira-tsaina rehetra miasa amin’ny fahalalana’. Hanohy itỳ dinidinika itỳ, noho izany, ny lahatsoratra iray ho avy.
[Teny notsongaina, pejy 14]
‘Tsy mahazo diplaoma ny ankamaroan’ireo mpilalao sangany any amin’ny oniversite izay mahazo vatsim-pianarana noho ny fanatanjahan-tena’
[Sary, pejy 13]
Manintona tanora maro ho amin’ny fanatanjahan-tena voalamina ny fahamamian-koditr’ireo atleta