FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/3 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Halatra ao Amin’ireo Fiangonana any Grande-Bretagne
  • Fanalana Zaza Maro Kokoa any Kanada
  • Zazakely Voan’ny SIDA
  • Mitombo ny Isan’ny Vehivavy Mahery Setra
  • Pretra sy Fanambadiana
  • “Mpamono Manam-paharetana”
  • Famonoan-tena avy eny Ambonin’ny Tetezana
  • Fahafatesana Mifandray Amin’ny Fifamoivoizana
  • Fifohan’ny Ankizy Sigara
  • Fahadiovan’ny Aty Vava ho An’ny Be Taona
  • Tsy Fetezan-ko Faty Amidy Ve?
  • Kianina Mafy ny Fitsaboana Fototarazo (gènes)
  • Nisy ho Azy ve ny ADN?
    Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina
  • Toy ny Fitehirizam-boky ny Selanao!
    Mifohaza!—2015
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1996
  • Ny ADN
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/3 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Halatra ao Amin’ireo Fiangonana any Grande-Bretagne

“Tsy heverina intsony ho masina indrindra ireo toerana fanaovana fanompoam-pivavahana”, hoy ny tatitra nataon’ny The Sunday Times any Londres. Angalarina avy ao amin’ireo fiangonana any Angletera ka amidy ho haingon-jaridaina ny fitoeran-dabozia, ny sezan’ny eveka, ny lutrins (karazana polipitra) varahimavo, ny kalisy tamin’ny Moyen Âge, sy ny fitoeran-drano voahasina tranainy. Iraisam-pirenena io varotra tsy ara-dalàna io, ka angalarina arakaraka ny tinady ireo asa tanana. Hita tao amin’ny hotely fisakafoana iray any Tokyo ny varavarankelim-pitaratra miloko iray very. Efa ho $7 tapitrisa no teti-bidin’ny zavatra very isan-taona ao amin’ireo fiangonana. Ankehitriny dia misy fitaovana fanaraha-maso be kojakojany apetraka ary misy kompaniam-piarovana karamaina mba hiambenana an’ireo trano sy tokotanim-piangonana.

Fanalana Zaza Maro Kokoa any Kanada

Nisy tampon’isan’ny fanalana zaza 104 403 natao tany Kanada tamin’ny 1993, izany hoe fitomboana 2,3 isan-jato miohatra amin’ny tamin’ny taona teo aloha. Araka ny The Toronto Star, “izany dia fanalana zaza 26,9 isaky ny zaza teraka 100 velona, amin’ny fitambarany”. Nahoana no misy ilay fitomboana? Raha mbola nolazain’ny sasany fa ny fitomboan’ny isan’ny klinika tsy miankina fanalana zaza ao amin’io tany io no antony nahatonga izany, ireo manam-pahefana ao amin’ny Planned Parenthood Federation of Canada (Federasiona Momba ny Fandrindrana Fiainam-pianakaviana any Kanada) kosa dia manondro ny fanerena ara-bola ho “ny antony voalohany indrindra omena ho mahatonga fanalana zaza”. Mihevitra i Anna Desilets, tale mitantan-draharaha ao amin’ny Alliance for Life, antokon’olona mitsimbina ny aina, fa “ny fahalalahana hanala zaza mora foana dia mitarika ny olona hampiasa azy io ho toy ny fandrindram-piterahana, iantohan’ny fitondram-panjakana”.

Zazakely Voan’ny SIDA

Mahatahotra ny fitomboan’ny isan’ny zazakely venezoelianina voan’ny SIDA, hoy ny tatitra nataon’ny El Universal any Caracas. “Teo aloha dia ankizy roa ka hatramin’ny enina voan’ny SIDA no nanaovana tatitra isan-taona”, hoy ny fanazavan’ny manam-pahaizana iray, “kanefa ankehitriny dia manana ankizy marary roa ka hatramin’ny enina isan-kerinandro izahay.” Mitombo isan’andro ny ampahany isan-jaton’ny vehivavy voa, izay, avy eo, dia mamindra ilay virosy amin’ny zanany kely. “Zava-dehibe ny hitadidiana”, hoy ny fanatsoahan-kevitr’ilay tatitra an-gazety, “fa ireo antontan’isa sahanin’ny Ministeran’ny Fahasalamana dia tsy manome taratra afa-tsy ny tapany kely amin’ny zava-misy.”

Mitombo ny Isan’ny Vehivavy Mahery Setra

“Mihavoarohirohy matetika kokoa ao anatin’ny herisetra noho ny tamin’ny lasa ireo vehivavy”, hoy ny filazan’i Tom Gabor, manam-pahaizana mandinika momba ny heloka bevava, ao amin’ny Oniversiten’i Ottawa. “Mitombo hatrany ny fampiasan’ny vehivavy herisetra, vehivavy izay mitarika, fa tsy hoe mitana ny anjara asa faharoa”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety The Globe and Mail. “Izy ireo dia tsy hoe fehezin’ny lehilahy mitaona ho amin’ny ratsy.” Avy tamin’ny 6 370 tamin’ny 1983 ka niakatra ho 14 706 tamin’ny 1993 ny isan’ny fiampangana vehivavy olon-dehibe ho nanao heloka bevava nampiasana herisetra. Mbola ny lehilahy ihany anefa no mahatonga ny ankamaroan’ny heloka bevava ampiasana herisetra. Araka ny Globe, “tamin’ny 1993, dia lehilahy ny 88,6 isan-jaton’ny olon-dehibe sy ny 76,3 isan-jaton’ny tanora nampangaina ho nanao heloka bevava nampiasana herisetra”.

Pretra sy Fanambadiana

Nanao tatitra ny gazety aostralianina The Sydney Morning Herald fa Katolika mitombo isa izay manan-kery hitaomana olona no manjohy hevitra fa “ny famaranana ny fitovoana an-tery no hanampy mba hampitsaharana ny fihenan’ny isan’ny pretra”. Heverina ho zavatra manakivy lehibe indrindra manakana ny lehilahy tanora tsy hiditra hanao ny asan’ny pretra, ny fitovoana. Amin’ny fanasongadinana ilay olana, ny Herald dia nanome tarehimarika sasany mampahafanta-javatra. Nanana tampon’isan’ny olona vao miditra ho pretra 60 isan-taona tamin’ny antsalany, nanomboka tamin’ny 1955 ka hatramin’ny 1965, ny foibe lehibe indrindra fampiofanana pretra any Nouvelle-Galles du Sud. Olona vao miditra ho pretra sivy monja isan-taona anefa, no tarehimarika nifanitsy tamin’izany teo anelanelan’ny 1988 sy 1994. Nanambara ny tale lefitra amin’ny kolejy hafa iray fampiofanana pretra any Sydney fa, araka ny heviny, ny famelana ny klerjy hanambady dia mety ho vahaolana “vonjy maika”, fa tsy ho fanafody maharitra ho an’ny tsy fahampian’ny isan’ny pretra ilana fanaovan-javatra maika dia maika any Aostralia.

“Mpamono Manam-paharetana”

Miezaka hanangona $75 tapitrisa ny Firenena Mikambana mba hanombohana ny fanesorana vanja milevina ao anatin’ny tany, tombanana ho 100 tapitrisa, any amin’ny firenena 64, hoy ny tatitra nataon’ny International Herald Tribune. Andaniana tokony ho $3 monja ny famokarana vanja iray hamelezana miaramila, vanja tsy mihoatra noho ny fonosan-tsigara iray ny habeny. Andaniana eo anelanelan’ny $300 sy $1 000 anefa ny fitadiavana ny toeran’ny vanja toy izany sy ny fanesorana azy avy ao anatin’ny tany. Sakantsakanan’ny olana hafa iray ny fanesorana an’ireo vanja. Hoy ny mpitondra tenin’ny Firenena Mikambana iray: “Isan-taona dia vanja vaovao 2 tapitrisa no alevina ho fanampin’ireo maherin’ny 100 tapitrisa efa misy.” Miombon-kevitra ireo manam-pahaizana fa hitaky am-polony taona maro ny fanesorana tsy ho eo amin’izao tontolo izao an’izay nolazalazain’ny jeneraly kambodzianina iray hoe “mpamono manam-paharetana izay tsy diso ny zava-kendreny mihitsy”.

Famonoan-tena avy eny Ambonin’ny Tetezana

Olona maherin’ny arivo no namono tena tamin’ny fitsambikinana avy teny ambonin’ny Tetezana Golden Gate malaza any San Francisco, nanomboka tamin’ny nanokafana azy io tamin’ny 1937. “Manana fanintonana mampihetsi-po, mambabo, ny famonoan-tena amin’ny fitsambikinana avy eny ambonin’ny Tetezana Golden Gate. Kanto aoka izany eo. Misy nofinofy miavaka tafiditra amin’izany”, hoy i Richard Seiden, manam-pahaizana mandinika momba ny famonoan-tena. Vitsy tamin’ireo nitsambikina no tafita velona mba hilaza ilay fandehany, ary tsy mahagaga izany satria midona amin’ny rano amin’ny hafainganam-pandeha 120 kilaometatra isan’ora izy ireo ka mazàna dia manapotika ny taova ao anatiny. Nampiharihary ny fandinihana iray natao tamin’ny olona 500 izay noresena lahatra mba tsy hitsambikina, fa latsaka ny dimy isan-jato no niafara tamin’ny famonoan-tena tatỳ aoriana.

Fahafatesana Mifandray Amin’ny Fifamoivoizana

Noho ny fahafatesana 26 isaky ny mponina 100 000, i Arzantina dia mitana ny loha laharana ankehitriny eo amin’izao tontolo izao, eo amin’ny isan’ny fahafatesana mifandray amin’ny fifamoivoizana, araka ny gazety Clarín any Arzantina. Nandritra ny taona 1993, dia nisy fahafatesana 8 116 toy izany tao amin’io tany io. Niakatra ho 9 120 ilay isa tamin’ny 1994. Nandritra ireo enim-bolana voalohany tamin’ny 1995 anefa, dia efa nisy fahafatesana mifandray amin’ny fifamoivoizana maherin’ny 5 000 sahady. Tamin’ny 1994, dia tokony ho ny 25 isan-jaton’ireo niharam-pahavoazana no mpandeha an-tongotra. Tao amin’ny provans’i Buenos Aires fotsiny, dia nitombo 79 isan-jato ny fahafatesana ateraky ny lozam-pifamoivoizana. Ny ampahany lehibe amin’ireo lozam-pifamoivoizana dia vokatry ny tsy fanaovan’ny mpitondra fiara vinavina tsara rehefa misongona fiara hafa.

Fifohan’ny Ankizy Sigara

Asehon’ny tatitra iray tamin’ny taona 1993/1994 fa ankizy maro kokoa no mifoka sigara any Grande-Bretagne. Avy tamin’ny 10 isan-jato ka nitombo ho 12 isan-jato ny isan’ny mpifoka 11 ka hatramin’ny 15 taona. Avo roa heny noho izay nampoizin’ny manam-pahefana ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana ho an’ny taona 1994 izany fitomboana izany, hoy ny fanamarihan’ny gazety Independent. Na dia nisy aza fihenana teo amin’ny fifohan’ny olon-dehibe sigara, dia 29 isan-jato eo ho eo amin’ny lehilahy britanika sy 27 isan-jato eo ho eo amin’ny vehivavy no mbola mifoka. “Mety hotakina ny fihenana miavaka kokoa eo amin’ny fifohan’ny olon-dehibe sigara, alohan’ny hisian’ny akony lehibe eo amin’ny fihetsiky ny tanora”, hoy ny fanatsoahan-kevitr’ilay tatitra.

Fahadiovan’ny Aty Vava ho An’ny Be Taona

“Mety hiankinan’ny aina ho an’ny zokiolona ny fahadiovan’ny aty vava”, hoy ny Asahi Evening News. Nanatsoaka hevitra ireo mpahay siansa japoney fa “afaka mampihena ny mety hahavoan’ny pnemonia ny tenany ireo zokiolona, amin’ny fiborosiana ny nifiny fotsiny”. Tao amin’ny fandinihana iray natao tamin’ny zokiolona 46, ny antokony iray nisy zokiolona 21 dia nasain’ny mpitsabo mpanampy niborosy tanteraka ny nifiny isan’andro taorian’ny sakafo antoandro. Nanaovana fizahana ny fahadiovan’ny nify, indroa na intelo isan-kerinandro, koa izy ireo. Taorian’ny telo volana dia hita fa ireo 21 ireo dia azon’ny fanaviana latsaka folo andro noho ny an’ireo 25 izay tsy nanaraka ilay fahazarana. Nolazaina fa ny tsy fisian’ny bakteria tao amin’ny aty vava no antony nahatonga ilay fahasalamana tsara kokoa. Nanatsoaka hevitra ny fandinihana iray teo aloha fa “ny ranon’ivy na ny potipoti-kanina sendra tafiditra ao amin’ny havokavoka dia matetika no miteraka pnemonia”, hoy ilay gazety.

Tsy Fetezan-ko Faty Amidy Ve?

“Dimy Amby Telopolo [Dolara] dia Mety Hahazoanao Tsy Fetezan-ko Faty”, hoy ny filazan’ny Register-Guard any Eugene, Oregon, Etazonia. Manambara ny fahavononany hitahiry ny ADN-nao i James Bicknell, microbiologiste, hany ka, araka ny filazan’ilay gazety, “any amin’ny taonjato ho avy any ho any, dia ho azon’ny taranaka iray be fitiavana ampiasaina ny fanazavana biolojika ao amin’ilay ADN mba hanaovana kopia iray aminao”. Mivarotra fitahirizana ADN izay voaforona piesy roa, dia lamba kely makarakara tsy misy mikraoby sy fitahirizan-dranoka kely, ny Dr. Bicknell. “Kosehinao amin’ilay lamba kely makarakara ny ao amin’ny atin’ny takolakao”, hoy izy, “dia ampidirinao ao anatin’ilay ranoka ilay lamba kely makarakara, ary averinao atỳ amiko.” Avy eo izy dia manatsoaka ilay ADN avy amin’ireo sela izay nokosehina ka niraikitra tamin’ilay lamba kely makarakara ary mametraka an’ilay ADN eo amin’ny taratasy tantavana (filtre). Avy eo ilay taratasy dia tahirizina ao anaty tioba iray ao anaty boaty viraty kely iray misy ny anaranao voasokitra eo aminy, mba hasehonao rehefa tianao. Hoy ny Guard: “Manatsoaka hevitra izy fa mitahiry lavenom-paty, volon-doha sy silaka hoho ny olona. Zavatra holovain’ireo zafikelinao ny boaty iray misy ADN.”

Kianina Mafy ny Fitsaboana Fototarazo (gènes)

Be ny fanantenana, enin-taona lasa izay, rehefa natomboka voalohany teo amin’ny olombelona ny fitsaboana fototarazo. Ireo mpahay siansa dia nanantena, any aoriana, ny hanasitrana aretina zenetika nolovana, amin’ny alalan’ny fanaovana tsindrona fototarazo mitondra fanitsiana amin’ireo marary tsaboiny. Nantenain’izy ireo koa ny hanaovana tsindrona foto-javatra zenetika izay hahatonga an’ireo sela manimba, toy ny selan’ny kansera, hamono tena. Kanefa, taorian’ny fikarohana tamin-kafanam-po be, dia manjary kianina ilay fitsaboana. Hoy ny fanambaran’ny International Herald Tribune: “Tamin’ilay fahataitairana rehetra, dia tsy nisy tatitra navoaka singany iray momba ny marary iray izay nampiana tamin’ny alalan’ny fitsaboana fototarazo.” Atahoran’ireo mpahay siansa lohandohany sao rotorotoin’ny fitadiavana tombontsoa ara-barotra sy manokana haingana loatra, fa tsy ny fiahiana an’ireo marary, ilay fikarohana. Olana iray ny hoe mety hotafihin’ny hery fanefitry ny vatana sy hovonoiny ireo sela tsaboina amin’ny alalan’ny fitsaboana fototarazo, satria heveriny ho vahiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara