FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/1 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miatrika “Loza Ara-pahasalamana” Izao Tontolo Izao
  • Fampihenana ny Fahafatesan-jaza Tampoka
  • Fizakana ny Fanaintainana ao Amin’ny Lamosina
  • Kilalao Vidéo Feno Herisetra
  • Virosy Manahirana
  • Vokatry ny Tontolo Iainana Feno Poizina Ve?
  • Manana Fijery Manjombona Momba ny Hoavy Ireo Tanora
  • Tsy Ilazana Ireo Mpitondra VIH
  • Zava-baovao any Amin’ny Foaran’ny Rameva
  • Mihalefy Ireo Fotopoto-pitsipika Ara-pitondran-tena any Sina
  • Karazana Vaovao
  • Tokony Hanao Kilalao ao Amin’ny Ordinatera na Vidéo ve Aho?
    Mifohaza!—1996
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1996
  • Rameva
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/1 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Miatrika “Loza Ara-pahasalamana” Izao Tontolo Izao

“Ny mpamono olona lehibe indrindra sy ny antony lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao mahatonga ny tsy fahasalamana sy ny fijaliana maneran-tany dia (...) ny fahantrana tanteraka.” Izany no nolazain’ny The World Health Report 1995, navoakan’ny OMS (Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana). Tsy afaka mahazo fanafody tena ilaina ny antsasaky ny olona 5,6 arivo tapitrisa eo amin’izao tontolo izao; efa ho ny ampahatelon’ny ankizy eo amin’izao tontolo izao no misakafo ambany foitra; ary ny ampahadimin’ny mponina maneran-tany no miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka, araka ny voalazan’ilay tatitra. Ny The Independent, gazety iray any Londres, Angletera, dia manonona ny tenin’ny tale jeneralin’ny OMS ho fampitandremana ny amin’ny “loza ara-pahasalamana izay hahitana ny maro amin’ireo zava-bita lehibe (...) tao anatin’ireo am-polony taona faramparany hanao dia miverina”.

Fampihenana ny Fahafatesan-jaza Tampoka

Ao amin’ny fanjakan’i Rhénanie-du-Nord-Westphalie, any Alemaina, dia misy fandaharana anomezana ho an’ireo ray aman-dreny tera-bao rehetra, taratasy mivalona kely mampahafantatra azy ireo ny anton-javatra izay mety hampitombo ny fahafatesan-jaza tampoka. Taorian’ny nanorenana ilay fandaharana, dia nihena 40 isan-jato ny fahafatesan-jaza tampoka tao amin’ilay fanjakana, araka ny voalazan’ny gazety Süddeutsche Zeitung. Manaraka fandaharana mitovy amin’izany i Aostralia, i Angletera, i Holandy sy i Norvezy, izay voalaza fa nahita fihenana hatramin’ny 60 isan-jato tamin’ny fahafatesana toy izany. Mampitandrina ny ray aman-dreny mba tsy hametraka ny zazakely hatory hihohoka, tsy hampiasa firakotra lehibe voasesika volom-borona na kidoro malemy, tsy hifoka sigara mandritra ny fitondrana vohoka, sy tsy hamela ny zaza vao teraka ho azon’ny setro-tsigara, io fandaharana vaovao fampahafantarana momba ny fahafatesan-jaza tampoka io.

Fizakana ny Fanaintainana ao Amin’ny Lamosina

Mitranga amin’ny 90 isan-jaton’ny olona maneran-tany amin’ny fotoana iray eo amin’ny fiainany ny fanaintainana moramora ao amin’ny lamosina, izay “tsy fahasalamana mateti-piseho indrindra mahazo ny olombelona”, araka ny voalazan’ny The Medical Post any Kanada. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, dia mety ho tsy tena ilaina ny hidiran’ny fitsaboana lafo be. Milaza ny Dr. Garth Russell, orthopédiste, fa “ny 90%-n’ny fisehoan’ny fanaintainana tampoka na mamaivay be ao amin’ny lamosina (mazàna aorian’ny fanaovana asa ara-batana), dia mifandray fotsiny amin’ny fikainkona mafin’ny sira-damosina, ary ho maivamaivana amin’ny alalan’ny fakana aina eo am-pandriana mandritra ny roa ka hatramin’ny telo andro”. Aorian’izany, hoy ny torohevitra nomen’ny Dr. Russell, “dia manomboha manao fampiasan-tena malefaka ary tohizo indray ny asanao andavanandro”.

Kilalao Vidéo Feno Herisetra

Mihanaka eo amin’ny kolontsain’ny tanora maro ny kilalao vidéo aseho toy ny tena izy, feno herisetra, araka ny voalazan’ny tatitra iray ao amin’ny The Vancouver Sun any Kanada. Ilay gazety dia manonona fandinihana iray izay mampiseho fa manjary taitaitra ara-batana ireo mpilalao tanora rehefa manao kilalao toy ireny. Mihafaingana ny fitepon’ny fony — amin’ny toe-javatra sasany dia mihoatra noho ny avo roa heny. Nampanahy an’ilay mpanao fikarohana ny fanontaniana hoe: “Moa ve ireo ankizy mihazona ny herisetra ho ao anatin’ny faritry ny kilalao vidéo sa misoko eo amin’ny fiainan’izy ireo izy io?” Mino ilay profesora momba ny fampianarana atao hoe Charles Ungerleider ao amin’ny Oniversiten’i British Columbia fa ny kilalao toy ireny dia mandefa ilay hafatra hoe fomba iray amahana olana ny herisetra. Hoy ny fanamarihany: “Ohatra mampiavaka ny fitambaran’olona ny hoe endri-pialam-boly azo ekena ny kilalao vidéo feno herisetra.”

Virosy Manahirana

Araka ny voalazan’ny lahatsoratra iray ao amin’ny U.S.News & World Report, “ireo areti-mifindra vaovao ary koa ireo aretina fantatra efa hatramin’ny ela dia mirongatra”. Nahoana? Misy anton-javatra maromaro nampitombo ny maha-mora andairan’ny aretina ny olona, hoy ny fanazavan’ny gazety soisa Neue Zürcher Zeitung. Ireo anton-javatra dia mahafaoka ny fitomboan’ny fanaovana dia lavitra iraisam-pirenena, izay miteraka ny fidiran’ny aretina eo amin’ireo mponina tsy manana hery fanefitra. Fanampin’izany, ny mampahatahotra ny olona ao amin’ny CDC (Centers for Disease Control na Foibe Fanaraha-maso ny Aretina), any Atlanta, Georgia, dia “ireo mikraoby mahazatra, izay nofongorana mora foana tamin’ny antibiotika teo aloha, izay nanomboka nandresy na dia ny fanafody vao haingana indrindra sy mahery indrindra aza”.

Vokatry ny Tontolo Iainana Feno Poizina Ve?

Araka ny voalazan’ny gazety The Globe and Mail, dia sambany i Kanada vao nahita fitomboana teo amin’ny taham-pahafatesana teo amin’ny fireneny, fitomboana lehibe lavitra noho izay notombanana. Tsy fitomboana 3 isan-jato araka ny nampoizina no nitranga, fa nitombo 4,3 isan-jato kosa ny isan’ny maty teo amin’ireo Kanadianina nanomboka tamin’ny 1992 ka hatramin’ny 1993, ka izany no fitomboana ambony indrindra tamin’izay voarakitra an-tsoratra. Ireo tarehimarika dia mahafaoka fitomboana eo amin’ny fahafatesan’ny ankizy, dia fitomboana voalohany tao anatin’ny 31 taona. Tsy fahita sy mampahatahotra ireny fitomboana ireny, araka ny voalazan’ilay tatitra. Ny manam-pahaizana kanadianina iray dia nampahatsiahivina ny amin’ny fahafatesan’ny canari — nampiasaina tamin’ny lasa mba hampitandremana ny amin’ny fisian’ny gaza feno poizina tao amin’ireo toeram-pitrandrahana mineraly. “Moa ve izany mety ho famantarana voalohany ny amin’ny hoe mihafeno poizina kokoa hatrany ny tontolo iainana?”, hoy ny fanontaniana napetraka.

Manana Fijery Manjombona Momba ny Hoavy Ireo Tanora

Nantsoina hoe “tany manam-bintana” i Aostralia taloha, saingy tanora aostralianina mihamitombo isa hatrany no mety tsy hiombon-kevitra amin’io fanombanana io amin’izao andro izao. Hitan’ny gazety The Australian, izay nanao tatitra momba ny fandinihana iray natao tamin’ny tanora eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 19 taona, fa nanana “fahitana ‘mahatsinjo loza mananontanona’ ny amin’ny hoavin’ny toe-karen’i Aostralia” izy ireo. Nadinadinina ireo mpianatra teo amin’ny faha-9, faha-10, sy faha-11 taonany naha-tao amin’ny sekolim-panjakana, sekoly katolika, sy sekoly tsy miankina, azy ireo. “Araka ilay tatitra, dia toa manondro ‘mazava tsara’ ireo vokatry ny fanadihadiana fa ‘tsy miandrandra amim-pahadodonana ny hoavy’ ny taranaka ankehitriny 15 sy 16 taona — noho ny finoany fa mihamahery setra kokoa ny fitambaran’olona ary hitoetra ho ambony ny tsy fahitana asa”, hoy ilay gazety. Rehefa nasaina hilazalaza ny fiainany mandritra ny folo taona ho avy “ny ankamaroan’ireo namaly, dia nanonona toe-karena mitambotsotra sy fitambaran’olona izay ahitana olona manana fifehezana mihena, raha ny amin’izay iafaran’izy ireo eo amin’ny lafiny toe-karena”.

Tsy Ilazana Ireo Mpitondra VIH

Any Japon, ny dokotera sasany dia tsy mampahafantatra an’ireo mpitondra VIH ny amin’ny aretiny, ka noho izany, dia nanjary voa ny vadin’ireny mpitondra VIH ireny. Taorian’ny nanaovana fanadihadiana hopitaly sy toeram-pitsaboana 363 tao amin’ilay tany, dia nahariharin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Fanasoavam-bahoaka fa ny 43 isan-jato monja amin’ireo toeram-pitsaboana no mampahafantatra an’ireo marary rehetra misy VIH ny amin’ny tsy fahasalamany. Tokony ho 28 isan-jato no tsy mampahafantatra afa-tsy ny sasany amin’ireo marary ao aminy. Niaiky ny hopitaly sasany fa tsy nampahafantatra velively an’ireo marary ao aminy izy ireo, raha mbola tsy nety namaly ny fanontaniana tamin’ilay fanadihadiana koa ny hopitaly hafa, hoy ny The Daily Yomiuri. Ny antony lehibe iray nomen’ireo dokotera ho nahatonga azy ireo tsy nampahafantatra dia ny hoe “faran’izay manondrantsondrana” ireo mpitondra VIH.

Zava-baovao any Amin’ny Foaran’ny Rameva

Raha manantena zavatra tsy fahita firy ireo mpizaha tany matetika rehefa manao dia lavitra, dia mety ho toa tena hafahafa ho an’ireo mponina eo an-toerana ny tenan’izy ireo mihitsy. Manao tatitra ny International Herald Tribune fa nahita an’ilay toerana izay mety ho ny tsenan-drameva lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao any amin’ny tanànan’i Pushkar, tanàna any an’efitra any avaratra, any India, ireo mpizaha tany tandrefana. Any, ireo mpivarotra rameva dia mahita an’ireo mpitsidika azy vahiny ho mampihomehy. Hazavain’ny Tribune fa “ireo mpikarakara ny rameva dia variana amin’io karazan’olona hafahafa io, izay mivoaramena rehefa taninin’ny masoandro any an’efitra, izay mijery an’izao rehetra izao amin’ny alalan’ny boaty mainty tazonina eo anoloan’ny tarehiny [fakantsary] ary vonona handoa $2 (mihoatra ny karama roa andro ho an’ny ankamaroan’ny mpiompy any an’efitra) amin’ny fitaingenana rameva miresaresa, mandritra ny adiny iray”. Rehefa nanontaniana ny olona iray mpivarotra rameva hoe tsara sa ratsy ny fitomboan’ny isan’ny mpizaha tany, dia namaly izy hoe: “Tsara. Tianay ny mijery azy ireo.”

Mihalefy Ireo Fotopoto-pitsipika Ara-pitondran-tena any Sina

“Mandrahona ny fototry ny fitambaran’olona sinoa, dia ny fianakaviana, ny fanahiana be loatra ny amin’ny harena”, hoy ny tatitra nataon’ny The Wall Street Journal. “Miharava ny fianakaviana, ka miteraka tanora ‘taranaky ny izaho aloha’ tia tena. Tafakatra ambony be ny heloka bevava sy ny fandraisana kolikoly.” Ireo ankizy izay nanaja ny ray aman-dreniny taloha dia mampiasa azy ireo ho toy ny mpiasa ankehitriny ary tsy vonona hikarakara azy ireo eo amin’ny fahanterany, hoy ny mpanao fikarohana iray. Na dia maro aza any Sina no mbola mitana ny fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena nentim-paharazana, dia efa lefahina izy ireny satria olona an-tapitrisany maro no mandao ny tokantranony mba hikarohana toe-piainana tsara kokoa any an-toeran-kafa. “Nanjary zava-kendrena ny fikatsahana vola. Mba hahazoana vola, dia vonona hanao tsirambina ny tsara, hanao tsirambina an’ireo fari-pitsipi-pitondran-tena ara-tsosialy ny olona”, hoy i Bai Jingfu, minisitra lefitra amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.

Karazana Vaovao

Mitady karazan-javamaniry vaovao ireo botanista britanika sy brezilianina ka manao fikarohana eo amin’ny tendrombohitra tokana iray any avaratra atsinanana amin’i Brezila nandritra ny 20 taona mahery. Hatramin’izao dia mahagaga fa nahita karazana miisa 131 izay tsy fantatra teo aloha izy ireo, ka izy rehetra ireo dia maniry ao anatin’ny faritra 171 kilaometatra tora-droa monja. Io “saha Edena” io, araka ny fiantsoan’ny gazety Folha de São Paulo an’ilay toerana, dia maniry eo amin’i Pico das Almas manana haavo 1 960 metatra ao amin’ny fanjakan’i Bahia, any Brezila. Nizaha herbiers (firaketana karazan-javamaniry) 3 500 teo ho eo ireo botanista mba hahazoana antoka fa tena zava-baovao tokoa ireo zavamaniry rehetra ireo — ary izany no izy. Nilaza tamin’ilay gazety toy izao i Simon Mayo avy ao amin’ny Royal Botanic Gardens any Angletera: “Mahazendana ny hoe zavamaniry maro aoka izany no sambany vao hita atỳ amin’ny faran’ny taonjato faharoapolo.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara