Ho Tianao ve ny Hihaona Amin’ny Cobra?
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any India
HO TIANAO ve? Mety hamaly hoe tsia ny ankamaroan’ny olon-dehibe. Tsy voatery hamaly toy izany anefa ny ankizy iray. Tsy lafin-toetra nolovana tonga ho azy ao amin’ny ankizy kely na ao amin’ny biby mihitsy koa aza ny tahotra bibilava, anisan’izany ny cobra. Ny tsy fitiavana bibilava dia mety hateraky ny fanazavana izay tsy azo ianteherana, ny tantara nampitomboina, ny angano, sy ny hevi-diso.
Mazava ho azy fa rehefa manasa anao hihaona amin’ny cobra iray izahay, dia avy eny amin’ny halavirana tsy misy atahorana no tianay holazaina! Be poizina aoka izany ny cobra, ary tsy ho tiantsika ny hanatona cobra iray ka haninjitra ny tanantsika hisafosafo azy. Azo inoana koa fa tsy hiandry eo akaiky eo ilay cobra mba hitsenana antsika; raha vao mahare antsika manatona izy, dia hitsoriaka ho any amin’ny toeram-piafenana iray tsy misy atahorany. Koa aoka àry isika hianina amin’ny fihaonana amin’ny cobra, amin’ny alalan’ny fianarana fotsiny zava-misy mahasondriana sasany momba io zavaboary mahaliana io.
Ny cobras dia biby mandady amin’ny sokajy Serpentes sy fianakaviana Elapidae, anarana omena ny bibilava misy poizina sady manana vangy misy loaka. Misy tokony ho 12 ny karazana cobras miely patrana, manomboka any Aostralia sy manerana an’ireo tropikan’i Azia sy i Afrika manontolo ka hatrany Arabia sy ny Fehivorintany Ivo (zone tempérée). Ny cobra mpanjaka, na hamadryade, no mampahatahotra indrindra amin’ireo cobras. Amin’ny halavany telo ka hatramin’ny dimy metatra, dia izy io no bibilava lehibe indrindra misy poizina eo amin’izao tontolo izao. Koa satria tiany kokoa ny lobolobo ben’ny ala mikitroka na ny honahona, izay be orana, dia mety ho hita any atsimo amin’i Sina, any Philippines, Indonezia, Malaysia, Myanmar, sy any amin’ireo faritra eto India, izy io. Mahatonga azy ho tsara tarehy ihany ny rambony mainty ngilo, ireo soritsoritra miloko eo amin’ny vatany mavo manopy maitso, izay mivadika ho maitso antitra rehefa mihantitra izy, sy ireo vondrom-pentina kely eo amin’ny ravin-tendany.
Iray ka hatramin’ny roa metatra, amin’ny antsalany, ny halavan’ny karazana cobras hafa. Tera-tany eto India sady miely patrana eto, ny serpent à lunettes, manana marika tsy manan-tsahala eo amin’ny ravin-tendany, marika izay mitovy amin’ny solomaso. Io cobra io dia mety ho mainty, volontakatra antitra, na fotsy manopy mavo ary misy soritra lehibe mainty mihodidina ny tendany sy soritsoritra mipentimpentina fotsy sy mavo manaraka ny halavan’ny vatany. Tanora kokoa ny lokon’ny cobra manao ilan-tsolomaso (Naja naja kaouthia) hita any Sri Lanka ary koa any atsinanana sy avaratra atsinanana amin’i India, cobra manana ravin-tenda kely kokoa sady boribory kokoa izay misy faribolana fotsy tokana, ka mahatonga ilay anarany. Any avaratra andrefana amin’i India sy any Pakistan, isika dia mahita cobra mainty ngilo. I Afrika dia manana, ankoatra ny cobras hafa, ny ringhals (Hemachatus hemachatus), antsoina koa hoe cobra mandrora, sy ny cobra ejipsianina. Angamba io farany io izay bibilava mainty sy tery ravin-tenda, no ilay aspic izay lazaina fa nahafaty ny Mpanjakavavy Cléopâtre.
Tsy mivady afa-tsy amin’ny iray karazana aminy ny bibilava, noho izy ireo voasinton’ny fofona mahery iray tsy manan-tsahala. Mampiseho fahalianana bebe kokoa amin’ny fianakaviana noho ny bibilava hafa ny cobra, ka matetika dia miara-mitoetra ny lahy sy ny vavy. Iray amin’ireo bibilava vitsy fantatra ho manao toeram-pikotrehana, ny vavy amin’ny cobra mpanjaka. Manangona ravinkazo ho antontany iray tokony ho 30 santimetatra izy ka mametraka atody 20 ka hatramin’ny 50 ao anatin’izy io. Avy eo izy dia mampihorona ny vatany manodidina ilay antontan-dravinkazo ka mitoetra eo, tsy misakafo, mandritra ny efa ho roa volana ikotrehana, ary mitoetra eo akaiky eo koa ny lahy matetika. Ny cobras hafa, izay tsy manomana toeram-pikotrehana, dia mitoetra eo akaikin’ny atodiny mba hiarovana azy ireo.
Mampiasa karazana nify iray, izay mitsoaka atỳ aoriana, ny bibilava zanany kely mba hamakiana an’ilay akora sy hamoahany ny tenany. Rehefa mipoitra izy ireo dia mahaleo tena tanteraka, manana fihary poizina sy vangy ary fomba. Mamoaka ny lelany matetika izy ireo, manandrana ny tsiron’ny manodidina, ka mampita fanazavana ara-tsimia mankany amin’ilay antsoina hoe taovan’i Jacobson eo amin’ny lanilanin’ny vavany. Mifandray amin’ny fanamboloana io taova io; manampy an’ilay bibilava hitsongo dia ny hazany, hahita vady, na handositra mpiremby, ny fikambanan’ny fahatsapana tsiron-javatra sy ny fanamboloana.
Mitombo haingana ilay bibilava kely ary, ao anatin’ny fotoana fohy, dia manesotra ny hodiny ivelany, izay nanjary tery loatra. Miverimberina tsy tapaka io fisehoan-javatra tsy fahita firy io, satria tsy mitsahatra mitombo ny cobra mandritra ny androm-piainany manontolo, izay mety ho maherin’ny 20 taona. Mandritra ny herinandro na tapa-bolana alohan’ilay fiofoana, dia manjary malai-mihetsika ilay bibilava, manjary vasoka ny hodiny, ary mivadika ho manga manopy lokon-dronono ny masony. Avy eo, tampoka eo, dia mazava ny masony, ary amin’ny fikosikosehana ny lohany amin’ny vato, dia mampizara roa an’ilay hoditra tonta eo amin’ny vavany izy. Izao izy dia mandady ara-bakiteny mivoaka avy ao amin’ilay hodiny, raha mbola miendaka mivadika izy io, manomboka eo amin’ny sarona mangarahara mandrakotra ny masony ka hatrany amin’ny rambony. Izao dia bibilava iray mavitribitrika, mangirangirana, manana fisehoana ivelany vaovao, no vonona hanao ny asany mahazatra.
Misy akony lehibe eo amin’ny cobras ny maripanan’ny rivotra. Rehefa mangatsiaka ny andro, dia miadam-pihetsika izy ka manjary matory mihitsy aza, ary tsy mihetsiketsika raha tsy rehefa miakatra ny maripana. Afaka mamono azy ny hafanana be loatra. Afa-tsy ny amin’ny cobra mpanjaka, izay mihinana bibilava, ny sakafon’izy ireo dia voalavo, totozy, sahona, androngo, vorona, sy biby kely hafa. Rehefa voasambotra ilay haza, dia mahatonga azy io tsy hahahetsika ny fanindronana poizina. Atelina manontolo ilay haza, satria tsy manam-pitaovana hitsakoana sakafo ny cobra. Mamela ny cobra hitelina biby avo roa heny na avo telo heny noho ny haben’ny lohany, ny fahafahan’ny hodiny mizozotra (élastique) sy ny fahaizan’ny valanoranony milefitra. Rehefa tsentsin’ilay haza tanteraka ny vava, ilay bibilava dia miaina amin’ny fampandrosoana ny fidirana mankao amin’ny traokabe (trachée) ho ao ambadik’ilay zavatra manentsina, tsy misy hafa amin’ny mpilomano iray mampiasa fantsona fiainana anaty rano (tuba). Izao dia mamindra an’ilay haza hiditra ao anatin’ny vatan’ilay bibilava ireo laharana nify mibilaka miverina. Mihataka ho any amin’ny toerana iray mangingina izy mba handevonana moramora ilay sakafo, angamba tsy hihinana indray mandritra ny andro maromaro. Afaka mivelona mandritra ny volana maro tsy misakafo ny cobra, amin’ny fampiasana ilay tavy voatahiry ao anatin’ny vatany.
Mitandrina ny bibilava. (Jereo ny Matio 10:16, NW.) Ny fiarovan-tenan’ny cobra dia ny fandosirana, angamba amin’ny fandadiana ambanin’ny vatolampy iray na ho ao anaty lava-boalavo ipetrahany, na amin’ny tsy fihetsehana, ka amin’izay dia tsy hita. Rehefa atrehina izy, dia mitsangana sady manenjana ny ravin-tendany, mamoaka feo hoe “sss” mba hampitahorana ilay fahavalo. Ny kaikitra no fara heriny.
Kaikitry ny bibilava
Matetika dia tsy anaovana tatitra ny kaikitry ny bibilava any ambanivohitr’i Afrika sy i Azia, kanefa toa hita maneran-tany fa olona tokony ho iray tapitrisa no voakaikitry ny bibilava misy poizina isan-taona. Mitana ny tampon’isa i India raha ny amin’ny isan’ny maty — manodidina ny 10 000 isan-taona — angamba avy amin’ny serpent à lunettes ny ankamaroany. Tokony ho ny 10 isan-jaton’ny kaikitry ny cobra no mahafaty.
Votsa kokoa noho ny bibilava maro ny cobra; afaka mandresy azy amim-pahaiza-miady ny mangouste mailaka, iray amin’ireo fahavalony lehibe indrindra. Miantsambotra amin’ilay bibilava ilay mangouste, avy eo dia mihodivitra miverimberina ny famelezany, ka mahatonga an’ilay cobra ho sorena sy hiahotrahotra. Manafika avy ao ambadiky ny ravin-tendany ilay mangouste ka manapaka ny tendany. Bibilava maro no mamely avy amin’ny fitoetra mihorona, ka manasarotra ny fahafantarana ny halavirana tratrany, fa mampiakatra ny vatany kosa ny cobra ka mamely mahitsy. Azo vinanina ilay halavirana, ary afa-miala tsy ho azon’ilay fihetsehany somary votsa ny olona iray.
Miaro tena amin’ny alalan’ny fandrorana ny cobras sasany, toy ny ringhals sy ny cobra mainty tenda any Afrika Atsimo ary ny cobras any avaratra atsinanana amin’i India. Mitsangana ilay bibilava ka mampifantoka ny vanginy amin’ilay hasiany, ary miaraka amin’ny rivotra avoakany, dia afaka mampifantsitsitra poizina manify roa avy eny amin’ny mihoatra ny roa metatra izy. Eo amin’ny hoditra izany dia tsy manimba, fa raha miditra ny maso kosa ilay izy, dia mety hahatonga fahajambana mihelina, ary raha tsy sasana haingana, dia ho fahajambana raikitra. Mahagaga fa toa afaka mikendry ny maso ilay bibilava.
Aoka hatao hoe tena manaikitra anao ny cobra iray, inona no tokony hataonao? Mipotsaka avy ao anatin’ny kitapom-poizina eo amin’ny takolak’ilay bibilava ny poizina, mandalo vangy roa fohy poaka aty izay miraikitra eo anoloana amin’ny valanoranon’ilay bibilava. Milentika eo amin’ny hoditra ireo vangy ireo ka mampiditra an’ilay poizina, toy ny ataon’ny serengy ampidirina amin’ny soso-koditra. Ny hany fanafody azo antoka amin’ny kaikitry ny bibilava dia ny ody poizina iray nomanina avy tamin’ny poizin’ny bibilava karazany efatra misy poizina. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia i India no tany voalohany nampiasa be dia be ody poizina. Mandaitra mandritra ny dimy taona ny ody poizina vovony tsy ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana; rehefa tampohana rano ilay izy dia atsindrona.
Fanaintainana sy fivontosana eo amin’ilay faritra voa, fahitana manjavozavo, fivembenana, paralisian’ny lohatraoka (larynx), sy fisefo miadana, no fisehoan’ny vokatry ny kaikitry ny cobra. Manaraka ao anatin’ny adiny roa eo ho eo ny fahafatesana vokatr’izany, raha toa ka poizina be dia be no tafiditra ary tsy nisy fitsaboana natao.
Ilay mpibaiko bibilava
Endri-pialam-boly iray tena tranainy ny fibaikoana bibilava. Natao indrindra indrindra tany Atsinanana izy io, ary nisy cirques tandrefana sasany nampiditra azy io tao anatin’ny fandaharany. Noho ny ravin-tendany tsy fahita firy sy ny fironany ho hendratrendratra, dia ny serpent à lunettes no bibilava fampiasa be mpitia indrindra, kanefa ampiasaina koa ny bibilava hafa manana fisehoana ivelany manaitra, toy ny bibilava mpanjaka sy ny boa-n’ny fasika mena. Rehefa mitsoka ny sodiny ilay mpibaiko, mpanao fampisehoana kinga iray, dia miakatra avy ao amin’ilay harona ipetrahany ilay cobra ka manenjana ny ravin-tendany mba hakana ilay fitoetra fiarovan-tenany ara-dalàna. Ny fihetsiketsehan’ilay mpibaiko bibilava dia misy akony eo amin’ilay bibilava, raha mbola mibanjina azy io izy, vonona foana ny hiaro tena amin’izay mety ho famelezana. Nesorina ny vangin’ny ankamaroan’ireo cobras ampiasain’ny mpibaiko bibilava, kanefa misetra loza amin’ny fiaraha-miasa amin’ny bibilava misy poizina ny olona sasany.
Teto India fahiny, ilay mpibaiko bibilava mpitety faritany dia mpitantara hevitra sy angano ara-pivavahana koa, ka nahatonga azy ho nanintona ny besinimaro. Amin’izao andro izao, dia ahazoam-bola kokoa ny manao fampisehoana eo ivelan’ireo hotely falehan’ny mpizaha tany dodona ny haka sary. Misy mpibaiko bibilava sasany mitsidika trano ary mampahafantatra ny tompon-trano hoe azo inoana fa misy bibilava ao an-jaridainany lehibe. Ho takalon’ny vola ifanarahana, dia milaza ny fahavononany hisambotra azy ireo izy. Manjavona any anaty kirihitra izy, ary rehefa afaka kelikely sady re mandritra izany fotoana izany ny feon’ny sodiny, dia miverina miaraka amin’ny bibilava eran’ny harona izy. Mazava ho azy fa ho nampiseho fahendrena ilay tompon-trano raha nanara-maso azy na, fara faharatsiny, raha nijery raha nivimbina harona nisy bibilava niaraka taminy izy!
Mampiana-javatra ireo faritra fiarovana bibilava
Mampirisika ny hananana fahalianana amin’ny biby mandady ireo faritra fiarovana bibilava. Manohana fikarohana sy mampianatra momba ny fisorohana sy ny fitsaboana ny kaikitry ny bibilava ary miasa ho amin’ny fiarovana ny bibilava amin’ny fierenana sy ny tsy fahalalan’ny olombelona, izy ireny. Nisy cobras novonoina mba hahazoana ny hodiny tsara tarehy, izay atao fehikibo, poketra kely, kiraro, sy entam-barotra haitraitra hafa. Tao anatin’ny herintaona dia bibilava maherin’ny folo tapitrisa no novonoina ho an’ny indostrian’ny hodi-bibilava teto India. Vonoina ary avy eo dia hodirina avy hatrany ireo bibilava. Ampiasaina eto India ny loko vita amin’ny zavamaniry mba handokoana an’ilay hoditra, ary ampangiranina amin’ny alalan’ny fitaratra ilay izy ary indraindray dia tifirina amin’ny karazana varinesy (vernis) mba hahatonga azy hamirapiratra sy tsy handray rano.
Tsy hay tombanana ny hasarobidin’ny cobra. Mitsimbina voamadinika an-taoniny maro izy io amin’ny famonoana voalavo sy biby mpanimba voly hafa. Manome izay ilaina amin’ny fanamboarana ody poizina sy fanamaivanana fanaintainana ary fanafody hafa ny poiziny. Eo am-pandinihana ny vokatra entin’ny poizin’ny cobra eo amin’ireo selan’ny kansera ny Tata Memorial Cancer Institute any Bombay.
Nankafizinao ve ny fihaonana tamin’ny cobra? Tsara tarehy izy, mahasoa, mitandrina, ampy fitaovana tsara mba hiarovana ny tenany. Afaka manampy antsika hahatakatra biby iray noharatsina be dia be izay anisan’ny fanjakan’ny biby, ny fahazoana fahalalana tsara kokoa azy io.
[Efajoro, pejy 19]
Fanompoam-pivavahana Amin’ny Cobra sy Finoanoam-poana
NISY nanomboka tamin’ny andro fahiny ny fanompoam-pivavahana amin’ny cobra. Hita teo amin’ireo tombo-kase tany Mohenjo-Daro, iray tamin’ireo sivilizasiona tranainy indrindra nofongarin’ny arkeology, ny sarina cobra. Nanomboka tamin’ny arivo taona fahatelo al.f.i. ka hatramin’izao andro izao, dia olona an-tapitrisany maro eto India no nanana fiheverana narahim-panajana ara-pivavahana feno finoanoam-poana ny amin’ireo cobras. Mahaliana fa maro amin’ireo tantara momba ny cobras no azo fantarina ho angano naolana niorina tamin’ny fisehoan-javatra ara-tantara tena nisy.
Milaza ny amin’ny fotoana iray izay tsy nisian’ny fahazavana teo amin’izao rehetra izao, ny “tantara” iray momba ny famoronana. Avy tamin’ireo rano kosmika maizina, dia noforonina aloha ilay andriamanitra mamirapiratra atao hoe Vishnu, avy eo ny lanitra sy ny tany ary ny tontolo any ambanin’ny tany. Avy tamin’ny akoran-javatra sisa tavela, dia noforonina ny cobra makadiribe iray antsoina hoe Shesha (midika hoe tapany sisa tavela). Lazain’ny angano fa i Shesha dia nanana loha 5 ka hatramin’ny 1 000, ary misy sary mampiseho an’i Vishnu mitsilany eo amin’i Shesha mihorona sady alokalofan’ireo ravin-tenda mivelatr’ireo loha maron’i Shesha. Lazaina fa avy amin’ny hoe manoaka i Shesha no mahatonga ny horohoron-tany, ary mandrava an’izao tontolo izao eo amin’ny faran’ny vanim-potoana iray ny afo avy amin’ny vavany na ny poiziny.
Milazalaza karazana cobra antsoina hoe Nāgas, izay mipetraka any amin’ny tontolo any ambanin’ny tany, Nagalok na Patala, ny angano hindoa. Nilaza, hono, ilay andriamanitra rajako atao hoe Hanumân fa tamin’ny “Vanim-potoana Tonga Lafatra”, dia masina avokoa ny olona rehetra, tsy nisy afa-tsy fivavahana tokana monja, ary tsy nisy izany demonia na Nāgas izany. Nanjary mpiambina an’ireo fananan’ny tany, hono, ireo bibilava ary nanana fahalalana lehibe sy hery majika. Nampiasain’ireo andriamanitra i Shesha, antsoina koa hoe Vasuki indraindray, mba hanontsankontsana ranomasin-dronono iray mba hamokarana amrit, zava-pisotro izay hanome ny tsy fetezan-ko faty. Ny tontolo any ambanin’ny tany, tapahin’ireo Nāgas, dia lazalazaina ho toerana iray faniry indrindra; ireo mpiady izay maty an’ady dia ampanantenaina fahafinaretana tsy azo saintsainina any.
Kanefa, tsy ny cobras rehetra araka ny angano no heverina ho tsara fanahy. Milaza ny amin’ny fifandonana teo amin’i Krishna, iray amin’ny fisehoan’i Vishnu amin’ny nofo, sy i Kaliya, cobra demonia lehibe ratsy fanahy, ny “tantara” iray. Misy sary mampiseho an’i Krishna mpandresy mametraka ny tongony eo ambonin’ny lohan’ilay bibilava lehibe.
Ivavahan’ireo vehivavy i Manasâ, na Durgamma, mpanjakavavin’ireo Nāgas, mba hiaro ny zanak’izy ireo amin’ny kaikitry ny bibilava. Amin’ny fetin’i Nagapanchami, ireo mpivavaka mafana fo amin’ny bibilava dia mandraraka ronono sy ra mihitsy aza eo amin’ny sarin’ireo cobras sy ao anaty lavaky ny bibilava. Ivavahan’ireo vehivavy manantena hitera-dahy ireo sarina cobras vita amin’ny vato na volafotsy ary atolony any amin’ny tempoly.
Ny cobra ao amin’ny sarimihetsika
Ny cobra amin’ny angano dia loha hevitra iray tena be mpitia ao amin’ireo sarimihetsika natao teto India — maherin’ny 40 no novokarina nanomboka tamin’ny 1928. Mazàna ny cobra dia aseho ho mpiambin’ny hatsaram-po, mpanampy an’ireo mpivavaka aminy mafana fo, sy mpandringana an’ireo ratsy fanahy. Be mpitia ilay angano ny amin’ireo cobras-n’i Icchadari, izay lazaina ho manan-kery haka endrik’olona. Lazaina ho manana vady tokana mampiseho fifikirana, izy ireo. Raha misy mamono mahafaty ilay vadiny, dia afaka mahita ny sarin’ilay mpamono eo amin’ireo mason’ilay bibilava maty ilay cobra, ary manainga hanao valy faty. Manjary fototra velombelona iorenan’ny sarimihetsika maro izany. Mitana toerana lehibe eo amin’ilay tantara ireo dihim-bibilava; amin’ny fanarahana mozika tahaka ny an’ny mpibaiko bibilava, ireo mpandihy dia manahaka ny fihetsiketsehan’ny bibilava, mikorisa eo amin’ny tany mihitsy aza.
Nalaina sary tamin’ny fety iray tany Rajasthan, India, izay ihaonan’ireo mpivavaka amin’ny bibilava ana hetsiny maro any an’efitra isaky ny Aogositra, ny sarimihetsika iray mirakitra zava-misy, dia ilay hoe Shakti. Eo ambany masoandro mahamay, ary ao anatin’ny maripana mahatratra maherin’ny 50 degre Celsius, izy ireo dia mikapo-tena amin’ny tehim-by sy mandady amin’ny kibony eo ambonin’ny fasika mahamay eo amin’ny roa kilaometatra mahery hatreo amin’ny tempolin’i Gogha, andriamanitra bibilava iray. Lazaina i Gogha, mpanjaka ara-tantara iray tamin’ny taonjato fahafolo am.f.i., fa namonjy ny vahoakany tamin’ireo mpanani-bohitra silamo, tamin’ny fitarihana an’ireo fahavalo ho any amin’ny faritra iray be bibilava, toerana izay nahafatesana be dia be tamin’ilay tafika noho ny kaikitry ny bibilava.
[Efajoro, pejy 20]
Novonjen’ny Cobra
Manana antony tokony hahavelom-pankasitrahana cobra iray ny fianakaviana roa any amin’ny tanàna kelin’i Sastur eto India. Namoha azy ireo tokony ho tamin’ny 3.50 maraina ny 30 Septambra 1993 ny “sss” mafin’ny cobra iray izay nandady nivoaka ny tranon’izy ireo. Nanenjika azy io tany an-tsaha izy ireo mba hamonoana azy. Tamin’ny efatra maraina, ilay horohoron-tany nahatsiravina tany afovoan-tany amin’i India dia nandrava ilay tanàna kelin’izy ireo ka namono nahafaty saika ny olona rehetra. Tafita velona ireo fianakaviana roa — noho ny fanampian’ilay fomba fanairana mialoha nataon’ilay cobra!
[Sary, pejy 16, 17]
Jery ivoho sy anoloana ny cobra any Azia
Sary kely anatiny: Manenjana ny ravin-tendany ny cobra mainty iray eo am-pitaninana andro eo ambonin’ny vatolampy mafana iray
[Sary nahazoan-dalana]
Sary eo amin’ny pejy faha-16 ka hatramin’ny faha-20: A.N. Jagannatha Rao, Trustee, Madras Snake Park Trust
[Sary, pejy 18]
Jery anoloana sy ivoho ny cobra mainty iray