Ireny Lalitra Maharikoriko Ireny — Mahasoa Kokoa Tsy Araka ny Ieritreretanao Azy Ve?
NY ANKAMAROANTSIKA dia mihevitra ny lalitra ho manorisory na loza tsotra izao ho an’ny fiaraha-monina. Hitan’ireo biolojista anefa fa ny lalitra, na dia mety hahasosotra aza, dia mahasoa kokoa tsy araka izay mety hieritreretantsika azy.
Misy karazany maro mandany fotoana betsaka amin’ny andro itetezana voninkazo, izay toy ny karazana fivarotana fast-food (sakafo voaomana haingana) manolotra mamimbony sy vovobony ho an’ireo bibikely clients eo aminy. Miankina amin’io sakafo be angôvo io ny lalitra sasany, izay afaka maka ny otrikaina avy ao amin’ny vovobony — efa zava-bita goavana — mba hanatodizana.
Eo am-pitetezana voninkazo, dia tsy azon’ny lalitra ialana ny itondrany vovobony madity, izay miraikitra ho azy amin’ny vatany. Nanana vovobony 1 200 teo amin’ny vatany ny lalitra iray izay nodinihin’ny biolojista tamim-pitandremana! Arakaraka ny nanaovana fikarohana maro kokoa momba ny anjara asan’ny lalitra amin’ny famindrana vovobony no nahitan’ny mpahay siansa fa miankina amin’izy ireo ny voninkazo sasany mba hitohizan’ny fisiany.
Milazalaza fitohitohizana fanandramana natao tany Colorado, Amerika Avaratra, ny gazety Natural History. Nisy lalitra mahazatra, izay mitovy amin’ny lalitra mandehandeha an-trano, nofafazana loko mamirapiratra mba hahafahana hanaraka mora foana ny lalany. Taorian’ny nanaraha-maso ny zavatra nataony isan’andro, dia gaga ireo mpanao fikarohana nahita fa ho an’ny voninkazo dia sasany, dia ny lalitra no mpametraka vovobony nanan-danja kokoa noho ny tantely ary koa fa nivezivezy nandeha lavitra be noho ny tantely izy ireo.
Ahoana no maha-zava-dehibe ny asan’ny lalitra? Norakofana karazana harato ny voninkazo sasany, mba tsy hahafahana hitety azy. Tsy nitera-boa velively ireny voninkazo ireny — nifanohitra tanteraka tamin’ireo voninkazo namoa be teo akaiky izay nametrahan’ny lalitra vovobony. Na dia ny tantely indrindra aza no nametraka vovobony teo amin’ny voninkazo sasany, dia ny lalitra kosa no nanatontosa ny maherin’ny 90 isan-jaton’io asa io, raha ny amin’ny karazana hafa toy ny rongonimbazaha dia na ny fiandrilavenombazaha (géranium) dia, eny amin’ny toerana avoavo sasany.
Inona no fanatsoahan-kevitr’i Carol Kearns sy i David Inouye, roa tamin’ireo mpanao fikarohana? “Ho an’ny voninkazo dia maro any amin’ny Rocheuses any Colorado àry, ny lalitra dia manoatra noho ny tantely sy ny lolo ary ny soy (...). Raha tsy nisy an’ireny bibikely ireny, izay hitan’ny ankamaroan’ny olona ho mahatsiravina ihany, dia tsy hitsimoka ny maro amin’ireo voninkazo dia, izay mahatonga ny fitsidihana ny faritra rakotry ny ahitra eny an-tendrombohitra haharavoravo aoka izany.” Tsy misy isalasalana ny amin’ny hoe misy ilana azy ny lalitra!