FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/4 p. 9-11
  • Voafetra ve ny Andron’ny Fivavahana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voafetra ve ny Andron’ny Fivavahana?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Andro farany ho an’ny fivavahana ve?
  • Famenoana ilay fahabangana ara-panahy
  • Zava-dehibe kokoa mbola tsy nisy toy izany ny fivavahana marina
  • Fanafahan-tena avy Amin’ny Fivavahan-diso
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Tokony hiova finoana ve hianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Nahita ny Fivavahana Marina ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/4 p. 9-11

Voafetra ve ny Andron’ny Fivavahana?

“Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”

ISAIA, MPAMINANY ISIRAELITA TAMIN’NY TAONJATO FAHA-8 AL.F.I.

ARAKA izany, ilay mpaminany hebreo natao hoe Isaia dia nanambara mialoha fa indray andro any ny olona rehetra eto ambonin’ny tany dia ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra Tsitoha. Amin’izao andro izao anefa, dia mety ho toa lavitra kokoa mbola tsy nisy toy izany ny fahatsinjovan-javatra toy izany.

Teo am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, ohatra, dia nino ireo revolisionera komonista tany Rosia fa dingana tena nilaina ho amin’ny fanafahana ny sarangan’ny mpiasa madinika ny fandravana ny fivavahana. Ny tsy finoana an’Andriamanitra, hoy ny filazan’izy ireo, no ‘hanafaka ny sarambaben’ny mpiasa amin’ny enta-mavesatry ny fitsarana an-tendrony sy ny famitahana tamin’ny lasa’. Tamin’ny 1939, i Staline dia nampihena ho 100 ny isan’ny fiangonana ortodoksa nisokatra tany amin’ny Firaisana Sovietika, raha nampitahaina tamin’ny maherin’ny 40 000 talohan’ny 1917.

I Hitler koa dia nihevitra ny fivavahana ho vato nisakana teo amin’ny lalany ho amin’ny fahefana tsy refesi-mandidy. “Ny olona iray dia, na Kristiana na Alemanina. Tsy afaka ny ho izy roa ianao”, hoy ny nambarany indray mandeha. Nikendry ny hanafoana tsikelikely ny endri-panompoam-pivavahana rehetra izay tsy azony nofehezina izy. Mba hanatanterahana izany, ny Nazia dia namorona ny azy manokana izay somary ara-pivavahana, raha ny amin’ny vavaka sy ny fety sy ny batisa ary na dia ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana mihitsy aza. I Hitler no mesian’izy ireo, ary ny tanindrazana no andriamaniny. Azo natao ny habibiana na inona na inona, raha nirin’i Hitler izany.

Andro farany ho an’ny fivavahana ve?

Na i Staline na i Hitler dia samy tsy nahomby tamin’ny ezaka manokana nataony mba hanafoanana ny fivavahana. Ankehitriny anefa, dia toa naka ny toeran’ny fitondrana jadona ny tsy firaharahana. Ho an’ny mpianatra Baiboly, dia tsy mahagaga io fitsimbadihan’ny fisehoan-javatra io. Nilaza tamin’i Timoty ny apostoly Paoly fa amin’ny “andro farany” ny olona dia ho “tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra”. — 2 Timoty 3:1-4, NW.

Moa ve ny Baiboly mampianatra fa izao “andro farany” izao, voamariky ny tsy firaikana amin’ny fivavahana, dia hialoha ny fitsaharan’ny fivavahana rehetra? Tsia. Tsy manambara mialoha ny faran’ny fivavahana rehetra ny Baiboly, fa manazava kosa fa ny fivavahan-diso — izay omena ilay anarana ara-panoharana hoe Babylona Lehibe — no hifarana.a Hoy ny bokin’ny Apokalypsy: “Nisy anjely mahery anankiray nambeta vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.” — Apokalypsy 18:21.

Tsy hiteraka tontolo iray tsy matahotra an’Andriamanitra anefa ny fanjavonan’ny fivavahan-diso. Mifanohitra amin’izany, fa maminany toy izao ny Salamo 22:27: “Hahatsiaro ka hiverina ho amin’i Jehovah ny faran’ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ny firenen-tsamy hafa.” Alao sary an-tsaina fotsiny ange ny fotoana izay hahatafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina “ny fokon’ny firenen-tsamy hafa” e! Eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, izany fampanantenana mahatalanjona izany dia hahita fahatanterahana be voninahitra. (Matio 6:10). Rehefa ho tonga izany fotoana izany, ny fivavahana — ny fivavahana marina — dia ho zava-dehibe tokoa. Ahoana anefa ny amin’ny ankehitriny?

Famenoana ilay fahabangana ara-panahy

Mifanandrify amin’ny tarehin-javatra tao amin’ny Empira Romana tamin’ny taonjato voalohany ny fahabangana ara-panahy mahazo vahana aoka izany eto Eoropa amin’izao andro izao. Milazalaza toy izao ny fomba nanomezan’ny Kristianisma tamin’ny taonjato voalohany fahafaham-po tamim-pahombiazana, ny zavatra nilaina ara-panahy tamin’izany fotoana izany i Will Durant, mpanoratra tantara: “Izy io dia nitondra fari-pitondran-tena vaovaon’ny firahalahiana sy ny hatsaram-panahy sy ny fahamaotonana ary ny fiadanana tao anatin’ny fahabangana ara-pitondran-tenan’ny fanompoan-tsampy niala aina iray, tao anatin’ny fangatsiahan’ny Stoisisma sy ny fahasimbana ara-pitondran-tenan’ny Epikoreanisma, tao anatin’ny tontolo iray leon’ny hetraketraka sy ny halozana sy ny fanaovana tsindry hazo lena ary ny fisafotofotoana teo amin’ny lahy sy ny vavy, tao anatin’ny empira iray nampanekena, izay toa tsy nila intsony ny herin-dehilahy na ireo andriamanitry ny ady.”

Azo fenoina amin’ilay hafatra mahery nitovy tamin’ilay notorin’ny Kristiana tany am-boalohany nanerana ny Empira Romana manontolo, ilay fahabangana ara-pitondran-tena sy ara-panahy eo amin’ny fiainan’ny olona amin’izao androntsika izao. Ary misy olona mihaino. Eoropeana maro, na dia toa tsy tia fivavahana aza etỳ ivelany, no mbola mihevitra fa mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fiainany Andriamanitra. Mety tsy hanatrika fotoam-pivavahana any am-piangonana nentim-paharazana intsony izy ireo, kanefa ny sasany dia nameno an’ilay fahabangana ara-panahy tany an-toeran-kafa.

I Juan José, tovolahy iray avy any Palma de Mallorca, Espaina, dia nampianarina tao amin’ny sekoly katolika iray ary mpiserivy lamesa hatreo amin’ny faha-13 taonany. Nanatrika Lamesa isaky ny alahady niaraka tamin’ny fianakaviany izy, kanefa nitsahatra tsy nandeha niangona rehefa tonga zatovo. Nahoana? “Voalohany aloha, dia nanorisory ahy ny fandehanana tany amin’ny Lamesa”, hoy ny fanazavan’i Juan José. “Haiko tsy an-jery ilay litorjia. Toa famerimberenana an’izay efa reko teo aloha ny zava-drehetra. Ankoatra izany, dia matetika no nitondra anay mpiserivy lamesa tamin’ny fomba henjana ilay pretra tao amin’ny paroasinay. Ary nihevitra aho fa ratsy ny hoe tsy maintsy mandoa vola amin’ny pretra ny olo-mahantra mba hitarihana fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana.

“Mbola nino an’Andriamanitra aho, kanefa nihevitra aho fa afaka nanompo azy tamin’ny fombako manokana aho, ivelan’ny eglizy. Niaraka tamin’ny antokona namana, dia niezaka nankafy ny fiainana tamin’ny fomba tsara indrindra azoko natao aho. Heveriko fa azonao natao ny nilaza fa ny fialam-boly no nanjary zavatra voalohany teo amin’ny fiainako.

“Fony aho 18 taona anefa, dia nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Inona no nananan’izy ireo mba hatolotra ahy ka tsy hitako tao amin’ny eglizy? Finoana voafaritra mazava miorina amin’ny Baiboly fa tsy amin’ny lovantsofina sy ‘mistery’ izay tsy azon’ny saiko notakarina mihitsy. Nidika ho fiovana lehibe ho ahy anefa ny zavatra ninoako vaovao. Tsy nandany ny faran’ny herinandro tsirairay nandaminana fiaraha-nikorana tany amin’ny discothèques aho, fa nanomboka nandeha isan-trano kosa mba hizarana tamin’ireo mpiara-belona amiko ilay finoana vao hitako. Nanome heviny ho an’ny fiainako ny fandraisana anjara tamim-paharisihana tamin’ny fanampiana ny hafa. Nandritra ireo fito taona farany, dia mpanompo manontolo andro ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho.”

Tsy ny tanora ihany no mitady ny hamenoana ny fahabangana ara-pivavahana ao aminy. I Antonia, vehivavy zokiolona avy any Extremadura, Espaina, dia nandany ny ankamaroan’ny fiainany “nitadiavana an’Andriamanitra”, araka ny filazany azy. Nandritra ny fahatanorany, dia nankany amin’ny Lamesa isan’andro izy ary tatỳ aoriana dia niditra tao amin’ny couvent katolika iray, satria ninoany fa “raha tsy mety ho hita ao amin’ny couvent iray Andriamanitra, dia tsy mety ho hita na aiza na aiza”. Telo taona taorian’izay anefa, dia niala tao amin’ilay couvent izy, nahatsiaro ho vao mainka diso fanantenana sy tsy nisy vidiny kokoa noho ny teo aloha.

Tamin’ny farany, fony izy teo amin’ny faha-50 taonany, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah izy. “Faly aoka izany aho rehefa nitsidika ahy sy namaly an’ireo fanontaniako avy tao amin’ny Baiboliko mihitsy ny Vavolombelona”, hoy ny fanazavany. “Koa satria tonga Vavolombelon’i Jehovah aho, dia nanan-java-kendrena ny fiainako. Manana ny olana mahazo ahy aho, kanefa afaka miezaka handresy azy ireny aho satria nahita an’ilay Andriamanitra marina ankehitriny.”

Tsy zavatra maningana akory ireo zavatra niainana roa ireo. Amin’ny fanoherana ilay fironana ara-pivavahana, dia olona mihamitombo isa no mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary nahita fa manome heviny sy zava-kendrena ho an’ny fiainany ny fiainana mifanaraka amin’ny finoany sy ny fitoriana momba azy io amin’ny hafa.

Zava-dehibe kokoa mbola tsy nisy toy izany ny fivavahana marina

Na dia miaina amin’ny fotoana izay andavan’ny olona maro ny fivavahana aza isika, dia tsy ho fahendrena ny hitsarana ny fivavahana rehetra ho tsy araka izay ilaina. Marina fa amin’izao taonjato faha-20 izao ny olona dia manary ny fombafomba tsy misy heviny sy ny foto-pampianarana lany andro sy tsy araka ny Soratra Masina, ary mamingavinga ny fandehanana miangona mba ho fisehoana ivelany fotsiny izy ireo. Ny Baiboly, raha ny marina, dia manoro hevitra ny amin’ny hanalavirantsika fivavahana mihatsaravelatsihy. Nambaran’ny apostoly Paoly mialoha fa mandritra ny “andro farany”, ny olona sasany dia “hanana ny endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra kanefa ho hita fa handa ny heriny”. Mitana fisehoana ivelany hoe mivavaka ny olona toy ireny, kanefa mandà ny maha-manan-kery azy io ny fitondran-tenany. Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana toy izany? “Ireo dia ialao”, hoy ny torohevitr’i Paoly. — 2 Timoty 3:1, 5, NW.

Nilaza koa anefa i Paoly fa “ny fivavahana dia tena mitondra valisoa ambony”. (1 Timoty 6:6, New English Bible). Tsy niresaka momba izay rehetra mety ho karazam-pivavahana fotsiny i Paoly. Ny teny grika nadika eto hoe “fivavahana” dia hoe eu·seʹbei·a, izay midika hoe “fifikirana na fanajana ara-pivavahana aseho amin’Andriamanitra”. Ny fivavahana marina, ny tena fifikirana amin’Andriamanitra, no “mitana ny fampanantenana fiainana ankehitriny sy izay mbola ho avy”. — 1 Timoty 4:8, NW.

Araka ny asehon’ireo ohatra roa voatonona etsy ambony, ny fivavahana marina dia afaka manome heviny ho an’ny fiainantsika ary manampy antsika hiatrika olana amim-pahatanjahan-tsaina. Ankoatra izany, ny fivavahana marina dia miantoka hoavy mandrakizay. Mendrika ny hokatsahina izany endri-panompoam-pivavahana izany, satria omena toky isika fa ‘hanenika ny tany’ izany amin’ny farany.b (Isaia 11:9; 1 Timoty 6:11, NW ). Tsy misy isalasalana ny amin’ny hoe izao no fotoana maha-zava-dehibe kokoa mbola tsy nisy toy izany ny fivavahana marina.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mampiasa ny tanànan’i Babylona fahiny ho marika mampiseho ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso ny Baiboly, satria tao amin’io tanàna io no niandohan’ny hevitra ara-pivavahana maro tsy araka ny Soratra Masina. Nandritra ny taonjato maro, dia nanjary nanenika an’ireo fivavahana lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao ireny fiheverana babyloniana ireny.

b Mba handinihana ny fomba hamantarana ny fivavahana marina, dia jereo ny toko faha-5: “Ny Fanompoam-pivavahan’iza no Eken’Andriamanitra?”, ao amin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 1995.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Tantaran’ny Trano Roa

Feno trano fivavahana i Espaina, kanefa toa nanjavona ilay hafanam-po izay nanohana teo aloha ny fanorenana katedraly lafo vidy be. Ohatra, any Mejorada del Campo, tanàna manamorona an’i Madrid, dia eo an-dalam-panorenana ny fiangonana katolika mahazendana iray. Natombok’i Justo Gallego Martínez, moanina bénédictin taloha iray, ilay tetik’asa, 20 taona lasa teo ho eo izay. Mbola rindrina ivelany babangoana ihany anefa ilay trano. Eo amin’ny faha-60 taonany ankehitriny i Martínez, ilay hany mpanorina, koa toa tsy azo inoana fa ho vita ilay fiangonana. Kanefa, 300 kilaometatra any atsimo, dia nizotra ny tantara hafa iray.

“Mahafindra Tendrombohitra ny Finoana” no fomba nilazalazan’ny gazety eo an-toerana ilay fanorenana naharitra roa andro ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Martos, Jaén, Espaina. “Ahoana no mampety ny hoe eto amin’itỳ tontolo ankehitriny miorina amin’ny fitiavan-tena itỳ, dia misy mpiasa an-tsitrapo avy any amin’ny faritra samihafa [eto Espaina] nanao dia lavitra tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena nanketo Martos mba hanorenana trano iray izay nihoatra ny zava-bita tsara indrindra rehetra raha ny amin’ny hafainganam-piasa, ny fahalavorariana, sy ny fahaiza-mandamin-javatra?”, hoy ny fanontanian’ilay gazety eo an-toerana. Ho valin’io fanontaniana io, dia nanonona ireto tenin’ny iray tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo ireto ilay lahatsoratra: “Izay mendri-koderaina fotsiny dia ny hoe vahoaka iray ampianarin’i Jehovah izahay.”

[Sary, pejy 10]

Mejorada del Campo

Efitrano Fanjakana any Martos

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara