Ireo Tresaka Miafin’ny Tany
TAMIN’NY 18 Aogositra 1994, dia olona 171, fara fahakeliny, no maty tany Alzeria, vokatry ny horohoron-tany mahery iray. An-jatony maro no naratra, ary an’arivony maro no tsy nanan-kialofana. Herinandro maromaro talohan’izay, i Bolivia sy i Kolombia ary i Indonezia koa dia nasian’ny horohoron-tany lehibe, ka ain’olona an-jatony maromaro no nafoy tamin’ny fitambarany.
Fantatrao ve fa nitranga ireo loza lehibe ireo? Azo inoana fa tsia, raha tsy hoe niantraika taminao mihitsy angaha izy ireo na nipetraka tao amin’ny tany iray teo akaiky ianao. Etsy an-danin’izany, rehefa misy horohoron-tany lehibe mamely ny faritr’i Californie, Etazonia, dia toa miely haingana dia haingana ilay vaovao, ary manjary azo raisina saika eo no ho eo ny fanazavana ara-tsiansa momba ireo horohoron-tany.
Ny antony dia satria tsy misy faritra hafa nodinihin’ny mpahay siansa tamin’ny an-tsipiriany madinika toy ny faritra atsimo amin’i Californie, izay misy fandrefy horohoron-tany maherin’ny 700 manamarika horohoron-tany manana refy hatramin’ny 1,5. Manazava ny fahatondrahan’ny fanazavana momba ny horohoron-tany avy amin’ilay faritra ny hoe miangona be ao amin’io faritra io ireo manam-pahaizana mandinika momba ny horohoron-tany.
Zavatra hita vao haingana
Tsy isalasalana fa nanampy mpahay siansa any amin’ny tany maro io fikarohana miitatra io mba hahafantarana tsara ireo horohoron-tany ary koa mba hiezahana hanambara azy ireo mialoha sady ara-potoana mihitsy aza mba hisorohana loza. Tena zava-dehibe ny teknolojia toy izany, satria isan-taona dia horohoron-tany tokony ho 40 manana refy lehibe no mandrava faritra maro samihafa eo amin’izao tontolo izao. Misy koa horohoron-tany kely kokoa izay tsy dia mampaninona, saingy mbola re ihany noho ny habeny. Mamely eo anelanelan’ny in-40 000 sy in-50 000 izy ireny isan-taona!
Ny ankamaroan’ny horohoron-tany dia toa vokatry ny vato fisaka lehibe any ambanin’ny tany, mitresaka sy mihetsika maka toerana vaovao, rehefa iharan’ny fanerena. Mazàna ireny fikorontanana ireny dia mitranga manaraka ny zotran’ireo triatra eo amin’ny hodi-tany ivelany. Fantatra hoe tresaka (faille) ireny triatra ireny.
Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, dia afaka manao ny sarintanin’ny toerana misy ireny tresaka ireny ireo mpahay siansa, ka mamaritra mazava tsara ireo faritra mirona hisy horohoron-tany. Nahoana izahay no milaza hoe “amin’ny ankamaroan’ny fotoana”? Satria vao haingana izay dia fantatr’ireo mpahay siansa fa tsy feno araka ny nieritreretany azy teo aloha ny sarintanin’izy ireo. Ohatra, ireo mpahay siansa dia voakorontan’ny fampiharihariana vao haingana fa mitranga manaraka ny zotran’ireo tresaka miafina ny ankamaroan’ny horohoron-tany azo refesina any Californie — amin’ny toe-javatra maro dia eo amin’ny faritra izay noheverin’ireo jeology teo aloha fa somary tsy dia rahonan’ny horohoron-tany.
Araka ny nolazain’ny mpahay siansa momba ny tany atao hoe Ross Stein ao amin’ny U.S. Geological Survey (Fanaraha-maso Jeolojika Amerikana) sy i Robert Yeats ao amin’ny Oniversitem-panjakana any Oregon, dia “ny faritra mikitoantoana kely na be tendrombohitra angamba no toerana tsy mampidi-doza indrindra, mampahatsiahy filaminana fa tsy loza”. Na dia izany aza, ny fandinihana nataon’izy ireo dia nahafantarana tresaka mihetsika miteraka horohoron-tany, eo ambanin’ny andohalambom-bato miforitra, izay maro aminy no notrandrahina mba hahazoana an’ireo tahirin-tsolika raketiny. Nahoana no tsy nety hita ireny tresaka any ambanin’ny tany ireny, ary manao ahoana indrindra ny fandrahonana entiny?
Fandrahonana tsy tokony hodian-tsy hita
Takatr’ireo jeology hatramin’ny ela fa mety poritra sy miforitra toy ny karipetra miketronketrona ireo vato. Noheverina anefa, tamin’ny ankapobeny, fa fisehoan-javatra miandalana, tsy miovaova, izany. Kanefa, asehon’ireo fandinihana vao haingana an’ireo fiforetam-bato mihetsika, fa misondrotra tampoka miakatra izy ireny — hatramin’ny 5 metatra ao anatin’ny segondra vitsivitsy monja! Mangeja ny vongam-bato ao ambany io fihetsehana miforitra io. Ny fanerena vokatr’izany dia mampitresaka lalina ny vato any ambanin’ilay fiforetana (pli), ary manomboka mikisaka eo ambonin’ny sila-bato hafa ny sila-bato iray. Ireny fiforetana toa tsy mampaninona ireny, miaraka amin’ny tresaka mihetsika milevina ao anatiny, dia manjary miteraka horohoron-tany, alohan’ny hahafahan’ny manam-pahaizana mandinika momba ny horohoron-tany hitily azy ireny. Afaka miteraka horohoron-tany mafy tsy misy hafa amin’ny an’ireo tresaka miharihary kokoa, izay hita etỳ amin’ny vohon’ny tany, ny fihetsehan’ny tresaka any ambanin’ny tany toy izany.
Tamin’ny 17 Janoary 1994, ny horohoron-tany tany Northridge tany amin’ny faritr’i Los Angeles dia ohatra iray vao haingana ny amin’ny azon’ny tresaka miafina iray atao. Nateraky ny fihetsehan’ny tresaka tena lalina nitranga teo anelanelan’ny 8 ka hatramin’ny 19 kilaometatra any ambanin’ny tany, ilay horohoron-tany. Talohan’ilay horohoron-tany, dia tsy nahalala ny fisian’ilay tresaka ireo mpahay siansa. Niteraka faharavam-pananana be dia be, ratra tamin’ny olona maherin’ny 9 000, sy fahafatesan’olona 61, io tresaka miafina io.
Ahiahin’ny mpahay siansa ho antony miteraka horohoron-tany lehibe maro, tsy any Californie ihany, fa any Alzeria, Armenia, Arzantina, India, Iran, Japon, Kanada, Nouvelle-Zélande, sy Pakistan koa, ireo tresaka miafina. Nandritra ireo am-polony taona vitsy lasa, dia olona an’arivony maro no maty tany amin’ireny tany ireny vokatry ny horohoron-tany izay nety ho natomboky ny tresaka miafina.
Ireo mpahay siansa ankehitriny dia miatrika ilay zava-tsarotra hoe hahita ny toerana itrangan’ireny fiforetana mihetsika ireny ka hanambara mialoha ny fandrahonan’ny horohoron-tany mety hoentiny. Mandra-pahatongan’izany, dia tsy hamaivanin’izy ireo intsony ny hery mandravan’ny havoana mikitoantoana iray toa tsy mampaninona.
[Efajoro, pejy 25]
Mifintina ve i Los Angeles?
Misy fitohitohizana tresaka sy fiforetana hita ao ambanin’i Los Angeles, Californie, mahatonga an’io faritra io ho faran’izay mihozongozona. Toa mandray be dia be amin’ny fangiazana ateraky ny vonkina iray eo akaiky ao amin’ny Tresak’i San Andreas, ilay lempon’i Los Angeles. (Jereo ny Mifohaza! [frantsay] tamin’ny 22 Jolay 1994, pejy faha-15-18.) Tombanan’ireo jeology eo an-toerana fa mety hampidina ny faritry ny lempon’i Los Angeles eo amin’ny 10 ara isan-taona ilay fiforetana vokatr’io fangiazana io.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Tany: Mountain High Maps™ copyright © 1993 Digital Wisdom, Inc.