Fijerena An’izao Tontolo Izao
Mitombo ny Taham-pahafatesana eo Amin’ny Vehivavy Mpifoka Sigara
Hitan’ny fandinihana iray vao haingana navoaka tao amin’ny The Canadian Journal of Public Health fa ny fahafatesana mifandray amin’ny fifohana sigara eo amin’ny vehivavy kanadianina dia avy teo amin’ny 9 009 tamin’ny 1985 no nitombo ho 13 541 tamin’ny 1991. Tombanan’ilay fandinihana fa ho maro kokoa noho ny lehilahy ny vehivavy ho faty vokatry ny fifohana sigara mandra-pahatongan’ny taona 2010, raha mitohy ny fironana amin’izao fotoana izao. Tamin’ny 1991, dia notombanana fa nisy fahafatesana 41 408 vokatry ny fifohana sigara (lehilahy 27 867 ary vehivavy 13 541), araka ny The Toronto Star. Tany Etazonia, dia nitombo avo enina heny ny fahafatesana vokatry ny kanseran’ny havokavoka teo amin’ny vehivavy mpifoka sigara, teo anelanelan’ireo taona 1960 sy ireo taona 1980, hoy ny Dr. Michael Thun ao amin’ny Fikambanana Amerikana Momba ny Kansera. Manatsoaka hevitra ireo mpanao fikarohana fa “ny fifohana sigara dia mitoetra ho ambony lavitra amin’ny maha-antony azo sorohina tokana sady lehibe indrindra izay miteraka fahafatesana aloha any Etazonia”, hoy ny tatitra nataon’ny The Globe and Mail any Toronto, Kanada.
Zava-mahadomelina any Amin’ireo Sekoly Alemanina
Mampiharihary fampiasana miely patrana zava-mahadomelina any an-tsekoly ny fandinihana iray teo amin’ny mpianatra maherin’ny 3 000 any avaratra amin’i Alemaina. Araka ny gazetiboky Focus mivoaka isan-kerinandro, dia efa ho ny antsasak’ireo mpianatra 17 taona no nampiasa manokana zava-mahadomelina tsy eken’ny lalàna, ary maherin’ny ampahatelony no mampiasa amin’izao fotoana izao. Nanazava ny Profesora Peter Struck fa “any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa maro any Hambourg dia ahitana mpianatra 16 na 17 taona izay mampifandimby tsy an-kijanona ny fihinanana zavatra manaitaitra sy zavatra mampitony”. Nahoana anefa ny fampiasana zava-mahadomelina no miitatra aoka izany? Nanome antony telo mahatonga ny fidorohana zava-mahadomelina eo amin’ny tanora ny Profesora Klaus Hurrelmann: sorisory eo amin’ny fiainana, fahatsapana hoe kely loatra ny fiheverana azo amin’ny zava-bitan’ny tena, sy faneren’ny mitovy taona amin’ny tena.
Mpandeha Lavitra Miavaka
Nisy albatros iray mpifindrafindra monina nanidina 26 000 kilaometatra tao anatin’ny 72 andro, ary nisy phoque mivolombatolalaka iray nilomano 5 000 kilaometatra tao anatin’ny telo volana. Sambany vao hitan’ny mpahay siansa momba ny fiarovana ny zavaboary ireo zava-bita mahavariana mitory fiaretana ireo, taorian’ny nametahany tamina albatros sy phoques nofantenana, radio transmetteur bitika mba hanarahana ny dian’izy ireo tamin’ny alalan’ny satelita. Tamin’ny ambaratonga iray, ilay albatros dia nanidina efa ho 3 000 kilaometatra tao anatin’ny efatra andro teny ambonin’ny Oseana Pasifika Atsimo. Nilomano hatramin’ny 100 kilaometatra isan’andro teo anelanelan’i Ekosy sy ireo Nosy Féroé ilay phoque ka nampiseho fahaizana mahavariana hamakivaky ny any afovoan-dranomasina any araka ny lalana marina, hoy ny fanamarihan’ny The Times any Londres. Inona no nandrisika ho amin’ny fanaovana ireo dia lavitra ezaka ireo? Fikarohana sakafo, hoy ilay tatitra.
“Fikambanana Iraisam-pirenena Iray Tsy Manana Toetra Amam-panahy Firy”
“Nandritra ny telo andro tamin’ny herinandro lasa, ireo filoha avy any amin’ny kontinenta rehetra dia tafavory tamin’ny lanonana nankalazana ny faha-50 taonan’ny Firenena Mikambana mba hanao lahateny manaitra momba ny toe-draharaha eo amin’izao tontolo izao”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times tamin’ny Oktobra lasa teo. Toa nisy zavatra lehibe iray anefa tsy hita tamin’ny ankamaroan’ireo “lahateny manaitra” — ny filazana ny marina. “Toy ireo mpanao politika hatraiza hatraiza”, hoy ny Times, “izy ireo dia nanao fampanantenana izay tsy hotanany ary nanakiana olon-kafa noho ny kileman-toetran’izy ireo.” Rehefa avy nanonona filoham-pirenena valo izay nifanohitra tamin’ny zavatra ataon’ny taniny ny teniny, ilay gazety dia nanatsoaka hevitra fa tokony ho toy izao ny hafatra feno rehaka nomen’izy ireo: “Hadinoy izay ataoko, ry izao tontolo izao; izay lazaiko henoina.” Tsy mahagaga raha niantso ny Firenena Mikambana ho “fikambanana iraisam-pirenena iray tsy manana toetra amam-panahy firy” ny U.S.News & World Report.
Tantely Ambony Maripana
Miaro tena amin’ny fanafihan’ny takolapanenitra goavana ny tantely japoney amin’ny famonoana azy io amin’ny alalan’ny hafanan’ny vatany, hoy ny tatitra nataon’ny Science News. Rehefa mahatsikaritra takolapanenitra iray ireo tantely dia mamitaka ilay fahavalo hiditra ao anatin’ny tohony, izay misy mpiasa an-jatony maro mihazona azy ka manao faribolana matevina manodidina azy. Avy eo, “ireo tantely dia mihovotrovotra ka mampiakatra ny maripanan’ilay faribolana ho 47° C mahafaty, mandritra ny tokony ho 20 minitra”, hoy ny fanamarihan’ilay gazetiboky. Koa satria mahatanty maripana hatramin’ny tokony ho 50 degre Celsius ny tantely japoney, dia tsy mampaninona azy ireo io fomba fiady io. Tsy ny takolapanenitra rehetra anefa no voan’ny fandriky ny tantely. Koa satria “takolapanenitra 20 ka hatramin’ny 30 dia afaka mamono tantely miara-monina 30 000 ao anatin’ny adiny 3”, ny takolapanenitra goavana dia afaka mandresy ny tantely amin’ny fitarihana fanafihana tambabe. “Amin’ireo toe-javatra ireo”, hoy ny News, “dia mibodo ilay tohotra izy ireo ka manangona an’ireo zana-tantely.”
Ny Lakroa — Mariky ny Herisetra Ve?
Misy teolojiana sasany mametraka fisalasalana ny amin’ny hetezan’ny lakroa ho mariky ny Kristianisma, noho izy io ampifandraisina amin’ny herisetra, hoy ny tatitra nataon’ny The Dallas Morning News. Mampirisika ny hampiasana marika mampiseho taratry ny fiainan’i Jesosy, fa tsy ny nahafatesany, ireo teolojiana. Ny lakroa dia “manohana fivavahana amin’ny fahafatesana”, hoy ilay teolojiana atao hoe Catherine Keller ao amin’ny Sekoly Teolojikan’ny Oniversite Drew any Madison, New Jersey, Etazonia. “Tsy misy olona maniry seza elektrika na tadivavarana atao marika fototra ho an’ny finoana, kanefa izany no ho nampiasaintsika raha toa ka namono an’i Jesosy ho faty ny fanjakana amin’izao andro izao.”
Tonga Namonjy ny Puces d’eau
Mety hanome vahaolana amin’ilay olana ny amin’ny renirano afovoan-tany voaloto, ny puce d’eau kely, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Independent any Londres. Manondro izany ny tetik’asa fanarenana iray atao ankehitriny. Voalohany, ireo biolojista dia nanesotra trondro 9,5 taonina izay mihinana puces d’eau, avy tao amin’ny Ormesby Board any Norfolk, Angletera. Namela an’ireo puces d’eau hitombo be sy hambosibosika ny alga izay nandoto ilay farihy izany. Avy eo dia nisy zavamaniry hafa nitsiry tao anaty rano avy tamin’ireo voa natoritory, ary nisy vorona, toy ny vantsiona sy ny cygnes, niverina. Any aoriana, dia haverina indray ny trondro, ary tombanana fa ho tafaverina amin’ny laoniny ireo zavaboary sy ny tontolo iainany ao anatin’ny dimy taona. Mijery amim-pahalianana ny ho fiafaran’ilay tetik’asa ireo mpiaro ny zavaboary any Eoropa.
Fihodivirana Ota
“Inona no nitranga tamin’ny ota?”, hoy ny fanontanian’ny gazetiboky Newsweek. “Efa hanjavona eo amin’ny fomba fitorian-teny mijery lafy tsaran-javatra ankehitriny, [fomba fitorian-teny] ao amin’ny fivavahana amerikana, ilay fahatsapana maika ny fahotan’ny tena.” Ireo mpiangona “dia tsy ta handre sermona izay mety hanakorontana ny fahatsiarovany tena ho mendrika”, ary eo amin’ireo Katolika, “ny konfesy tsy tapaka any amin’ny pretra dia nanjary fombafomba naman’ny lasa”. Matahotra ny klerjy mifaninana sao hampiala ireo andian’ondriny. Maro no “manameloka amim-pahazarana ny faharatsiana ara-tsosialy ‘mpahazo ny rafitra’, toy ny fanavakavaham-bolon-koditra [sy ny] fanavakavaham-behivavy”, hoy ny ambaran’ilay lahatsoratra. “Ny feon’izy ireo anefa dia mahagaga fa lasa tsy re raha ny amin’ny foto-kevitra mahakasika manokana ny olona — toy ny fisaraham-panambadiana, ny avonavona, ny fierenana, sy ny fanirian’ny tena laza tafahoatra.”
‘Petatondron’ny’ Vatosoa
Manana firavaka misy diamondra miisa 39 tapitrisa izay mitentina sahabo ho $17 000 tapitrisa sy sasany ireo vehivavy britanika, ary isan-taona dia firavaka mitentina $450 tapitrisa no misy mangalatra. Tsy hita popoka ny ankamaroan’ny firavaka very tamin’izany fomba izany. Tsy ela dia arendrika ny metaly ametahana ireo diamondra. Avy eo ireo vatosoa dia apetaka indray. Ankehitriny anefa dia miasa amin’ny alalan’ny ordinatera foibe iray ireo mpanao firavaka ka ho afaka hampiditra ireo lesoka mampiavaka ny vato tsirairay ao amin’ny mémoire-n’ilay ordinatera. Hitan’ny taratra laser malefaka izay mahatsikaritra ny tsinin’ny vato tsirairay ireny “petatondro” ireny — tsy misy vato roa mitovy tanteraka. Ny hany fomba ahazoan’ny mpangalatra mihodivitra ilay fomba fiarovana dia ny fandidiana indray an’ireo vato, fomba andaniam-bola be, izay mampihena koa ny hasarobidiny, hoy ny tatitra nataon’ny The Sunday Times any Londres.
Fanairana Momba ny Afomanga
Misy manam-pahefana manao tatitra fa “olona sahabo ho 12 000 no tsaboina isan-taona ao amin’ny sampan-draharaha amerikana misahana fitsaboana maika, noho ny ratra mifandray amin’ny afomanga”, hoy ny ambaran’ny Morbidity and Mortality Weekly Report (MMWR). Tombanan’ilay tatitra, izay natambatry ny Vaomiera Momba ny Entam-barotra Tsy Mampidi-doza ny Mpanjifa ho an’ireo taona 1990-1994, fa ny 20 isan-jaton’ny ratra rehetra avy tamin’ny afomanga dia ratra teo amin’ny maso. Izy ireny, hoy ny MMWR, dia “matetika no ratra mafy sady afaka miteraka fihenan’ny fahiratry ny maso na fahajambana maharitra”. Tsara homarihina koa fa toa maro kokoa noho ny mpandefa afomanga ny mpitazana voaratra teo amin’ny maso.
‘Mety Hampidi-doza any Aoriana’
Tokony ho ny 45 isan-jaton’ny mponina maneran-tany no mipetraka an-tanàn-dehibe amin’izao fotoana izao, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky Focus, ary mandra-pahatongan’ny taona 2000, dia tombanana fa ho mponina an-tanàn-dehibe ny antsasaky ny mponina maneran-tany. Ny ankabeazan’ny avaratra amin’i Eoropa, i Italia, sy ny atsinanana amin’i Etazonia dia manana hakitroky ny mponina somary ambony, ary misy tapany amin’i Sina sy i Egypta sy i India ary i Afrika Atsimo, manana tanàn-dehibe sasany misy mponina mifanizina, ao amin’ny faritra izay tokony ho ambanivohitra. Ahariharin’ny sary alefan’ny satelita anefa ankehitriny fa 3 ka hatramin’ny 4 isan-jato monja amin’ny tany no novana ho tanàn-dehibe. Noho ny fisian’ny olona 61 tapitrisa mifindra mankany an-tanàn-dehibe isan-taona anefa — ny ankamaroany any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana — ny hakitroky ny mponina any amin’ireny faritra an-tanàn-dehibe ireny dia mitombo satria “tsy afaka mitombo haingana toy ny mponina ao aminy ireo tanàn-dehibe”, hoy ny fanamarihan’ny Focus, izay manampy teny hoe: “Mety hampidi-doza ilay tarehin-javatra any aoriana.”