FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/6 p. 16-19
  • Fanamarinana ny Finoan’izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanamarinana ny Finoan’izy Ireo
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay fampirantiana frantsay
  • Zavatra niainana manokana
  • Ilay fitokanana
  • Ny fihetsiky ny olona
  • Nandresy ny Fanenjehan’ny Nazia Ireo Olona Be Herim-po Tsy Nivadika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Falifaly eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Ahitam-pifaliana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Inona no Nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra An’ilay Famonoana Tambabe Nataon’ny Nazia?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mijoro ho Vavolombelona any Soeda Ireo Martiora Maoderina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Mifohaza!—1996
g96 8/6 p. 16-19

Fanamarinana ny Finoan’izy Ireo

FAHA-50 taona nitsingerenan’ny nanafahana tamin’ireo toby fitanana nazia ny taona 1995. Nanerana an’i Eoropa manontolo, ireo niharam-pahavoazana tamin’ny fitondrana nazia dia nankalaza io fotoan-dehibe io tamin’ny alalan’ny fivoriana lehibe natrehina filoham-panjakana tany Auschwitz, Bergen-Belsen, Buchenwald, Dachau, Ravensbrück, Sachsenhausen, sy tany amin’ny toby hafa. Hevitra iray hita niharihary ho niverimberina ny hoe: “Enga anie isika tsy hanadino na oviana na oviana!”

Noho izany antony izany no nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hanao fampirantiana tany Eoropa nandritra ilay taona fitsingerenana. Maro tamin’ireo Vavolombelona no notanan’ny fitondram-panjakan’i Hitler noho ny tsy nanekeny hitsaoka an’i Hitler sy hanohana ny fiezahana ho amin’ny ady. Nanomboka tamin’ny 1933, dia an’arivony maro tamin’izy ireo no nogadrana, ary maro no maty vokatry ny fitondrana nampiharina tamin’izy ireo.

Tsy fantatry ny besinimaro anefa, amin’ny ankapobeny, ny zavatra niainan’izy ireo. Nampipoitra ilay fitenenana hoe “ireo niharam-pahavoazana hadinon’ny tantara” izany. Nisy antokona Vavolombelona tafita velona naneho ny faniriany hitahiry ny fahatsiarovana an’ireo fianakaviany sy namany izay nenjehina, nogadrana, nampijalina, na novonoina, sy ny faniriany hampahafantatra ny fanamarinana ny finoana sy ny herim-po nasehon’ireny Bibelforscher ireny, anarana izay nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo toby fitanana.

Tamin’ny 29 Septambra 1994, ny United States Holocaust Memorial Museum (Tranom-bakoka Fahatsiarovana ny Fandripahana Tambabe any Etazonia), any Washington, D.C., dia nanao seminera mikasika ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo toby fitanana. Nisy fivoriana roa lehibe fahatsiarovana tany Frantsa, nataon’ireo tafita velona tamin’ny toby fitanana, tamin’ny 28 Martsa 1995 tany Strasbourg, ary tamin’ny 30 Martsa tany Paris. Tena nanohina ny fo ny nandre an’ireny lehilahy sy vehivavy efa be taona ankehitriny ireny, mbola mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, 50 taona atỳ aoriana, nitantara ny zavatra niainany. Tamin’ny 27 Aprily, dia nisy fivoriana nitovy tamin’izany natao tany akaikin’i Berlin, any Brandenburg, Alemaina, izay nisy Vavolombelona maro novonoina notapahin-doha. Ny ampitson’iny, dia nisy tafita velona maromaro nanatrika an’ireo lanonana nalamin’ny Fanjakan’i Brandenburg ary nanao fitsidihana toby samihafa.

Ilay fampirantiana frantsay

Tany amin’ireny fivoriana ireny, dia nisy fampirantiana nitondra ny loha hevitra hoe “Mémoire de Témoins” (Fanamarinan’ny Vavolombelona) naseho. Nanomboka tamin’ny May 1995 ka hatramin’ny Aprily 1996, izy io dia nitety tanàna 42 tany Frantsa sy tanàna samihafa tany Belzika sy Soisa miteny frantsay. Ambonin’ny zava-drehetra, dia Vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra ireo lehilahy sy vehivavy tao amin’ilay fampirantiana. Vavolombelon’ny fijaliana niaretany sy niaretan’ny olon-kafa tany amin’ireo toby fitanana koa anefa izy ireo. Izy ireo no porofo velon’ny hoe nisy firehan-kevitra momba ny tsy fileferana niteraka ny fijaliana sy ny fahafatesan’ny olona an-tapitrisany maro noho ny firazanany na ny fivavahany. Ankoatra izany, ny fanamarinan’ireo Vavolombelona dia manala sarona ny hoe tamin’ny fomba ahoana no naleon’ireo lazaina fa Kristiana ny mesia sandoka iray, dia i Hitler, toy izay i Jesosy Kristy; naleony fankahalana toy izay fitiavana ny mpiara-belona; ary naleony herisetra toy izay fandriampahalemana.

Voaforona takela-kazo 70 teo ho eo ilay fampirantiana, nanomboka tamin’ny fandaharana nampiseho ny filaharan’ny fotoan’ireo zava-nitranga: ny fanokafana an’ireo toby tany Dachau sy Oranienburg, tamin’ny Martsa 1933; ireo Lalàna Nuremberg natao mba “hiarovana ny ra alemana”, tamin’ny Septambra 1935; ny Anschluss, na ny fampidirana an’i Aotrisy ho teo ambany fifehezan’i Alemaina, tamin’ny Martsa 1938; Kristallnacht (Alina Kristaly), tamin’ny Novambra tamin’io taona io ihany, izay nanaovana sava hao sy nandrobana an’ireo fivarotana jiosy an’arivony maro ary nisamborana sy namindrana toerana olona maherin’ny 30 000; ny fandrarana tsikelikely ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah; ny fanafihana ny Firaisana Sovietika, tamin’ny Jona 1941; sy ny famonoana an’ireo marary saina, nanomboka tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1941.

Nisy takela-kazo maromaro nanasongadina ny fandentehan-kevitra tao amin’ny tanora anisan’ny Tanora Hitleriana sy ny fanintonan’ireo fanentanana goavana nazia tany Nuremberg an’ireo sarambabem-bahoaka. Nisy sary nampahatsiahy ny tsy naneken’ny Vavolombelon’i Jehovah hanome toky fa tsy hivadika tamin’ny führer sy ny tsy nanekeny hitsaoka an’i Hitler. Nisy takela-kazo hafa nampiseho hoe tamin’ny fomba ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no nanaovana filazana diso momba azy ary tamin’ny fomba ahoana, nanomboka tamin’ny 1935, no nizarany gazety sy taratasy mivalona nanalana sarona an’ireo zavatra tafahoatra nataon’ny Nazia.

Zavatra niainana manokana

Takela-kazo tokony ho 40 no nitantara ny zavatra niainan’ireo lehilahy sy vehivavy toy ny olona rehetra, manana fiaviana manerana an’i Eoropa, lehilahy sy vehivavy izay nenjehina sy novonoina mihitsy aza noho ny finoany. Nanohana an’ilay fampirantiana tamin’ny fanatrehany tao ireo tafita velona, ary nihaino azy ireo tamim-pitandremana ireo mpitsidika. Variana ny ankizy rehefa nilaza ny tantarany i Louis Arzt. Avy any Mulhouse any Frantsa izy, ary nesorina tamin’ny ray aman-dreniny ka nalefa tany Alemaina satria tsy nanaiky hanao hoe “Heil Hitler!” tany an-tsekoly. “Nisy miaramila SS iray nikapoka ahy noho izaho tsy nanaiky hitsaoka an’i Hitler. Nanome ahy kapoka 30 izy. Roa andro tatỳ aoriana, dia namihina ny sandriko izy ka nanandrana nanararaotra ny fihetseham-poko. ‘Hevero ny reninao. Ho faly erỳ izy ny hahita anao. Ny hany zavatra ilainao hatao dia ny manao hoe “Heil Hitler!” ary dia ho afaka handeha amin’ny lamasinina ianao.’ Sarotra izany ho an’ny zaza iray 12 taona”, hoy ny teny nanampiny. Olona maro no nihetsi-po lalina tamin’ny fitantarana ny zavatra niainan’i Joseph Hisiger, izay nanakalo ny anjara mofony herinandro tamin’ny Baibolin’ilay mpiray cellule taminy protestanta.

Lafiny hafa nisongadina tamin’ilay fampirantiana ireo fanadinadinana nalaina tamin’ny vidéocassette, fanadinadinana an’ireo olona nafindra toerana taloha. Natao tao amin’ny toerana nisy an’ireo toby mihitsy ny fanadinadinana sasany — ohatra, tao Ebensee any Aotrisy sy tao Buchenwald sy Sachsenhausen tany Alemaina. Nisy fanadinadinana hafa nirakitra ny lafiny samihafa tamin’ny fiainana tao an-toby na ny fahatsiarovan’ireo Vavolombelona nafindra toerana fony izy ankizy.

Ilay fitokanana

Nisy lanonana fohy nanokafana ny fampisehoana tsirairay tamin’ilay fampirantiana, ka nandritra izany fotoana izany dia nisy solontenan’ireo nafindra toerana taloha nanazava ny fanoherana ara-panahy nasetrin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Nazisma. Nisy koa olona nafindra toerana tsy Vavolombelona, ary koa mpanoratra tantara sy manam-pahefana maromaro, anisan’izany ny minisitra taloha iray tao amin’ny fitondram-panjakana frantsay, nanaiky tamin-katsaram-panahy ny fanasana hiteny.

Izao no nolazain’ny lehilahy iray nafindra toerana taloha izay nahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah tany Buchenwald, mikasika azy ireo: “Tsy mahafantatra sokajin’olona nafindra toerana, ankoatra ny Jiosy, izay nentina tamin’ny fomba nahafa-baraka toy izany aho: nokapohina, nampietrena, notevatevaina, nomena ny asa naharikoriko indrindra. Raha tsy noho ny finoany, dia tsy ho afaka nizaka izany izy ireo. Manaja fatratra sy midera azy ireo aho.”

Ny fihetsiky ny olona

Olona maherin’ny 100 000 no nitsidika ilay fampirantiana. Tany amin’ny toerana sasany dia nisy olona an-jatony maro, anisan’izany ny tanora maro, no nilahatra mba hiditra tao amin’ilay efitrano fampirantiana. Mpitsidika maro no naneho ny fihetseham-pony tamin’ny teny vitsivitsy tao amin’ilay boky ho an’ny mpitsidika. Ohatra, nanoratra toy izao ny tanora iray: “Sabrina no anarako. Folo taona aho ary tiako ny ho be herim-po tahaka an’i Ruth mba hampifaly an’i Jehovah.”a

Niresaka ny amin’ilay fampirantiana koa ny fampitam-baovao. Tamin’ny ankapobeny, isaky ny tanàna tsirairay dia nisy lahatsoratra iray na roa niseho tao amin’ny gazety teo an-toerana. Fanampin’izany, ireo radio teo an-toerana dia matetika no nampahafantatra ny besinimaro momba ilay fampirantiana sy nandefa fandaharana nanasongadina fanadinadinana olona nafindra toerana taloha. Nanao tatitra fohy ny televizionam-paritra. Ny filazam-baovao iray tao amin’ny televiziona dia niresaka ny amin’ilay fampirantiana ho “tantara tsotra kanefa mahatahotra izay mamotopototra ny votoatin’ilay faharatsiana tsy hay lazaina. ‘Fanamarinan’ny Vavolombelona’ izay manome fanajana ny fahamendrehana tsy azo esorina mandrakizay”.

Ho an’ireo tafita velona, ilay faha-50 taona nitsingerenan’ny nanafahana dia hitoetra ela ho tafalentika ao an-tsainy. Na dia tsy mora foana aza ny mampitamberina fahatsiarovana mampanaintaina, ireo Vavolombelona dia afaka nanatanjaka ny finoan’ny hafa tamin’ny fizarana azy ireny tamin’ny hafa sy tamin’ny famoahana ireny fahatsiarovana ireny avy tamin’ny fanadinoana. Noheverin’izy ireo ho tombontsoa ny nandray anjara tamin’io fampirantiana io sy ny nanesotra ny sasany tamin’ny fitsarana an-tendrony sy ny tsy fahalalana izay mbola mitohy taorian’ny 50 taona. Ambonin’ny zava-drehetra, dia nanovo fahafaham-po izy ireo avy tamin’ny fahalalana fa mitondra voninahitra ho an’i Jehovah Andriamaniny ny fanamarinan’izy ireo sady manome antoka fa hisy hafa tsy hanadino na oviana na oviana izay niaretan’izy ireo tamin’ny naha-Vavolombelony.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nafindra toerana niaraka tamin’ny ray aman-dreniny i Ruth Danner teo amin’ny fahasivy taonany ary notanana tany amin’ny toby enina samy hafa. Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1980 (frantsay), navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy faha-101.

[Sary, pejy 16]

Lahatsoratra tao amin’ny L’Âge d’Or niampanga an’ireo zavatra tafahoatra nataon’ny Nazisma

[Sary, pejy 16]

Nisy takela-kazo 70 teo ho eo nilaza ny tantaran’ny nanenjehan’ny Nazia lehilahy sy vehivavy ary ankizy, izay tsy nanaiky handa ny finoany

[Sary, pejy 16, 17]

Ny sasany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izay nafindran’ny fitondram-panjakan’i Hitler toerana sy notanany ka nilaza ny tantarany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara