FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/1 p. 3-4
  • Falifaly eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Ahitam-pifaliana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Falifaly eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Ahitam-pifaliana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Vatolampy tao anatin’ny fotaka”
  • Nandresy ny Fanenjehan’ny Nazia Ireo Olona Be Herim-po Tsy Nivadika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fanamarinana ny Finoan’izy Ireo
    Mifohaza!—1996
  • Fizarana 3: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Manompoa An’i Jehovah Amim-paharavoam-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/1 p. 3-4

Falifaly eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Ahitam-pifaliana

“NY FARAN’IZAY ratsy azo lazaina momba itỳ taonjato itỳ, dia hoe, taonjaton’i Satana izy itỳ”, hoy ny fanombohan’ny lahatsoratra an-gazety iray tao amin’ny The New York Times tamin’ny 26 Janoary 1995. “Tsy nisy mihitsy vanim-potoana teo aloha nanehoan’ny olona fahaizana sy fahalianana lehibe aoka izany teo amin’ny famonoana olon-kafa an-tapitrisany maro noho ny antony ara-pirazanana, na ara-pivavahana, na noho ny saranga.”

Ilay tsingerin-taona faha-50 nanafahana ireo tsy nanan-tsiny niharam-pahavoazana izay nogadraina tany amin’ireo toby famonoana nazia, no nanosika ny fanoratana ireo lahatsoratra an-gazety toy ilay voatonona etsy ambony. Mbola misy anefa io karazana famonoana feno habibiana io ihany, any amin’ny tapany amin’i Afrika sy i Eoropa Atsinanana.

Fandripahana antokon’olona tsy afa-manoatra, fanadiovana ara-pirazanana, fandripahana ara-poko — na inona na inona teny iantsoana azy ireo — dia miteraka alahelo lehibe. Eo anivon’izany herisetra iniana atao izany anefa no ipoiran’ny vahoaka iray falifaly. Ohatra, aoka isika hijery an’i Alemaina tamin’ireo taona 1930.

Tamin’ny Aprily 1935, ny Vavolombelon’i Jehovah dia noraran’i Hitler sy ny antokony nazia, tsy hanao izay mety ho asam-panjakana rehetra. Nosamborina koa ireo Vavolombelona sy natao an-tranomaizina ary nalefa tany amin’ireo toby fitanana noho izy ireo nitana fialanalanana kristiana. (Jaona 17:16). Tamin’ny faran’ny Aogositra 1936, dia nisy fisamborana tambabe natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. An’arivony maro tamin’izy ireo no nalefa tany amin’ny toby fitanana izay nijanonan’ny ankamaroan’izy ireo hatramin’ny 1945, raha tsy maty izy ireo. Nanao ahoana anefa ny fihetsik’ireo Vavolombelona teo anatrehan’ilay fitondrana feno habibiana nampiharina tsikelikely tamin’izy ireo tao amin’ireo toby? Na dia toa mahagaga aza izany, dia afaka nitana fifaliana izy ireo na dia teo aza ny manodidina azy tsy nahitam-pifaliana.

“Vatolampy tao anatin’ny fotaka”

Ilay mpanoratra tantara britanika atao hoe Christine King dia nanadinadina vehivavy katolika iray izay tany amin’ireo toby. “Nampiasa fitenenana iray izay tsy hohadinoiko mihitsy izy”, hoy ny Dr. King. “Niresaka tamin’ny an-tsipiriany be ny amin’ireo zava-nahatsiravina teo amin’ny fiainana izy, dia ny toe-piainana naharikoriko niainany. Ary nilaza izy fa nahafantatra Vavolombelona, ka ireny Vavolombelona ireny dia vatolampy tao anatin’ny fotaka. Toerana mafy orina tao anatin’izany fotaka mandrevo rehetra izany izy ireny. Nilaza izy fa izy ireo no hany olona tsy nandrora rehefa avy nandalo ireo mpiambina. Izy ireo no hany olona tsy nisetra izany rehetra izany tamim-pankahalana, fa tamim-pitiavana sy tamim-panantenana ary tamim-pahatsapana fa nisy zava-kendrena iray kosa.”

Inona no nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho ‘vatolampy tao anatin’ny fotaka’? Ny finoana tsy azo hozongozonina an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany. Noho izany, dia nandamòka ny fiezahan’i Hitler hamono ny fitiavana sy ny fifaliana kristiana nananan’izy ireo.

Henoy izay tsaroan’ny olon-droa tafavoaka velona avy tany amin’ny toby, dimampolo taona taorian’ny niatrehan’izy ireo tamim-pahombiazana io fitsapam-pinoana io. Hoy ny iray: “Mientan-kafaliana aho mahafantatra fa nanana tombontsoa tsy nanam-paharoa ny tenako hanaporofo ny fitiavako sy ny fankasitrahako an’i Jehovah tao anatin’ny toe-javatra faran’izay tsy nifaditra ovana. Tsy nisy nanery ahy hanao izany! Mifanohitra amin’izany fa, ireo nanandrana nanery anay, dia ireo fahavalonay izay nanandrana ny hampankato anay an’i Hitler mihoatra noho Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fandrahonana — tsy nahomby anefa izy ireo! Sambatra aho, tsy ankehitriny ihany, fa noho ny feon’ny fieritreretana madio, dia sambatra aho tamin’izay, na dia tao ambadiky ny rindrin’ny tranomaizina aza.” — Maria Hombach, 94 taona.

Hoy ny Vavolombelona hafa iray: “Misaintsaina ireo andro laniko tany an-tranomaizina amim-pankasitrahana sy amim-pifaliana, aho. Sarotra sy feno fitsapana ireo taona lany tany an-tranomaizina sy tany amin’ireo toby fitanana, teo ambanin’ny fitondran’i Hitler. Kanefa tsy niriko ny tsy ho nandalo tamin’izy ireny, satria nampianatra ahy hitoky tanteraka tamin’i Jehovah izy ireny.” — Johannes Neubacher, 91 taona.

‘Mitoky tanteraka amin’i Jehovah’ — izany no tsiambaratelon’ilay fifaliana hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Araka izany, dia falifaly izy ireo, na dia voahodidin’ny tontolo iray tsy ahitam-pifaliana aza. Niharihary ny fifalian’izy ireo tamin’ilay Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”, natao vao am-bolana maromaro izay. Aoka isika hamerina hijery vetivety ireny fiaraha-mivory falifaly ireny.

[Sary, pejy 4]

Maria Hombach

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara