Ravi-mangahazo — Sakafon’olona An-tapitrisany Maro Isan’andro
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY AMIN’NY RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE
NANOMBOKA ny zava-drehetra tokony ho tamin’ny taona 1600, rehefa nitondra mangahazo avy tany Amerika Atsimo ho eto Afrika, ireo Portogay. Inoana fa avy tany Brezila ny mangahazo, satria ilay teny hoe “mangahazo” dia niandoha tany amin’ireo foko tupi any Brezila, tany amin’ny Lohasahan’i Amazonia.
Tena ankafizin’ny olona eto Afrika indrindra ny vody mangahazo, kanefa ahoana ny amin’ny raviny maitso antitra? Mampiasa azy ireny ho fanafody atao amin’ny fery misokatra na hitsaboana nendram-boalavo ny olona sasany. Kanefa, ho an’ny olona an-tapitrisany maro eto amin’ny République Centrafricaine sy ny tany maromaro hafa eto Afrika, ireo raviny dia sakafo isan’andro, satria azo karakaraina ho sakafo matsiro. Raha ny marina, ny iray amin’ireo teny voalohany izay ianaran’ny misionera vaovaon’ny Watch Tower eto dia ny hoe ngunza. Laoka matsiro natao tamin’ny ravi-mangahazo izy io ary foto-tsakafo eto amin’ny République Centrafricaine — sakafo izay tsy maintsy andraman’ny mpitsidika eto andrefana amin’i Afrika, na ahoana na ahoana.
Tsy hihinana na oviana na oviana sakafo natao tamin’ireo ravina ireo ny ankamaroan’ny Eoropeana mipetraka eto Afrika, satria heveriny fa sakafo natao ho an’ny tera-tany izy io, fa tsy ho an’ny vahiny. Inona anefa no zava-misy? Atỳ amin’ireo tany toy ny République Centrafricaine, i Sierra Leone, sy i Zaïre, ireny ravina ireny dia foto-tsakafo isan’andro ho an’ny fianakaviana maro.
Rehefa mandeha fiaramanidina na mandeha mitety ny République Centrafricaine ianao, dia mahita tany maitso mavana — hazo, kirihitra, tany lava volo, ary, eny anelanelany eny, saha-mangahazo kely miaraka amin’ireo raviny maitso antitra miavaka. Voahodidin’ny tanimangahazo ny vohitra kely tsirairay. Mamboly azy io eo akaikin’ny tranony ny olona, ary na dia ao Bangui, renivohitra, aza, dia hahitanao mangahazo eny amin’ny sombin-tany sy ny velaran-tany lavalava tena kely mifanila amin’ny villa iray na amin’ny arabe. Azo antoka fa sakafo manan-danja izy io atỳ amin’itỳ faritr’izao tontolo izao itỳ.
Manandrama ngunza
Rehefa tonga ny misionera vaovao, tsy ela izy ireo dia asain’ny namany mba ho avy hanandrana ngunza kely. Tafiditra amin’izy io ilay sakafo malaza natao tamin’ny ravi-mangahazo. Hain’ny vehivavy tera-tany ny fomba ikarakarana azy io amin’ny fomba matsiro. Toa samy manana ny fomba fandrahoany azy ny vehivavy tsirairay. Iray amin’ireo zavatra voalohany ianaran’ny zazavavy kely avy amin’ny reniny momba ny fandrahoan-tsakafo ny fomba fikarakarana ngunza.
Finaritra erỳ izy ireo manazava hoe inona izy io ary ahoana no fomba ikarakarany azy io. Faly ireo vehivavy raha maneho fahalianana amin’io sakafon’ny tera-tany io ianao. Voalohany aloha, dia holazainy aminao fa tsy lafo ny ravi-mangahazo sady tondraka ary koa fa afaka maka azy ireny amin’ny vanin-taona manorana sy ny vanin-taona maina ianao. Amin’ny fotoan’ny krizy ara-toe-karena sy ny fisondrotan’ny vidim-piainana, dia mandray anjara lehibe amin’ny famahanana fianakaviana ny ravi-mangahazo. Ary tadidio fa matetika no maro anaka ny fianakaviana afrikana. Misy vava maro tokony hofahanana sy kibo maro tokony hovokisana. Maka ora maromaro ny fikarakarana ngunza. Tsy maintsy esorina ny tsirony mangidy amin’ireo ravina, alohan’ny hihinanana azy. Esorina ny poizina ao aminy amin’ny alalan’ny fikarakarana nentim-paharazana, ka tafiditra amin’izany ny fitotoana sy ny fampangotrahana maharitra.
Ny menaka palmie no menaka tian’ny vehivavy afrikana kokoa hampiasaina amin’ny fikarakarana ngunza. Tena ilaina ilay menaka mena antitra vita eto an-toerana. Ilay ngunza miaraka amin’ny totom-boanjo kely ary angamba tongolobe sy tongolo gasy dia sakafo isan’andro ho an’ny fianakaviana iray. Ahoana anefa raha manantena olona nasaina ianao? Amin’izay ilay ngunza dia tsy maintsy ho zavatra manokana, zavatra izay hotsaroan’izy ireny. Koa hataon’ilay tompom-panasana ho fanampiny ilay taharo tiany indrindra — trondro nasaly na vongan-kenan’omby nasaly — ampiana tongolo gasy sy tongolobe be dia be, miaraka amin’ny totom-boanjo be dia be, vao avy natao tao an-trano. Izany rehetra izany dia atao ao anaty vilany lehibe iray. Faharetana sy fampangotrahana betsaka no sisa.
Anio ilay tompom-panasana dia handroso ngunza miaraka amin’ny vary. Mitondra faharavoana ho an’ny Afrikana sy ho an’ny vahiny maro koa ny vary misavovona miaraka amin’ny ngunza mafana eran’ny sotrobe na indroany araraka eo ambonin’izy io. Ampio sakay kely, dia fantatrao amin’izay ny atao hoe ngunza. Raha ampiarahina amin’ilay sakafo ny divay mena eran’ny vera dia hampivoaka tanteraka ny tsirony.
Ahoana ny amin’ny ngukassa na kanda?
Rehefa mandeha avy any atsinanana miankandrefana ianao eto amin’ny République Centrafricaine, dia ho hitanao fa mikarakara ny ngunza amin’ny fomba isan-karazany ny olona. Ary ahoana ny amin’ny ngukassa? Amin’ny andro manorana mangatsiaka, dia mety ho sahaza ho anao ny ngukassa, ro na laoka nandrahoina niaraka tamin’izay rehetra tao an-jaridaina na tany an-tsaha. Miaraka andrahoina ny menaka palmie, ny akondro lahy, ny voanjo, ny vomanga, ny katsaka, ary, mazava ho azy, ny ravi-mangahazo, kanefa tsy asiana sira — tsy asiana sira na dia singany iray aza. Izay ilay tsiambaratelo! Ny vokany dia matsiro sy mahavelona. Ary raha hanao dia lavitra ianao, dia mitondrà kanda. Natao tamin’ny ravi-mangahazo nototoina niaraka tamin’ny trondro na hena nasaly izy io. Toy izao ny fikarakarana ny kanda: fonosina ao anatin’ny ravi-mangahazo io fifangaroana io ka asaly eo ambony afo mandritra ny ora maromaro mandra-pahatongany ho mafy sy maina. Mateza andro maromaro izy io ary azo hanina miaraka amin’ny mofo. Tonga lafatra izy io ho an’ny mpandeha lavitra.
Raha mitsidika an’i Afrika ianao indray andro any, nahoana no tsy mangataka mangahazo? Andramo izy io, ary aoka ianao hanatevin-daharana an’ireo an-tapitrisany maro izay mankafy azy io!