FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/9 p. 24-25
  • Totom-boanjo — Araka ny Fomba Afrikanina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Totom-boanjo — Araka ny Fomba Afrikanina
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fambolena voanjo
  • Voanjo tonga totom-boanjo
  • Voa Madinika Malaza Be ny Voanjo
    Mifohaza!—2003
  • Ravi-mangahazo — Sakafon’olona An-tapitrisany Maro Isan’andro
    Mifohaza!—1996
  • Dibera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Aiza no Misy ny Marina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/9 p. 24-25

Totom-boanjo — Araka ny Fomba Afrikanina

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY AMIN’NY RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE

MATETIKA ny totom-boanjo no heverina ho zavatra fanosotra amin’ny mofo fotsiny, any amin’ireo tany tandrefana. Atỳ amin’ny tany afrikanina sasany anefa, dia manana anjara asa lehibe kokoa izy io, eo amin’ny fiainana andavanandro, raha ny marina. Ahoana moa izany?

Atỳ Afrika afovoany, dia sakafo be mpitia maro no karakaraina miaraka amin’ny totom-boanjo. Eto, toy ny any amin’ny faritra an-dalam-pandrosoana hafa, dia matetika no sarotra vao mahazo lafarinina sy koban-katsaka: taharo ampiasaina mba hampaharihitra ny laoka sy ny lasaosy. Ny totom-boanjo àry no fampiasan’ny maro ho solony.

Izany anefa tsy vitan’ny hoe mandeha mividy totom-boanjo eran’ny tavoara ao amin’ny fivarotana enta-madinika eo an-toerana. Amidy amin’ny sotrokely mantsy izy io ao, ary tena lafo be. Aleon’ny renim-pianakaviana afrikanina maro àry manao ho an’ny tenany. Tena mahavariana ny fomba anaovana io asa mafy io. Ny fanazavana manaraka dia notsimponina tamin’ny alalan’ny resadresaka tetsy sy teroa tamin’ny renim-pianakaviana afrikanina maromaro.

Fambolena voanjo

Miharihary fa tsy voly sarotra karakaraina ny voanjo. Ny mafy indrindra dia ny fikarakarana ny tany. Amin’ny fanombohan’ny fotoan’ny orana no anaovana izany, rehefa mbola maina sy mafy ny tany. Amin’ny volana Aprily no ambolena ny voa, ary amin’ny faran’ny Aogositra na ny fiandohan’ny Septambra dia efa vokatra ka azo hadina ny voanjo, raha tonga aloha ny orana.

Raha ny marina, dia tsy voa anaty akora mafy ny voanjo fa legioma, iray karazana amin’ny pitipoà. Tsy hazo ny voanjo, araka ny mety ho noheverinao, fa zavamaniry iva kosa, ary manana fomba miavaka famokaram-boa any ambanin’ny tany. Antsoin’ny maro hoe voa an-tany àry izy io.

Atỳ Afrika afovoany, dia mety ho 50 metatra eo ho eo ny sakan’ny tanim-boanjo, ary ho 90 metatra eo ho eo ny lavany, amin’ny antsalany. Nisy olona namboly azy teo amin’ny tany kely teo anilan’ny tranony. Angady kely sy antsibe no fampiasa rehefa miasa ny tany. Ezaka faran’izay mahatrotraka izany! Ny voly dia mitaky fikojakojana betsaka, fara faharatsiny, amin’ny voalohany. Mila ambenana ny saha mba tsy hisy biby mpikiky hihady ny voa ka hihinana azy ireo. Ary mila hatao masaka foana sy tsy misy ahidratsy ny nofon-tany.

Rehefa akaiky hiakatra ny vokatra, dia amin’izay indrindra no mila ambenana ny saha. Mety hasaina hiambina ny ankizy, arakaraka ny hanatonan’io fotoana io. Nitantara ny vehivavy iray fa nisy mpiray tanàna taminy nahita ny voanjony teny ambony hazo teo akaiky teo. Nisy gidro nitondra azy teny, ary nifaly tamin’ny sakafo fy, nefa nitera-pahavoazana ho an’io mpiray tanàna io!

Mazàna ny fianakaviana iray manontolo no mifarimbona mihady ny vokatra. Mankeny an-tsaha ny rehetra mba hifanampy. Ongotana amin’ny tanana ilay zavamaniry, ary avela ho maina, avy eo dia esorina ny voanjo, ary entina mody any an-tanàna ao anaty koveta lehibe lolohavin’ireo mpihady vokatra.

Inona no mitranga amin’ny voanjo avy eo? Ampangotrahina ao anaty ranon-tsira izy io rehefa avy nosasana. Ny sasany aminy hanin’ilay fianakaviana avy hatrany, fa ampirimina mba hampiasaina amin’ny nahandro any aoriana kosa ny ankamaroany, ka aparitaka eo amin’ny tany eo akaikin’ny trano, ary avela ho maina tanteraka. Tokony hisy hiambina azy mba hiarovana azy amin’ny osy mpirenireny, izay haniry hihinana tsy notolorana.

Rehefa maina ny voanjo, dia tahirizina ao amin’ny trano vita tamin’ny tsihy sy fotaka, ary misy tongony. Ho maina foana ny voanjo amin’izay, ary ho voasakana foana koa ny biby mpikiky sy ny ankizy izay mety hitady zavatra hohanina raha mbola miasa any an-tsaha i Neny.

Voanjo tonga totom-boanjo

Tsy maintsy voasana ny voanjo vao azo ovana ho totom-boanjo. Avy eo dia endasina, mazàna ao anaty lapoaly lehibe sy fisaka, atao eo amin’ny afon-kitay malefaka, eo amin’ny tany. Izany no mahatonga azy ireo hanana tsirom-boan-javatra sy hanamora ny fanalana ny hodi-menany. Avela hangatsiaka ireo voanjo, ary kosehina mba hiala ny hodiny. Ampiasaina ny milina mpitoto avy eo mba hanorotoroana ny voanjo voaendy ho lasa zavatra marihitra. Raha tsy misy milina, dia aparitaky ny vehivavy mpikarakara tokantrano eo amin’ny vato fisaka lehibe ny voanjo, ary torotoroiny amin’ny tavoahangy na vato boribory.

Tsy ela ilay totom-boanjo dia hampiasaina hampaharihitra ny lasaosin’ny sakafo ao anaty vilany iray, ary aroso miaraka amin’ny mangahazo, ny akondrolahy, na ny vary, mazàna. Raha tianao ho fantatra ny tsiron’ny sakafo nolaroana totom-boanjo, nahoana raha manandrana manao?

Afaka manaraka fomba fahandro sakafo mahazatra ianao, ary mahandro laoka misy hena sy tongolobe sy tongolo gasy ary lasaosy voatabiha. Andrahoy ny hena mandra-pahaleminy, ary ampio epinara voatetika raha tianao. Raha mbola eo am-patana io, dia asio rano kely ny totom-boanjo mba hanome zavatra marihitra — sahabo ho eran’ny kaopy ho an’ny hena iray kilao eo ho eo — ary afangaroy ao anatin’ilay laoka izany. Avelao eo am-patana mandritra ny folo minitra na mihoatra, ary ataovy mahery ny afo mba tsy hahery loatra ny tsiron’ilay totom-boanjo. Raha tsy marihitra araka ny itiavanao azy ny lasaosy, dia ampio totom-boanjo ihany. Asio sira mba hisy tsirony. Raha tia zavatra masiatsiaka ianao, dia azonao ampiana sakay.

Hitan’ny olona maro ho matsiro ny sakafo toy izany hanina miaraka amin’ny vary! Ary na dia mety tsy hitovy tanteraka amin’io aza ny sakafonao, dia hanana traikefa avy tamin’ny mpanao azy mivantana ianao, miaraka amin’ny fomba fampiasa ny totom-boanjo araka ny fomba afrikanina!

[Sary, pejy 24]

Hadina ny voanjo rehefa vokatra ary entina mody avy eo mba hovoasana sy hototoina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara