FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/7 p. 14-17
  • Ny Fitsidihan’ny Papa ny ONU — Nahefa Inona Izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fitsidihan’ny Papa ny ONU — Nahefa Inona Izany?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no anton’ilay fitsidihana?
  • Ny tena fandriampahalemana — Avy amin’ny loharano inona?
  • Ilay fitsidihana — Nanao ahoana ny heriny?
  • Moa ve ny Eglizy eo amin’ny “fotoana lehibe iray tsy maintsy anapahan-kevitra”?
  • Voazava ny Zava-miafina Mahatalanjona
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Tsy Misy Fiadanana ho An’ireo Iraka Sandoka!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra: rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Mifohaza!—1996
g96 8/7 p. 14-17

Ny Fitsidihan’ny Papa ny ONU — Nahefa Inona Izany?

TAMIN’NY nandehanany fiaramanidina teo ambonin’i Atlantika mba handaha-teny tao amin’ny ONU any New York, ny Papa Jean Paul II dia nihoatra ny marika 1 000 000 kilaometatra tamin’ny fitetezany an’izao tontolo izao. Ny 4 Oktobra 1995 tamin’izay, ary io no diany faha-68 ivelan’ny taniny amin’ny maha-papa azy. Tsy isalasalana fa izy no papa nitety tany be indrindra teo amin’ny tantaran’ny Eglizy Katolika.

Tonga tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Newark, New Jersey, izy, indray alarobia nanorana, voahodidin’ny iray tamin’ny fomba fitandroana filaminana maty paika indrindra tamin’izay najoro hatramin’izay ho an’ny olo-manan-kaja. Notombanana fa polisy an-tanàna sy federaly 8 000 teo ho eo no voatendry hiaro ny papa. Niantso izany hoe “akora fiaro maty paika fitandroana filaminana”, nampiasana helikoptera sy mpisitrika anaty rano, ny tatitra iray.

Inona no anton’ilay fitsidihana?

Tao amin’ny lahateniny teo amin’ilay seranam-piaramanidina, ny papa dia nampahatsiaro fa nandefa antso ho amin’ny fandriampahalemana toy izao tamin’ny Fivoriamben’ny ONU ny Papa Paul VI, izay nodimbasany: “Tsy mila ady intsony, tsy mila ady intsony mihitsy!” Nilaza i Jean Paul II fa niverina izy “mba haneho ny fieke[ny] lalina fa tena ilaina kokoa mbola tsy nisy toy izany eto amin’ny tontolo iray eo am-pikarohana zava-kendrena, ireo filamatra sy fikasana nitarika ny fiandohan’ny ONU, antsasa-taonjato lasa izay”.

Tamin’ireo vavaka hariva tao amin’ny Katedraly Sacré-Cœur, Newark, dia nampiseho indray ny fanohanany ny ONU ny papa tamin’ny filazana hoe: “Io fikambanana io dia misy mba hitondra soa iombonan’ny fianakavian’olombelona, ary, noho izany, dia mety ny hiresahan’ny papa eto amin’ny maha-vavolombelon’ny fanantenana ao amin’ny Filazantsara azy.” Nanampy teny toy izao izy: “Ny vavaka ataontsika ho amin’ny fandriampahalemana, noho izany, dia vavaka ho an’ny Firenena Mikambana koa. Miavaka amin’ny maha-mpankamamy sy mpandala fatratra fandriampahalemana (...) i Masindahy François d’Assise. Aoka isika hangataka ny fitalahoany ho an’ny ezaka ataon’ny Firenena Mikambana mba hisian’ny rariny sy ny fandriampahalemana manerana izao tontolo izao manontolo.”

Tao amin’ny lahateniny ho an’ny ONU, dia noderainy ireo fiovana ara-politika tsy nampiasan-kerisetra tamin’ny 1989 tany Eoropa Atsinanana, izay nisy tany maromaro nahazo indray ny fahafahany. Nampirisihany ny hanehoana “tena fitiavan-tanindrazana” izay hafa noho ny “fanindrahindram-pirenena feno fahateren-tsaina sy tsy fetezan-kizara”. Niresaka momba ireo tsy rariny eto amin’itỳ rafitra ankehitriny itỳ izy tamin’ny filazana hoe: “Rehefa misy olona an-tapitrisany maro mijaly noho ny fahantrana izay midika ho hanoanana, tsy fahampian-tsakafo, aretina, tsy fahaizan-taratasy, sy fikororosiana fahana, isika dia tsy maintsy (...) mampahatsiahy tena fa tsy misy olona manan-jo hanararaotra ny hafa mba hahazoany tombontsoa manokana.”

Avy eo izy dia nanambara hoe: “Eo am-piatrehantsika ireo zava-tsarotra goavana ireo, ahoana no tsy anekentsika ny anjara asan’ny Firenena Mikambana?” Nilaza izy fa ilain’ny ONU ny “ho tonga foibe ara-pitsipi-pitondran-tena izay tsy hahatsiarovan’ny firenena rehetra eo amin’izao tontolo izao ho vahiny”. Nanantitrantitra ny ilana hampandrosoana “ny firaisan-kina eo amin’ny fianakavian’olombelona manontolo”, izy.

Ny tena fandriampahalemana — Avy amin’ny loharano inona?

Tsy isalasalana fa naneho fihetseham-po ambony maro izy. Kanefa, tao amin’ilay lahateniny lava be, moa ve nisy fotoana nisarihany ny sain’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao ho amin’ny vahaolana omen’Andriamanitra amin’ireo olana mahazo ny olombelona — ny fanapahan’ny Fanjakany amin’ny alalan’i Kristy Jesosy? (Matio 6:10). Tsia. Raha ny marina, dia tsy nisy fotoana nanononany ny Baiboly tao amin’ilay lahateniny ho an’ny ONU. Mifanohitra amin’izany, fa nilaza izy fa “noho ny fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra, isika dia afaka manorina sivilizasiona iray mendrika ny olombelona, tena kolontsaina hanjakan’ny fahafahana, amin’ny taonjato manaraka sy amin’ny arivo taona manaraka”. Ho an’ny mpianatra Baiboly, io fihetseham-po io dia mety ho toa mamerina ny fihetseham-po iray mitovy amin’izany nolazain’ireo olona tany Babela fahiny, maherin’ny 4 000 taona lasa izay, ary nihevitra izy ireo fa afaka nitana ny taranak’olombelona ho tafaray tamin’ny alalan’ny ezaky ny olombelona: “Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza”. (Genesisy 11:4). Noho izany, araka io fomba fijery io, dia ireo filoha ara-politika eo amin’ny olombelona, manana solontena ao amin’ny ONU, no hanorina sivilizasiona vaovao miorina amin’ny fahafahana.

Inona anefa no faminaniana lazain’ny Baiboly mikasika ny hoavin’ny fitondram-panjakana ara-politikan’olombelona sy ny ONU? Manome fahitana mazava ny hoavy izay miandry azy ireo ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy. Naminany i Daniela fa amin’ny andro farany, Andriamanitra dia hanorina ny fanapahan’ny Fanjakany, tahaka ny vato goavana iray “tsy nendahan-tànana”. Inona no hataon’izy io? “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; (...) fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Hosoloana fanapahana marina iray ho an’ny olombelona rehetra ireo fitondram-panjakan’olombelona. — Daniela 2:44, 45.

Inona no hitranga amin’ny ONU? Milazalaza ny ONU (sy ny Fikambanam-pirenena, ilay nodimbasany tsy ela niainana) ho toy ny biby dia mivolon-jaky izay “ho lasa ho amin’ny fandringanana”, ny Apokalypsy toko faha-17. (Apokalypsy 17:8).a Tsy masoivohon’olombelona tsy tanteraka no loharanon’ny tena fandriampahalemana avy amin’i Jehovah, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho fahatsoram-pon’ireo mpanaraka azy io. Ho tonga amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra nampanantenaina, eo am-pelatanan’i Kristy Jesosy tafatsangana tamin’ny maty izay efa any an-danitra, ny tena fandriampahalemana. Izany no fototry ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4, manao hoe: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Ilay fitsidihana — Nanao ahoana ny heriny?

Rehefa nanisy firesahana tsy mivantana ny amin’ny Baiboly ny papa tao amin’ny lahateniny, moa ve ireo mpivavaka katolika nampirisihina hamoaka ny Baiboliny ka hijery ireo andinin-teny? Izao no zava-misy: tsy nitondra Baiboly akory aza ny ankamaroany. Tena nahalana ny papa vao nanonona andinin-teny voafaritra tsara mba hanamora ny famakian’ny mpihaino ny Baiboly.

Ohatra iray tamin’izany rehefa niresaka tamin’ny olona 83 000 tao amin’ny Kianja Giants, New Jersey, izy ka nilaza hoe: “Miandry ny fiverenan’ny Tompo amin’ny maha-mpitsara ny velona sy ny maty isika. Miandry ny fiverenany amim-boninahitra isika, ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny fahafenoany. Izany no fanasana tsy an-kijanona ao amin’ny salamo hoe: ‘Miandrasa ny Tompo amin-kerim-po; manàna herim-po, ary miandrasa ny Tompo.’ ” Andinin-teny inona anefa no notononiny avy tao amin’ny salamo? Ary Tompo iza no nasiany firesahana — i Jesosy sa Andriamanitra? (Ampitahao amin’ny Salamo 110:1.) Araka ilay gazetin’ny Vatikana hoe L’Osservatore Romano, dia nanonona ny Salamo 27:14, izay vakina tsara kokoa toy izao, izy: “Manantenà an’Iaveh! Matokia ka herezo ny fonao! Manantenà an’Iaveh!” (Fandikan-teny Katolika). Eny, tokony hanantena an’i Iaveh, na i Jehovah, ilay Andriamanitr’i Jesosy Tompo, isika. — Jaona 20:17.

Teo amin’ny fizotran’ny tantara, moa ve ireo klerjy sy mpitarika katolika nampandroso ny fandriampahalemana teo amin’ireo firenena? Moa ve ny fampianarana katolika nandamina an’ireo tsy fifanarahana ara-pirazanana, ara-bolon-koditra, na ara-poko? Ny fandripahana tamin’ny 1994 tatsy Rwanda, atsinanana afovoany amin’i Afrika, sy ireo ady nifandripahana tamin’ireo taona vitsy farany tany amin’izay nantsoina hoe Iogoslavia, dia manazava avokoa fa, amin’ny ankapobeny, ireo zavatra inoana ara-pivavahana dia tsy manafoana ny fankahalana sy ny fitsarana an-tendrony latsa-paka indrindra mitoetra ao am-pon’olombelona. Na ny konfesy maimaika isan-kerinandro, na ny fanatrehana Lamesa tsy tapaka, dia tsy hanova ny fomba fisainan’ny olona sy ny fomba fanaony. Tsy maintsy misy hery mitaona lalina lavitra, izay tsy miseho raha tsy rehefa avela hilatsaka ao am-po sy ao an-tsain’ny mpino ny Tenin’Andriamanitra.

Tsy miorina amin’ny fihetseham-po ateraky ny fombafomba ara-pivavahana ny fitondran-tena miovan’ny Kristiana marina iray, fa miorina amin’ny fahatakaran’ny saina ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny isam-batan’olona. Nanambara toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mamolavola ny tenanareo araka ny fitondran-tenan’ny tontolo manodidina anareo, fa avelao hiova ny fitondran-tenanareo, voavolavolan’ny sainareo vaovao. Izany no hany fomba hahitana ny sitrapon’Andriamanitra sy hahalalana izay tsara, izay irin’Andriamanitra, izay zavatra lavorary tokony hatao.” (Romana 12:1, 2, The Jerusalem Bible). Azo io fitondran-tena vaovao io amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra izay mitarika ho amin’ny fahalalana araka ny marina ny sitrapony. Mamorona hery ara-panahy izay manetsika ny saina izy io ka miteraka fitondran-tena kristiana. — Efesiana 4:23, NW; Kolosiana 1:9, 10, NW.

Moa ve ny Eglizy eo amin’ny “fotoana lehibe iray tsy maintsy anapahan-kevitra”?

Nilazalaza ny Papa Jean Paul II ho manana “hery mambabo miavaka” raha jerena amin’ny maha-75 taona azy, ilay gazety espaniola hoe El País, ary niantso azy hoe “manam-pahaizana amin’ny fampitam-baovao” ny gazety amerikana iray. Havanana izy amin’ny fiatrehana ny fampitam-baovao an-gazety sy amin’ny fifandraisana amin’ny sarambaben’olona sy ny zanak’izy ireo. Amin’ireo fitetezan-tany ataony, izy dia afaka misolo tena ny Saint-Siège any Vatikana. Na dia ekena amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny ONU aza ny Vatikana, ny tsodranon’ny papa ho an’io fikambanana io dia tsy hiantoka ny fitahian’i Jehovah Andriamanitra azy io.

Samy hafa ireo fihetsika tamin’ny fitsidihan’ny papa. Maro tamin’ireo Katolika izay nahazo karatra fidirana tamin’ny Lamesa an-kalamanjana no nahatsapa ho nahazo hery ara-pihetseham-po noho io fanandraman-javatra io. Kanefa, nisy mpitarika katolika sasany nanana fomba fijery tsy nanorina kokoa momba ilay fitsidihana sy izay mety ho vokatr’izy io. Ny The New York Times dia nanonona ny tenin’i Timothy B. Ragan, prezidàn’ny Foibe Nasionaly Katolika Momba ny Fitarihana Pastoraly, ho nilaza fa “tsy nahaizana nanararaotra ny fitsidihan’ny Papa. Na dia ‘nanome hery sy fisehoan-javatra nisongadina teo amin’ny lafiny sakramenta ho an’ny olona maro be’ ” aza ilay dia, ho an’ny mpitarika katolika maro izy io dia “tsy nanome fahafahana mba hihainoan[’ny papa] ary tsy nametraka rafitra mba hifanakalozan-kevitra”. Katolika maro no mihevitra fa momba ny raharaha iadian-kevitra toy ny fitovoana, ny fandrindram-piterahana, sy ny fisaraham-panambadiana, dia voatery nihaino azy nanao kabary tsy valiana izy ireo.

Miaiky ny manam-pahefana katolika sasany fa “ny eglizy dia eo amin’ny fotoana lehibe iray tsy maintsy anapahan-kevitra”, ary matahotra izy ireo sao Katolika maro, “indrindra fa ny tanora, no miha-tsy mahazo mazava ny hevitr’izany atao hoe Katolika izany”. I James Hitchcock, Katolika mpandala ny nentin-drazana, “dia mahita ilay olana ho toy ny ady mangatsiaka mandrava eo amin’ny lohandohany miha-tsy tia fiovana sy ny ‘mpitantana antonontonona’ somary malala-tsaina”.

Raha ny amin’ny herin’ny fitsidihan’ny papa eo amin’ny fotoan-tsarotra diavin’ny besinimaro ao amin’ny eglizy, dia izao no nambaran’i Hitchcock: “Tonga teto izy, nohindrahindraina fatratra izy, lasa nody izy — ary tsy nisy zavatra nitranga. Mandiso fanantenana ireo vokany, araka ny fomba fihevitro.” Azo antoka fa navelan’ny papa handalo ny fahafahana iray hilazana tamin’ireo filoha ara-politika tao amin’ny ONU hoe aiza no tokony hahitana ny loharanon’ny tena fandriampahalemana.

Na dia manantitrantitra tanjona hoe “fiadanana sy filaminana” aza ny Satan’ny ONU sy ny fampielezan-kevitry ny olombelona, dia aza manaiky ho voafitaka. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Raha misy olona manao hoe: [‘Fiadanana sy filaminana!’, NW ], dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” (1 Tesaloniana 5:3). Tsy hitranga ny tena fiadanana sy filaminana raha tsy amin’ny alalan’ny sitrapon’Andriamanitra sy amin’ny fombany ihany — amin’ny alalan’ny fanapahan’ilay Fanjakany, fa tsy amin’ny alalan’ny ONU.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahazoana fanazavana amin’ny an-tsipiriany kokoa momba io faminaniana ao amin’ny Apokalypsy io, dia jereo ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy faha-240-251, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 1988.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

UN photos

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara