FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/5 p. 13-18
  • Tsy Misy Fiadanana ho An’ireo Iraka Sandoka!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Misy Fiadanana ho An’ireo Iraka Sandoka!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo antsoina hoe iraka milaza fiadanana
  • Mpitondra fiadanana ve ny ONU?
  • Ireo antony ‘hitomaniana mafy’
  • Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra: rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Voazava ny Zava-miafina Mahatalanjona
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Ny Fitsidihan’ny Papa ny ONU — Nahefa Inona Izany?
    Mifohaza!—1996
  • Fanompoana Amin’ny Maha-iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/5 p. 13-18

Tsy Misy Fiadanana ho An’ireo Iraka Sandoka!

“Ny mpanao ratsy hofongorana (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — SALAMO 37:9, 11.

1. Nahoana isika no tokony hanampo ny hahita iraka sandoka sy tena izy, amin’ny “andro farany”?

IRAKA — sandoka sa tena izy? Samy nisy ireo karazany roa ireo tamin’ny andron’ny Baiboly. Ahoana kosa ny amin’ny androntsika? Ao amin’ny Daniela 12:9, 10 isika dia mamaky fa nilaza toy izao tamin’ny mpaminanin’Andriamanitra, ny iraka iray avy tany an-danitra: “Efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ny andro farany. Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny [manana fahaiza-mahataka-javatra, NW ] no hahafantatra.” Miaina amin’izany “andro farany” izany isika ankehitriny. Mahita fiavahana lehibe eo amin’ny “ratsy fanahy” sy ny “manana fahaiza-mahataka-javatra” ve isika? Tena mahita tokoa isika!

2. Ahoana no ahatanterahan’ny Isaia 57:20, 21, amin’izao andro izao?

2 Ao amin’ny toko faha-57, andininy faha-20 sy 21 isika dia mamaky izao tenin’i Isaia, irak’Andriamanitra, izao: “Ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.” Tena mifanentana amin’itỳ tontolo itỳ ny filazalazan’ireo teny ireo azy, eo am-panatonany ny taonjato faha-21! Misy aza manontany hoe: ‘Ho tonga hatrany amin’io taonjato io ihany ve isika?’ Inona no lazain’ireo iraka manana fahaiza-mahataka-javatra amintsika?

3. a) Inona no fifanoheran-javatra voalaza ao amin’ny 1 Jaona 5:19? b) Ahoana no ilazalazana ny amin’ireo “manana fahaiza-mahataka-javatra” ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7?

3 Ny apostoly Jaona dia nanana fahaiza-mahataka-javatra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Ao amin’ny 1 Jaona 5:19, dia izao no ambara: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” Mifanohitra amin’itỳ tontolo itỳ ireo Isiraelita ara-panahy 144 000, izay mbola eo anilantsika ny sisa aminy ary efa mandroso taona. Miaraka amin’izy ireo amin’izao andro izao ny “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, izay miisa maherin’ny dimy tapitrisa ankehitriny, ary manana fahaiza-mahataka-javatra koa. “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe”. Ary nahoana izy ireo no valian-tsoa? Satria ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ koa izy ireo, tamin’ny fanehoana finoana ny avotr’i Jesosy. Amin’ny maha-iraka mitondra fahazavana azy, dia “manompo [an’Andriamanitra] andro aman-alina” izy ireo. — Apokalypsy 7:4, 9, 14, 15.

Ireo antsoina hoe iraka milaza fiadanana

4. a) Nahoana no voatokana ho amin’ny tsy fahombiazana ireo antsoina hoe iraka milaza fiadanana eo amin’ny tontolon’i Satana? b) Ahoana no iharan’ny Efesiana 4:18, 19, amin’izao andro izao?

4 Ahoana kosa ny amin’ireo antsoina hoe iraka milaza fiadanana eo amin’ny fandehan-javatry ny tontolon’i Satana? Ao amin’ny Isaia toko faha-33, andininy faha-7, dia hoy ny vakintsika: “Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; ny iraka [milaza fiadanana dia hitomany, NW ] mafy.” Tena marina izany ny amin’ireo misomaritaka tsy misy toy izany mitety ireo renivohitra manerana izao tontolo izao mba hanandrana hitondra fiadanana! Ezaka very maina fotsiny re izany! Fa nahoana? Satria ireo famantaran’aretin’itỳ tontolo itỳ no iadiany, fa tsy ireo antony fototra. Voalohany aloha, dia jamba izy ireo, raha ny amin’ny fisian’i Satana, izay lazalazain’ny apostoly Paoly ho “ny andriamanitr’izao tontolo izao”. (2 Korintiana 4:4). Namafy voan’ny faharatsiam-panahy teo amin’ny olombelona i Satana, hany ka ny ankamaroan’izy ireo, anisan’izany ny maro amin’ireo mpitarika, ankehitriny dia mifanentana amin’ny filazalazana ao amin’ny Efesiana 4:18, 19, manao hoe: “Efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana [ao, NW ] anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny [fierenana].”

5. a) Nahoana no tsy mahatondra fiadanana ireo fikambanan’olombelona? b) Hafatra mampionona inona no ampitain’ny Salamo faha-37?

5 Tsy misy fikambanan’olombelona tsy tanteraka afaka manongotra avy ao am-pon’ny olombelona ny fierenana sy ny fitiavan-tena ary ny fankahalana izay manjaka aoka izany amin’izao andro izao. Ny Mpamorona antsika, i Jehovah Tompo Manam-piandrianana ihany, no afaka manao izany! Ankoatra izany, dia ireo mpandefitra ihany, izay vitsy an’isa eo amin’ny olombelona, no manaiky an-tsitrapo ny tari-dalany. Ny vokatr’izany ho azy ireo sy ho an’ny ratsy fanahy eo amin’izao tontolo izao dia ampifanoherina toy izao ao amin’ny Salamo 37:9-11: “Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”

6, 7. Inona no zava-bitan’ireo fivavahan’itỳ tontolo itỳ ka mampiseho fa tsy nahomby izy ireo tamin’ny naha-iraka milaza fiadanana azy?

6 Afaka mahita iraka milaza fiadanana àry ve isika eo amin’ireo fivavahan’itỳ tontolo marary itỳ? Manao ahoana moa ny zava-bitan’ny fivavahana hatramin’izao? Asehon’ny tantara fa ny fivavahana dia nandray anjara, eny, rangory fototry ny afo mihitsy aza, tamin’ny ankabetsahan’ny fandatsahan-dra nandritra ireo taonjato rehetra. Ohatra, ny Christian Century tamin’ny herinandron’ny 30 Aogositra 1995, rehefa nitatitra momba ny fisafotofotoana izaitsizy any Iogoslavia teo aloha, dia nanambara hoe: “Any Bosnia eo an-tanan’ny Serba, ireo pretra dia mipetraka eo amin’ny loha laharana ao amin’izay antsoin’ny tenany hoe parlemanta, no sady any amin’ireo vava ady, izay itsofana rano an’ireo andian-tafika sy ireo fiadiana mihitsy aza, alohan’ny hanombohan’ny ady.”

7 Ireo zato taona nanaovan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana asa misionera tatsy Afrika dia tsy nitondra vokatra tsara kokoa, araka ny ohatra hita tsara tatsy Rwanda, izay tany malaza ho Katolika ny 80 isan-jaton’ny mponina ao. Hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times tamin’ny 7 Jolay 1995: “Ny Golias, gazetiboky katolika lahika mampiseho fahalalahan-tsaina, mivoaka any Lyon [Frantsa], dia mikasa ny hampahafantatra ny anaran’ireo pretra rwandais 27 hafa sy masera efatra, izay lazainy fa namono olona na nampirisika ny famonoana olona tatsy Rwanda tamin’ny taon-dasa.” Ny African Rights, fikambanana momba ny zon’olombelona any Londres, dia nanao izao teny izao: “Tsy noho ny fanginany ihany no tsy maintsy ampamoahana ireo fiangonana, fa noho ny fandraisan’ny sasany tamin’ireo pretrany sy pastorany ary maserany anjara koa, tamin’ilay fandripahana foko iray manontolo.” Izany dia mitovy amin’ny tarehin-javatra teo amin’ny Isiraely, fony i Jeremia, ilay tena irak’i Jehovah, nilazalaza ny ‘fangaihain’ny Isiraely’, ary koa ny an’ireo mpanapaka teo aminy sy ireo mpisorony ary ireo mpaminaniny. Ary nanampy teny toy izao izy: “Eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny”. — Jeremia 2:26, 34.

8. Nahoana no azo atao ny milaza fa iraka milaza fiadanana i Jeremia?

8 I Jeremia dia nantsoina matetika hoe mpaminany mpilaza loza, nefa azo nantsoina koa hoe irak’Andriamanitra milaza fiadanana izy. Niresaka matetika momba ny fiadanana toy ny nataon’i Isaia talohany izy. Nampiasa an’i Jeremia i Jehovah mba hanambara ny didim-pitsarana tamin’i Jerosalema, tamin’ny filazana hoe: “Ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin’ny andro nanorenana azy ka mandraka andro-any, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako, noho ny ratsy rehetra nataon’ny Zanak’Isiraely sy ny taranak’i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin’ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.” (Jeremia 32:31, 32). Izany dia sary nampiseho tandindon’ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ireo mpanapaka sy klerjy ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao. Mba hanjakan’ny tena fiadanana, dia tsy maintsy esorina ireny rangory fototry ny afo amin’ny faharatsiana sy ny herisetra ireny! Tena tsy iraka milaza fiadanana mihitsy izy ireny.

Mpitondra fiadanana ve ny ONU?

9. Ahoana no nihamboan’ny ONU ho iraka milaza fiadanana?

9 Tsy hety ho tonga tena iraka milaza fiadanana ve ny Firenena Mikambana? Rehefa heverina tokoa, ny teny fampidirana ny dinan’izy io, izay natolotra tamin’ny Jona 1945, 41 andro monja talohan’ny nandravan’ny baomba ataomika an’i Hiroshima, dia nanambara toy izao ny zava-kendreny: “Hitsimbina ireo taranaka mifandimby amin’ny famelezan’ny ady”. Ireo 50 ho mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana dia tokony “hampiray ny heriny mba hihazona fiadanana sy filaminana maneran-tany”. Amin’izao andro izao, ny ONU dia manana firenena mpikambana 185, izay lazaina ho samy nanokan-tena ho amin’ny hevitra ijoroana iray ihany.

10, 11. a) Ahoana no nanambaran’ireo mpitondra fivavahana ny fanohanany ny ONU? b) Ahoana no nampisehoan’ireo papa tamin’ny fomba diso “ny Vaovao Tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra”?

10 Nandritra ireo taona, ny ONU dia nohobina mafy, ary ireo mpitondra fivavahana indrindra no nanao izany. Tamin’ny 11 Aprily 1963, ny Papa Jean XXIII dia nanao sonia ny taratasiny ho an’ny eveka nitondra ny lohateny hoe “Pacem in Terris” (“Fiadanana eto Ambonin’ny Tany”), izay nanambarany hoe: “Fanirianay amim-pahatsorana indrindra ny hahafahan’ny fikambanan’ny Firenena Mikambana hampifanaraka bebe kokoa ny firafiny sy ny fitaovana ampiasainy, amin’ny halehibe sy ny fahambonian’ireo andraikiny.” Tatỳ aoriana, tamin’ny Jona 1965, ireo mpitondra fivavahana nolazaina fa nisolo tena ny antsasaky ny mponina maneran-tany, dia nankalaza tany San Francisco ny faha-20 taonan’ny ONU. Tamin’ny 1965 koa, ny Papa Paul VI, nandritra ny fitsidihany ny ONU, dia nilaza azy io ho “ny fara fanantenam-pifanarahana sy fandriampahalemana”. Tamin’ny 1986, ny Papa Jean Paul II dia niara-niasa tamin’ny fanohanana ny fanaovan’ny ONU an’io taona io ho ny Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Fandriampahalemana.

11 Avy eo indray koa, nandritra ny fitsidihany tamin’ny Oktobra 1995, dia hoy ny nambaran’ny papa: “Anio isika dia mankalaza ny Vaovao Tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Tena irak’Andriamanitra milaza vaovao tsara momba ilay Fanjakana tokoa ve anefa izy? Rehefa niresaka momba ireo zava-nanahirana nanerana izao tontolo izao izy, dia nanohy ny teniny toy izao: “Rehefa miatrika ireo zava-tsarotra goavana ireo isika, ahoana moa no ahafahantsika tsy hanaiky ny anjara asan’ny Fikambanan’ny Firenena Mikambana?” Ny ONU, fa tsy ny Fanjakan’Andriamanitra, no nofidin’ny papa.

Ireo antony ‘hitomaniana mafy’

12, 13. a) Ahoana no nanaovan’ny ONU zavatra nifanaraka tamin’izay voalazalaza ao amin’ny Jeremia 6:14? b) Nahoana ireo mpitarika ny ONU no tafiditra ao amin’ilay filazalazana ao amin’ny Isaia 33:7?

12 Ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny ONU dia tsy nampiharihary izay tena fahatsinjovana “fiadanana eto ambonin’ny tany”. Ny antony iray dia nasehon’ny mpanoratra iray ao amin’ny The Toronto Star any Kanada, izay nanoratra hoe: “Ny ONU dia toy ny liona banga, izay mierona rehefa misetra habibian’olombelona, nefa voatery miandry an’ireo mpikambana ao aminy hampiditra ny solonifiny ao am-bavany vao ho afaka hanaikitra.” Matetika loatra izany kaikitra izany no kely loatra sady tara loatra. Ireo iraka milaza fiadanana eo amin’ny fandehan-javatr’itỳ tontolo ankehitriny itỳ, ary indrindra fa ireo ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia namerina ireo tenin’ny Jeremia 6:14 manao hoe: “Nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; kanjo tsy misy fiadanana tsinona!”

13 Ireo sekretera jeneralin’ny ONU nifandimby dia niezaka mafy, ary tsy isalasalana fa tamim-pahatsoram-po, mba hahombiazan’ny ONU. Samy hafa zava-kendrena anefa ireo mpikambana 185 ao aminy, ka mifamaly tsy an-kijanona momba ny fomba hamerana ny ady, hanoritana ny paika arahina, ary hitantanana ny vola, hany ka nanakantsakana ny fahatsinjovana fahombiazana izany. Tao amin’ny tatitra isan-taona ho an’ny 1995, ilay sekretera jeneraly tamin’izay, dia nanoratra fa nihataka ny “aloka mihelohelon’ny loza amin’antambo niokleary maneran-tany” ka nanokatra ny lalana hahafahan’ireo “firenena hiara-miasa mba hisian’ny fandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsosialy ho an’ny fitambaran’ny olombelona rehetra”. Hoy anefa ny teny nanampiny: “Mampalahelo fa ny zava-bita teo amin’ny raharaha maneran-tany tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa dia tsy nanamarina ireny fanapoizan-javatra tsara ireny.” Tena marina fa ‘mitomany mafy’ ireo mihambo ho iraka milaza fiadanana.

14. a) Nahoana no azo atao ny milaza fa sady bankirompitra ara-bola no bankirompitra ara-pitondran-tena ny ONU? b) Ahoana no ahatanterahan’ny Jeremia 8:15?

14 Vakina toy izao ny lohatenin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny The Orange County Register any Californie: “Bankirompitra Ara-bola sy Ara-pitondran-tena ny ONU”. Nanambara ilay lahatsoratra fa teo anelanelan’ny 1945 sy 1990, dia nisy ady maherin’ny 80, izay nijinja ain’olona maherin’ny 30 tapitrisa. Nanonona ny tenin’ny mpanoratra iray tao amin’ny Reader’s Digest tamin’ny Oktobra 1995 izy io. Izany mpanoratra izany dia “milazalaza fa ny asa ara-tafiky ny ONU dia miavaka noho ireo ‘mpitari-tafika tsy mahay, miaramila tsy voafehy, fifanekena amin’ny mpanafika, tsy fahaizana misakana habibiana ary indraindray dia fandraisana anjara amin’ny fampihorohoroana mihitsy aza’. Ambonin’izany, dia ‘mahazendana ny habetsahan’ny fandanilaniana foana sy ny famitahana ary ny fanararaotana’ ”. Tao amin’ny fizarana iray nitondra ny lohateny hoe “Ny Faha-50 Taonan’ny ONU”, ny The New York Times dia nitondra ny lohateny hoe “Mikiky ny Fikasana Tsara Indrindran’ny ONU ny Tsy Fahaiza-mitantana sy ny Fandanilaniana Foana”. Ny The Times any Londres, any Angletera, dia nanome izao lohateny izao ho an’ny lahatsoratra iray: “Osa eo Amin’ny Faha-50 Taonany — Mila manao fanatanjahan-tena ny ONU mba ho metimety indray.” Araka ny zava-misy, izany dia araka ny vakintsika ao amin’ny Jeremia toko faha-8, andininy faha-15, manao hoe: “Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.” Ary ny fandrahonan’ny fandripahana tambabe niokleary dia mbola mitatao eo amin’ny olombelona ihany. Mazava fa tsy ilay iraka milaza fiadanana ilain’ny olombelona ny ONU.

15. Ahoana no nisehoan’i Babylona fahiny sy ilay taranany ara-pivavahana ho sady mandrava no mahadonto?

15 Inona no hiafaran’izany rehetra izany? Tsy mamela fisalasalana ny Teny ara-paminanian’i Jehovah. Voalohany aloha, inona moa no miandry an’ireo fivavahan-dison’izao tontolo izao izay matetika aoka izany no nanana fisakaizana faran’izay akaiky tamin’ny ONU? Izy ireo dia taranaky ny loharano tokana mpanompo sampy, dia i Babylona fahiny. Mifanentana tsara ny ilazalazana azy ireo ao amin’ny Apokalypsy 17:5 ho “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta, amin’ny tany”. I Jeremia dia nilazalaza ny loza hanjo an’io fikambanana mpihatsaravelatsihy io. Toy ny mpijangajanga, na vehivavy janga, izy ireo dia nanangoly ireo mpanao politikan’ny tany, nandokadoka ny ONU ary namatotra fifandraisana tsy ara-dalàna tamin’ireo mpikambana ara-politika ao amin’izy io. Mpandray anjara lehibe indrindra tamin’ireo ady teo amin’ny tantara izy ireo. Hoy ny nambaran’ny mpanazava vaovao iray momba ny ady ara-pivavahana any India: “I Karl Marx dia niresaka momba ny fivavahana ho toy ny ôpiôma ho an’ny sarambabem-bahoaka. Tsy afaka ny ho marina tanteraka anefa io fanambarana io, satria ny ôpiôma dia mahadomelina, mandrotsirotsy ny olona ho donto. Tsia, fa mitovy kokoa amin’ny cocaïne mahery kosa ny fivavahana. Manampatra herisetra lehibe dia lehibe izy io ary hery tena mandrava.” Tsy tena marina tanteraka koa anefa ny an’io mpanoratra io. Ny fivavahan-diso dia sady mahadonto no mandrava.

16. Nahoana no tokony handositra hiala amin’i Babylona Lehibe ireo olona tso-po? (Jereo koa ny Apokalypsy 18:4, 5.)

16 Inona àry no tokony hataon’ny olona tso-po? Manome antsika ny valiny i Jeremia irak’Andriamanitra: “Mandosira hiala an’i Babylona hianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; (...) fa izao no andro famalian’i Jehovah”. Faly isika satria nisy olona an-tapitrisany maro nandositra niala tamin’ireo fefin’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Iray amin’izy ireny ve ianao? Raha eny, dia takatrao tsara ny vokatra nentin’i Babylona Lehibe teo amin’ireo firenena amin’ny tany: “Ny divainy efa nisotroan’ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.” — Jeremia 51:6, 7.

17. Didim-pitsarana inona no hampiharina tsy ho ela amin’i Babylona Lehibe, ary inona no hitranga manaraka izany?

17 Tsy ho ela, ireo mpikambana ‘very saina’ ao amin’ny ONU dia hotarihin’i Jehovah hamely ny fivavahan-diso, araka ny voalazalaza toy izao ao amin’ny Apokalypsy 17:16: “Ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” Izany no hanamarika ny fiandohan’ny fahoriana lehibe izay resahina ao amin’ny Matio 24:21 sady hahita ny fara heriny ao Haramagedona, ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha. Sahala amin’i Babylona fahiny, i Babylona Lehibe dia hiharan’ilay didim-pitsarana resahina ao amin’ny Jeremia 51:13, 25, manao hoe: “Hianao izay monina eny amoron’ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena. Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza, izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; ary hahinjitro ny tànako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ny harambato hianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.” Hanaraka ny fivavahan-diso any amin’ny fandringanana ireo firenena mpandray kolikoly sy mpanetsika ady, rehefa hahatratra azy ireo koa ny andro famalian’i Jehovah.

18. Rahoviana, ary amin’ny fomba ahoana, no mbola hahatanterahan’ny Isaia 48:22?

18 Ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:3, dia izao no voalaza momba ireo ratsy fanahy: “Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” Momba azy ireo no nilazan’i Isaia hoe: “Indreo, (...) ny iraka [milaza fiadanana dia hitomany, NW ] mafy”. (Isaia 33:7). Eny tokoa, araka ny vakintsika ao amin’ny Isaia 48:22, dia “tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah”. Inona anefa no tahirizin’ny hoavy ho an’ireo tena iraka milaza fiadanana araka an’Andriamanitra? Hilaza izany ny lahatsoratra manaraka.

Fanontaniana ho Famerenana

◻ Tamin’ny teny mahery inona avy no nanalan’ireo mpaminanin’Andriamanitra sarona an’ireo iraka sandoka?

◻ Nahoana ireo fikambanan’olombelona no tsy mahomby eo amin’ny fiezahany hanorina fiadanana maharitra?

◻ Amin’ny ahoana ireo tena iraka milaza fiadanana no mifanohitra amin’ireo mpanohana ny ONU?

◻ Inona no tsy maintsy ataon’ny mpandefitra mba hiravoravoany amin’ilay fiadanana nampanantenain’i Jehovah?

[Sary, pejy 15]

Samy nanambara mialoha avokoa ny tsy fahombiazan’ny ezak’olombelona ho amin’ny fiadanana, i Isaia sy i Jeremia ary i Daniela

[Sary, pejy 16]

‘Izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.’ — Ny apostoly Jaona

[Sary, pejy 17]

‘Efa tonga maizin-tsaina izy ireo.’ — Ny apostoly Paoly

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara