FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/8 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Vehivavy “Very”
  • Fitaovam-piadiana sa Fandrosoana?
  • Voina Noho ny Fiampitan’ny Élans Lalana
  • Toe-javatra Mahonena Mahazo An’i Nauru
  • Miharesy ny Aretina Filaire de Médine
  • Aroso ny Famantaranandron’ny Andro Fitsarana
  • Zaza Vao Teraka Nariana
  • Tsy Ampy ny Hetaheta
  • Misokatra Ilay Fasana Egyptiana Malaza
  • Serfa Goavam-be Fahita any An’ala
    Mifohaza!—2013
  • Nifarana ve ny Fandrahonana Niokleary?
    Mifohaza!—1999
  • Mbola ho Voafehy Ihany ve Izao Tontolo Izao?
    Mifohaza!—2017
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/8 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Vehivavy “Very”

“Eo amin’izao fitambaran’olona mitondra ny vehivavy amin’ny fomba ara-drariny izao, raha eo amin’ny lafiny fahasalamana, dia misy vehivavy 106 isaky ny lehilahy 100. Zava-misy biolojika izany”, hoy ny fanambaran’ny The Courier, gazetiboky avoakan’ny Vondrona Eoropeana. Manondro zava-misy hafa koa anefa ny fandinihana nataon’ny ONU: Any amin’ireo tany aziatika toa an’i Sina, i India, ny Repoblikan’i Korea, sy i Pakistan, dia tsy misy afa-tsy vehivavy 94 monja, amin’ny antsalany, isaky ny lehilahy 100. Nahoana? “Ny fandrosoana ara-tsiansa dia nahatonga hety ny famantarana aloha hoe lahy sa vavy ireo tsaika”, ka nampitombo ny “fisehoan-javatra hafahafa teo amin’ny fifandanjan’ny fahaterahan’ny lehilahy sy ny vehivavy”, hoy ny fanazavan’ny The Courier. Tany amin’ny Repoblikan’i Korea, ohatra, tamin’ny 1982, dia zazavavy 94 no teraka isaky ny zazalahy 100, kanefa tamin’ny 1989, io fifandanjana io dia nidina ho 88 isaky ny 100. Hoy ny teny nanampin’ilay zavatra vita an-tsoratry ny ONU hoe Our Planet: “Faran’izay manaitra ireo antontan’isa: Vehivavy aziatika 100 tapitrisa no ‘very’ noho ny famonoana ankizivavy sy ny fanalana tsaika vavy.”

Fitaovam-piadiana sa Fandrosoana?

Ahafaha-mividy basy AK-47 iray na vitamina A ampy mba hisakanana ny fahajambana eo amin’ny zaza herintaona miisa 3 000, ny 100 dolara amerikana. Ahafaha-mividy, na vanja milevina folo tapitrisa, na fanafody fanefitra ampy mba hiarovana ankizy 7,7 tapitrisa amin’ny aretina mahafaty enina mpiseho mandritra ny fahazazana, ny 100 tapitrisa dolara. Ahafaha-mividy, na fiaramanidina mpiady F-16 23, na fanisiana iody amin’ny sira, mandritra ny folo taona mba hiarovana olona 1 600 tapitrisa amin’ny aretina vokatry ny tsy fahampian’ny iody, toy ny fahavotsan’ny saina, ny 800 tapitrisa dolara. Hahazoana, na sambo mpisitrika niokleary iray, na fitaovana famatsian-drano sy fitandroana ny fahadiovana ho an’ny olona 48 tapitrisa, ny 2 400 tapitrisa dolara eo ho eo. Inona no omen’izao tontolo izao ny laharam-pahamehana? Araka ny The State of the World’s Children 1996, ny varotra fitaovam-piadiana tamin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana tamin’ny 1994 fotsiny dia nitentina $25 400 tapitrisa, vola izay ho azo nolanina tamin’ny ezaka ho amin’ny fampandrosoana anefa.

Voina Noho ny Fiampitan’ny Élans Lalana

Nahoana no miampita lalana ny élan iray? Tsy vazivazy io fanontaniana io ho an’ireo biolojista momba ny biby dia any Terre-Neuve, na ho an’ireo mpamily fiara eo an-toerana sy ireo mpizaha tany an’arivony maro izay mampiasa ny arabe migodànan’ilay provansy. “Misy tokony ho 300 ny lozam-pifamoivoizana ifandonan’ny fiara sy ny élans isan-taona eo amin’ireo arabe migodànan’i Terre-Neuve, ka maromaro amin’izy ireny no miteraka fahafatesan’ny mpamily”, hoy ny gazety The Globe and Mail. “Ny lanjan’ny élan iray mahatratra hatramin’ny 450 kilaograma dia afaka mitontona eo amin’ny tafon’ny fiara iray toy ny vongam-bato, ka mamono na mandratra mafy.” Mety tsy handaitra ny fampihenana fotsiny ny isan’ny élans 150 000 amin’izao fotoana izao eo amin’ilay nosy, hoy i Shane Mahoney ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Loharanon-karena Voajanahary, satria any amin’ny faritra maromaro izay maha-vitsy an’isa ny élans, dia misy lozam-pifamoivoizana maro kokoa. Amin’ny fandinihana ny fifindran’ireo andiam-biby, dia antenain’ireo mpahay siansa ny hahafantatra ny antony maha-tapa-kevitra ny élans hiampita lalana, nefa izy ireo matahotra fifamoivoizan’ny fiara, raha ny ara-dalàna.

Toe-javatra Mahonena Mahazo An’i Nauru

Voamarika noho ny hakantony tropikaly taloha i Nauru, ilay repoblika kely indrindra sy mitokana indrindra eo amin’izao tontolo izao. Niantso azy io hoe Nosy Mahafinaritra ireo tantsambo eoropeana izay nahita voalohany an’ilay nosy roapolo kilaometatra tora-droa, tamin’ny taonjato faha-18. Ankehitriny anefa, dia sisiny tery eny amoron-tsiraka ihany no azo onenana, ary nanjary “ny firenena manana tontolo iainana simba indrindra eto an-tany” i Nauru, hoy ny fanamarihan’ny The New York Times. Nahoana? Noho ny lavaka fitrandrahana. Nandritra ny 90 taona, ny fosifaty, vokatry ny taim-borona nandritra ny an’arivony taona maro sy vokatry ny zavamananaina bitika an-dranomasina, dia notrandrahina ka “namela faritra toy ny vohon-tanin’ny volana, feno lavaka, mahatsiravina, misy tampony vatosokay mivolombatolalaka izay 22 metatra ny haavon’ny sasany”. Nisy fiantraikany teo amin’ny toetr’andro koa ny fisondrotry ny hafanana teo amin’ny efatra ampahadimin’ilay nosy efa notrandrahina, ka nampanalavitra an’ireo rahon’orana sy namely ilay tany tamin’ny hain-tany. Antenaina fa ho voatrandraka ao anatin’ny dimy taona ny fosifaty farany tavela. Heverin’ny mponina maro any Nauru fa ny hany azo atao dia ny mandao an’i Nauru ka mampiasa ny harenan’izy ireo mba hividianana nosy fonenana vaovao iray izay ahafahan’izy ireo mifindra.

Miharesy ny Aretina Filaire de Médine

“Taorian’ny nendra, dia toa azo inoana fa ho ny aretin’olombelona ho fongotra faharoa ny aretina filaire de Médine [parasy kankana]”, hoy ny fanambaran’ny The Economist. “Ny isan’ny marary nanaovana tatitra, izay efa ho 900 000 naneran-tany vao haingana izay, tamin’ny 1989, dia nidina ho 163 000 tamin’ny taon-dasa ary mihena ho antsasany isan-taona, any amin’ny ankamaroan’ireo firenena.” Maningana i Soudan, “izay manaporofo fa mifanindran-dalana ny ady sy ny aretina”. Katsentsitra entin’ny rano izay olitra bitika eo am-boalohany, ny filaire de Médine, ary efa fongotra any Azia Afovoany, any Pakistan, sy any amin’ny tany maro atsy Afrika. Nahafehy azy io ireo masoivohom-pahasalamana tamin’ny fampiasana zavatra simika manadio rano, tamin’ny fampianarana ny olona hanatantavana amin’ny lamba ny rano fisotrony, sy tamin’ny fisakanana an’ireo efa voa mba tsy handro na hiroboka ao amin’ny loharano fisotro. Rehefa voatelina ireny kankana ireny, ny lahy dia maty aorian’ny nivadiany, ary mety hahatratra iray metatra ny halavan’ny vavy, alohan’ny hipoirany moramora mandritra ny herinandro maromaro avy eo amin’ny fivontosana manaintaina eo amin’ny ranjon’ny olona iray voa, ka indraindray dia mampahalemy sy manimba ny hozatra.

Aroso ny Famantaranandron’ny Andro Fitsarana

Vao haingana izay, dia naroso telo minitra manakaiky kokoa ny misasakalina, ny sahazaben’ilay famantaranandron’ny andro fitsarana malaza eo amin’ny fonon’ny The Bulletin of the Atomic Scientists. Ilay famantaranandro dia mampiseho amin’ny heviny ara-panoharana hoe aiza ho aiza no anakekezan’izao tontolo izao ady niokleary iray. Nanomboka tamin’ny nampidirana azy io tamin’ny 1947, ilay famantaranandro dia nahitsy in-16 ho setrin’ny fiovana teo amin’ny raharahan’izao tontolo izao. Tamin’ny 1953, taorian’ny nanapoahan’i Etazonia ny baomba hidirozenina voalohany, no naroso ho akaiky indrindra ny misasakalina niokleary — roa minitra — izy io hatramin’izay. Tamin’ny 1991 ny fanovana farany, rehefa nahemotra ho 17 minitra alohan’ny misasakalina izy io, noho ny fanantenana fiafaran-javatra tsara taorian’ny Ady Mangatsiaka. Mampiseho taratry ny fanahiana mihamitombo momba ny fihenjanana mihamafy eo amin’izao tontolo izao sy ny tsy filaminana noho ny tahiry niokleary miavosa ary ny fandrahonan’ny fampihorohoroana niokleary, ny fampandrosoana ilay famantaranandro ho eo amin’ny 14 minitra. “Mbola toerana tena mampidi-doza ihany izao tontolo izao”, hoy i Leonard Rieser, mpitari-draharahan’ny The Bulletin.

Zaza Vao Teraka Nariana

Any Italia, ny reny iray, araka ny lalàna, dia afaka mandà tsy handray ny zanany vao teraka, ka hamela ho eo am-pelatanan’ny manam-pahefana mikarakara ny ankizy, ilay andraikitra hahita olon-droa vonona hanangana azy io. Kanefa, nandritra ny 1995, dia ankizy maro nahatratra 600 no nariana teo am-pahaterahany, ka “maro no [nariana] tao anaty fanariam-pako, ny hafa teny akaikin’ny fiangonana na foibe ara-pahasalamana”, hoy ilay gazety italiana hoe La Repubblica. Mitranga any amin’ireo faritra be indostria sy miroborobo indrindra ao amin’io tany io, ary koa any amin’ireo faritra mahantra sy tsy mandroso indrindra, ilay fisehoan-javatra. Araka ny voalazan’i Vera Slepoj, prezidàn’ny Fikambanana Italiana Momba ny Psikolojia, izany dia “famantarana fanairana momba ny fahatsapana fahafatesana”, fahatsapana izay manenika ny fitambaran’olona.

Tsy Ampy ny Hetaheta

“Raha miantehitra amin’ny hetaheta ny olona iray, dia tsy hisotro amin’ny fomba ampy izy”, hoy ny Dr. Mark Davis, profesora momba ny fiziolojia eo am-perinasa. Olona maro no somary tsy ampy rano, satria efa kely ny ranoka ao amin’ny vatana vao mitranga ilay fahatsapana hetaheta. Ary arakaraka ny itomboan’ny olona taona no mahadonto kokoa ny fahatsapany hetaheta. Araka ny tatitra natao tao amin’ny The New York Times, dia mila rano betsaka kokoa isika rehefa mafana na faran’izay mangatsiaka sady maina ny andro, rehefa manao fampiasan-tena na manaraka fitandremam-pahasalamana ara-tsakafo isika, sy rehefa azon’aretina arahin’ny tsy fahasalamana toy ny aretim-pivalanana, ny fanaviana, sy ny fandoavana, izay miteraka fahaverezan-drano, isika. Ireo izay manaraka fitandremam-pahasalamana ara-tsakafo feno tsiratsiraka ( fibres) koa dia mila ranoka betsaka kokoa mba hampandeha hatrany ireo tsiratsiraka hivoaka ny tsinay. Na dia mety ho betsaka aza ny ampahan-drano ao amin’ny voankazo sy ny legioma, ny ankabeazan’ny hetahetantsika dia afaka amin’ny alalan’ny fisotroana. Ny rano no tsara indrindra, satria fohin’ny vatana haingana izy io. Arakaraka ny maha-mamy kokoa ny zava-pisotro iray no mampiadana kokoa ny fifohana azy io. Afaka mahatonga anao hangetaheta kokoa ny sodas, raha ny marina, satria ilana ranoka ny fandevonana ny siramamy. Koa satria mampivalan-drano matetika ny kafeina sy ny alkaola, dia afaka mitarika ho amin’ny fahaverezan-drano ny fiankinana amin’ny zava-pisotro misy azy ireny. “Tokony hisotro isan’andro, rano imbalon’ny vera mahalany 0,24 litatra, fara fahakeliny, ny olon-dehibe”, hoy ny Times.

Misokatra Ilay Fasana Egyptiana Malaza

Ny fasan’i Néfertari, ao amin’ny Lohasahan’ny Mpanjakavavy any Louxor, izay nakatona nandritra ny taona maro, dia nohavaozina ka nosokafana indray ho an’ny besinimaro. “ ‘Io fasana io no tena mahavariana indrindra eo amin’ilay morona andrefana amin’i Louxor, na manerana an’i Egypta manontolo mihitsy aza’, hoy i Mohammed el-Soghayer, filohan’ny sampan’ny Filan-kevitra Tampony Momba ny Rakitry ny Ela any Louxor. ‘Miharihary fa izy io dia nataon’ny mpanakanto nahay indrindra tamin’ny andron’i Ramsès II, izay nampanorina io fasana mendrika ny mpanjaka io noho ny fitiavany lehibe an’i Néfertari. Niriny ny hananan’izy io ny fasana tsara indrindra araka izay azo natao.’ ” Kanefa, saika ravan’ny tondra-drano sy ny fotaka ary ny kristalin-tsira nitsofoka tao ireo sary hoso-doko marevaka sy kanto misy 430 metatra tora-droa. Tamin’ny 1986, taorian’ny taona maro niaraha-nidinika, ny ekipa iraisam-pirenena iray dia nanomboka ilay asa nitaky ezaka be, dia ny fanambarana ireo silatsilaka rindrina, tamin’ny fampiasana ireo sary nalain’i Ernesto Schiaparelli, egyptology italiana, izay nahita voalohany an’ilay fasana. Noferana anefa ny isan’ny mpitsidika noho ny fanahiana momba ny hamandoana. Nomen’i Ramsès II voninahitra koa i Néfertari, rehefa natokany ho azy ny iray tamin’ireo tempoly tany Abou-Simbel.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara