FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/8 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Sambatra na dia Manana Olana Aza—Fizarana Voalohany
    Mifohaza!—2009
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/8 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Ao Anatin’ny Krizy Ireo Sekoly Teo am-piandrasana teo amin’ny fijanonan’ny aotobisy aho raha iny nisy olona nanolotra ahy ilay nomerao hoe “Ao Anatin’ny Krizy Ireo Sekoly”. (8 Janoary 1996). Hita ho mahasoa kokoa noho ny boky iray manontolo novakiko vao haingana momba io foto-kevitra io ilay izy. Ho velom-pisaorana indrindra aho raha misy famandrihana amin’ny Mifohaza! azo alefa atỳ an-tokantranoko.

V. C., Etazonia

Nampahatsiahy ahy ny fotoana naha-tany an-tsekoly ahy ilay fizarana momba ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Tsy maintsy nanao tatitra am-bava aho, kanefa tena voafetra ny fahaizako teny anglisy tamin’izay fotoana izay. Rehefa vitako ilay famelabelarako, dia nilaza ilay mpampianatra fa tena nanaitra azy ilay izy ary koa fa izaho ihany no nanana fijoro tsara sy nijery tsara ny mpihaino. Afaka nanao izany aho noho ny fampiofanana faran’izay tsara raisintsika ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika any amin’ny Efitrano Fanjakana.

G. A., Etazonia

Tsy noeritreretiko hoe hamohafoha fihetseham-po mahery aoka izany tao amiko ireo lahatsoratra ireo. Fony aho tany an-tsekoly, dia sahirana loatra tamin’ny zava-nanahirana azy manokana ny ray aman-dreniko ka tsy nisolo vava ahy. Vokatr’izany, dia nisy fotoana sasany naha-tena irery ahy fony aho tany an-tsekoly. Noho ny lahatsoratra toy ireny, dia takatro fa tia ny tanora i Jehovah ka tsy maniry ny hahatsiarovan’izy ireo tena ho irery tanteraka eto amin’itỳ tontolo itỳ.

M. M., Etazonia

Mali Fanaperana ilay lahatsoratra hoe “Sambany vao Nisy ho An’i Mali”. (8 Janoary 1996). Namaky azy io intelo aho. Raha mba mamela ahy ho tonga misionera mantsy ny toe-javatra misy ahy! Nahatonga ahy hahatakatra koa ilay lahatsoratra fa misy olona maro tsy manana ireo zavatra mampiadana ananantsika kanefa sambatra. Famohafohazana re izany!

D. L., Etazonia

Vato Manidina Vao andro vitsivitsy monja izay, dia nanontany tena aho momba ny fahasamihafan’ny tain-kintana sy ny météorite. Alao sary an-tsaina ny fahagagako rehefa namaky ilay lahatsoratra hoe “Des roches volantes” (8 Desambra 1995, frantsay), izay nanazava io hevitra io mihitsy, aho. Misaotra anareo noho ny famoahana lahatsoratra izay mampahafantatra anay ny zavatra noforonin’i Jehovah.

R. P., Soisa

Fianaran-javatra avy Amin’i Andrew  Vao avy namaky ilay lahatsoratra hoe “Ce que nous avons appris d’Andrew”, momba ilay tovolahy voan’ny trisomie 21 (8 Desambra 1995, frantsay), aho. Izahay koa dia manan-janaka iray sembana ara-tsaina, ary maro amin’ireo fanamarihan’ny ray aman-drenin’i Andrew no mampiseho taratr’izay tsapan’ny tenanay. Matetika no sarotra ho an’ny rahalahintsika kristiana ny mahatakatra ireo zava-tsarotra manokana entin’ny fananan-janaka sembana ara-tsaina sy ireo fanerena ara-pihetseham-po mitambesatra eo amin’ny fianakaviana. Koa misaotra noho ilay lahatsoratra.

J. B., Angletera

Heveriko fa io no iray amin’ireo lahatsoratra kanto sy maneho fangorahana indrindra navoakanareo. Tao anatin’ny pejy telo monja no naseho ny famoaboasana manontolo momba ny fomba tokony hiheverantsika an’ireo izay manana zava-misakana. Nampita fianarana lalina momba ny fifandraisan’ny olombelona izy io.

M. L., Espaina

Tamin’ny voalohandohan’itỳ taona itỳ, ny vadiko dia niteraka zazalahy iray voan’ny trisomie 21. Toy ny tamin’ny ray aman-drenin’i Andrew, dia niainanay izay tsapan’ny ray aman-dreny maro rehefa mahafantatra fa sembana ny zanany — fahoriana be sy alahelo, ary koa fanontaniana momba ny ankehitriny sy ny hoavy. Raha ny aminay, dia vitanay ny nanaiky ny fahasembanan’ny zanakay. Tsy ho ela izy dia ho enim-bolana, ary mitombo tsara izy. Ny ampitson’ny nahaterahany, dia tototra ara-bakiteny noho ny fitsidihana maro nataon’ireo rahalahinay sy anabavinay kristiana ny vadiko. Tsapanay marina tokoa ny dikan’izany hoe manana fianakaviana ara-panahy izany. Ary ankoatra ny fitiavan’ny rahalahintsika sy ny anabavintsika, dia eo i Jehovah. Misaotra anareo noho io lahatsoratra io.

G. C., Frantsa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara