Fiarovana Zavaboary Ampifanoherina Amin’ny Fandaniana Tamingana Azy
MBOLA mitohy ny ady eo amin’ny fiarovana zavaboary sy ny fandaniana tamingana azy. Fikambanana tsara sitrapo maro no manery fitondram-panjakana mba handany lalàna hentitra kokoa momba ny fiarovana zavaboary mba hiarovana an’ireo karazana tandindomin-doza.
Vao haingana, ohatra, dia nisy antokon’olona samihafa nihaona tamin’ny mpitondra fanjakana sinoa ka nahazo ny faneken’izy ireo hiara-miasa amin’ny ezaka hanafoanana ny famandrihana bera mainty aziatika. Nosamborina ireny biby ireny mba hahazoana ny ranonaferony sy ny aferony, izay ampiasaina eo amin’ny fanafody tatsinanana nentim-paharazana.
Fanampiana iraisam-pirenena
Tsy fambara tsara ho an’ny fitsimbinana karazana iray ny fiarovana azy ao amin’ny tany iray, saingy any an-toeran-kafa izy dia hazaina mandra-pahalany tamingana azy. Noho izany, dia hita ho tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra ireo fifanarahana iraisam-pirenena — ary misy maro izy ireo. Ilay Fifanekena Momba ny Karazana Biolojika Maro, Fifanarahana Tany Rio, dia nanan-kery teo amin’ny faran’ny taona 1993, ary nanaraka azy io akaiky ilay Fifanarahana Momba ny Fiarovana ny Ramanavy any Eoropa. Ny Vaomiera Iraisam-pirenena Momba ny Fisamborana sy ny Fanodinana Trozona dia nanisy fialofan’ny trozona any amin’ny Oseana Atsimo, ho fanampin’ilay atsy amin’ny Oseana Indiana, tamin’ny ezaka mba hiarovana trozona lehibe sy kely. Kanefa, ny fifanarahana mahery indrindra angamba dia ilay Fifanekena Momba ny Varotra Iraisam-pirenena Karazana Tandindomin-doza. — Jereo ilay faritra voafefy.
Mbola manan-javatra betsaka hianarana momba ny fifandraisan’ireo zavaboary amin’izy samy izy, ny olona. Niteraka ilay nantsoin’i Colin Tudge, mpandinika momba ny biby, hoe “ny loza ekolojika lehibe indrindra tamin’itỳ taonjato itỳ”, ireo mpanjono any Afrika Atsinanana izay nampiditra ny perche du Nil (trondro lehibe mpiremby) tao amin’ny Farihy Victoria mba hampitomboana vatsin-tsakafo. Nisy 200 teo ho eo tamin’ireo karazan-trondro 300 tera-tany tao amin’ilay farihy no nanjary lany tamingana. Na dia manome tsiny ny fikaohan-tany ho nanakorontana ny fifandanjan’ireo karazana aza ny porofo vao haingana, ny fitondram-panjakan’ireo tany telo manamorona ilay farihy dia nanorina fikambanana iray ankehitriny mba hamaritra hoe karazan-trondro inona no azo ampidirina kanefa tsy mahatandindomin-doza ireo trondro tera-tany.
Fisalovanan’ny olombelona
Sehatra iray izay anaovana tatitra fahombiazana, ny fandaharan’asa ny amin’ny fampitomboan-taranaka ao amin’ny toerana voafefy, izay ampiharin’ny toeram-pijerena biby dia maro. “Raha manohana marina tokoa ny fampitomboan-taranaka ao amin’ny toerana voafefy ny toeram-pijerena biby dia rehetra eo amin’izao tontolo izao, ary raha manohana an’ireo toeram-pijerena biby dia ny besinimaro, amin’izay izy ireo dia ho afaka hiara-mamonjy ny karazam-biby manana hazondamosina rehetra izay azo inoana fa mila fampitomboan-taranaka ao amin’ny toerana voafefy, amin’ny hoavy tsinjo mialoha.” — Last Animals at the Zoo.
Mampitombo taranaka biby tsy fahita firy, noho ny fikendrena ny hampiditra azy ireny eny amin’ny natiora indray any aoriana, ny toeram-pijerena biby dia any Jersey, nosikely bitika britanika. Tamin’ny 1975, dia bolokin’i Sainte-Lucie 100 monja no sisa tavela tany amin’io fonenany any Caraïbes io. Nisy fito tamin’ireo vorona ireo nalefa haingana tany Jersey. Tamin’ny 1989, dia nahazo 14 fanampiny ilay toeram-pijerena biby dia ka namerina ny sasany tamin’izy ireo nankany Sainte-Lucie. Ankehitriny dia voalaza fa maherin’ny 300 no hita eo amin’io nosy io.
Hita ho nahomby ny tetik’asa nitovy tamin’izany tany an-toeran-kafa. Manao tatitra ny National Geographic fa nitombo taranaka tsara aoka izany tao amin’ny toerana voafefy ireo amboa dia mena 17 sisa tavela tany Amerika Avaratra, hany ka maherin’ny 60 ankehitriny no naverina teny amin’ny natiora.
Mahomby loatra ve?
Tsy voatery horahonan’ny hahalany tamingana azy foana akory ireo biby tandindomin-doza. Araka ilay boky hoe Endangered Species —Elephants, teo anelanelan’ny 1979 sy 1989, ny isan’ny elefanta afrikana dia avy teo amin’ny 1 300 000 no nihena ho 609 000 — ny sasany tamin’izany dia vokatry ny fihazana ivoara tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Avy eo dia nitombo ny faneren’ny besinimaro mba handrarana ny varotra ivoara. Na dia izany aza, dia nanjary nitabataba be ny mpanohitra ny fandrarana ny ivoara. Nahoana?
Tatsy Zimbabwe sy Afrika Atsimo, dia nahomby aoka izany ny fomba fiarovana zavaboary, hany ka nanana elefanta maro loatra ireo valam-pireneny sy fitahirizany biby dia. Nanao tatitra ny New Scientist fa i Zimbabwe dia nila ny hanesorana elefanta 5 000 tao amin’ny Valam-pirenena Hwange. Nanoro hevitra ny amin’ny famindran-toerana ny antoko mpanery. Nandefa ireo elefanta ambiny mba hamidy ireo manam-pahefana tao amin’ilay valam-pirenena ary nanolo-kevitra an’ireo masoivoho tandrefana izay manohitra ilay fanilihana ny tsy ilaina mba “hampiasa ny volany ka hamindra ireo [elefanta], fa tsy ho lasan-ko vavany fotsiny”.
Fahatsinjovan-javatra mampisalasala
Mitranga ny tsy fahombiazana, na dia izany aza. Olona maro no maneho ny fanahiany momba ny toe-javatra mampahonena misy ireo karazana nampidirina indray teny amin’ny natiora. Velona tsara ny tigra avy any Siberia ao amin’ny toerana voafefy, kanefa rehefa eny amin’ny natiora izy dia mila ala 260 kilaometatra tora-droa eo ho eo, tsy misy ireo mpihaza tsy manara-dalàna. Ankoatra izany, “dia avereno miaraka amin’ny vava ao amin’io tontolo tokony hiainany io ny tigra iray nompiana tao amin’ny toeram-pijerena biby dia”, hoy ny fanamarihan’ny The Independent on Sunday, “ary dia azo antoka fa hadiva ho faty noana izy”. Fahatsinjovan-javatra manjombona tokoa!
Raha jerena ny zava-misy, dia tsy ny karazana rehetra no manana ekipa mpanampy azy manam-pahaizana manokana. Ary tsy hoe ny tsy fahampian’ny herin’olombelona fotsiny no mampitombo ilay olana. Na manao ahoana na manao ahoana ny fandavan-tenan’ireo mpiaro zavaboary, rehefa miatrika ny fandraisana kolikoly, ny fierenana, sy ny tsy firaikana asehon’ny mpitondra fanjakana, ary koa ny ady sy ny fandrahonana ho faty mihitsy aza izy ireo, ahoana no anantenany fahombiazana? Inona àry no vahaolana amin’ilay olana momba ireo karazana tandindomin-doza? Ary ahoana no maha-voakasika anao?
[Efajoro, pejy 7]
Fitaovam-piadiana Iraisam-pirenena
Fitaovam-piadiana mahery eo amin’ny fiadiana amin’ny varotra tsy ara-dalàna karazana tandindomin-doza, ilay Fifanekena Momba ny Varotra Iraisam-pirenena Karazana Tandindomin-doza. Anisan’ny entam-barotra voarara amin’izao fotoana izao ny hoditry ny léopard, ny ivoaran’elefanta, ny taolan-tigra, ny tandroky ny tokantandroka, sy ny sokatra. Miitatra io fifanarahana io ka tafiditra ao koa ny hazo sy ny karazan-trondro tandindomin-doza.
Kanefa, nampitandrina ny Times hoe: “Raha tsy afaka mahita fomba hanaovana izay hanarahana ny fitsipika ireo firenena mpikambana, (...) dia mety ho hitan’izy ireo fa tsy misy intsony ireo biby izay ezahin’izy ireo harovana.”
[Sary, pejy 8]
Nahomby loatra ve ireo ezaka sasany hiarovana zavaboary?
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of Clive Kihn