Karazana Tandindomin-doza — Ny Halehiben’ilay Olana
NANJARY mariky ny atao hoe lany tamingana ny dodo. Maty tokony ho tamin’ny 1680 tatsy amin’ny nosy Maurice ny farany tamin’ireo vorona tsy manidina ireo. Maro amin’ny karazana tandindomin-doza amin’izao fotoana izao no mipetraka anosy koa. Tao anatin’ny 400 taona farany, dia 85 amin’ny karazam-borona 94 fantatra ho nanjavona no vorona anosy.
Tandindomin’ny hahalany tamingana azy koa ireo biby any amin’ny kontinenta midadasika. Diniho ny tigra izay nivoivoy nanerana an’i Rosia teo aloha. Ankehitriny, dia ny Panthera tigris altaica no hany sisa mitoetra any Siberia, ary tsy nitsaha-nihena ny isan’izy ireny ka tonga 180 ka hatramin’ny 200 monja. Voalaza fa miisa 30 ka hatramin’ny 80 monja ny tigra any atsimo amin’i Sina. Any Indochine, ireny biby ireny dia miatrika ny hahalany tamingana azy “ao anatin’ny folo taona”, hoy ny tatitra nataon’ny The Times any Londres. Toy izany koa, any India, fonenan’ny androatokony eo ho eo amin’ny tigra eo amin’izao tontolo izao, dia tombanan’ireo manam-pahaizana fa mety ho lany tamingana ao anatin’ny folo taona ireny zavaboary heni-kaja ireny.
Mihamihena ny tokantandroka sy ny guépards. Any Sina, dia vitsy an’isa ny pandas lehibe mivoivoy, ka folo monja no ao amin’ny andiany iray. Madiva ho lany tamingana any Pays de Galles ny martre eny amin’ny hazo kesika, ary “mety hanjavona any amin’ny kontinentan’i Angletera sy i Pays de Galles ao anatin’ny folo ka hatramin’ny 20 taona ho avy” ny écureuil mena, hoy ny filazan’ny The Times. Eny ampitan’i Atlantika, any Etazonia, dia ny ramanavy no biby mampinono an-tanety tandindomin-doza indrindra.
Mahakivy torak’izany koa ny fijerena ny oseana eo amin’izao tontolo izao. Milazalaza ny soka-dranomasina ho “angamba ny antoko[n-javaboary an-dranomasina] tandindomin-doza indrindra”, ny The Atlas of Endangered Species. Toa milamina kokoa ny amphibiens (biby iray tarika amin’ny sahona); kanefa, araka ny gazetiboky New Scientist, dia karazana amphibiens 89 no nanjary “tandindomin’ny hahalany tamingana azy” tao anatin’ny 25 taona farany. Iraika ambin’ny folo isan-jato eo ho eo amin’ny karazam-borona maneran-tany no miatrika ny hahalany tamingana azy koa.a
Ahoana anefa ny amin’ny zavaboary kely kokoa, toy ny lolo? Mitovy ihany ny tarehin-javatra. Maherin’ny ampahefatry ny karazan-dolo 400 any Eoropa no tandindomin-doza — 19 no rahonan’ny hahalany tamingana azy efa antomotra. Nanatevin-daharana ny dodo teo amin’ny lisitry ny karazana lany tamingana, ny lolo lehibe mareva-doko natao hoe Nymphalis polychloros, tany Grande-Bretagne, tamin’ny 1993.
Fanahiana mitombo
Karazan-javaboary firy no manjary lany tamingana isan-taona? Miankina amin’ny manam-pahaizana anontanianao ny valiny. Na dia tsy miombon-kevitra aza ireo mpahay siansa, izy rehetra dia samy manaiky ilay zava-misy hoe karazana maro no tandindomin’ny fahatongavana ho lany tamingana. Manao fanamarihana toy izao ilay ekolojista atao hoe Stuart Pimm: “Ny ady hevitra momba ny hoe manao ahoana ny hafainganan’ny famoizantsika [karazana], dia ady hevitra momba ny hoavintsika, amin’ny fotony.” Hoy ny teny nanampiny: “Nandritra ireo taonjato lasa isika dia nampitombo ny hafainganan’ny fandaniana tamingana an’ireo karazana, ho mihoatra lavitra noho ny hafainganana voajanahary. Mahantra kokoa ny hoavintsika vokatr’izany.”
Tahaka ny trano iray ny Tany planetantsika. Ny olona sasany izay miahy momba an’ireo karazana tandindomin-doza dia mianatra momba ny ekolojia, teny noforonina tany amin’ny tapany faramparan’ny taonjato faha-19, avy tamin’ny teny grika hoe oiʹkos, “trano iray”. Mifantoka amin’ny fifandraisana eo amin’ny zavamananaina sy ny tontolo iainany io sehatra mahaliana io. Nahitana fahalianana mitombo momba ny fiarovana zavaboary, fahalianana izay tsy isalasalana fa nampitomboin’ny tatitra momba izay lany tamingana, ny taonjato faha-19. Tany Etazonia, izany dia nitarika ho amin’ny fanorenana valam-pirenena sy faritra voaro izay manolotra fialofana ho an’ny zavaboary. Amin’izao fotoana izao, dia tombanana fa misy 8 000 ny faritra fiarovam-biby dia nahazo fanekena iraisam-pirenena, maneran-tany. Miaraka amin’ny toerana 40 000 amboniny izay manampy amin’ny fikojakojana ny fonenana voajanahary, izy ireny dia mahaforona efa ho ny 10 isan-jaton’ny tanety eo amin’izao tontolo izao.
Olona maro feno fanahiana ankehitriny no manohana ilay antsoina hoe fihetsiketsehana ho an’ny tontolo iainana, na amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana mampahafantatra ampahibemaso ny fandrahonan’ny hahalany tamingana an’ireo karazana na ireo izay mampianatra fotsiny ny olona momba ny fifampiankinan’ny zavamananaina. Ary nanomboka tamin’ny Fihaonana An-tampon’ny Planeta Tany tany Rio tamin’ny 1992, dia mampiavaka ny fisainan’ny fitondram-panjakana, amin’ny ankapobeny, ny fahatsapana bebe kokoa ny raharaha momba ny tontolo iainana.
Maneran-tany sady mihamitombo ilay olana momba ny karazana tandindomin-doza. Nahoana anefa? Mahomby ve amin’izao fotoana izao ny fiezahana na inona na inona mba hisakanana ny hahalany tamingana an’ireo karazana? Ary ahoana ny amin’ny hoavy? Ahoana no maha-voakasika anao? Manolotra valiny ireo lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Faritana hoe karazana lany tamingana ny karazana iray izay tsy hita teny amin’ny natiora nandritra ny 50 taona, fa ny karazana tandindomin-doza kosa dia manondro an’ireo izay tandindomin’ny hahalany tamingana azy raha tsy misy fanovana eo amin’ny toe-javatra misy azy amin’izao fotoana izao.