Karazana Tandindomin-doza — Ahoana no Maha-voakasika Anao
TIGRA, sokatra, tokantandroka, lolo — eny, toa tsy misy farany ny lisitr’ireo karazana tandindomin-doza! Tsy isalasalana fa hanaiky ianao hoe tsy maintsy mivesatra ny ankamaroan’ny tsiny ny olombelona. Amin’ny ahoana anefa no mahakasika anao izany?
Rehefa heverina ny toe-karena mampahonena eo amin’izao tontolo izao, ara-drariny ve ny hanantenana fa ny olona manahy momba izay mahasoa azy manokana dia hanohana tetik’asa fiarovana zavaboary, na dia mety hampiseho fahambonian-tsaina toy inona aza izany? “Azo antoka fa tsy mora ny iahiana momba ny tontolo iainana any amin’ny ankamaroan’ireo tany atsimon’i Sahara, any Afrika, izay iatrehan’ny olona an-tapitrisany maro korontana ara-politika, adim-poko, mosary, sy valanaretina”, hoy ny fanazavan’ny Time. Marina koa izany any an-toeran-kafa.
Tena ilaina ny fanovana tanteraka raha tiana ho voavaha ilay olana momba ireo karazana tandindomin-doza. Araka ny The Atlas of Endangered Species, ireny fanovana ireny dia “lehibe aoka izany, hany ka ny fitondram-panjakana ihany no mahavita izany”. Manoro hevitra toy izao izy io avy eo: “Any amin’ny tany ifidianana fitondram-panjakana, dia andraikitry ny isam-batan’olona ny miantoka ny hoe, amin’ny taona 2000, dia ireo mpanao politika miahy ny tontolo iainana ihany no hofidina.”
Fanantenan-javatra mijery ny zava-misy ve izany? Rehefa mitsara amin’ny alalan’ny fanamarinan’ny tantara isika, dia tsy maintsy manatsoaka hevitra hoe ‘manapaka ny namany ka mampiditra loza aminy ny olona’ — ary toy izany koa amin’ny biby dia. (Mpitoriteny 8:9). Eny tokoa, mpiaro zavaboary maro no mino fa tondro momba ny tontolo iainana ny zavamaniry sy ny biby eto an-tany. Rehefa tandindomin-doza izy ireny, dia tandindomin-doza koa isika olombelona. Tsy vao voalohany anefa teo amin’ny tantaran’olombelona no nandrahonan’ny hahalany tamingana ny zavamananaina rehetra teto an-tany.
Mirakitra an-tsoratra ireto teny ireto ny tranainy indrindra amin’ny boky ara-tantara: “Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ny tany handringana ny nofo rehetra izay manampofonaina ambanin’ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ny tany.” (Genesisy 6:17). Na dia izany aza, dia tsy ny olona rehetra na ny endri-piainana hafa rehetra akory no maty, satria nanomana fitaovana hahatafitana velona Andriamanitra.
Sambo fiara nahatafitana velona
Mino ireo mpahay siansa fa tafiditra amin’ny vahaolana tsara indrindra amin’ny olana momba ireo karazana tandindomin-doza amin’izao andro izao ny fitsimbinana ny fonenan’izy ireny voajanahary. Mahaliana fa manao tatitra momba izany ny New Scientist ka manisy firesahana ny amin’ny fampiasan’ireo mpiaro zavaboary “ilay fanoharana momba ny Sambo Fiaran’i Noa”. Ny sambo fiaran’i Noa tokoa no fitaovana nahatafita velona ny olona sy ny biby tamin’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa.
Nomen’Andriamanitra an’i Noa ny drafitra hanaovana ilay sambo fiara, vata makadiry iray vita tamin’ny hazo, izay tokony hitsinkafona teo amin’ny fanambonin’ny rano. Izany dia nitsimbina ny ain’i Noa, ny an’ny vadiny, ny an’ny zanany telo mirahalahy, sy ny an’ny vadin’ireo zanany, mbamin’ireo santionan’ny karazam-biby samy hafa, biby dia na fiompy — eny tokoa, “ny nofo rehetra izay manam-pofonaina”. (Genesisy 7:15). Porofoin’ny hamaroan’ny endri-javamananaina misy amin’izao andro izao fa nahatontosa tsara izay nikendrena azy ilay sambo fiara.
Mariho anefa fa tsy niankina fotsiny tamin’ny ezak’olombelona ilay fahatafitana velona. Tsy maintsy nankato an’Andriamanitra, izay nanan-kery hitsimbina azy ireo ho velona, i Noa sy ny fianakaviany. Andriamanitra no namarana ny fifandirana, ny herisetra, sy ny fierenana, nampiavaka izany tontolo talohan’ny Safo-drano izany. — 2 Petera 3:5, 6.
Ireo biby ao amin’ny Tontolo Vaovao
Nampanantena i Jehovah Andriamanitra fa afaka manova ny olombelona toy ny mpiremby dia sy tendana ho tahaka ny biby malemy fanahy sy malemy paika, ny fankatoavana ireo lalàny. (Isaia 11:6-9; 65:25). Na dia ankehitriny aza, dia tondraka ny porofon’izany. Atreho ireo fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anao, ary ny tenanao mihitsy no hahita izany. Raha afaka manatanteraka fanovana tanteraka toy izany eo amin’ny olombelona i Jehovah, moa ve izy tsy afaka mandamina koa ny hiarahan’ny biby miaina amim-piadanana sy amim-pilaminana, na dia midika ho fanovana ny lafin-toetra mampiavaka azy ireo amin’izao andro izao aza izany? Raha ny marina, dia mampanantena izy hoe: “Raha mby amin’izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena (...) amin’ny bibi-dia sy amin’ny voro-manidina ary amin’ny biby mandady sy mikisaka amin’ny tany; (...) dia hataoko mandry fahizay izy”. — Hosea 2:20.
Nanoratra momba ny “andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy” amin’ny hoavy ny apostoly Petera. (2 Petera 3:7). Ny fisalovanan’Andriamanitra voafehy dia tsy handringana afa-tsy ireo ratsy fanahy. ‘Hanimba izay manimba ny tany’ Andriamanitra. — Apokalypsy 11:18.
Alao sary an-tsaina ny fifaliana hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy hahatandindomin-doza intsony ny zavaboary. Ho toy inona moa ny habetsahan’ny zavatra hianarana avy amin’ny biby dia izay hanodidina antsika amin’izay! Eny, hivoivoy tsy ho voatabataba ny tigra, ny liona, ny elefanta. Ho tondraka ny zavamananaina an-dranomasina, ary koa ny biby mandady, ny bibikely, sy ny vorona isan-karazany, anisan’izany ny boloky — izy rehetra dia hifandanja araka ny tokony ho izy. Koa satria haverina ho amin’ny fahalavorariana ny olombelona mankato eo ambany fitondran’ilay Fanjakana Mesianika, dia hanjaka ny fifandraisana tonga lafatra eo amin’ny zavaboary sy ny tontolo iainany.