Fahavirjiniana — Nahoana?
“NY FANINDRAHINDRANA ny fahavirjiniana” — izany no iantsoan’i Randall Balmer, profesora lefitra momba ny fivavahana ao amin’ny Sekoly Ambony Barnard/Oniversiten’i Columbia, ilay fironana toa mihamitombo eo amin’ireo zatovo, hanemotra ny firaisan’ny lahy sy ny vavy mandra-pahatongany ho be taona kokoa.
Tsy mahagaga raha avy amin’ny fikambanana ara-pivavahana ny ankabeazan’ny fandrisihana mafy ho amin’ny fifadiana firaisan’ny lahy sy ny vavy. “Ny hery manosika ao ambadiky ny fanindrahindrana ny fahavirjiniana anefa dia tsy ara-pivavahana”, hoy ny fanazavan’ny Dr. Balmer. “Ny tena antony manosika hitoetra ho virjiny dia ny tahotra — tsy tahotra ny famalian’Andriamanitra, fa tahotra aretina mahafaty.” Noho izany, dia ampifanoheriny “ny fivavahana amin’i Maria Virjiny”, izay nilazalazana ny fifadiana ho toy ny filamatra ara-pivavahana, sy ny “fanindrahindrana ny fahavirjiniana” amin’ny andro maoderina, izay mampiseho ny fifadiana ho raharaha ara-pahasalamana kokoa.
“Ohatra mampalahelo momba ny toetoetry ny fivavahana mandritra ireo taona 1990 ny hoe ny tahotra aretina no mitarika ny fari-pitondran-tena”, hoy ny Dr. Balmer manohy ny teniny. “Nanolotra fari-pitondran-tena tsy manan-kery, na tsy nisy mihitsy, ireo mpitondra fivavahana, izay may aoka izany ny hanalavitra fanafintohinana. Ary noho izany, dia avela ho an’ireo mpahay siansa sy mpiasan’ny fahasalamana ny fanoroana hevitra ny zatovo ny amin’ny fomba tokony hitondrany ny fiainany eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy.”
Tsy izany anefa no izy amin’ireo Kristiana marina. Diniho i Chad, zatovo izay notezaina tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah. Nisy tovovavy iray nanatona an’i Chad ka nanomboka resadresaka taminy. Tsy ela anefa dia nanjary niharihary fa mihoatra noho ny hiresaka fotsiny ny zava-nokendren’izy io. “Tamin’izay dia takatro ilay izy”, hoy i Chad. “Tsy afaka ny handiso fanantenana an’i Jehovah aho. Nieritreritra ny hampifaly an’i Jehovah foana aho, ka nilazako izy fa tsy maintsy mandeha aho.”
Tahaka an’i Chad, dia tanora maro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah no mihazona toe-pitondran-tena tsara dia tsara, tsy hoe mba hahazoana fahasalamana tsara fotsiny, fa mba hampifaliana ny Mpamorona azy, dia i Jehovah Andriamanitra, voalohany indrindra. Tsy tahotra aretina no mitarika ny fari-pitondran-tenany. Ireny tanora ireny kosa dia manaraka ny torohevitra ao amin’ny Mpitoriteny 12:1, manao hoe: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao”.