FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 31
  • Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe sekta?
  • Ireo Antokom-pinoana Madinika — Inona moa Izy Ireny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Antokom-pinoana Madinika ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Fahavirjiniana — Nahoana?
    Mifohaza!—1996
  • Fanafinafenana Atao Amin’ny Anaran’ny Tompo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 31
Vavolombelon’i Jehovah iray mampianatra olona vitsivitsy hamaky teny sy hanoratra.

Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsia. Tsy sekta ny Vavolombelon’i Jehovah. Kristianina kosa izahay, ka manao izay tsara indrindra vitanay izahay mba hanahaka ny modely nomen’i Jesosy Kristy ary manaraka ny fampianarany.

Inona no atao hoe sekta?

Tsy mitovy ny fomba amaritan’ny olona an’io teny io. Andeha isika handinika famaritana roa, sady hijery hoe nahoana ilay izy no tsy mihatra aminay.

  • Misy milaza fa fivavahana vaovao no atao hoe sekta. Tsy namorona fivavahana vaovao anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fivavahana narahin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany kosa no alainay tahaka, ary voaresaka ao amin’ny Baiboly ny ohatra navelan’izy ireo sy ny fampianarany. (2 Timoty 3:16, 17) Mino izahay fa ny Soratra Masina ihany no afaka mamaritra izay fivavahana marina.

  • Misy indray milaza fa fivavahana mampidi-doza ny sekta, ary olona no mitarika azy. Tsy olombelona no mitarika ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fitsipika nasain’i Jesosy arahin’ny mpanara-dia azy no arahinay. Hoy izy: “Iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.”​—Matio 23:10.

Tsy sekta mampidi-doza mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandray soa avy amin’ny fivavahany kosa izy ireo sy ny fiaraha-monina. Noho ny fitoriana ataonay, ohatra, dia olona maro no afaka tamin’ny fahazaran-dratsy. Nisy, ohatra, lasa tsy nidoroka zava-mahadomelina sy tsy niboboka toaka intsony. Mampianatra mamaky teny sy manoratra koa izahay, ka olona an’arivony no mandray soa amin’izany eran-tany. Mazoto manampy ny tra-boina koa izahay. Miezaka mafy izahay mba hisy vokany tsara amin’ny hafa ny fitondran-tenanay sy ny zavatra ataonay, araka ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy.​—Matio 5:13-16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara