FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/10 p. 19-21
  • Ampiasao Amim-pahendrena ny Fanafody

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Amim-pahendrena ny Fanafody
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tombontsoa ampifanoherina amin’ny loza mety hoentiny
  • Antibiotika — Ny heriny sy ny tsininy
  • Tsara kokoa noho ny pilina ve ny tsindrona?
  • Fanafody sandoka
  • Ny olana entin’ny fahantrana
  • Tena mila fanafody ve ianao?
  • Mampiditra anao ao amin’ny tena fiadanana ve ny zava-mahadomelina?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Azo Ampiasaina Araka Izay Tiana ve ny Fanafody?
    Mifohaza!—2009
  • Iza no Mampiasa Zava-mahadomelina?
    Mifohaza!—2001
  • Mangalatra Mihinana Fanafody
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/10 p. 19-21

Ampiasao Amim-pahendrena ny Fanafody

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY NIZERIA

NITARAINA ilay vehivavy hoe narary andoha sady nisy nanaintaina tao amin’ny vavoniny. Niresaka taminy vetivety ilay dokotera. Avy eo izy dia nanome taratasim-panafody misy tsindrona telo andro ho fitsaboana ny tazomoka, paracétamol mba hampitsaharana ilay aretina andoha, fanafody roa mba hanamaivanana ilay mety ho ferim-bavony, fanafody mampitony ny tebitebiny, ary farany, ho fanampin’izany rehetra izany, fanafody misy vitamina maromaro. Lafo be ilay faktiora, kanefa tsy nanohitra ilay ramatoa. Niala teo izy, faly, natoky fa hamaha ireo olana nahazo azy, ireo fanafody.

Tsy hoe tsy mahazatra ny fanatonana dokotera toy izany eto Afrika Andrefana. Nasehon’ny fanadihadiana iray natao tao amin’ny firenena lehibe iray atỳ, fa manome taratasy misy fanafody 3,8 samy hafa isaky ny marary isaky ny fizahana, amin’ny antsalany, ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ireo foiben’ny fahasalamam-bahoaka. Ho an’ny olona maro, raha ny marina, ny atao hoe dokotera mahay dia izay manome taratasy misy fanafody be dia be.

Angamba mora takatra ny anton’ny fatokian’ny olona eto Afrika Andrefana ny fanafody, rehefa dinihinao ny tarehin-javatra ara-pahasalamana teo aloha. Maherin’ny 40 taona lasa izay, dia nanoratra toy izao i John Gunther, mpanoratra, momba ireo andro tany aloha kokoa: “Io Moron-tsiraky ny Andevo io dia tsy vitan’ny hoe (...) namono mainty hoditra; namono vazaha koa izy io, ary [izy io no] ilay tapany amin’i Afrika fantatra ao amin’ny angano hoe ny ‘Fasan’ny Vazaha’. Ny moka no mpanjaka tsy azo nolavina teo amin’ny Moron-tsirak’i Guinée, nandritra ny taonjato maro. Ny tazo vony, ny fièvre bilieuse hemoglobinurique, ny tazomoka, no fitaovam-piadiana manimba nofidin’io mpanjaka io. Ny hoe manana toe-tany mahafaty amin’ny fomba mahatsiravina ny Moron-tsiraka Andrefana dia tsy tantara tranainy be, fa fahatsiarovana mbola velona. Misy tantara fohy iray be mpitia, milazalaza ny amin’ny masoivohom-panjakana iray, izay, tsy ela loatra izay, dia voatendry hankany Nizeria ka nanontany momba ny pension-ny [vola fandrain’ny efa misotro ronono]. ‘Pension hoe?’, hoy ny navalin’ilay lehibeny ao amin’ny Biraon’ny Fanjanahan-tany. ‘Ry Ingahy itỳ a, tsy misy mankany Nizeria ka ela velona mba hisotro ronono.’ ”

Niova ny fotoana. Amin’izao andro izao, dia misy fanafody iadiana, tsy amin’ireo aretina aelin’ny moka ihany, fa amin’ireo aretina maro hafa koa. Ny vaksiny fotsiny dia nampihena tamin’ny fomba manaitra ny isan’ny matin’ny kitrotro, ny kohadavareny, ny tetanosy, sy ny difiteria. Noho ny fanampian’ny vaksiny, dia fongotra ny nendra. Tsy ho ela koa ny poliomelita dia mety ho aretina navalon’ny lasa.

Tsy mahagaga firy raha Afrikana maro amin’izao andro izao no manam-pinoana lalina ny amin’ny hasarobidin’ny fanafody. Mazava ho azy fa tsy voafetra ho eto Afrika Andrefana ihany izany finoana izany. Any Etazonia, ireo dokotera dia manome taratasim-panafody maherin’ny dimy alina tapitrisa sy sasany isan-taona. Any Frantsa, ny olona dia mividy boatim-pilina 50, amin’ny antsalany, isan-taona. Ary any Japon, ny olon-tsotra dia mandany maherin’ny $400 (1 600 000 FMG eo ho eo) amin’ny fanafody isan-taona.

Tombontsoa ampifanoherina amin’ny loza mety hoentiny

Nahavita zavatra be dia be mba hanampiana ny olombelona ireo fanafody maoderina. Rehefa ampiasaina araka ny mety izy ireny, dia mampandroso fahasalamana tsara, kanefa rehefa ampiasaina tsy araka ny mety, dia afaka manimba sy mamono mihitsy aza. Any Etazonia, ohatra, dia olona tokony ho 300 000 no ampidirina hopitaly isan-taona, noho ny tsy fahazakana fanafody, ary 18 000 no maty.

Mba hampiasana fanafody amim-pahendrena, dia zava-dehibe ny hanekena fa mety hisy foana ny loza. Na fanafody inona na fanafody inona, na dia ny aspirine aza, dia afaka miteraka voka-dratsiny manimba. Lehibe kokoa ny mety hisian’ny voka-dratsiny, raha toa ka mampiasa fanafody maromaro indray miaraka ianao. Manan-kery koa eo amin’ny fomba fiasan’ny fanafody iray amin’ny vatanao ny sakafo sy ny zava-pisotro, ka afaka mampitombo na manafoana ny herin’izy io.

Misy loza hafa mety hoentiny koa. Mety ho tsy mahazaka fanafody iray ianao. Raha toa ianao ka tsy mampiasa ireo fanafody araka izay asaina hatao — ny fatra tokony ho izy mandritra ny halavam-potoana mety — dia azo inoana fa tsy hanampy anao izy ireo ary afaka ny hanimba anao mihitsy aza. Mety hitranga koa ny vokany toy izany, raha toa ny dokoteranao ka manome ny fanafody tsy izy na tsy ilaina. Mety hanimba tena koa ianao raha toa ka mampiasa fanafody lany daty, ambany karazana, na sandoka.

Mba hampihenana ho faran’izay kely ny loza, dia tokony hahafantatra zavatra betsaka araka izay azo atao momba ny fanafody na inona na inona ampiasainao ianao. Afaka mandray soa be dia be avy amin’ny fahalalana ireo zava-misy ianao.

Antibiotika — Ny heriny sy ny tsininy

Nanomboka tamin’ny nanamboarana azy tokony ho 50 taona lasa izay, ireo antibiotika dia namonjy ain’olona an-tapitrisany maro. Nandresy aretina nahatahotra toy ny habokana, ny raboka, ny pnemonia, ny scarlatine (areti-mifindra mampahateramena ny hoditra), sy ny tety, izy ireo. Manana anjara asa lehibe koa eo amin’ny fanasitranana aretina hafa, izy ireo.

Hoy ny Dr. Stuart Levy, profesora momba ny fitsaboana ao amin’ny Sekoly Fianarana ho Dokotera ao Amin’ny Oniversiten’i Tufts any Etazonia: “Nampivoatra ny fitsaboana [ireo antibiotika]. Izy ireo no fitaovana tokana izay nanova indrindra ny tantaran’ny fitsaboana.” Hoy ny manam-pahaizana ara-pitsaboana hafa iray: “Izy ireo no vato fehizoro iorenan’ny fitsaboana maoderina.”

Kanefa, alohan’ny hihazakazahanao hankany amin’ny dokoteranao mba hangataka antibiotika, dia diniho ny lafy ratsiny. Rehefa ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy ny antibiotika, dia afaka manimba anao kokoa fa tsy mahasoa anao. Izany no izy satria miasa amin’ny fanafihana sy ny famonoana bakteria ao amin’ny vatana ny antibiotika. Tsy mahafaty foana ny bakteria manimba rehetra anefa izy ireo; misy karazana bakteria sasany mahatohitra ilay fanafihana. Tsy vitan’ny hoe velona hatrany ireny karazana bakteria mahatohitra antibiotika ireny, fa mitombo koa ka mifindrafindra amin’ny olona.

Nisy fotoana nampandaitra be ny penisilinina, ohatra, teo amin’ny fitsaboana aretina. Ankehitriny, ireo orinasa mpanamboatra fanafody dia mivarotra karazana penisilinina samy hafa an-jatony maromaro, ka anisan’ny anton’izany ny fisian’ny karazana bakteria mihamahatohitra antibiotika hatrany.

Inona no azonao atao mba hisorohana ny olana? Raha tena mila antibiotika ianao, dia ataovy azo antoka fa dokotera mahay no manome taratasim-panafody misy azy ireny ary koa fa azo avy amin’ny loharano ara-dalàna izy ireny. Aza manery ny dokoteranao hanome haingana taratasim-panafody misy antibiotika — mety ho tiany ny hanaovanao fitsapana any amin’ny laboratoara mba hahazoana antoka fa ilay omena anao no tena izy ho an’ny aretinao.

Zava-dehibe koa ny ampiasanao ny fatra tokony ho izy mandritra ny halavam-potoana mety. Tokony hovitainao hatramin’ny farany ny fatran’ny antibiotika tokony hampiasainao, na dia mahatsiaro tena ho tsara kokoa aza ianao, alohan’ny hahataperany.

Tsara kokoa noho ny pilina ve ny tsindrona?

“Tsindrona no tiako!” Mpiasan’ny fahasalamana maro no mandre ireo teny ireo atỳ amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana. Ny fototr’izany fangatahana izany dia ny finoana fa ampidirina mivantana ao amin’ny lalan-dra ilay fanafody ka manome fitsaboana mahery kokoa noho ny pilina. Any amin’ny tany sasany, dia mahazatra ny mahita eny an-tsena, ‘dokotera mpanindrona’ tsy mahazo lalana.

Misy loza mety hoentin’ny tsindrona nefa tsy hita amin’ny pilina. Raha tsy madio ny fanjaitra, dia mety ho voan’ny aretin’aty, ny tetanosy, sy ny SIDA mihitsy aza, ilay marary. Mety hiteraka vay manaintaina koa ny fanjaitra maloto. Mitombo ny loza raha olona tsy mahay no manindrona.

Raha tena mila tsindrona ianao, dia ataovy azo antoka fa olona mahay ara-pitsaboana no manao azy. Mba ho fiarovana anao, dia ataovy azo antoka foana fa samy tsy misy mikraoby ny fanjaitra sy ny serengy.

Fanafody sandoka

Fandraharahana lehibe ny indostria fanamboarana fanafody maneran-tany, satria mampidi-bola tokony ho $170 000 tapitrisa (680 000 000 000 000 FMG eo ho eo) isan-taona, araka ny voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). Misy olona maty eritreritra may ny hanararaotra ilay tarehin-javatra ka nanamboatra fanafody sandoka. Toy ny fanafody tena izy ny endriky ny fanafody sandoka — na ny soratra eo aminy na ny fonony — kanefa tsy misy ilana azy.

Na dia misy hatraiza hatraiza aza ny fanafody sandoka, dia fahita indrindra izy ireny atỳ amin’ny tontolo an-dalam-pandrosoana, ary mitondra vokany mampalahelo. Eto Nizeria, dia ankizy 109 no maty noho ny voany nitsahatra tsy niasa, taorian’ny nisotroany sirao mampitony fanaintainana nisy ranoka mandevon-javatra (dissolvant) namboarin’ny indostria. Tany Meksika, dia nisy olona may, azon’ny aretin-koditra nampanaintaina be, avy tamin’izay nolazaina fa hoe fanafody, izay nisy vovo-kazo sy kafe ary loto. Tany Birmania, dia mponina am-bohitra maro no nety ho fatin’ny tazomoka, vokatry ny nampiasana fanafody sandoka izay tsy niady tamin’ny fanaviana entin’ny tazomoka. “Eto indray, ny mety hiharan-doza indrindra”, hoy ny fanambaran’ny OMS, “dia ireo mahantra indrindra, izay indraindray dia mieritreritra fa mora be ny nividianany an’ilay fanafody iray toa mandaitra novokarin’ny orinasa mendri-kaja iray.”

Ahoana no ahafahanao miaro tena amin’ny fanafody sandoka? Ataovy azo antoka fa izay vidinao dia avy amin’ny loharano tsara laza, toy ny farmasian’ny hopitaly iray, ohatra. Aza mividy avy amin’ireo mpivarotra mandehandeha. Mampitandrina toy izao ny farmasiana iray any Benin City, eto Nizeria: “Ho an’ireo mpivarotra mandehandeha, dia fandraharahana fotsiny ny fivarotana fanafody. Mizara fanafody toy ny mizara vatomamy na bisikoy [biscuit] izy ireo. Ireo fanafody entin’izy ireo mandehandeha dia matetika no efa lany daty na sandoka. Tsy mahafantatra na inona na inona momba ireo fanafody amidiny ireny olona ireny.”

Ny olana entin’ny fahantrana

Ny fitsaboana azon’ny olona iray dia matetika no faritan’ny habetsahan’ny vola ananany. Mba hitsitsiana vola sy fotoana, ny olona atỳ amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana dia mety tsy handalo dokotera fa handeha mivantana any amin’ny farmasia mba hividy fanafody izay itakian’ny lalàna taratasim-panafody. Noho izy ireo efa nampiasa ilay fanafody teo aloha na noho ireo namany manoro hevitra ny amin’ny hampiasana azy io, dia fantany izay tiany ho an’ilay aretiny. Mety ho tsy ilay ilainy anefa ilay tiany.

Miezaka hitsitsy vola amin’ny fomba hafa koa ny olona. Asain’ny dokotera iray hanao fitsapana any amin’ny laboratoara ny marary iray ary omeny taratasim-panafody. Mitondra ilay taratasim-panafody any amin’ny farmasia ilay marary kanefa mahita fa lafo be ny vidiny. Koa tsy mitady ny vola amboniny ilay olona, fa matetika kosa no mividy fanafody mora kokoa na tsy mividy afa-tsy ny sasany amin’ireo fanafody asaina hampiasaina.

Tena mila fanafody ve ianao?

Raha tena mila fanafody ianao, dia fantaro hoe inona io zavatra hampiasainao io. Aza mahatsiaro ho sanganehana hametraka fanontaniana amin’ny dokotera na ny farmasiana momba ilay fanafody asainy hampiasaina. Manana zo hahafantatra ianao. Rehefa heverina, dia ny vatanao no mety hijaly.

Raha tsy mampiasa araka ny mety ilay fanafodinao ianao, dia mety tsy hihatsara. Ilainao ny mahafantatra ny habetsahana tokony hampiasainao, ny fotoana tokony hampiasana azy, sy ny faharetam-potoana tokony hampiasana azy. Ilainao koa ny mahafantatra ireo sakafo sy zava-pisotro ary fanafody na fanaovan-javatra hafa tokony hohalavirina mandritra ny fampiasanao azy io. Ary ilainao ny mahafantatra ireo voka-dratsiny mety hitranga sy izay tokony hatao raha mitranga izany.

Tadidio koa fa tsy manome ny vahaolana amin’ny olana ara-pitsaboana rehetra ireo fanafody. Mety ho tsy mila fanafody mihitsy ianao. Hoy ny fanambaran’ny gazetiboky World Health, zavatra vita an-tsoratry ny OMS: “Aza mampiasa fanafody raha tsy rehefa ilaina izany. Matetika dia ampy mba hanampiana olona iray hihatsara kokoa ny fialan-tsasatra, ny sakafo tsara, sy ny fisotroana rano be dia be.”

[Efajoro/Sary, pejy 20]

“Mitaky fitsaboana arivo ny aretina arivo”, hoy ny nosoratan’ny poety romana iray, tokony ho 2 000 taona lasa izay. Amin’izao andro izao, dia mety ho azon’ilay poety natao ny nanoratra hoe: ‘Mitaky pilina arivo ny aretina arivo’! Eny tokoa, saika ny aretina rehetra, na tena misy na an’eritreritra fotsiny, dia toa misy pilina mifanitsy aminy. Araka ny voalazan’ny Banky Iraisam-pirenena, maneran-tany dia misy karazana fanafody tokony ho 100 000, namboarina avy tamin’ny raha manan-kery maherin’ny 5 000.

[Efajoro/Sary, pejy 21]

Ny Fampiasana Amim-pahendrena ny Fanafody

1. Aza mampiasa fanafody lany daty.

2. Mividiana avy amin’ny loharano tsara laza. Aza mividy avy amin’ny mpivarotra mandehandeha.

3. Ataovy azo antoka fa takatrao ny hevitr’ireo toromarika ka arahinao izany.

4. Aza mampiasa fanafody nomena ho an’ny olon-kafa.

5. Aza mikiry hahazo tsindrona. Matetika no miasa tsara tsy misy hafa amin’ny tsindrona ny fanafody hohanina.

6. Tahirizo amin’ny toerana mangatsiaka ny fanafody, tsy atao ho takatry ny ankizy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara