FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/10 p. 25
  • Fifanenana Sarotra Inoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fifanenana Sarotra Inoana
  • Mifohaza!—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Feso any Nouvelle-Zélande
    Mifohaza!—2002
  • Helodrano Shark Valan-javaboary Hafakely
    Mifohaza!—2007
  • Ilay Feso Tsy Lavitra Anay
    Mifohaza!—1998
  • Ny Fahaizan’ny Feso Mampiasa Onjam-peo
    Nisy Namorona Ve?
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/10 p. 25

Fifanenana Sarotra Inoana

“NY ZAVATRA nampientanentana indrindra nataoko teo amin’ny fiainako!” Izany no fomba nilazalazan’i Kristie ilay fifanenana sarotra inoana. Ho toy izany ve no ho tsapanao raha toa ianao ka afaka niara-nilomano tamin’ny lambondriaka (dauphins) tao amin’ny Hoalan’i Meksika?

Mientanentana erỳ ny rehetra mahita lambondriaka milomano na mahavita zavatra amim-pahakingana ao anaty rano, toy ny mandeha mianotra amin’ny rambony, miantsambotra avy eo amin’ny rano ka mahatratra haavo mahazendana, na mamela olona hitaingina azy. Ny fijerena fotsiny an’ireny fampisehoana ireny dia afaka mahatonga ny olona iray haniry hiditra ao anaty rano ka hiara-milalao amin’ireo lambondriaka ireo.

Nahatsapa toy izany foana i Kristie. Avy eo, indray andro, raha teo am-pitaingenana lakana sy teo am-pilomanosana tao amin’ny Hoalan’i Meksika izy, dia nisy loha nipoitra tampoka teo anoloany. Tsy ela dia toa nihevitra ireo lambondriaka telo liana ta hahafanta-javatra hoe nahita namana hiaraha-milalao aminy izy ireo. Tamin’ny voalohany i Kristie dia natahotra kely, kanefa avy eo dia nivadika ho fientanentanana ny tahony rehefa nifandray tamin’ireo lambondriaka izy. Namela azy ireo hitantana ilay tarehin-javatra izy ka nitony mba hahitana izay hataon’izy ireo manaraka.

Hoy i Kristie: “Nipoitra tampoka teo anoloako fotsiny ny lambondriaka iray — ary teo izahay, nifampijery. Nisafosafo azy aho ary niresaka taminy — tsy misy hafa amin’ny ataoko amin’ny alikako.”

Noho ny hakingan-tsain’ny lambondriaka, dia mpampiala voly be mpitia izy ireo, ary milaza ny ankamaroan’ny mpanofana fa noho izy ireo tia minamana amin’ny olona, dia tsy voatery homena kolikoly amin’ny alalan’ny sakafo ny lambondriaka vao hanao ireo zava-bitany mahavariana.

Rehefa nanontaniana i Liz Morris, mpandinika momba ny toetran’ny biby, ao amin’ny Tontolon’ny Ranomasina any Floride, Etazonia, hoe inona no zavatra mahafinaritra indrindra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny lambondriaka, dia hoy izy: “Heveriko fa ny maha-izy azy. Noho izy ireo manana toetra voajanahary tia milalao sy liana ta hahafanta-javatra aoka izany, dia tena afaka mamboly fifandraisana aminy ianao. (...) Tiany tokoa ny kasihina sy anehoana firaiketam-po.” Ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, isika rehetra dia ho afaka hahita fifanenana sarotra inoana maro toy ny hitan’i Kristie.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara