FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/1 p. 16-19
  • Feso any Nouvelle-Zélande

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Feso any Nouvelle-Zélande
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nilomano niaraka tamin’ny feso
  • Manjono sy milalao
  • ‘Sary azo amin’ny alalan’ny feo’
  • Fifanenana Sarotra Inoana
    Mifohaza!—1996
  • Ilay Feso Tsy Lavitra Anay
    Mifohaza!—1998
  • Ny Fahaizan’ny Feso Mampiasa Onjam-peo
    Nisy Namorona Ve?
  • Helodrano Shark Valan-javaboary Hafakely
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/1 p. 16-19

Feso any Nouvelle-Zélande

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NOUVELLE-ZÉLANDE

HOY ilay mpanoratra grika atao hoe Plutarque: “Io ihany no biby tena tia ny olombelona nefa tsy mitady valiny.” Inona ilay biby tiany holazaina? Tsy inona akory fa ny feso, biby mampinono. Tsy misy hafa amin’ny trozona izy io.

Milaza toy izao ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Maro ny mpahay siansa mino fa anisan’ny biby manan-tsaina indrindra toy ny rajako sy ny alika, ny feso.” Tsy manatona ny olona mba hitady sakafo fotsiny anefa ny feso, araka ny nolazain’i Plutarque. Toa ny miaraka amintsika fotsiny no tian’ny maro amin’izy ireo. Hoy ilay boky hoe Misterin’ny Oseana (anglisy): “Tsy ilain’ny feso angamba ny olombelona, nefa tia mandinika izy, ary mety hahafinaritra azy mihitsy aza ny mijery izay ataontsika, toa antsika tia mijery izay ataony.” Ny 4 amin’ireo karazana feso 32 any an-dranomasina no hita any Nouvelle-Zélande, dia ny feso mahazatra, ny feso lava vava, ny feso volondavenona ary ny kely indrindra maneran-tany, dia ny feson’i Hector.a

Be dia be ny feso any amin’ny Bay of Islands, faritra amoron-dranomasina tsara tarehy any Nouvelle-Zélande. Te hahita ireo feso ireo izahay, ka nandeha sambo avy teo amin’ny tanànan’i Russell. Nilaza taminay ilay mpitari-dalana anay fa mety hahita trozona sada mainty sy trozona antsoina hoe trondro mainty koa izahay, ankoatra ny feso lava vava sy ny feso mahazatra. Iray karazana amin’ny feso ihany ireo trozona ireo. Raha te hitady an’ireo trozona ireo, hoy ihany izy, dia ny vombony na ny rano mifantsitsitra eo amin’ny lavak’orony no jerena. Nanamarika koa izy hoe: “Mety ho ry zareo koa no hahita antsika voalohany!”

Nilomano niaraka tamin’ny feso

Tsy ela dia tazanay nanjavozavo teo anoloanay ny feso lehibe lava vava maromaro. Maherin’ny efatra metatra ny halavan’ny iray aminy, ary namakivaky tsy naka sarotra ny onja ny vombony. Entin’ny onja avy amin’ilay sambo izy ireo eo am-pilalaovana. Nijanona ny sambonay, ary niara-nilomano moramora tamin’ireo feso tao amin’ilay rano lalina sady maitso izahay sy ilay mpitari-dalana.

Nisy vombona feso betsaka nanodidina ahy ka tsy hitako izay hojerena voalohany. Nifoka rivotra aloha aho, ka sady gaga no natahotra nijery an’ireo feso lehibe miloko volondavenona hita nanjavozavo teo ambany. Niakatra moramora avy tany ambany tany ny iray mba hanara-maso ahy, nitsimbadika kely izy ka hitako ny kibony fotsifotsy. Nijanona lavidavitra ry zareo, nefa re tsara ny siokany. Nandramako naverina ny feon’izy ireo, nefa toa tsy nahataitra azy ireo izany, fa lasa aloha izy ireo, ary niverina nilomano nanodidina anay indray.

Manjono sy milalao

Niverina teny an-tsambo izahay, ary nanaraka ireo feso tany amin’ny helodrano iray malomaloka. Tsy tambo isaina mihitsy ny feso hitanay tany, mitsambikina ary manapitipitika rano! Manjono no tena ataon’izy ireo amin’izany. Karazana horita sy trondro ary hazandrano misy akorany no fihinany. Toa nisy fampianarana manjono koa aza hitanay. Andefasan’ilay reny feso feo ny trondro kely iray ka fanina. Manandrana mikapoka an’ilay izy amin’ny rambony ilay zanaka feso mba hisamborany azy. Toa mbola mila mianatra bebe kokoa izy!

Fanaon’ny feso ny milalao sy miaraka. Nisy anankiray nitsambikina teo anoloanay, nampidera ahidrano teo ambonin’ny vombony. Nanazava ilay mpitari-dalana anay fa kilalao tena tian’ny feso ny ahidrano. Apetrany eo ambonin’ny vombony na eo ambonin’ny orony ilay izy ary lalaoviny ela be eo. Misy hafa indray maka an’iny, rehefa vita ny anjaran’ilay teo.

‘Sary azo amin’ny alalan’ny feo’

Mandefa feo ny feso mba “hahitany” tsara kokoa ny zavatra rehetra any anaty rano. Miverina manako any aminy iny feo iny avy eo. Mitovy ny onjan’io feo io sy ny onja fitarafana ampiasana feo tsy ren’ny sofin’olombelona. Feo maranitra no alefany amin’izany ka manampy azy hahita sakafo na zavatra hafa mahaliana toy ny olombelona ny “sary” voarainy avy amin’izany. Mampiasa sioka mandeha amin’ny onjam-peo avo koa ny feso mba hifampiresahana. Avo folo heny ny onjan’io sioka io raha oharina amin’ny fitenin’ny olona, ary efa ho avo dimy heny ny hafainganany. Tsy manana fiteny, araka ny ahafantarantsika azy ny feso, fa “sary amin’ny alalan’ny feo” no toa ampiasainy.

Mbola be dia be tokoa ny zavatra azo ianarana momba ny feso. Mety hahafantatra tsara azy isika indray andro any, anisan’izany ny fomba fisainany sy ny fiheverany antsika. Sady talanjona izahay no finaritra rehefa nandao ilay helodrano mitokana sady tsara tarehy fonenan’ny feso, sy ny hantsam-batony rakotry ny zavona ary ny torapasiny fotsy. Nanjary nanaja kokoa an’io zavaboary io izahay ary natahotra kokoa an’ilay Mpamorona azy.—Apokalypsy 4:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hita any Nouvelle-Zélande koa indraindray ny feso fandrefy fotoana, sy ny feso tsy misy vombony.

[Efajoro/Sary, pejy 18, 19]

Fampianarany ny Zanany

Tsy trondro ny feso fa biby mampinono. Mivelona amin’ny rononon-dreniny, noho izany, ny feso vao teraka. Atoron’ny reniny an’ilay zanany, mandritra ny telo taona ampinonoany azy, ny fomba harahina mba hahavelona azy. Ampianariny mampiasa ny famantarana amin’ny alalan’ny feo, ohatra, izy ka anisan’izany ny fomba mitovy amaranany ny “fehezanteny” tsirairay. Ampianariny azy koa ny fomba fanjonoana sy fanaovana firaisana, ary ny fomba ifandraisana amin’ny feso hafa.

Miforitra roa ny feso raha mbola any an-kibon-dreniny, ary ny rambony no mivoaka voalohany rehefa teraka izy. Ahitana tsipika eo amin’ny vatan’ny feso vao teraka, ahafantarana ny faritra niforetany. Minono eny am-pilomanosana izy, ary mora kokoa aminy ny manohitra ny tosiky ny rano, satria milomano ao ambadiky ny reniny izy.

[Sary nahazoan-dalana]

© Jeffrey L. Rotman/CORBIS

[Sarintany, pejy 19]

(Jereo ny gazety)

NOUVELLE-ZÉLANDE

Bay of Islands

[Sary, pejy 17]

Feso lava vava

[Sary nahazoan-dalana]

© Jeff Rotman

[Sary, pejy 17]

Feson’i Hector

[Sary nahazoan-dalana]

Photo by Zoe Battersby

[Sary, pejy 18]

Feso volondavenona

[Sary nahazoan-dalana]

Mark Jones

[Sary, pejy 18]

Feso mahazatra

[Sary nahazoan-dalana]

© R.E. Barber/Visuals Unlimited

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara