Avy Amin’ny Mpamaky
Fitokiana Nahatsiaro ho ketraka aho satria nivadihan’ny namana sy ny havana sasany. Nanomboka nisalasala aho raha azo inoan-teny ny rehetra manodidina ahy. Nanome ahy fiheverana voalanjalanja kokoa momba ny fitokiana anefa ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Iza no Azonao Itokiana?” (8 Febroary 1996). Misaotra anareo noho io fanazavana tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra io.
E. I., Korea
Nandritra ny taona maro, ny tenako dia nandia ny famadihan’ny raiko, izay nitondra ahy tamin’ny fomba ratsy, sy ny famadihan’ireo vadiko roa ary ny an’ny anadahy kristiana iray. Tonga hatramin’ny fanapahan-kevitra ny tsy hitoky amin’iza na iza intsony aho. Nampiaiky ny tenako aho fa tsy nila olona. Nanampy ahy hanjary hahay handanjalanja kokoa anefa ilay lahatsoratra. Na dia tena sarotra amiko aza ny mitoky amin’ny olona, dia hiezaka hatrany aho. Amin’itỳ indray mandeha itỳ dia hitandrina kokoa aho momba izay olona itokiako.
C. H., Etazonia
Paoma Misaotra anareo indrindra noho ilay lahatsoratra hoe “Paoma Iray Isan’andro Hanina dia Tsy Hila Dokotera”. (8 Febroary 1996). Nanaitra ny fahalianako izy io satria manana hazo paoma maherin’ny 100 izahay ao amin’ny toeram-pambolena kelinay. Mankafy ny fandrantsanana sy ny fanatsarana endrika an’ireo hazo ireo izahay mba hamokarany tsara. Ankasitrahanay ny filazana araka ny marina hita ao amin’ny lahatsoratrareo rehetra. Manome fanazavana mamelombelona sy mendri-pitokiana izy ireo.
P. B., Etazonia
Fihetsika Hafahafa Vokatry ny Fanerena Anaty Misaotra anareo noho ilay lahatsoratra faran’izay tsara hoe “Fihetsika Hafahafa Vokatry ny Fanerena Anaty — Mifehy ny Fiainanao ve Izany?” (8 Febroary 1996). Vao 20 taona monja aho, ary mijaly noho ny fihetsika hafahafa vokatry ny fanerena anaty. Matetika aho no nangataka tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka mba handefasana tamiko fanazavana momba izay nitranga tamiko.
M. A. C., Espaina
Nanomboka ho voakorontan’ny eritreritra tsy nahy, tsy misy fanajana, momba an’Andriamanitra aho, tokony ho tamin’ny fotoana nanombohako nanao ny asan’ny mpisava lalana, izany hoe nanompo tamin’ny naha-mpitory manontolo andro. Nieritreritra aho fa nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka, ary nitomany imbetsaka aho. Tsy azonareo alaina sary an-tsaina izay tsapako ankehitriny, mahita ireo fihetseham-poko voalazalaza an-tsoratra. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe hisy olon-kafa mety hijaly noho izy io [ilay fihetsika hafahafa]. Misaotra anareo, ranadahy isany, noho ianareo eo foana mba hanampy anay.
C. B., Nizeria
Namerimberina namaky ilay lahatsoratra tamin-dranomaso aho. Nilazalaza momba ahy tamin’ny an-tsipiriany tanteraka izy io! Nanontany tena aho raha ho lasa adala na raha nifehy ny saiko ireo demonia. Nanamaivana ny nahafantatra fa misy hafa eo amin’ireo anadahy voan’io aretina io koa.
K. T., Japon
Matetika aho no nitodika tany amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana amin’io olana io. Nanapa-kevitra ny hilavo lefona anefa aho satria nihevitra fa tsy nisy antony izany sady tsy nisy zavatra afaka nanampy ahy. Ankehitriny dia mahatakatra ny mahazo ahy aho, ary mahatsiaro ho maivamaivana. Misalasala aho raha ho azo nosoratana tamin’ny fomba feno fitiavana noho izao ilay lahatsoratra. Azoko antoka fa tena miahy antsika i Jehovah.
J. F., République tchèque
Nampijalijaly ahy ara-tsaina hatramin’ny fito taona izao ireo eritreritra hafahafa vokatry ny fanerena anaty. Nahatonga ahy hahatsiaro ho trotraka sady ketraka izany. Nahatsiaro ho menatra sady meloka loatra aho ka tsy niara-nidinika momba izany tamin’iza na iza. Tena nieritreritra aho fa lasa adala. Rehefa namaky io lahatsoratra io aho, dia saika tsy nino. Nisy olon-kafa koa nandia izay nandalovako! Nanganohano ny ranomasoko. Tsy irery intsony aho. Tsy nanao ilay fahotana tsy ahazoana famelan-keloka aho, ary tsy tezitra tamiko i Jehovah.
S. B., Afrika Atsimo