Avy Amin’ny Mpamaky
Fitadidiana Fisaorana amim-pahatsorana no atolotro ho anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao”. (8 Aprily 1996). Tamin’ny lasa aho dia niezaka nitadidy ny anaran’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah misy ahy — nefa tsy nahomby. Nihamafy ny fanerena tsy ela izay, rehefa notendren’ny Fikambanana Watch Tower hanompo amin’ny maha-minisitra mpitety faritany aho. Namaly ireo vavaka nataoko io lahatsoratra io! Tamin’ny fampiharana ireo fanipazan-kevitra nomena, dia afaka nitadidy maherin’ny antsasaky ny anaran’ireo izay nihaona tamiko tao amin’ny kongregasiona valo samy hafa aho.
C. E. U., Nizeria
Paraky Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Paraky — Tsy Manimba ve Izy Io?” (8 May 1996). Tsy tena nahatakatra loatra ilay lohateny aho, ka izany no nanosika ahy hamaky ilay lahatsoratra. Na dia mbola tsy tojo io zava-manahirana io aza aho eto Togo, dia nanampy ahy ilay lahatsoratra hahatakatra ny karazan-java-manahirana mahazo ny hafa any amin’ny faritra hafa eto amin’izao tontolo izao.
C. H., Togo
Tiako ny mamaky ny lahatsoratra rehetra avoakanareo, nefa itỳ iray itỳ no tsara indrindra. Misy tanora atỳ izay mihinam-paraky, nefa nampitandrina momba ireo loza haterany ilay lahatsoratra. Tsy hihinana izany na oviana na oviana ny tenako.
P. H. W., Brezila