FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/10 p. 6-8
  • Fiezahana Mafy Hamarana ny Heloka Bevava

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiezahana Mafy Hamarana ny Heloka Bevava
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy manorina velively ve io fiheverana io?
  • Eo am-piezahana ireo fitondram-panjakana
  • Famoizana fatokiana
  • Naman’ny Efa Resy eo Amin’ny Ady Amin’ny Heloka Bevava
    Mifohaza!—1998
  • Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Polisy?
    Mifohaza!—2002
  • Nahoana no betsaka toy izao ny heloka bevava?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Aiza ny Tany Tsy Misy Heloka Bevava?
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/10 p. 6-8

Fiezahana Mafy Hamarana ny Heloka Bevava

“MANANTITRANTITRA ny Tanora fa ny Sorisory no Antony Lehibe Indrindra Miteraka ny Heloka Bevava Ataon’ny Tanora”, hoy ny nambaran’ny lohateny iray tao amin’ny gazety britanika iray mitana ny loha laharana. “Omen-tsiny ny Fifandirana ao An-tokantrano Noho ny Fampitomboany ny Heloka Bevava”, hoy ny iray hafa. Ary nanambara toy izao ny iray fahatelo: “ ‘Mandrisika Heloka Bevava An’arivony Maro’ ny Fiankinan-doha Amin’ny Zava-mahadomelina”. Notombanan’ny gazetiboky Philippine Panorama fa 75 isan-jaton’ny heloka bevava feno herisetra rehetra tany Manille no nataon’ny mpidoroka zava-mahadomelina.

Misy anton-javatra hafa mety handray anjara koa amin’ny fandrisihana hitondra tena toy ny mpanao heloka bevava. “Ny fahantrana mifanila amin’ny harem-be” no iray nasian’ny inspektera jeneralin’ny polisy any Nizeria fitenenana. Tononina koa ny faneren’ny mitovy taona amin’ny tena sy ny fanantenana kely dia kely hahita asa, ny tsy fisian’ny zava-misakana mahery araka ny lalàna, ny faharavana ankapoben’ny zavatra misy vidiny eo amin’ny fianakaviana, ny tsy fahampian’ny fanajana fahefana sy lalàna, sy ny herisetra tafahoatra ao amin’ireo sarimihetsika sy vidéo.

Anton-javatra hafa iray ny hoe olona maro no tsy mino intsony ny hoe ny heloka bevava dia tsy mendrika ny hatao. Nanao fanamarihana ny sosiology iray ao amin’ny Oniversiten’i Bologne any Italia fa nandritra ny fe-potoana iray naharitra taona maro, “ny isan’ireo halatra nanaovana tatitra sy ny isan’ireo olona voaheloka noho izany dia nifanalavitra be”. Nomarihiny fa “ny isan’ireo fanamelohana, raha oharina amin’ny tontalin’ny isan’ireo halatra nanaovana tatitra dia avy teo amin’ny 50 isan-jato no nidina ho 0,7 isan-jato”.

Mampalahelo nefa marina ireto tenin’ny The New Encyclopædia Britannica ireto: “Toa lafiny iray misongadina amin’ny fitambaran’olona maoderina rehetra be indostria ny fitomboan’ny heloka bevava, ary tsy misy fanovana eo amin’ny lalàna na ny fitantanana ny fonja, mba azo aseho hoe nisy vokany lehibe teo amin’ilay olana. (...) Ho an’ny fitambaran’olona maoderina manaraka ny fomba fiaina an-tanàn-dehibe, izay anaovana ny fitomboana ara-toe-karena sy ny fahombiazan’ny tena manokana ho zavatra misy vidiny mahazo vahana, dia tsy misy antony tokony hiheverana fa tsy hanohy hitombo ny tahan’ny heloka bevava.”

Tsy manorina velively ve io fiheverana io?

Tena ratsy toy izany tokoa ve ny tarehin-javatra? Tsy manambara fihenan’ny heloka bevava ve ny vokatry ny fanadihadiana tany amin’ny toerana sasany? Marina fa manao izany ny sasany, kanefa afaka mamitaka ireo antontan’isa. Ohatra, nanaovana tatitra fa nihena 20 isan-jato ny heloka bevava tany Philippines, taorian’ny nampiharana ny fandrarana ny fananana basy. Nohazavain’ny Asiaweek anefa fa mino ny manam-pahefana iray fa nitsahatra tsy nangalatra fiara sy tsy nandroba banky ireo mpangalatra fiara sy mpandroba banky ka “nifindra ho amin’ny fakana olona an-keriny”. Niteraka fihenana teo amin’ny tontalin’ny fitrangan’ny heloka bevava ny fahavitsian’ny fandrobana banky sy halatra fiara, saingy tsy nisy heviny firy io fihenana io rehefa heverina ny fitomboana avo efatra heny teo amin’ny fakana olona an-keriny!

Nanao tatitra momba an’i Hongria ny gazetiboky HGV ka nanoratra toy izao: “Raha oharina amin’ny tapany voalohany tamin’ny taona 1993, dia nidina 6,2 isan-jato ny tarehimarika momba ny heloka bevava. Ny zavatra hadinon’ny polisy ny nilaza azy dia ny hoe ny antony lehibe indrindra nahatonga ilay fihenana (...) dia ny fiovana teo amin’ny fitantanan-draharaha.” Niakatra 250 isan-jato ny ambaratongan’ny vola namaritana ny fandraisana an-tsoratra ireo fitrangan’ny halatra, ny fisolokiana, na ny fihetraketrahana, natao teo aloha. Koa tsy raisina an-tsoratra intsony ireo heloka bevava amin’ny fananana, izay ambany sanda noho io ambaratonga io. Koa satria mahaforona ny telo ampahefatry ny heloka bevava rehetra ao amin’io tany io ny heloka bevava atao amin’ny fananana, dia zara raha marina ilay fihenana.

Ekena fa sarotra ny hahatongavana amin’ny tarehimarika araka ny marina momba ny heloka bevava. Antony iray ny hoe heloka bevava maro — angamba hatramin’ny 90 isan-jato ao amin’ny sokajy sasany — no tsy misy manao tatitra. Tsy tena zava-dehibe anefa, raha ny marina, ny fiadian-kevitra momba ny hoe nihena sa nitombo ny heloka bevava. Maniry fatratra ny hahafoana ny heloka bevava, fa tsy ny hihenany fotsiny, ny olona.

Eo am-piezahana ireo fitondram-panjakana

Nahariharin’ny fanadihadiana iray nataon’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1990 fa mandany 2 ka hatramin’ny 3 isan-jaton’ny teti-bolany isan-taona, amin’ny antsalany, ireo tany mandroso kokoa, ho amin’ny fifehezana ny heloka bevava, fa mandany mihoatra noho izany mihitsy kosa, 9 ka hatramin’ny 14 isan-jato, amin’ny antsalany, ireo tany an-dalam-pandrosoana. Omena ny laharam-pahamehana any amin’ny toerana sasany ny fampitomboana ny isan’ny polisy sy ny fanomezana azy fitaovana tsara kokoa. Mifanohitra anefa ireo vokatra azo. Maneho ny alahelony toy izao ny olom-pirenena hongroa sasany: “Tsy ampy na oviana na oviana ny isan’ny polisy mba hisamborana ireo mpanao heloka bevava, kanefa ampy foana mba hisamborana ireo mpandika ny lalàn’ny fifamoivoizana.”

Vao haingana izay no nahitan’ny fitondram-panjakana maro fa tena ilaina ny manao izay handaniana lalàna henjana kokoa momba ny heloka bevava. Ohatra, satria “mitombo ny fakana olona an-keriny manerana an’i Amerika Latina”, hoy ny gazetiboky Time, dia lalàna izay “sady mahery no tsy mandaitra” no nasetrin’ireo fitondram-panjakana any an’izany. “Zavatra iray ny fanaovana izay handaniana lalàna”, hoy ny fieken’izy io, “ary zavatra hafa ny fampiharana azy.”

Tombanana fa any Grande-Bretagne, dia planina fanaovana andry maso ny manodidina ny tena, planina maherin’ny 100 000, izay nahafaoka tokantrano efatra tapitrisa, fara fahakeliny, no nisy tamin’ny 1992. Nisy fandaharana nitovy tamin’izany nampiharina tany Aostralia teo antenatenan’ireo taona 1980. Ny zava-kendren’izy ireny, hoy ny Institut Aostraliana Momba ny Fandinihana ny Heloka Bevava, dia ny hampihenana ny heloka bevava, “amin’ny fanatsarana ny fahatsapan’ny olom-pirenena ny fiarovana ny besinimaro, amin’ny fanatsarana ny toe-tsain’ny mponina sy ny fihetsiny raha ny amin’ny fanaovana tatitra heloka bevava sy fisehoan-javatra mampiahiahy eo amin’ny manodidina azy, sy amin’ny fampihenana ny hahamora voan’ny heloka bevava, noho ny fanisiana marika famantarana eo amin’ny fananan’ny tena sy ny fametrahana fitaovana mandaitra fitandroana ny filaminana”.

Televiziona manaraka olika voafetra (circuit fermé) no ampiasaina any amin’ny toerana sasany mba hampifandraisana ny paositry ny polisy sy ny tranombarotra. Caméras vidéo no ampiasain’ny polisy sy ny banky ary ny fivarotana mba hisakanana ny heloka bevava na mba ho fitaovana hamantarana mpandika lalàna.

Atsy Nizeria, ny polisy dia manana toeram-pisavana eny amin’ny arabe migodàna amin’ny fiezahany hisambotra mpandroba sy mpaka fiara an-keriny. Nametraka antokon’olona tao amin’ireo fanaovan-draharaha ara-barotra tsy mety ny fitondram-panjakana mba hiadiana amin’ny fisolokiana. Mampahafantatra ny polisy ny amin’ny fanaovana heloka bevava sy ny olona manan-toetra mampisalasala ireo komity momba ny fifandraisan’ny polisy sy ny fiaraha-monina, komity izay voaforon’ireo mpitarika ao amin’ny fiaraha-monina.

Manamarika ireo mpitsidika an’i Philippines fa, amin’ny ankapobeny, ireo trano dia tsy avela tsy misy miambina, ary koa fa olona maro no manana alika mpiambina. Mampiasa mpiambina mpitandro filaminana ho azy manokana ireo mpandraharaha mba hiarovana ny fandraharahany. Mandeha tsara ny varotra fitaovana iadiana amin’ny mpangalatra fiara. Mitokana any amin’ireo faritanàna na fitambaran-trano voaro mafy ireo olona manam-bola ho amin’izany.

Nanazava toy izao ny gazety The Independent any Londres: “Arakaraka ny ihenan’ny fatokiana ny fanapahan’ny lalàna no itomboan’ny isan’ireo olom-pirenena mandamina ny fiarovana ny fiaraha-monina misy azy.” Ary olona mihamaro hatrany no manana fitaovam-piadiana. Any Etazonia, ohatra, dia tombanana fa ny antsasaky ny tokantrano rehetra no manana basy iray, fara fahakeliny.

Manamboatra tsy an-kijanona fomba vaovao iadiana amin’ny heloka bevava ireo fitondram-panjakana. Manazava anefa i V. Vsevolodov, ao amin’ny Akademian’ny Atitany any Ukraine, fa araka ny loharanon-kevitry ny ONU, dia olona manan-talenta maro aoka izany no mahita “fomba tsy manam-paharoa anatanterahana heloka bevava”, hany ka tsy maharaka an’izany “ny fampiofanana ny mpiasa ao amin’ny fampiharana ny lalàna”. Manodinkodina vola tsy toko tsy forohana ho amin’ny fandraharahana sy ny fanasoavam-bahoaka ireo mpanao heloka bevava kinga, ka mifangaro amin’ny fitambaran’olona izy ireo ary “mahazo toerana ambony ho an’ny tenany ao anatin’ny fitambaran’olona”.

Famoizana fatokiana

Olona mihamaro isa hatrany any amin’ny tany sasany no manjary mino mihitsy aza hoe ny fitondram-panjakana ihany dia anisan’ilay olana. Nanonona ny tenin’ny lehiben’ny vondrona iray miady amin’ny heloka bevava toy izao ny Asiaweek: “Tokony ho 90%-n’ireo olona ahiahina samborinay no polisy na miaramila.” Na marina izany na tsia, ny tatitra tahaka an’io dia nitarika mpanao lalàna iray hanazava toy izao: “Raha ny tenan’ireo izay nianiana fa hanohana ny lalàna no mpandika lalàna, dia ao anatin’ny fahasahiranana ny fitambaran’olona misy antsika.”

Nanakorontana fitondram-panjakana tany amin’ny faritra samy hafa eo amin’izao tontolo izao ireo raharaha mahafa-baraka nandraisana kolikoly nahavoarohirohy manam-pahefana ambony, ka nikiky bebe kokoa ny fatokian’ny olom-pirenena. Ankoatra ny famoizana ny finoana ny fahaizan’ny fitondram-panjakana hanisy lamboridy amin’ny heloka bevava, dia mametraka fisalasalana momba ny fahatapahan-kevitr’izy ireo hanao izany ny olona ankehitriny. Nanontany toy izao ny mpanabe iray: “Ahoana no ahafahan’ireo manam-pahefana ireo miady amin’ny heloka bevava ankehitriny, nefa ny tenan’izy ireo mihitsy aza dia tafalentika lalina ao?”

Miovaova ireo fitondram-panjakana, kanefa mitoetra ny heloka bevava. Na dia izany aza, dia hisy fotoana ho avy tsy ho ela izay tsy hisian’ny heloka bevava intsony!

[Sary, pejy 7]

Zavatra enti-misakana ny heloka bevava: “Caméra” sy efi-jerin’ny televiziona manaraka olika voafetra, vavahady vy mikorisa, sy mpiambina miaraka amin’ny alika voaofana

[Sary, pejy 8]

Mahatonga ny olona higadra ao ambadiky ny varavarany ny heloka bevava

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara