Rehefa Tonga Fitaovam-piadiana ny Teny
“Misy mandefalefa teny [tsy amim-piheverana, NW] ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra”. — OHABOLANA 12:18.
“TAO anatin’ny herinandro vitsivitsy taorian’ny fampakaram-bady no nanombohan’ilay izy”, hoy i Elaine.a “Fanamarihana tsy misy antra, fitenenana manambany, sy ezaka atao mba hampietrena ahy. Tsy nahaleo ny vadiko aho. Afaka nanolana sy nanova ny zava-drehetra nolazaiko izy noho izy kinga saina sy faingam-bava.”
Nandritra ny fanambadiany, i Elaine dia niharana karazam-panafihana an-kolaka izay tsy namela holatra ara-batana ary tsy niteraka fangorahana firy. Mampalahelo fa tsy nihatsara ny tarehin-javatra nisy azy rehefa nandeha ny fotoana. “Maherin’ny 12 taona izao no nivadianay”, hoy izy. “Tsy misy andro mandalo ka tsy anakianany sy anesoesoany ahy, amin’ny fampiasana teny henjana sy maloto.”
Tsy tafahoatra ny filazan’ny Baiboly fa afaka ny ho “zava-dratsy tsy manam-pijanonana (...) sady feno ody mahafaty”, ny lela. (Jakoba 3:8; ampitahao amin’ny Salamo 140:3.) Marina indrindra izany ao amin’ny fanambadiana. “Na iza na iza milaza hoe ‘afaka manapatapaka ny taolako ny kibay sy ny vato, kanefa tsy mampaninona ahy mihitsy ny teny’, dia diso hevitra tanteraka”, hoy ny vehivavy manambady iray atao hoe Lisa. — Ohabolana 15:4.
Mety ho lasibatry ny fanafihana amin’ny teny koa ny lehilahy manambady. “Fantatrao ve hoe manao ahoana ny miara-monina amin’ny vehivavy iray izay miantso anao tsy an-kijanona hoe mpandainga, adaladala sy dondrina, na ratsy kokoa noho izany aza?”, hoy ny fanontanian’i Mike, izay madiva ho tonga amin’ny fisarahana ny fanambadiany an’i Tracy naharitra efa-taona. “Tsy azoko averina eo imason’ny olona mendri-kaja ireo zavatra lazainy amiko. Izany no antony tsy ahafahako miresaka aminy sy ny antony ijanonako ela be any am-piasana. Tsy mampaninona lavitra izany noho ny fodiana any an-trano.” — Ohabolana 27:15.
Noho ny antony tsara no nananaran’ny apostoly Paoly toy izao ny Kristiana: “Esory aminareo (...) ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy”. (Efesiana 4:31). Inona anefa no atao hoe “fitenenan-dratsy”? Avahan’i Paoly amin’ny “fitabatabana” (grika: krau·geʹ), izay milaza fampiakaram-peo fotsiny, izy io. Misy ifandraisany bebe kokoa amin’izay raketin’ilay teny, ny “fitenenan-dratsy” (grika: bla·sphe·miʹa). Raha atao jadona, maneho fitiavan-kampijaly, manivaiva, na manevateva, izy io, dia fitenenan-dratsy izy amin’izay — na amin’ny fivazavazana na bitsibitsihina no amoahana azy.
Ireo ratra entin’ny teny
Afaka mampahalemy ny fanambadiana iray ny fomba fiteny henjana, tsy misy hafa amin’ny onjan-dranomasina izay afaka mikiky vatolampy mafy. “Arakaraka ny hamafiny sy ny fitarany”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Daniel Goleman, “no mahalehibe ny loza. (...) Famantarana loza ny fanakianana sy ny fanamavoana na ny rikoriko amim-pahazarana, satria manondro fa nanameloka mangina ny vadiny ny lehilahy iray na ny vehivavy iray.” Rehefa mihena ny firaiketam-po, dia manjary “mpivady ara-dalàna, fa tsy ara-pihetseham-po” intsony ny lehilahy sy ny vadiny, araka ny filazan’ny boky iray azy. Any aoriana, dia mety ho tsy mpivady intsony mihitsy izy ireo.
Miantraika amin-javatra hafa ankoatra ny fanambadiana anefa ny teny mandevilevy. Hoy ny ambaran’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny alahelon’ny fo mahareraka ny fanahy.” (Ohabolana 15:13). Afaka mitondra vokany manimba lehibe eo amin’ny fahasalaman’ny olona iray ny fihenjanana ateraky ny teny mandratra atao vary raraka sy tsy an-kijanona. Ohatra, nampiharihary ny fandinihana iray notarihin’ny Oniversiten’i Washington (Etazonia) fa ny vehivavy iray izay iharan’ny fanaratsiana tsy an-kijanona dia mety hirona kokoa hahatsiaro ho mangatsiaka, harary tatavia, ho voan’ny vaginite (aretina mahazo ny fivaviana), sy aretim-bavony sy tsinay.
Misy vehivavy maro, izay niaritra famelezana amin’ny teny sy ara-batana, manao fanamarihana fa afaka mandratra kokoa noho ny totohondry ny teny. “Ho sitrana ka hanjavona any aoriana ireo faritra mangana avy tamin’ny tehamaina nomeny”, hoy i Beverly, “kanefa tsy hohadinoiko na oviana na oviana ireo zavatra mahatsiravina nolazainy momba ny fomba fisehoako ivelany, ny fomba fahandroko sakafo, ny fomba fikarakarako ny ankizy.” Be itoviana amin’izany no tsapan’i Julia. “Fantatro fa toa adaladala izany”, hoy izy, “kanefa aleoko izy mikapoka ahy, dia vita hatreo ny amin’iny, toy izay manao ireny tsilaolaon-teny mandratra ireny mandritra ny ora maro.”
Nahoana anefa ny olona sasany no manao teny manindrona sy mandevilevy foana ny olona lazainy fa tiany? Mivaofy an’io fanontaniana io ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany ato amin’itỳ fitohitohizan-dahatsoratra itỳ.
[Teny notsongaina, pejy 4]
“Aleoko izy mikapoka ahy, dia vita hatreo ny amin’iny, toy izay manao ireny tsilaolaon-teny mandratra ireny mandritra ny ora maro”
[Teny notsongaina, pejy 4]
“Fantatrao ve hoe manao ahoana ny miara-mipetraka amin’ny vehivavy iray izay miantso anao tsy an-kijanona hoe mpandainga, adaladala sy dondrina, na ratsy kokoa noho izany aza?”