‘Vetivety Ihany Izany!’ — Ny Fiainako Mitondra Aretin’ny Voa
Mbola tadidiko toy ny hoe omaly, io andro tamin’ny fiandohan’ny Janoary 1980 io. Nasain’ny reniko nandeha nividy mofo tany amin’ny magazay aho, nefa teo am-pialako ny trano indrindra no naneno ny telefaonina. Ny mpitsabo ahy no niantso mba hanome anay ny vokatry ny fitsapana natao tany amin’ny laboratoara. Tampoka teo, dia nigogogogo nitomany i Neny. Teo anelanelan’ny sento no nampitany tamiko ilay vaovao ratsy. Tsy niasa ireo voako. Herintaona na roa taona sisa fara fahabetsany no hiasan’ny voako. Marina ny an’ilay mpitsabo — herintaona tatỳ aoriana dia natao “dialyse” aho.
TERAKA tamin’ny 20 May 1961 aho, ny lahimatoa amin’ny zanaka enina. Fony aho tokony ho enim-bolana, dia nahamarika ra teo amin’ny fivalanan-drano tao anatin’ny tantin-jaza nanaovako ny reniko. Taorian’ny nanaovana fitsapana niitatra, dia fantatra fa syndrome-n’i Alport, kilema hatrany am-bohoka tsy fahita firy, no nahazo ahy. Noho ny antony tsy fantatra, dia matetika no azon’ny tsy fiasan’ny voa ireo lehilahy voan’ilay aretina, aorian’ny fe-potoana sasany. Tsy nilazana izany izahay sy ny ray aman-dreniko, koa tsy nanahy momba ilay aretin’ny voa aho.
Avy eo, tamin’ny fahavaratra tamin’ny 1979, dia nahamarika fofona toy ny an’ny amoniaka tamin’ny fofonaiko aho ny maraina. Tsy tena niraharaha firy izany aho, nefa avy eo dia nanomboka nahatsiaro reraka. Nieritreritra aho hoe narisarisa fotsiny, koa tsy noraharahaiko ilay izy. Tamin’ny Desambra, dia nanao ny fizaham-pahasalamana ankapobe fanaoko isan-taona aho, ary tamin’ny Janoary no nahazo ilay antso an-telefaonina voalaza tetsy ambony.
Teo am-pamiliako ny fiara nankany amin’ny magazay — raha dinihina tokoa mantsy, dia mbola nilain’ny reniko ilay mofo — dia nisavoritaka ny saiko. Tsy nety nino aho fa nitranga tamiko izany. “Valo ambin’ny folo taona monja anie aho e!”, hoy aho niteny mafy. Naka sisiny aho ary nijanona. Nanomboka nahatakatra ny haben’izay nitranga tamiko aho.
“Nahoana no izaho?”
Rehefa nipetraka teo an-tsisin-dalana teo aho, dia nanomboka nitomany. Nirotsaka teo amin’ny tavako ny ranomasoko sady nihiaka toy izao aho: “Nahoana no izaho, Andriamanitra ô? Nahoana no izaho? Miangavy anao aho, aza avela tsy hiasa ny voako!”
Rehefa nandalo ireo volana tamin’ny 1980, dia nahatsiaro narary hatrany aho; ary nanjary feno famoizam-po sady narahin-dranomaso kokoa ny vavaka nataoko. Tany amin’ny faran’ny taona, dia tsy nahatsiaro tena aho ary nandoa matetika noho ny fihandronan’ny loto misy poizina tao anatin’ny rako, izay tsy voatantavan’ireo voako tsy niasa. Tamin’ny Novambra, dia nandeha nanao lasy farany niaraka tamin’ny namana sasany aho. Narary loatra anefa aho ka nipetraka fotsiny tao anaty fiara ny faran’ny herinandro manontolo, sady nangovitra. Tsy afaka nahita hafanana aho, na inona na inona nataoko. Tamin’ny farany, tamin’ny Janoary 1981, dia nitranga ny tsy azo ialana — tsy niasa intsony ny voako. Na hanomboka hanao dialyse aho na ho faty.
Fiainana manao dialyse
Volana vitsivitsy teo aloha, dia nilaza tamiko momba ny karazana dialyse vaovao izay tsy ilana tsindrona sady manadio ny ra any anatin’ny tena, ny mpitsabo ny fianakavianay. Fantatra ho dialyse péritonéale (DP) ilay fomba fitsaboana. Nanintona ahy avy hatrany izy io, satria tsy tia maizina tsindrona aho. Nanjary fomba azo fidina iray afaka miasa tsara amin’ny marary sasany mila dialyse ilay fitsaboana.
Mahagaga fa manana fono iray izay afaka miasa toy ny voa artifisialy iray ny tenantsika. Ny péritoine — fono malamalama sady tantera-pahazavana iray izay mahaforona paosy manodidina ireo taovam-pandevonan-kanina — dia mety ho azo ampiasaina ho tantavana manadio ny ra. Ny atin’io fono io dia misy faritra poaka aty antsoina hoe: cavité péritonéale. Ny péritoine dia toy ny kitapo mikainkona iray ao anelanelan’ireo taova ao anaty kibo.
Toy izao no fomba fiasan’ny DP: Ny ranoka manokana fanaovana dialyse dia apetraka ao anatin’ilay cavité péritonéale amin’ny alalan’ny cathéter (tioba), izay nampidirina tao amin’ny faritra ambany amin’ny kibo, tamin’ny alalan’ny fandidiana. Misy dekstirozy ilay ranoka, ary amin’ny alalan’ny ôsmôzy, dia voasintona handalo ny péritoine hankao amin’ilay ranoky ny dialyse, izay ao anatin’ny cavité péritonéale, ireo loto sy ranoka fanampiny avy ao amin’ny ra. Ireo loto izay tokony ho nariana ara-dalàna ho fivalanan-drano dia ao amin’ilay ranoky ny dialyse izao. Tsy maintsy atao inefatra isan’andro ny fanakalozana — sintonina tsikelikely hivoaka ilay ranoka efa niasa ary avy eo fenoina ranoka vaovao ilay cavité. Maka tokony ho 45 minitra vao vita ilay fanakalozana. Azo lazaina ho toy ny fanoloana menaka izany — sintonina tsikelikely hivoaka ilay tranainy ary soloana vaovao mba hampitomboana ny halavan’ny androm-piainana, ka hanampy ny tena hiasa tsara!
Teo am-piandohan’ny Janoary 1981, dia nampidirina tao amin’ny ilako havanana ambany ilay cathéter nilaina. Avy eo, dia nandalo fampiofanana roa herinandro tamin’ilay fomba fanaovan-javatra aho. Raha tsy atao araka ny tokony ho izy mantsy ilay izy, amin’ny fampiasana teknika aro mikraoby hentitra, ny olona iray dia mety ho voan’ny péritonite — aretina mafy sady mety hahafaty, ateraky ny fidiran’ny mikraoby ao amin’ny péritoine.
Tamin’ny fahavaratra tamin’ny 1981, tokony ho enim-bolana taorian’ny nanombohako ny DP, dia nahazo antso an-telefaonina hafa iray, izay nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiainako, ny ray aman-dreniko.
Fitadiavana voa vaovao iray
Nanomboka tamin’ny Janoary 1981, dia teo amin’ny lisitra nasionaly momba ireo mitady famindrana voa aho.a Nanantena aho fa hiverina tamin’ny laoniny ny fiainako raha anaovana famindrana voa aho. Tsy nahalala izay niandry ahy aho!
Nampahafantatra anay ny antso an-telefaonina teo antenatenan’ny Aogositra, fa nisy mpanome hita. Rehefa niditra hopitaly aho, tokony ho tamin’ny 10 antoandro, dia nakana ra mba hahazoana antoka fa hifanentana tsara amiko ilay voa hafindra. Nomen’ny fianakavian’ny tovolahy iray, izay maty taloha kokoa ny androtr’io, tao amin’ny loza tsy nampoizina iray, ilay voa, mba ho azo ampiasaina.
Nalamina ho amin’ny ampitso maraina ny fandidiana. Talohan’ny nahafahana nanao ilay fandidiana, dia tsy maintsy nokarakaraina ny raharaha lehibe iray, satria Vavolombelon’i Jehovah ny tenako, ka tsy hamela ahy hanaiky fampidiran-dra ny feon’ny fieritreretako voataiza ara-baiboly. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Tonga nijery ahy ilay anestezista tamin’io alina voalohany io. Nampirisika ahy mafy hanaiky ny hanisiana ra efa ao amin’ny efitra fandidiana izy, hatao fiandry fotsiny. Hoy aho hoe: “tsia”.
“Inona no tokony hataoko raha toa ka misy zavatra tsy mety? Hamela anao ho faty?”, hoy izy nanontany.
“Ataovy izay zavatra hafa rehetra tsy maintsy hataonao, fa tsy tokony homena ra mihitsy aho na inona na inona hitranga.”
Rehefa niala izy, dia niditra ireo mpandidy. Niara-nidinika tamin’izy ireo io raharaha io ihany aho, ary soa ihany fa nanaiky izy ireo handidy tsy misy fampiasana ra.
Nisosa tsara ilay fandidiana, izay naharitra adiny telo sy sasany. Nilaza ilay mpandidy fa kely dia kely ny ra very tamiko. Rehefa nifoha tao amin’ny efitra ho an’ireo avy nodidiana aho, dia zavatra telo no tsapako tampoka — voalohany, hanoanana, sy hetaheta ary fanaintainana avy eo! Nisinda ho azy teo anefa izany rehetra izany rehefa nahita kitapo teo amin’ny tany aho, feno ranoka mavo manopy mavokely. Fivalanan-drano avy tamin’ny voako vaovao ilay izay. Namoaka fivalanan-drano aho tamin’ny farany! Rehefa nesorina avy tamin’ny tataviako ilay cathéter, ka afaka nivalan-drano toy ny olon-drehetra aho, dia tena faly.
Tsy naharitra ela anefa ny fifaliako. Roa andro tatỳ aoriana dia nahazo vaovao nahakivy aho — tsy niasa ilay voako vaovao. Tsy maintsy nanohy dialyse indray aho amin’ny fanantenana fa hanome fotoana hiasan’ilay voa vaovao izany. Nanohy dialyse nandritra ny herinandro maromaro aho.
Antenatenan’ny Septambra tamin’izay, ary efa ho iray volana aho no tany amin’ny hopitaly. Valopolo kilaometatra niala tamin’ny tranoko no nisy ny hopitaly, koa sarotra tamin’ireo rahalahiko sy anabaviko kristiana ny namangy ahy. Manina aoka izany ny kongregasiona nisy ahy aho. Nahazo cassettes mirakitra ireo fivorian’ny kongregasiona noraisina feo aho, nefa rehefa nihaino azy ireny, dia kendakenda noho ny fihetseham-po loatra. Nandany ora maro irery niresahana tamin’i Jehovah Andriamanitra tao amin’ny vavaka aho, nangataka tanjaka taminy mba tsy hitsaharana hiaritra. Tsy fantatro tamin’izay fa mbola ho avy ny fitsapana vao mainka sarotra kokoa.
Tsy natahotra ny ho faty
Efa herinandro enina lava be izao no lasa hatramin’ny namindrana ilay voa, ary izao dia niharihary tamim-panaintainana fa nolavin’ny tenako ilay voa. Nibontsina hafahafa ny kiboko; nilaza tamiko ireo mpitsabo fa tokony hesorina ilay voa. Nipoitra indray ny zava-nanahirana momba ny ra. Nanazava ireo mpitsabo fa vao mainka ho sarotra kokoa ny fandidiana tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, satria tena ambany ny isan’ny sela tao amin’ny rako. Nanazava tamim-paharetana nefa tamin’ny fomba hentitra ny toerana notanako miorina amin’ny Baiboly aho, ary nanaiky hanao ilay fandidiana tsy misy fampiasana ra izy ireo tamin’ny farany.b
Taorian’ilay fandidiana, dia niharatsy haingana dia haingana ny toe-javatra. Raha mbola tao amin’ny efitra ho an’ireo izay avy nodidiana aho, dia nanomboka feno ranoka ny havokavoko. Taorian’ny alina manontolo nanaovana dialyse izay tratran’ny aina, dia nihatsara kely aho. Roa andro tatỳ aoriana anefa, dia feno indray ny havokavoko. Nanaraka izany ny alina hafa iray nanaovana dialyse. Tsy mahatadidy zavatra firy momba io alina io aho, fa ny tena tadidiko dia ny raiko teo anilako, nilaza hoe: “Miainà indray mandeha, ry Lee a! Alefaso moa e! Vitanao izany! Miainà indray mandeha. Izay, manohiza miaina!” Reraka aoka izany aho, mbola tsy reraka toy izany mihitsy. Naniry izany ho tapitra fotsiny aho ary hifoha ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Tsy natahotra ny ho faty aho. — Apokalypsy 21:3, 4.
Ny ampitso maraina dia ratsy be ny toe-pahasalamako. Ny hematokritako, ny fatrana liomena tao amin’ny lehan-dra, dia nidina hatrany amin’ny 7,3 — maherin’ny 40 ny ara-dalàna! Tsy nanantena ny hihatsaran’ny toe-pahasalamako ireo mpitsabo. Niezaka imbetsaka izy ireo hampanaiky ahy fampidiran-dra, izay iankinan’ny fahasitranako, hono.
Nafindra tany amin’ny toeram-pitsaboana manokana ho an’ireo marary mafy aho, ary tamin’izay dia nidina hatrany amin’ny 6,9 ny hematokritako. Noho ny fanampian’ny reniko, dia nanomboka niakatra niadana anefa ny hematokritako. Nataony lasa ranon-javatra tao anatin’ny milina fitotoan-tsakafo ny hanina ampoka vy, ka nentiny tany amiko. Niara-nisotro ireny tamiko aza izy mba hampirisihana ahy. Mahatalanjona ny fitiavan’ny reny iray ny zanany.
Rehefa nivoaka ny hopitaly aho tany antenatenan’ny Novambra, dia 11 ny hematokritako. Teo am-piandohan’ny 1987 aho dia nanomboka nandray EPO (erythropoïétine), hormonina sentetika, izay manaitra ny tsokan’ny taolana mba handefa liomena vaovao ao amin’ny fikorianan-dra, ary izao dia tokony ho 33 ny hematokritako.c
‘Vetivety ihany izany, ry Lee a!’
Nanaovana fandidiana lehibe hafa aho tamin’ny 1984, 1988, 1990, 1993, 1995 sy 1996 — vokatry ny voako tsy niasa avokoa izany. Nandritra ireny taona maro niainana voamariky ny aretin’ny voa ireny, dia nanampy mba hanohana ahy ny hevitra iray, hoe: ‘Vetivety ihany izany’. Na inona na inona zava-manahirana antsika, ara-batana na hafa, dia ho voahitsy izany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ao amin’ny tontolo vaovao ho avy. (Matio 6:9, 10). Na oviana na oviana aho miatrika zava-tsarotra vaovao, ka manomboka mahatsiaro fahaketrahana, dia manao anakampo fotsiny hoe: ‘Vetivety ihany izany, ry Lee a!’, ary manampy ahy hametraka ny zavatra amin’ny tena toerany izany. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 4:17, 18.
Nihazona ny zavatra tsy nampoizina lehibe indrindra ho ahy ny taona 1986 — nanambady aho. Nieritreritra aho fa tsy hanambady mihitsy. ‘Iza no mba haniry hanambady ahy?’, hoy aho nanontany tena. Tamin’izay anefa no tonga i Kimberly. Nahita ilay lehilahy tato anatiko izy, fa tsy ilay nihasimba tetỳ ivelany. Hitany koa fa vetivety foana ihany ny toe-javatra nisy ahy.
Tamin’ny 21 Jona 1986, dia nivady izahay sy i Kimberly tao amin’ny Efitrano Fanjakananay teo an-toerana, tao Pleasanton, Californie. Nanapa-kevitra ny tsy hanan-janaka izahay satria manaranaka ilay aretiko. Angamba anefa vetivety foana koa izany. Ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia ho tiako ny hanan-janaka, raha toa ka sitrapon’i Jehovah izany.
Manana tombontsoa manompo amin’ny maha-loholona ao amin’ny Kongregasionan’i Highland Oaks eto Californie aho, ary manompo amin’ny maha-evanjelisitra manontolo andro i Kimberly. Ny fisedrana mafy nahazo ahy tamin’ny 1981 dia nanimba ny tenako ka namela ahy tsy hanan-kery firy. Hatramin’izany fotoana izany, dia voan’ny endriny tsy dia mafy loatra amin’ny syndrome-n’i Alport ny anabaviko, ary azon’ny tsy fiasan’ny voa sy manao dialyse ny roa amin’ireo rahalahiko, izay manana ilay aretina. Tena salama ireo rahalahiko roa hafa.
Manohy ny dialyse péritonéale aho, ary velom-pankasitrahana noho ny fahafahana mihetsika omeny ahy. Mijery ny hoavy amim-panantenana sy amim-pitokiana aho satria, raha dinihina tokoa mantsy, dia vetivety ihany ireo zava-manahirana amin’izao andro izao — ao anatin’izany ny aretin’ny voa. — Notantarain’i Lee Cordaway, izay maty talohan’ny nanaovam-pirinty itỳ lahatsoratra itỳ.
Tsy mampirisika fomba fitsaboana iray manokana ny Mifohaza! Tsy natao mba hisakanana ireo endri-pitsaboana hafa, toy ny hémodialyse, itỳ lahatsoratra itỳ. Misy maha-mety sy tsy maha-mety azy ny fomba tsirairay, ka tsy maintsy manao fanapahan-kevitra araka ny feon’ny fieritreretany ny olona tsirairay avy momba izay fomba fitsaboana hampiasainy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fanapahan-kevitra manokana ny hoe hanaiky taova hafindra aminy ny Kristiana iray na tsia. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1980, pejy faha-30, 31.
b Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny fanaovana fandidiana lehibe tsy misy fampiasana ra, dia jereo ny hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy faha-16-17.
c Fanapahan-kevitra manokana ny hoe hanaiky EPO na tsia ny Kristiana iray. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1994, pejy faha-31.
[Kisary, pejy 13]
Ny fomba fiasan’ny “dialyse péritonéale”
Aty
Tapaka tsinaikely
Cathéter (mandray ny ranoka madio; mamoaka ny ranoka maloto)
Péritoine
Cavité péritonéale
Tatavia
[Sary, pejy 12]
Miaraka amin’i Kimberly, vadiko